Mahafantatra ny fanodinkodinana ataon'ireo mpanao herisetra ao amin'ny rafi-pitsarana frantsay

Ny mpanao herisetra dia mametraka paikady hanaratsiana ny olona nanaovany herisetra, ary matetika izy ireo no mampiasa ny rafi-pitsarana hanohizana ny herisetra ataony. Na dia eo aza izany, ny mpitsara, ny polisy, ny haino aman-jery ary ny fiarahamonina dia manomboka mahafantatra ireo tetika sy fomba fanodinkodinana ireo.

Nohamarinin'i Assoc. Prof. Andreea Gruev-Vintila tamin'ny 17/11/2023

Ilay paikady

Ny paikady iray matetika ampiasain'ireo mpanao herisetra ao an-tokantrano dia fantatra amin’ny hoe "DARVO", fanafohezana ny teny anglisy hoe denying, attacking, and reversing the roles of victim and offender.

Ireny paikady ireny matetika dia tanterahina amin'ny alalan‘ny fanampian'ireo mpanohana ilay mpanao herisetra, izay efa noahodinkodin‘ilay mpanao herisetra ihany koa mba hihevitra fa mety ny ataon‘izy ireo.

Lavin'ireo mpanao herisetra ny fisian‘ny herisetra, toheriny ny maha-azo inoana ny olona iray mitatitra izany ary lazainy fa izy ireo no tena iharan'ny zava-misy.

Ireo paikady ireo dia ampiasaina amin'ny takona, ampahibemaso ary matetika amina raharaham-pitsarana.

Lavin'izy ireo ilay herisetra

Ny fikarohana sy ny antontan'isa dia mampiseho fa tena tsy fahita firy ny fiampangana diso mombana herisetra ao an-tokantrano ataon'ny vehivavy. Na izany aza, amin'ny ankamaroan'ny tranga, ilay mpanao herisetra dia hilaza fa tsy marina ny fiampangan'ilay niharan'ny herisetra.

Ireo fiarovan-tena matetika ampiasain'ireo mpanao herisetra: 

  • mandainga izy mba hipetraka any aminy ny zanakay
  • mandainga izy mba hahazoany tombotsoa ara-bola
  • mandainga izy mba hamaliana faty
  • mandainga izy mba hahazoany taratasy fahazoana mipetraka ara-dalàna
  • adala/voan'ny aretin-tsaina izy.

Fantatry ny manam-pahaizana momba ny herisetra ao an-tokantrano fa tsy misy fototra iorenany ireo filazana ireo, saingy mbola ampiasain'ireo mpanao herisetra sy ireo mpisolovava azy ireo ihany mba handreseny amin'ny raharaham-pitsarana.

Inona no azoko atao?

  • Matokia ny fitadidianao ilay herisetra.
  • Soraty haingana araka izay azo atao ny trangana herisetra, fanararaotana ary fihetsika mifehifehy rehetra nataony taminao.
  • Manangòna porofo sy vavolombelona maro araka izay azo atao.

Mamely ilay olona mitatitra ny herisetra izy ireo

Fahita matetika ny hoe hiezaka hanaratsy sy hampitahotra izay rehetra mitatitra ny herisetra ataony ny mpanao herisetra, na ilay niharan'ny herisetra izany, na ny zanany, na ny vavolombelona.

Izany paikady fanalam-baraka izany matetika dia hahitana:

  • fanaparitahana vaovao diso sy manimba momba ilay niharan'ny herisetra sy/na ilay olona mitatitra ny herisetra
  • fanaovana fiampangana diso momba ny fidorohana zava-mahadomelina na momba toe-pahasalaman'ny sain'ilay niharan'ny herisetra
  • fampiasana ny fitsaboana mikasika ny fahasalaman'ny saina arahin'ilay niharan'ny herisetra mba hilazana fa ray na reny tsy mendrika izy
  • fametrahana fitoriana mifototra amin'ny zavatra diso ho endrika fampijaliana
  • fanatanterahana heloka bevava, toy ny hosoka, amin'ny anaran'ilay niharan'ny herisetra
  • fandrahonana ilay niharan'ny herisetra amin'ny alàlan'iray amin'ireo voalaza etsy ambony.

Inona no azoko atao?

  • Fantaro fa iharana herisetra ao an-tokantrano mitohy ianao, izay fantatra amin'ny hoe herisetra aorian'ny fisarahana, ka mitadiava fanohanana.
  • Miezaha tsy hahatsiaro tena ho meloka, tsy mahazo aina na menatra. Izy no diso fa tsy ianao.
  • Saino izay porofo azonao ampiasaina hanaporofoana fa diso izay nambarany.

Izy ireo dia mampifamadika ny andraikitry ny niharan'ny herisetra sy ny mpanao herisetra

Ny antontan'isa dia mampiseho fa mahalana ny vehivavy mpanao herisetra ao an-tokantrano. Ny fikarohana dia maneho fa rehefa mampiasa fihetsika mahery setra ny vehivavy, dia matetika no hanoherana na hahatafavoahana amina fifehezana an-tery sy herisetra izany. Na izany aza, matetika ireo mpanao herisetra no manao fiampangana diso momba ireo vehivavy nanaovany herisetra.

Soa ihany fa efa manomboka mahafantatra sy mahatakatra io fihetsiky ny mpanao herisetra io ny manam-pahefana isan-tsokajiny.

Izany paikady izany dia matetika no hahitana:

  • fanaovana fiampangana diso mikasika ilay niharan'ny herisetra amin'ny polisy na ny sampan-draharaha miaro ny zaza
  • fiampangàna ilay olona niharan'ny herisetra ho “manao izay tsy hitiavan‘ny zanany ny ray aman-dreny ankilany” rehefa miezaka hiaro ny ankizy
  • fodiana ho iharan‘ny herisetra ary filazana fa ilay niharan'ny herisetra no mpanao herisetra.

Inona no azoko atao?

  • Miezaha tsy hahatsiaro tena ho meloka, tsy mahazo aina na menatra. Izy no diso fa tsy ianao.
  • Miezaha tsy hitebiteby loatra. Araka ny lalàna dia adidin'ireo manam-pahefana ny manao fanadihadiana momba ny fiampangana rehetra, saingy efa manomboka mahafantatra ny fisian'io paikady matetika ataon‘ny mpanao herisetra io koa izy ireo.
  • Eritrereto izay porofo azonao ampiasaina mba hanaporofoana fa diso ny fiampangana natao taminao ary/na manatona ny manam-pahefana mba hanazavàna fiverimberenan‘ny fihetsiny mahery setra.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony