Hanamarina raha mahafeno fepetra ny hahazo zo ipetrahana eto Frantsa

Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any Frantsa ity fanontaniana ity. Natao ho an‘ny olona any Frantsa amin‘izao fotoana izao ihany izany. Tsy mitonona anarana rehefa mamaly ny fanontaniana.

Select the various criteria that correspond to your situation

Teratany alzeriana

Fehezin‘ny fifanarahana roa tonta eo amin‘ny Frantsa sy Alzeria ny zo ahafahanao miperaka any Frantsa. Noho izany dia tsy mihatra aminao ny fepetran’ny lalàna mifehy ny zo ipetrahana ao Frantsa antsoina hoe “Code de l’entrée et du séjour des étrangers et du droit d’asile (CESEDA)”. Nanampy fizarana natokana ho an'ny teratany Alzeriana izahay ao anatin'ny valiny tsirairay rehefa hafa tanteraka ny fepetra hahazoana zo ipetraka any Frantsa isan-karazany.

Olom-pirenena avy amin‘ny firenena mpikambana eo anivon‘ny Vondrona Eoropeana aho

Manana zo honina ao Frantsa ianao rehefa ampy ny loharanom-bolanao. Amin’ny ankapobeny, tsy voatery hanana fahazoan-dalana hipetraka na “titre de séjour” ianao.

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony