Zo ipetraka ara-dalana any Frantsa

Mamandrika ny fisalasalana momba ny zonao ipetraka ara-dalana any Frantsa raha miala amin'ny vadinao mpanao hery setra ianao. Miezaha ny tsy ho kivy fa misy foana ny vahaolana.

Ny vondrom-panontaniana momba ny fifindra-monina dia natao hanampiana anao hamantatra ny karazana zo azo angatahana ra te ipetraka any frantsa ianao.

Natokana fotsiny ho an‘ireo olona any Frantsa amin‘izao fotoana izao ity fanontaniana ity, na manana zo ipetraka eo an-toerana manan-kery na tsia.

Tsy mitonona anarana rehefa mamaly ny fanontaniana.

Ny fangatahana fialokalofana dia dingana iray ahafahan'ny olona teraka ivelan'i Frantsa mahazo sata mpitsoa-ponenana na mahazo fiarovana manokana iadiana amin'ny fanenjehana na ny mety hisian'ny fanenjehana any amin'ny firenena niaviany.

Raha tsy any Frantsa ianao amin'izao fotoana izao ka very na nisy nangalatra ny “titre de séjour” anao na ny fahazoan-dàlana ipetrahana any an-toerana, dia azonao atao ny mangataka taratasy antsoina hoe “visa de retour” eny amin’ny kaonsiolà frantsay mba hahafahanao miverina any Frantsa.

Raha toa ianao manana taratasy fifindra-monina manan-kery antsoina hoe “titre de séjour” ary nisy nangalatra na very izany raha tany Frantsa ianao dia azonao atao ny mangataka antontan-taratasy atao hoe “duplicata” avy amin’ny manampahefana eo an-toerana.

Raha tsy te-hijery raha mahafeno fepetra ianao amin’ny famenoana fanontaniana momba ny fifindra-monina tsy mitonona anarana, dia azonao atao ny mitety ny fepetra fototra na “fondements” izay mety hamela anao hahazo zo ipetrahana any Frantsa. Tafiditra ao anatin'izany ihany koa ny safidy maromaro ho an'ireo olona niharan'ny herisetra ao an-tokantrano.

Mihatra ho an’ny olona efa any Frantsa irery ihany ireo.

Raha tsy ao anatin‘ireo fepetra ireo ianao dia azonao atao ny manatona matihanina mikasika ny fifindra-monina izay hijery akaiky ny ny toe-javatra misy anao ary hamaritra izay safidy hafa mety ho azonao.

Ny "titre de séjour" na fahazoan-dalana ipetraka eo an-toerana dia omena ho an’ireo olona izay nahazo fiarovana araka ny lalàna na "ordonnance de protection" avy amin’ny mpitsara frantsay, na izany noho ny herisetra tao an-tokantrano na fandrahonana ho amin’ny fanambadiana an-tery.

Ny olona manambady teratany frantsay ary tonga any Frantsa na manana zo hipetraka any Frantsa noho ny fanambadiany, dia afaka mitazona ny zony hipetraka any an-toerana raha tsy miara-mipetraka amin'ny vadiny intsony izy ireo satria niharan‘ny herisetra tao an-tokantrano na anaty rafitra manana vady maro.

Raha toa ianao ka manao fiaraha-mipetraka sivily frantsay fantatra amin‘ny hoe “Pacs” na firaisa-monina, ary ny fahazoan-dalana ipetraka eo an-toerana na “titre de séjour”-nao dia miankina amin'ny fepetra hoe miara-mipetraka amin’ny vadinao ianao, dia azonao atao ny manasongadina ny herisetra an-tokantrano niainanao, ary mety ho azonao atao ny mitazona ny zonao hipetraka eo an-toerana raha misy fisarahana.

Ny olona misitraka ny zo ho amin‘ny fampihaonana ny fianakaviana na “regroupement familial” dia afaka mitazona ny zony hipetraka eo an-toerana, raha tsy miara-mipetraka amin'ny vadiny intsony izy ireo satria efa niaina herisetra tao an-tokantrano.

Ny vadin‘ny olom-pirenana avy amin‘ny Vondrona Eoropeana dia afaka mitazona ny zon'izy ireo hipetraka raha toa ka nandray andraikitra ny tsy hiara-mipetraka amin'ny vadiny izy ireo satria niaina herisetra tao an-tokantrano.

Ny vadin‘olona izay misitraka fiarovana iraisam-pirenena dia afaka mitazona ny zony hipetraka eo an-toerana rehefa tsy miara-mipetraka amin'ny vadiny intsony izy ireo, raha toa ka niharan‘ny herisetra an-tokantrano izy.

Ny fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour” dia azo omena raha toa ka ray aman-drenin'ny zaza frantsay iray latsaky ny 18 taona fara fahakeliny monina any Frantsa ianao, ary raha mandray anjara amin'ny famelomana sy fanabeazana azy ireo.

Ny fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour” dia azo omena ny olona izay mipetraka ao Frantsa raha afaka maneho izy ireo fa manana fifandraisana manokana sy ara-pianakaviana maharitra, akaiky sy mari-pototra amin’i Frantsa.

Ny fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour” dia azo omena ny olona izay marary sy mila fitsaboana any Frantsa.

Ny fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour” dia azo omena ny olona izay manaraka zaza marary mila fitsaboana any Frantsa. Mety ho ny reniny, ny rainy na ny olon-kafa manana fahefana amin‘ny maha ray aman-dreny azy izany.

Ny fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour” dia azo omena ny olona izay manana fifanarahana arak’asa any Frantsa, na izy ireo efa manana “titre de séjour” na tsia.

Ny fahazoan-dalana ipetraka eo an-toerana na “titre de séjour” dia azo omena ny olona izay efa manana zo hipetraka eo an-toerana ary maniry ny hiasa mahaleo tenana hanangana ny orinasany manokana any Frantsa.

Ny fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na ny “titre de séjour”, dia azo omena ireo olona izay miara-miasa amin’ny fitsarana amin’ny alalan’ny fitoriana na fijoroana vavolombelona momba ny fanondranana olona an-tsokosoko sy/na ny asa fivarotan-tena.

Ny antontan-taratasy manome ny zo hijanona ao Frantsa, fantatra amin'ny anarana hoe “titre de séjour”, na fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana dia mety hatolotra ny olona izay ao anaty toe-javatra misy idirany amin’ny fivarotan-tena, ary izay manaraka fandaharan‘asa manokana miaraka amin’ny fikambanana izany nomena alalana manokana mba hitantana izany, fantatra amin’ny hoe “association agréée”.

Ny fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour” dia azo omena ny olona izay afaka manaporofo fa efa niaina tao Frantsa tsy tapaka izy mihoatra ny 10 taona, na manana na tsy manana zo hipetraka eo an-toerana.

Ny zo hahazo fialokalofana dia zo ahafahan'ny olona teraka ivelan'i Frantsa mahazo sata mpitsoa-ponenana, na mahazo fiarovana manokana iadiana amin'ny fanenjehana na ny mety hisian'ny fanenjehana any amin'ny firenena niaviany.

Raha efa mipetraka any Frantsa ka manana zo ipetrahana any an-toerana manan-kery mandritra ny dimy taona farafahakeliny ianao, na telo taona monja ho an'ny zom-pirenena sasany, dia azonao atao ny mangataka fahazoan-dàlana ipetraka any an-toerana izay fantatra amin'ny anarana hoe “carte de résident” izay manan-kery mandritra ny folo taona. Mety homena anao izany raha toa ka mahafeno fepetra ianao.

Fijoroana vavolombelona

Nandao an‘i Japàna izahay mba hanakaiky kokoa ny fianakaviam-badiko. Nanomboka ny herisetra taoriana kelin’ny nahatongavanay. Indrisy anefa, satria mipetraka any Frantsa izao ny zanako zao, dia tsy nahazo alalana ny hiala tany miaraka aminy aho, araka ny lalàna frantsay. Ny vadiko no niantoka ny fahazoan-dalana hipetrahako any, ka natahotra ny ho voaroaka miala lavitra ny zanako aho raha nandao azy. Hitako avy eo fa nisy fahazoan-dalana hipetrahana manokana ho an’ireo niharan’ny herisetra ao an-tokantrano, ary satria teratany frantsay ny zanako ary mandeha mianatra, dia afaka mijanona any Frantsa aho. Ankehitriny, taona maromaro tatỳ aoriana, dia faly aho hoe soa fa tsy mora kivy aho tamin‘ireny. Voaharo tsara izahay sy ny zanako amin‘izao, ary nahazo vady vaovao tena mahafinaritra izay tena mitondra ahy sy ny zanako am-panajana sy amin-katsaram-panahy tokoa.

“Aïko” - Japana - 42 taona

Tsy ara-dalàna ny nipetrahako teto ary nanomboka nampiasa izany hamelezana ahy ny vadiko. Nanjary tafahoatra ny herisetra, kanefa tsapako hoe tsy afa-manoatra aho. Hoy izy tamiko hoe izy irery ihany sisa no afaka manampy ahy amin‘ny hijanonako any Frantsa ary nandrahona ny hitory ahy eny amin‘ny manampahefana izy raha toa miala aminy aho. Soa ihany fa na dia tsy nisy taratasy aza aho, dia afaka nahazo fiarovana araka ny lalàna, izay nanome ahy zo hahazo fahazoan-dàlana hipetraka eo an-toerana. Maivamaivana ery aho fa afaka nahazo ny taratasiko ary tsy mitebiteby foana. Amin'izao fotoana izao raha sendra mahita azy aho satria manana namana iraisana izahay, diatiako ny mijery azy tsara amin‘ny masony mba hampisehoako fa tsy afaka manjakazaka amiko intsony izy. Mahery noho izany aho.

“Leïla” - Alzeria- 26 taona

Rehefa tonga tany Frantsa aho, dia nijanona mihoatra ny visa ho an'ny mpizaha tany, ary nihevitra fa… mpifindra monina tsy ara-dalàna. Tsy afaka niverina nody aho noho ny antony maro tsy tiako resahina eto. Tsy nanam-bola ary tsy manana zo hiasa. Nivaro-tena aho nandritra ny taona maro. Rehefa tsy te hanao izany intsony aho, dia hitako fa afaka mahazo fahazoan-dàlana hipetraka ianao, raha miaraka amin'ny fikambanana iray afaka manampy ny olonahiala amin'ny fivarotan-tena. Nanoro hevitra ahy izy ireo ary nanampy ahy tamin'izany dingana izany. Nahita asa vaovao aho amin‘izao, ary afaka nahazo visa ahafahana mipetrahana maharitra eto.

“Beth” - Etazonia - 55 taona

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony