Tsy azonao antoka ve raha toa ka sokajiana ho herisetra an-tokantrano ny fihetsika nasehon’ny vadinao na vadinao taloha?

Misy fiahiahiana ve momba ny olon-kafa kanefa tsy mahalala ny fomba azo anampiana azy ireny?

Vehivavy 1 amin'ny 3 no niaina herisetra ao an-tokantrano nandritra ny androm-piainany. Mety hitranga na amin‘iza na amin‘iza izany.

Miseho amin'ny endriny maro ny herisetra ao an-tokantrano ary tsy voatery ho ara-batana.

Matetika ny mpanao herisetra dia toa olona tsara fanahy, malala-tanana ary mpanaja.

Te hahafantatra bebe kokoa

Natao ho an‘ny olona rehetra na lahy na vavy ity tranokala ity.

Eto anivon‘ny Women for Women France dia tsapanay ny voka-dratsin’ny ateraky ny fampiasana karazana fiteny mahazatra rehefa hoe lehilahy no iresahana na koa hoe vehivavy. 

Na izany aza, mba hahazoana antoka fa afaka miditra ato amin‘ny tranokalanay ny rehetra,, anisan'izany ireo zatra mampiasa efijery rehefa mamaky teny, na koa ireo olona manana olana amin‘ny famakian-teny, dia tsy maintsy nampiasa teny fampiasa rehefa miresaka amin‘ny lehilahy, na amin‘ny vehivavy izahay, rehefa tsy nahita teny sady azo ampiasaina amin‘ny lehilahy no ampiasaina amin‘ny vehivavy koa.

Ny ankamaroa‘ny herisetra ao an-tokatrano, dia ny lehilahy no mampijaly ny vehivavy, ka izany no nahatonga anay ohatran‘ny hoe mamantana ny resaka amin‘ny vehivavy foana.

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony