Manangona porofo mikasika ny herisetra

Na dia mbola tsy tena vonona ny hitatitra trangana herisetra aza ianao, dia tena zava-dehibe ny manangona porofo. Mety hanampy anao izany mba hahazoanao ny zonao any aoriana, izay mikasika ny trano, ny zo amin’ny toeram-ponenana na fisarahana sy ny fitazomana ny ankizy ohatra.

Nohamarinin'i Mpisolovava Women for Women France tamin’ny 23/02/2024

Nahoana aho no tokony manao izany?

Raha toa ny vadinao na ny vadinao taloha ka maneho fihetsika misy herisetra na te hifehifehy anao sy/na zanakao, dia tena zava-dehibe tokoa ny fanangonana porofo.

Na dia ohatra aza tsy vonona ny hitatitra ilay herisetra ianao, dia mety hanampy anao any aoriana ity porofo ity mba hahazoanao ny zonao eo amin‘ny lafiny trano, fifindra-monina, fisaraham-panambadiana ary ny fitazonana ny zaza.

Ahoana ny fomba anaovako izany?

Natambatra etsy ambany ireo heverina ho porofo mba hanampiana anao hieritreritra.

Tsy mila manangona porofo ianao mialohan'ny hametraka fitarainana sy/na hangataka amin’ny mpitsara mba hanome fepetra fiarovana. Ny fiarovana anao foana aloha no laharam-pahamehana.

Zavatra vitsivitsy tokony hodinihinao mialohan'ny hanombohana:

  • rehefa tsapanao hoe tsy ahiana hitera-doza ho anao izany, dia izay vao angony ny porofo
  • aza adinoina hatrany ny mametraka an‘izany amin‘ny toerana azo antoka
  • Azonao atao ny mitahiry izany amin’ny toeram-pitehirizina anaty aterineto (Google Drive, Dropbox, iCloud, sns.), ao amin’ny sehatra Mémo de Vie mirakitra tsiambaratelo na mandefa izany any amina olona matotra atokisanao, ohatra hoe namana
  • ataovy azo antoka fa tsy fantatry ny mpanao ratsy ny tenimiafinao, ovay raha ilaina.
  • Mitazomà diary mba hamaritana ireto manaraka ireto:

    • izay tena zava-nitranga: inona no nolazainy na nataon'ny vadinao na ny vadinao taloha
    • ny daty sy ny toerana
    • iza no vavolombelona?
    • Inona no porofo hafa eritreretinao?

    Afaka manao izany amin’ny alalan’ny aterineto ianao, ohatra hoe amin’ny alalan’ilay sehatra Mémo de Vie azo antoka (amin’ny teny Frantsay irery ihany). Ahafahanao mitahiry ny fijoroana vavolombelona, ny tantaram-piainana, antontan-taratasy ofisialy, sary, horonan-tsary ary rakipeo.

  • Tena ilaina tokoa ny porofo avy amin'izy ireo miaraka amin'ny fiekena fa nanao herisetra, ny fialan-tsiny noho ny herisetra, ny fanevatevana, ny fandrahonana, ny fikasana hifehy na fihetsika maneho fanararaotana. Ohatra:

    • mailaka
    • soratra (saripika maneho ny laharan’ny mpandefa)
    • hafatra feo
    • ireo hafatra amin‘ny alalan‘ny app fandefasana hafatra (oh: Messenger, WhatsApp, Signal).
  • Dian-kapoka, ratra na fery, ohatra.

    • Aza misasa.
    • Raha azonao atao, dia mandehana any amin'ny dokotera na hopitaly. Hizaha anao ny manam-pahaizana momba ny fahasalamana, ary afaka manangona porofo momba ny herisetra izy.
    • Ny fizahana ara-pahasalamana izay atao, dia hampiharihary ilay olon-dratsy amin‘ny alalan‘ny fitiliana ny ADN .

    Raha olon-dehibe ianao (18 taona mihoatra) dia tsy maintsy manaja ny tsiambaratelo ara-pahasalamana ny mpiasan‘ny fahasalamana, ary tsy afaka manao ny tatitra mikasika ny herisetra raha tsy efa nanaiky izany ianao.

  • Raha azo atao, ary tsy hatahorana hampidi-doza, , dia alaivo feo na raketo an-tsary mangingina ilay tranga herisetra. Azonao atao, ohatra, ny maka feo amin'ny alàlan'ny findainao.

    Mila mailo tsara rehefa manao izany. Ny fiarovana anao no laharam-pahamehana indrindra. Ataovy izany rehefa tsapanao hoe tsy ahiana hitera-doza ho anao.

  • Raha azo atao dia tehirizo ao amin'ny toerana azo antoka ny entana na akanjo misy famantarana trangana herisetra, na alaivo sary.

    Mila mailo tsara rehefa manao izany. Ny fiarovana anao no laharam-pahamehana indrindra. Ataovy izany rehefa tsapanao hoe tsy ahiana hitera-doza ho anao.

  • Angataho ny olona akaiky anao mba hanao fijoroana vavolombelona an-tsoratra ahitana ireto manaraka ireto:

    • ahoana ny nihaonany taminao
    • hafiriana izay no nahafantarany anao
    • ny fifandraisany aminao sy ilay nahavanon-doza
    • inona ny zava-nitranga natrehin‘izy ireo
    • oviana no nanatrehiny izany
    • Ny tsiambaratelo izay nolazainao azy ireo mahakasika ilay herisetra.

    Tsy maintsy asiana daty, sonia ary ampiarahina amin‘ny dika mitovy ny kara-panondron‘ilay vavolombelona ny fanambarana ataon‘ny tsirairay amin‘izy ireo. Azonao ampiasaina ity modely ity ho an’ny fanambarana ataon’ny vavolombelona. Azonao atao ny manao printy azy io, na mampiasa azy io ho modely amin'ny fanambarana ataon‘ny vavolombelona amin'ny taratasy roa samy hafa.

  • Afaka manoratra antontan-taratasy ampiasaina ho porofo ireo mpikarakara fahasalamana ampy traikefa izay andehananao. Ohatra:

    • afaka manatona dokotera ianao, ary mangataka taratasy fanamarinana avy aminy, mirakitra ny herisetra nitranga
    • raha nanampy anao ny sampandraharaha mpamonjy voina dia angataho izy ireo hanome tatitra anao
    • raha tsy maintsy mandeha any amin'ny hopitaly ianao dia mangataha tatitra: mety ho “Certificat Initial Descriptif (CID)” na “Compte Rendu des Urgences (CRU)” izany.
  • Angataho ireo olona za-draharaha hafa izay mahafantatra anao sy ny zanakao mba hanome taratasy fanambarana na “attestation”.

    Mety ho mpiasa sosialy izany, mpisolovava, mpampianatra sekoly, na fikambanana mpanao asa soa "association" izay nanampy anao, sns.

    Tsy maintsy asiana daty, sonia ary ampiarahina amin‘ny dika mitovy ny kara-panondron‘ilay vavolombelona ny fanambarana ataon‘ny tsirairay amin‘izy ireo.

    Azonao ampiasaina ity modely ity ho an’ny fanambarana ataon’ny vavolombelona. Azonao atao ny manao printy azy io, na mampiasa azy io ho modely amin'ny fanambarana ataon‘ny vavolombelona amin'ny taratasy roa samy hafa.

  • Raha mitady hifehy na mandrahona anao tsy hahazo vola sy antontan-taratasy ilainao ny vadinao na ny vadinao taloha, dia tehirizo ny porofo:

    • fanambarana momba ny kaonty
    • fifanarahana fampindramam-bola amin'ny anaranao izay ampiasain'ny vadinao
    • taratasy mirakitra ny vola miditra na ny vola laninao
    • taratasy manambara fa tsy avelan‘zareo hiasa, sy hianatra na hanatrika fianarana miteny frantsay ianao.
    • taratasy fangatahana ny hamerenana ny antontan-taratasinao rehetra, toy ny taratasy mirakitra ny mombamomba anao
    • porofo izay mirakitra fa tsy avelany hanana ny fivelomanao ianao, ary tsy mamela anao koa izy hanana fidiram-bola vaovao.
  • Tehirizo izay porofo momba ny herisetra na fitondran-tena toa manjakazaka:

    • didim-pitsarana teo aloha
    • fanambarana nataon’ny vavolombelona na “attestation de témoin” avy amin’ny vadiny taloha izay nisedra herisetra tamin’izy ireo ihany koa.

    Tsy maintsy asiana daty, sonia, ary ampiarahina amin‘ny dika mitovy ny kara-panondron‘ilay vavolombelona ny fanambarana ataon‘ny tsirairay amin‘izy ireo. Azonao ampiasaina ity modely ity ho an’ny fanambarana ataon’ny vavolombelona. Azonao atao ny manao printy azy io na mampiasa azy io ho modely amin'ny fanambarana ataon‘ny vavolombelona amin'ny taratasy roa samy hafa.

    Mila mailo tsara rehefa manao izany. Ny fiarovana anao no laharam-pahamehana indrindra. Ataovy izany raha azonao antoka fa tsy handeha hitantara amin’ny vadinao na vadinao taloha ireo vavolombelona.

  • Raha tsy vonona ny hametraka fitarainana ianao dia azonao atao fotsiny ny manao tatitra ny herisetra ka mandefa rakitatitra na “main courante” eny anivon’ny biraon’ny polisy, izany hoe ny “commissariat de police” na “brigade de gendarmerie”.

    Ny rakitatitra dia antontan-taratasy ofisialy izay mirakitra fotsiny ny zava-misy taterinao. Tsy miafara amin’ny fanadihadiana izany matetika.

    Fanamarihana: rehefa misy trangana herisetra ao an-tokantrano dia manana adidy mandefa ny rakitatitra na “main courante” any amin’ny mpampanoa lalàna na “procureur de la République” ny polisy. Mety hanapa-kevitra ny hanao fanadihadiana izy ireo, ary mety hanenjika ilay nahavanon-doza raha heverina ho tena mafy tokoa ny herisetra.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa, misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ity tolotra fanomezana torohevitra an-telefaonina ity, dia natao ho an'ny olona miatrika herisetra maro isan-karazany sy ireo izay manohana azy ireo.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Hisy mpanolotsaina voaofana hihaino anao sy hanohana anao amin‘ny alalan‘ny telefaonina. Afaka hanoro anao ireo sampan-draharaha akaiky anao mifandraika amin'izany izy ireo.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay. Misy ireto teny manaraka ireto indraindray: Anglisy, arabo, espaniola, tiorka, mandarin, sinoa, kiorda, azeri, poloney, hebreo, farsi, soninké, kreôla, kinyarwanda, kirundi ary swahili. Amin‘izao fotoana izao anefa aloha, dia mbola tsy voafaritra sy tsy voalamina mialoha ny fotoana ahitana ireo fiteny ireo.
    • Fifandraisana: antsoy ny 3919, amin‘ny ora rehetra sy ny andro rehetra. Ho maimaimpoana ny antso ataonao.
    • Ho an'ny olona marenina, manana olana amin'ny fandrenesana, olona voan'ny aphasia na manana fahasembanana amin'ny fiteny, azonao atao ny manindry ny sarina telefaonina eo amin'ny farany ambany amin‘ny havanana ao amin'ny tranonkala www.solidaritefemmes.org.
  • Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Ho afaka hampahafantatra anao ny zonao sy ny dingana tokony hatao izy ireo. Afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina ny ivon-toerana sasany.
    • Teny azo isafidianana: frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: ho hitanao ny antsipirian’ny fifandraisana ny “CIDFF” eny amin’ny toerana misy anao eto amin’ny lahatahiry.
  • Ny "Associations" dia fikambanana manome tolotra isan-karazany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Ireo tolotra misy dia miovaova arakaraka ny “association”. Afaka manome torohevitra anao izy ireo, ary indraindray afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao, sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: frantsay no tena ampiasaina.
    • Hahita lisitr'ireo "associations" akaiky anao mpikarakara manokanaireo niharan'ny herisetra ianao ato amin'ity lahatahiry ity, amin‘ny alalan‘ny fisafidiana ny departemanta misy anao ao Frantsa.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra, dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Mahatakatra ny atao hoe herisetra ao an-tokantrano

Mety manontany tena ianao raha ara-dalàna ny fihetsiky ny vadinao na ny vadinao taloha. Na mety…

Mametraka paikady fiarovana rehefa mbola miara-mipetraka

Noho ny antony samihafa dia mety ho tsy afaka miala amin‘ny vadinao na ny trano iarahanareo…

Mahatakatra ny fiantraikan‘ny herisetra ao an-tokantrano aminao sy ny zanakao

Mety hisy voka-dratsy ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina ny herisetra ao an-tokantrano.…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony