Fahafahana miditra

Nataon‘ny Women for Women France laharam-pahamehana ny fahafahana miditra malalaka ao amin’ireo sampan-draharaha misy ao aminy.

Nisy fikarakarana manokana natao mba hahafahan‘ny mpampiasa ny tranonkala www.womenforwomenfrance.org
mahatakatra sy mampiasa amin‘ny fomba tsotra izany, anisan‘izany ireo olona manana fahasembanana.

Io tranonkala io di novolavolaina araka ny tolo-kevitry ny General Government Accessibility Guidelines (RGAA) sy ny W3C standards, indrindra fa ny ampahany antsoina hoe “Web Content Accessibility Guidelines (WCAG)”.

Nojerenay manokana ny fisafidianana tarehin-tsoratra sy ny fifanoheran-doko.

Isaky ny pejy iray dia azonao atao ny:

  • mitety habaka amin‘ny fitaovana ampiasain‘ny olona misy fahasembanana ara-pahitana (synthèse vocale na afficheur braille)
  • Mitety habaka tsy mampiasa totozy, amin‘ny alalana kitendry fotsiny na amin‘ny alalana efijery kasihina
  • Halehibeazo amin‘ny alalan‘ny kitendry na ny totozinao ny endri-tsoratra araka izay mampahazo aina anao.

Azo ampifanarahina amin‘ny habena efijery rehetra io tranonkala io, na inona na inona fitaovana ampiasaina (solosaina, tablety, telefaonina).

Ny ekipanay dia manolo-tena hanatsara hatrany ny fahafahana miditra amin’ny tranonkalanay mba hahafahan’ny rehetra mahita ny fampahalalana ilainy.

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony