Vola, trano fonenana, fahaleovantena

Mazava ho azy fa ny tahotra ny amin‘ny vola sy ny toerana hipetrahana dia mety hahatonga anao hahatsiaro ho voafandrika miaraka amin'ny vady tia mifehy na manao herisetra. Tsy mora mihitsy izany, fa misy ny vahaolana. Hasehonay eo ireo safidy isan-karazany hamerenana indray ny fahaleovantenanao.

Raha toa tsy manam-bola ianao na nosakanan'ny vadinao na vadinao taloha ny fahazoanao vola, dia misy ny vahaolana sasany ahafahanao mividy ny zavatra ilainao andavanandro. Indrisy anefa fa mbola voafetra aloha ireo vahaolana ireo any Frantsa.

Raha mipetraka any Frantsa ianao amin'izao fotoana izao ary mihoatra ny 18 taona, dia manan-jo hanokatra kaonty any amin'ny banky, na dia tsy manana zo hipetraka any an-toerana sy tsy manana fidiram-bola aza ianao. Raha tsy nety nanokatra kaonty amin'ny anaranao ny banky iray, dia azonao atao ny mangataka hanokatra kaonty amin'ny alalan'ny banky foibe frantsay, antsoina hoe “Banque de France”.

Betsaka ny karazana fanampiana ara-bola atolotry ny sampandraharaham-panjakana frantsay mba hanampiana ny olona sahirana ara-bola. Ity pejy ity no ahitanao ny topimaso mikasika ny endrika fototry ny fanampiana ara-bola misy.

Mety ho sarotra tokoa ny mitady asa any amin'ny firenena tsy nahalehibe anao, indrindra raha tsy miteny ilay fiteny avy any ianao. Saingy raha maharitra sy misy manohana ianao dia azo atao ny mahita asa na mianatra asa vaovao.

Raha te hivarotra ny vokatrao na ny tolotrao any Frantsa ianao dia afaka manokatra ny ny orinasa kelinao manokana miaraka amin’ny “micro-entreprise”, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe “auto-entreprise”.

Any Frantsa diamitaky ny mpivady hifanome fanampiana ara-bola sy ara-materialy ny lalàna raha ilaina izany. Raha ao anatin‘ny raharaha fisaraham-pananambadiana ianao dia afaka mangataka fanampiana ara-bola amin‘ny vadinao.

Na dia nisaraka aza dia tsy maintsy manohy manome vola ny amin‘ny lany mifandraika amin‘ny zanany ny ray aman-dreny. Mety hangataka ilay ray aman-dreny iray hanome vola ny ray aman-dreny ankilany ny mpitsara, izay sokajiana ho vola arotsaka amin’ny fanabeazana sy fikolokoloana ilay zaza na “contribution à l’entretien et à l’éducation de l’enfant”, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe “pension alimentaire”.

Raha tsy ampy vola hanakaramana mpisolovava sy handoavana ny fitsarana, dia afaka mangataka ny fanjakana handoa izany sarany izany ianao. Fantatra amin‘ny hoe fanampiana ara-pitsarana na “aide juridictionnelle” izany.

Raha te handao an’i Frantsa ianao ka hiverina any amin’ny tanindrazanao, ao anatin’ny toe-javatra sasany dia afaka mangataka fanampiana ara-bola antsoina hoe “aide au retour volontaire”, na fanampiana amin’ny fodiana any an-tanindrazana an-tsitrapo.

Raha toa ka tandindomin-doza ianao ao an-trano ary tsy mahalala toerana aleha dia misy ireo vahaolana. Tena zava-dehibe ny tsy hijanonanao ao anatin'ny toe-javatra mampidi-doza ho anao sy ny zanakao. Ny fiarovana anao no laharam-pahamehana indrindra.

Raha heverinao fa atahorana hiharan'ny herisetra bebe kokoa ianao sy/na ny zanakao, dia afaka mangataka fepetra fiarovana amin'ny rafi-pitsarana frantsay ianao. Azon'izy ireo atao ny manakana ny mpanao herisetra tsy hanatona anao, anisan'izany ny fandroahana azy ireo hiala amin'ny tokantrano.

Raha tsy dia manam-bola ianao dia afaka ny mangataka mba hanofa trano izay fantatra amin’ny hoe “logement social”, fantatra ihany koa amin’ny hoe “HLM”. Izy ity dia trano arahi-maso akaiky ny hofany, ary mora kokoa noho ny trano fonenana manokana. Raha niharan‘ny herisetra ao an-tokantrano ianao, dia azo apetraka ao amin'ny lisitry ny mpangataka atao laharam-pahamehana.

Any Frantsa dia ny fanofana trano manokana no mety ho fomba haingana hitadiavana trano. Hametraka ireo fepetra ny olona tompon‘ilay trano, izay hanao fifanekena momba ny fanofana trano aminao, mialohan‘ny hifindrana. Arakaraky ny tanàna na tanan-dehibe hipetrahanao dia mety haharitra fotoana elaela kely vao mahita trano.

Raha mipetraka any Frantsa ianao ary manana vola ampy na afaka mindrana any amin'ny banky, dia azonao eritreretina ny mividy trano. Hitondra anao amin‘ireo ambaratonga fototra amin‘izany dingana izany ity pejy ity.

Mialohan'ny hifindranao amin'ny trano vaovao dia misy dingana maromaro tokony horaisinao manoloana ny manampahefana sy ireo mpanome tolotra. Mety hiovaova arakaraka ny toe-javatra misy anao ny dingana tokony hataonao.

Raha nanao sonia fifanarahana hanofa, na “bail”, niaraka amin’ny vadinao taloha ianao, dia tena zava-dehibe tokoa ny manavao ny fifanarahana aorian’ny fisarahanareo raha mandao ny trano ianao. Izany dia hanakana anao tsy ho voafatotra amin‘izay hofan-trano mety tsy ho voaloa. Raha mandao ny trano fonenanao noho ny herisetra ao an-tokantrano ianao, dia mety hahazo fe-potoana fampilazana mialoha fohy kokoa izay tsy maintsy omenao ny tompon-trano.

Indrisy fa vitsy dia vitsy ny tolotra sy taratasy azo fenoina misy amin'ny fiteny ankoatra ny frantsay any Frantsa. Tena ilaina ny fianarana teny frantsay ho an'ny sasany amin'ireo zavatra tsy maintsy ataonao, ary mety ho tena ilaina mba hahitana asa koa izany. Na manao ahoana na manao ahoana tsy fahaizanao miteny frantsay, dia misy vahaolana maro, na izany maimaimpoana na koa misy sarany.

Ny fianarana any amin'ny oniversite dia ahafahanao mahazo diplaoma, izay mety ilaina amin'ny fitadiavana asa any Frantsa, na mety ilaina mihitsy aza amin'ny lalan'asa sasany. Ny olona tsy teratany frantsay dia afaka ny misoratra anarana hianatra any Frantsa fa misy fepetra arahina.

Any Frantsa, tsy maintsy miditra an-tsekoly ny ankizy rehetra manomboka amin'ny telo taona. Raha toa latsaky ny telo taona ny zanakao ary mila olona ianao hikarakara azy ireo, dia misy vahaolana hafa momba ny fitaizana zaza. Ny andraikitry ny mpikarakara zaza dia ny mikarakara ny ankizy sy miantoka ny fahasalamany, miaro azy sy manao izay hahazoany aina tsara.

Rehefa lavitra ny fianakaviana sy ny namana, tena rariny sy hitsiny tokoa ny mahatsiaro tena ho mitoka-monina, indrindra raha sendra iharan‘ny herisetra ao an-tokantrano ianao. Na izany aza, azo atao ny mitady vondron'olona mizara ny kolontsainao na ny zavatra mahaliana anao, na dia tsy miteny frantsay aza ianao.

Raha toa ivelan'ny Vondrona Eoropeanano nahazoanao ny fahazoan-dàlana hitondra fiara ary mipetraka maharitra any Frantsa ianao, amin'ny ankapobeny dia mila manakalo izany amin'ny fahazoan-dàlana frantsay ianao. Firenena maro no manana fifanarahana fifanakalozana amin'i Frantsa. Raha tsy manana fahazoan-dàlana ianao na tsy afaka manakalo ilay anao, dia azonao atao ihany koa ny manao andrana mitondra fiara any Frantsa.

Fijoroana vavolombelona

Izy no antony nandehanako taty Frantsa. Nialako ny asako be karama tany aminay, sady nahatsapa ho nisy vidiny sy nohajaina aho. Vao tonga aho dia tena tsy nahay niteny frantsay na kely aza. Tsy nety nahita asa aho. Tamin‘izahay nisaraka dia nogiazany avokoa ny vola tahiriko tany amin‘ny kaonty frantsay izay misoratra amin‘ny anarany. Tsy nanana na inona na inona intsony aho, ary tena gaga raha nahafantatra fa tsy misy zavatra azon‘ny polisy atao mihintsy. Raha tany amin‘ny fireneko dia herisetra ara-toekarena no hilazana izany, dia lasa nieritreritra aho hoe kay ara-dalàna ny herisetra ara-toekarena any Frantsa! Tsy hitako intsony ny volako. Tsy maintsy nanomboka tamin‘ny tsy misy aho, ary nanao izay asa hitako voalohany teny mba ho tafavoaka velona. Na dia teo aza izany rehetra izany dia faly amin‘ny fandrosoana vitako aho telo taona aty aoriana. Nianatra teny frantsay aho, nahita asa nifandray tamin‘ny fahaizako, manana namana mahafinaritra aho, ary afaka nanomboka nanangona indray tamin'ny farany.

“Hélène” – Royaume-Uni - 54 taona

Nihaona taminy aho rehefa tonga teto Frantsa, ary vetivety teo dia lasa nahery setratamiko izy. Nampanantena ahy foana izy fa tsy hanao izany intsony. Tsy ara-dalàna ny fipetrahako teto ary nolazainy fa tsy ho tafavoaka mintsy hono aho raha tsy eo izy. Tsy haiko avy aza moa ny toerana azoko aleha. Rehefa mandinika ny lasa aho, dia izao vao mahatsapa tena fa hay nataony izay hiankinako loha aminy tanteraka. Ny niafarany moa ny nataoko dia naka fotoana tamin‘ny fikambanana izay nanampy ahy hahatakatra fa niharan‘ny herisetra aho, ary nanampy ahy tamin‘ny fikarakarana taratasy izy ireo.

“Liu” - Sina - 28 taona

Satria moa izaho sembana dia tena sarotra amiko tokoa ny mahita asa. Tena nisedra olona ara-bola goavana tokoa aho taorian‘ny fisarahana. Soa ihany fa nihaona tamin‘ny mpiasa sosialy iray aho izay nampahafantatra ahy mikasika ny rafitra misy. Izao moa izany dia nahazo fanampiana ara-bola aho isam-bolana ary mahazo fanohanana avy amin‘ny Cap Emploi amin‘ny fitadiavako asa, ary nisoratra anarana amin‘ny fianarana mandihy aho dia lasa nanana namana betsaka tao.

“Houda” - Tonizia - 43 taona

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony