Filazana momba ny lalàna

Mpanao fanintsiana tranonkala

Ny tranonkala www.womenforwomenfrance.org dia navoakan'ny Women for Women France izay fikambanana iray fehezin'ny lalàna frantsay araka ny lalàna tamin'ny 1 Jolay 1901.

Laharana SIRET: 848 317 517 00029
Birao Foibe: 18 rue Ramus, 75020 PARIS
Adiresy mailaka: [email protected]
Talen'ny famoahana: Yasmine El Konti, Filoha

Mpanome tolotra

Mampiantrano: Microsoft Azure
Fampandrosoana sy fikojakojana: Talan
Sata grafika: Fringe22
Dikan-teny LanguageWire

Fepetra fampiasana

Ireo Fepetra sy Zavatra arahina ankapobeny amin'ny Fampiasana (“GCU”) an'ny tranokalan'ny Women for Women France (“WFWF”) ireo, azo idirana amin'ny rohy www.womenforwomenfrance.org (ny “Site”), dia mifehy ny fampiasanao (“User” na “You” ”) fampiasana ny Site. Mba hahatafiditra anao ao amin‘ilay tranokala, dia mila manaiky avy hatrany ireo Fepetra ao ianao. Aza miditra amin‘ilay Tranokala ianao raha tsy vonona hanaiky ireny fepetra ireny.

  1. Rohy Hypertext

    Tsy fehezin‘ny fifanarahana natao tany aloha ny fametrahana ny rohy ao amin‘ny Tranokala.

    Manome rohy maromaro mankany amin‘ny tranokala samy hafa ny Tranokala. Natao hanamorana ny fahitan‘ireo mpampiasa loharanon-kevitra hafa, mikasika ny lohahevitra nojerena izany. Tsy mamatotra ny WFWF velively ny fisian’izy ireny, eny na ny vontoatiny aza satria tsy manana fomba hifehezana ireny tranokala ireny ny fikambanana.

  2. Fananana ara-tsaina

    Amin'ny fotoana rehetra dia ny WFWF ihany no tompony (i) ny tranokala, ao anatin'izany ny aritmetika, ny foto-kevitra rehetra, ny teknika sy ny fanatsarana, ny fananana ara-tsaina rehetra amin‘ny ankapobeny izay novokarina, sy novolavolain‘nyWFWF tamin'ny fotoana rehetra (ii) ny vontoatiny manontolo amin'ny Tranokala, na lahatsoratra na singa hita maso, ary ny zon'ny fananana ara-tsaina rehetra mifandraika amin'izany, afa-tsy ny marika, logo na vontoaty an'ny fikambanana mpiara-miasa hafa na mpanoratra voatonona ary, amin'ny ankapobeny, (iii) ny fananana ara-tsaina, vontoatiny, teknolojia, fitaovana rindrambaiko, maodely, kaody azo ampiasaina indray sy/na jenerika ary fitaovana mifandraika novolavolain'ny WFWF amin'ny fotoana rehetra ho an'ny asany.

    Voarara tanteraka raha tsy misy ny faneken'ny WFWF ny famokarana, ny fizarana, ny fanovana, ny famerenana, ny fandefasana indray na ny famoahana izany, na dia ny ampahany aminy aza. Midika ho tsy fanajana sy fanitsakitsahana ny zon‘ny mpamorona, izay mety hampiditra amin‘ny raharaha sivily sy heloka bevava ny tsy fanarahana an'io fandraràna io.

    Manana ny zo rehetra tsy nomena Anao eto ny WFWF. Mba hialana amin‘ny fisalasalana dia avela hiditra amin‘ny Tranokala ianao kanefa tsy manome alalana Anao hampiasa ny vontoatiny, ny rindrambaiko, ny marika na ny logos ny WFWF.

  3. Fetran'ny andraikitra

    Mampiasa ny fomba rehetra ananany ny WFWF mba hiantohana fa azo itokisana ny zavatra rehetra navoaka ato amin'ny Tranokala. Na izany aza, mety hisy fahadisoana na ny tsy fahampiana, ka ajaranao ny manao izay ahazoanao antoka fa marina ny fanazavana voaangona.

    Araka izany dia avoaka toy "ny fahitana azy" ilay tranokala. Araka ny voalazan'ny lalàna dia tsy manome antoka, mazava, mifono, manara-dalàna na hafa (anisan'izany, fa tsy voafetra amin'ny, fiantohana amin‘ny fahafahana mivarotra, mety amin'ny tanjona manokana, ary tsy ho amin‘ny fanitsakitsahana) ny WFWF. Tsy manome antoka ny WFWF fa ny fampandehanana ny Tranokala dia tsy ho tapaka, ho azo antoka, na tsy misy hadisoana, na hoe ahitsy ny fahadisoana ao, na koa hoe hahomby foana ilay rafitra. Tsy tompon'andraikitra amin'ny fampiasanao an'ity fampahalalana ity na amin'ny fatiantoka mivantana na vokatry ny fahavoazana mety hitranga amin'izany ny WFWF. Amin‘ny nahim-ponao manokana no ampiasanao ny tranokala, ary Ianao no tompon'andraikitra amin'ny fanajana ny lalàna, ny fitsipika ary ny lalàna rehetra eo an-toerana, anisan'izany ny fitsipika eo an-toerana mifandraika amin'ny fitondran-tena manoloana ny aterineto sy ny vontoatiny azo avoaka. Araka ny lalàna manan-kery, (1) ny WFWF dia tsy ho tompon'andraikitra mihintsy amin'ny fahavoazana manokana, ankolaka, vokatr'izany, na hafa mitovy amin'izany (na inona na inona antony na andraikitra fototra, na amin'ny fifanarahana, disadisa (anisan'izany, fa tsy voafetra amin'ny, tsy firaharahiana) na hafa) ary tsy tompon'andraikitra ny WFWF amin'ny fahavoazana na inona na inona, vokatry ny tranga manan-danja na hetsika ataon'ny ankolafy fahatelo na raha tsy izy ireo; ary (2) Ny andraikitry ny WFWF manontolo sy mitambatra amin'izay mety ho fandaniana rehetra, noho ny fatiantoka na ny fahasimbana noho ny fampiasana ny tranonkalanay, ka mitaky na mitory momba izany ilay nampiasa, dia tsy mihoatra ny 250 EUR ny vola alohanay.

  4. Tsy misy

    Novolavolaina sy nohatsaraina hatrany ny vontoatiny sy ny fiasan‘ny Tranokala. Araka izany, ary araka ny fanapahan-kevitry ny WFWF irery ihany, dia mety ovaina, esorina vonjimaika ary/na ajanona ny fomba fiasa sasany (na atao, na tsy atao hoebeta aza izany). Ra toa ka misy zavatra nanjavona tampoka, vetivety na mety tsy hita intsony mihintsy ao amin‘ilay tranonkala, dia tsy tompon'antoka amin'izany ny WFWF.

  5. Fanintsiana

    Afaka manova na manavao ny GCU amin'ny fotoana rehetra, amin'ny fanapahan-keviny manokana ny WFWF, ary tonga dia manan-kery izany GCU WFWF novaina izany raha vantany vao apetraka ao amin'ny Tranokala. Raha mbola manohy mampiasa ny Tranokala ianao ao ahorianan‘ireo fanovana izay natao, dia midika izany fa ekenao izany fanovana izany. Raha ara-pitaovana ny fanovana ataonay, dia ho hazavainay aminao ny antony (ohatra, amin'ny alàlan'ny fandefasana fampahafantarana momba ny fanovana toy izany ao amin'ny tranokala). Raha tsy manaiky ny GCU novaina ianao, dia azonao atsahatra ny fampiasanao ny Tranokala.

  6. Lalàna

    ​Fehezin’ny Lalàna Frantsay ireo Fepetra sy Zavatra arahina ato anatin‘ny fikambanana ka ny fandikana izany dia mety hiafara amin‘ny sazy eny amin‘ny fitsarana.

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony