Mijery miafina

Raha tsy tianao hiseho ao amin‘ny historikanao io tranonkala io, dia amporisihina ianao hanohy hampiasa ny maody ‘Privé / Incognito’ ary hamafa ny historikanao ao amin‘ilay navigateur nampiasainao aveo. Eto dia hazavainay ny dingana arahina arakaraka ny navigateur ampiasainao.

Google Chrome

Mba hiovana ho amin‘ny fijerena miafina: raha vao voasokatrao ny Chrome dia klikeo eo amin‘ilay icône-na menu (teboka telo mitsangana eo amin‘ny ambony havanan‘ny fenêtre-nao) avy eo dia klikeo eo amin‘ny Nouvelle fenêtre de navigation privée

Mba hamafana ny historikanao: Klikeo ny icône-na menu, avy eo dia klikeo ny Plus d‘outils > Effacer les données de navigation.

Safari

Mba hiovana ho amin‘ny fijerena miafina: raha vao voasokatrao ny Safari dia mandehana any amin‘ny barre de menu-n‘ny Macbook-nao ary klikeo ny File > New private window.

Mba hamafana ny historikanao: Eo amin‘ny barre de menu-n‘ny Macbook, klikeo ny Historique > Effacer historique.

Mozilla Firefox

Mba hiovana ho amin‘ny fijerena miafina: raha vao voasokatrao ny Mozilla Firefox dia klikeo eo amin’ny icône-na menu (bara telo mirazotra eo ambony havanana amin’ny fenêtre-nao) dia klikeo eo amin’ny Nouvelle fenêtre de navigation privée

Mba hamafana ny historikanao: Klikeo ny icône-na menu ary avy eo dia klikeo ny Historique > Effacer historique récent.

Microsoft Edge

Mba hiovana ho amin‘ny fijerena miafina: Raha vao voasokatrao ny Microsoft Edge dia klikeo ny icône-n’ny paramètres (teboka telo mitsivalana eo amin’ny ambony havanan’ny fenêtre-nao) avy eo dia klikeo ny Nouvelle fenêtre InPrivate window.

Mba hamafana ny historikanao: klikeo ny icône-n‘ny paramètres ary avy eo dia klikeo ny Vie Privée > Effacer les données de navigation > Choisir les éléments à effacer

Afaka mampiasa raccourci amin‘ny kitendry koa ianao hanokafana fenêtre incognito:

  • Ho an’ny système d’exploitation Windows, Linux, ary Chrome dia: Tsindrio ny Ctrl+Shift+N
  • Mac: Tsindrio ny Commande ⌘ + Shift + N

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony