Ny asanay

Ny asa ataonay dia mampahery ireo teratany vahiny iharana herisetra an-tokatrano any Frantsa mba hahafahany maneho ny zony, hamerina amin‘ny laoniny ny fahaleovantenany, ary hivelarany.

Fa nahoana?

Vehivavy 1 ao anatin‘ny 3 no hiharan‘ny herisetra ao an-tokantrano mandritra ny androm-piainany

Tena marefo ny teratany vahiny rehefa miatrika herisetra an-tokantrano.

Hery sy fifehezana

Ny famaritana mazava indrindra ny herisetra an-tokantrano dia hoe fifehezana an-tery.

Ny mpifehy an-tery dia manana fomba maro hifehezana sy hanjakazakana amin‘ny vadiny izay teratany vahiny amin‘ny alalan‘ny fampisarahana azy amin‘ny fiarahamonina, ary amin‘ny tsy famelana azy hanana fahaleovan-tena ara-bola sy ara-pitantanana.

Rafitra maro loha anankiray 

Ny fikarohana nataon‘ny Fitondram-panjakana frantsay sy ny Filankevitr‘i Eoropa dia nahita fa sarotra sady manahirana be ny rafitra frantsay momba ny fahafahana ho voaro, ny fitsarana, ary ny manodidina ny herisetra an-tokatrano na dia ho an‘ireo niharana herisetra teraka sy lehibe tany Frantsa aza.

Ny fikarohana nataon‘ny Women for Women France dia nahita fa ny olona izay tsy lehibe tao Frantsa sy/na tsy miteny frantsay dia miatrika olana lehibe hafa amboniny, ary vitsy ny toerana azony aleha mba hanampy azy.

Novolavolaina vehivavy teratany vahiny, ho an‘ny teratany vahiny .

Ny fandaharan‘asanay

Mifantoka amina tanjona iray ny Women for Women France: Fanatsarana ny fiainan‘ny olona rehetra miatrika herisetra an-tokatrano any Frantsa na manahoana na manahoana fari-piainany, na ny satam-pifindra-monina misy azy, na ny firenena niaviany.

Famoronana sy fitantanana tranonkala fampahafantarana nasionaly amina tenim-pirenena maro

Ny tranonkala fampahafantaran‘ny Women for Women France dia mamaly ny filana voalohan‘ireo olona miatrika herisetra an-tokantrano: Manome fanazavana azo ampiharina avy hatrany momba izay mampanahy azy sy ny zavatra tena ilainy, amina tenim-pirenena azony tsara.

Izahay dia miara-miasa amin‘ireo manam-pahaizana fanta-daza amin‘ny sehatra misy azy any Frantsa, ary afaka manome fanazavana azo ampiharina avy hatrany sady manaraka toetr‘andro, manomboka amin‘ny fijerena fiarovana azo antoka eo noho eo, ka hatramin‘ny famerenana ny fahaleovantenany amin‘ny laoniny.

Natao ho an‘ny karazan‘olona rehetra avy amin‘ny fihaviana samihafa ilay tranonkala.

Fampihofanana

Izahay dia manolotra fampihofanana voarindra tsara, mifototra amina fikarohana, ary avy amin‘ireo olona efa tafavoaka tamina herisetra tao an-tokatrano, amin‘ireto sokajymanaraka ireto

  • Sampan-draharahan‘ny masoivoho
  • Sampan-draharahan'ny polisy 
  • Mpiasan‘ny fasalamana
  • Mpiasan‘ny fitsarana 
  • Mpiasa sosialy
  • Sekoly Fianarana ho Mpitsara
  • Mpampiasa

Raha toa ka liana amin‘ ny fandaharam-panofananay ny ivon-toerana misy anao, dia mifandraisa aminay amin‘ny [email protected] azafady.

Fikarohana sy fakan-kevitra avy amin‘ireo tafavoaka tamina herisetra

. Mba ho azo antoka fa izay fanazavana nivoaka farany, sy tena hoe fiainana olona avy niatrika herisetra an-tokatrano no ifotoran‘ny fampihofananay, dia miezaka manao fikarohana izahay, anisan‘izany ny firesahana matetika amin‘ireo olona avy niharan‘ny herisetra an-tokatrano sy ireo efa tafavoaka tamin‘izany.

Afaka manao io asa io izahay noho ny fiaraha-miasa amina oniversite sy fikambanana mpanao fikarohana.

Ny tolo-kevitra hiaraka hiasa amin‘ny fanaovana fikarohana dia azo alefa any amin‘ny [email protected].

Miara-miasa amina fikambanana sy sampan-draharaha 

Anisan‘ny nanao sonia ny Fifanarahana tany Istanbul i Frantsa: Ny Filankevitry ny Fifanarahana tany Eoropa momba ny fisorohana sy fiadiana amin‘ny herisetra atao amin‘ny vehivavy sy ny herisetra an-tokantrano.

Miara-miasa akaiky amina fikambanana sy sampan-draharaha maro izahay mba hamantarana izay tsy ampy, ary hanomezana tolo-kevitra vaovao.

Fanentanana ny vahoaka sy izay niharan‘ny herisetra.

Mampahery mahita ny vokatrin‘ny fanentanana ataonay Tianay hahafantatra ny zony ny olona rehetra any Frantsa na inona na inona tenim-pirenena teneniny. 

Miasa ihany koa izahay mba hiadiana amin‘ny fahadisoan-kevitra momba ny herisetra ao an-tokantrano.

Sampan-draharahanasionaly mpanohana

Amin‘izao fotoana izao, ny Women for Women France dia eo am-pametrahana sampan-draharaha nasionaly mpanohana mba hahatongaireo teratany vahiny izay iharana herisetra an-tokantrano, hahita fiarovana sy fahaleovantena indray.

Raha tinao ny ho mpiara-miombon'antoka ara-bola amin‘io sampan-draharaha iankinan‘ny aina io, dia mifandraisa aminay amin‘ny [email protected].

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony