Fisintahana, fisaraham-panambadiana, fitazomana ny zaza

Mety hanahirana be tokoa ny lalàna momba ny fianakaviana any Frantsa, indrindra rehefa tranga iraisam-pirenena izany. Amin'ity fizarana itydia azavaina ny fomba fiasan'izy rehetra, ny tokony hataonao, ary ny fomba hahitana mpisolovava hanohana anao, na manao ahoana na manao ahoana ny vola eo antananao.

Raha te hisara-panambadiana ara-panjakana any Frantsa ianao, dia afaka misafidy karazana fomba fisaraham-panambadiana maro. Tena ilaina ny manomana mialoha sy miaraka amin‘ny mpisolovava manam-pahaizana manokana momba ny lalàna iraisam-pirenena tsy miankina, raha misy zavatra idiran‘ny firenena hafa mifandray amin'ny raharaham-panambadianao.

Miankina amin'ny zom-pirenenao, ny zom-pirenen'ny vadinao, ny firenena nanaovanareo mariazy, ary ny firenena tena ipetrahanao matetika, dia mety hanana safidy ianao rehefa tonga any amin'ny firenena hangatahanao fisaraham-panambadiana.

Miovaova arakaraka ny firenena resahina ny fahazoana fisaraham-panambadiana nomena tany Frantsa ka ankatoavina any amin‘ny firenena any ivelany. Samy manana ny fombany manokana hankatoavana didim-pitsarana mikasika ny fisaraham-panambadiana avy any ivelany ny firenena tsirairay. Raha nisara-panambadiana tany Frantsa ianao dia mety mila mangataka firenena hafa hanaiky ny didim-pitsarana mikasika ny fanambadiana mba hampiharina izany any.

Raha nisara-panambadiana tany amin'ny firenena hafa ankoatra an'i Frantsa ianao, ary manana kopia nahaterahana sy/na taratasy fanamarinana ny fanambadiana natao tany Frantsa, dia tokony soratanao any Frantsa koa ny fisaraham-panambadianao.

Raha nisara-panambadiana tany ivelany ianao ary mila mampihatra ny didim-pitsarana momba ny fisaraham-panambadianao any Frantsa, dia ilaina ny mitondra ny raharaha eo amin’ny fitsarana any Frantsa mba hahazoana “exequatur” mikasika ny fisaraham-panambadiana.

Any Frantsa diamitaky ny mpivady hifanome fanampiana ara-bola sy ara-materialy ny lalàna raha ilaina izany. Raha ao anatin‘ny raharaha fisaraham-pananambadiana ianao dia afaka mangataka fanampiana ara-bola amin‘ny vadinao.

Raha toa ianao ka manao fiaraha-mipetraka sivily frantsay na “Pacte civil de solidarité (Pacs)” ary te hanapaka izany dia mazàna vetivety ny fanaovana izany. Raha tsy mila ny faneken’ny vadinao amin’ny alalan’ny “Pacs” ianao.

Ny mpanao herisetra dia mametraka paikady hanaratsiana ny olona nanaovany herisetra, ary matetika izy ireo no mampiasa ny rafi-pitsarana hanohizana ny herisetra ataony. Na dia eo aza izany, ny mpitsara, ny polisy, ny haino aman-jery ary ny fiarahamonina dia manomboka mahafantatra ireo tetika sy fomba fanodinkodinana ireo.

Any Frantsa, raha misy fisintahana na fisaraham-panambadiana, dia mbola manana zo sy adidy amin'ny zanany foana ny ray aman-dreniny, fantatra amin'ny anarana hoe “autorité parentale”. Raha ny marina, dia mahalana vao mitranga ny hoe esorina amin'ny ray na reny ireo zo ireo, eny fa na dia amin'ny tranga hoe nisy herisetra tao an-tokantrano aza.

Na dia nisaraka aza dia tsy maintsy manohy manome vola ny amin‘ny lany mifandraika amin‘ny zanany ny ray aman-dreny. Mety hangataka ilay ray aman-dreny iray hanome vola ny ray aman-dreny ankilany ny mpitsara, izay sokajiana ho vola arotsaka amin’ny fanabeazana sy fikolokoloana ilay zaza na “contribution à l’entretien et à l’éducation de l’enfant”, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe “pension alimentaire”.

Raha manahy ianao hoe hitondra ny zanakao any ivelany, na hitazona azy any ny vadinao na ny vadinao taloha, kanefa tsy nanaiky izany ianao, dia manaova zavatra haingana. Misy vahaolana hisorohana ny fitondrana ny zanakao any ampitan-dranomasina, raha toa ka tsy nanaiky izany ianao.

Ara-dalana be raha te hiverina any amin'ny tanindrazanao ianao rehefa avy niharan'ny herisetra. Na izany aza, raha te hifindra any ampitan-dranomasina miaraka amin'ny zanakao ianao, dia tsy maintsy mahazo ny faneken'ny ray aman-dreny ankilany na ny mpitsara, na inona na inona lamina momba ny fitazomana zaza efa napetraka.

Ny mpanao herisetra dia mametraka paikady hanaratsiana ny olona nanaovany herisetra, ary matetika izy ireo no mampiasa ny rafi-pitsarana hanohizana ny herisetra ataony. Na dia eo aza izany, ny mpitsara, ny polisy, ny haino aman-jery ary ny fiarahamonina dia manomboka mahafantatra ireo tetika sy fomba fanodinkodinana ireo.

Raha tsy azonao ilay fanomezana ara-bola napetraky ny mpitsara tao anatin'ny raharaha mahakasika ny fisaraham-panambadianao sy/na ny lamina amin'ny fitazomana ny zaza, dia misy vahaolana hanerena ilay ankilany handoa izany.

Raha tsy manaraka ny fepetra napetraka momba ny fitazomana ny zaza ilay ray aman-dreny ankilany, na miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreny iray ny ankizy na mipetraka mifandimby eo amin’ny ray aman-dreniny, dia mandika lalàna izy ireo. Misy ny vahaolana.

Raha toa ka tsy manaja ny fizaram-pananana tapaka nandritra ny fisaraham-panambadiana ilay vadinao taloha na tsy mandoa ny vola nangatahan’ny mpitsara, izay fantatra amin’ny anarana hoe fandoavana onitra na “prestation compensatoire” dia misy ireo vahaolana.

Raha lasa any ivelany miaraka amin'ny zanakao ny rainy na ny reniny, na koa mihazona azy ireo any ivelany nefa tsy nifanaiky ianareo, dia fakàna an-keriny ny zaza ho any amina firenena hafa izany. Misy vahaolana hamerenana ny zanakao any Frantsa.

Fijoroana vavolombelona

Taorian'ilay herisetra dia zavatra iray ihany no tao an-tsaiko: hiverina hody any Brezila miaraka amin‘ny zanako. Valaketraka aho rehefa nahafantatra fa tsy afaka miala aho raha tsy nahazo alalana avy amin’ny rainy, na dia efa voaheloka ho nanao herisetra tao an-tokantrano aza izy. Mandra-pahatongan'izany, dia miara-mipetraka amiko ny ankizy, ary rehefa misy mpanara-maso ihany zay vao afaka mitsidika azy ny rainy. Koa satria moa tsy mahita asa mifandraika amin‘ny ataoko aho eto dia tokony miverina any amin‘ny fireneko aho. Vao nanomboka dingana araka ny lalàna vaovao aho mba hahazoana ny fanomezan-dàlana hody any aminay miaraka amin'ny zanako.

“Elza” - Brezila - 42 taona

Tsy nampoiziko ho lava sy sarotra ilay fisaraham-panambadiana – haingana kokoa izany any amin‘ny firenena niaviko! Niandry taona maro be mihitsy vao tanteraka ny fisaraham-panambadiana. Ampiasain‘ilay vadiko taloha foana ny rafi-pitsarana frantsay mba handratrana ahy. Nataony izay azony atao mba handeha miadana eny ny zavatra rehetra. Niampanga lainga momba ahy izy ary koa satria moa izy teratany frantsay sy tena olona hajaina fatratra dia vitany koa aza ny nitaona olona hafa hijoro ho vavolombelona mandainga mikasika ny tenako, eny _ ana dia mbola tsy nifanatri-tava tamin‘ireny olona ireny aza aho! Tena nanahiran-tsaina ny nizaka izany. Soa ihany fa nanana mpisolovava mahay aho. Niditra tamin‘ny vondrona mpanohana amin‘ny aterineto natokana ho an'ny olona miteny anglisy ihany koa aho, tena nanohana tokoa izy ireo.

“Alice” - Kanada - 49 taona

Herintaona ny zanakay no nisaraka izahay. Nanomboka teo dia tsy maintsy nandoa vola isam-bolana ny vadiko taloha mba hanampiana ahy ara-bola. Rehefa afaka volana vitsivitsy dia tsy nandoa tsotra izao fotsiny izy. Sahiran-tsaina be aho, saingy afaka nahita vahaolana aho raha nifandray tamin'ny Caf. Ankehitriny, mahazo volan-jaza amin’ny alalan’i Aripa aho, ary tsy manana ahiahy intsony aho mikasika ny faktiora tsy voaloa. Tsapako ho maivamaivana aho.

“Annelies” - Belzika - 30 taona

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony