Manokatra kaonty amin’ny banky any Frantsa

Raha mipetraka any Frantsa ianao amin'izao fotoana izao ary mihoatra ny 18 taona, dia manan-jo hanokatra kaonty any amin'ny banky, na dia tsy manana zo hipetraka any an-toerana sy tsy manana fidiram-bola aza ianao. Raha tsy nety nanokatra kaonty amin'ny anaranao ny banky iray, dia azonao atao ny mangataka hanokatra kaonty amin'ny alalan'ny banky foibe frantsay, antsoina hoe “Banque de France”.

Nohamarinin'i Ouarda Varda Sadoudi tamin'ny 24/05/2023

Fepetra

Ny olona rehetra mihoatra ny 18 taona izay monina any Frantsa dia afaka manokatra kaonty amin‘ny banky, eny na dia tsy manana zo hipetraka any an-toerana sy tsy manana fidiram-bola aza. Izany zo izany no antsoina hoe “droit au compte”. Lalàna manan-kery Andininy faha-137 amin’ny Lalàna tamin’ny 29 Jolay 1998 antsoina hoe “loi d’orientation relative à la lutte contre les exclusions”.

Misy banky sasany mametraka fepetra sasany, toy ny fandoavana ny vola faran'izay kely indrindra, na dia tsy voatery aza izany.

Ahoana ny fanaovana azy

  • Raha hanokatra kaonty amin‘ny banky any Frantsa dia mila manomana ny rakitra misy ny antontan-taratasy ilaina aloha ianao:

    • antontan-taratasy mombamomba anao, toy ny kara-panondro na pasipaoronao
    • antontan-taratasy manaporofo ny adiresinao, fantatra amin’ny hoe “justificatif de domicile” na fanamarinam-ponenana, izay latsaky ny enim-bolana, toy ny rosian’ny hofan-trano naloa, ny faktioran’ny gazy na herinaratra na "attestation d’hébergement" avy amin’ilay olona ijanonanao.
  • Afaka manokatra kaonty amin’ny banky eny amin’ny toerana fivarotana sigara izay antsoina hoe “bureaux de tabac” ianao, toy ny hoe Kaonty nickel .

    Tsy maintsy mandoa vola ianao rehefa manokatra ny kaonty, matetika 20 euros isan-taona.

    Hahazo kaonty, karatra banky, ary antontan-taratasin'ny banky antsoina hoe “Relevé d’identité bancaire (RIB)” ianao ao anatin’ny minitra vitsy.

  • Afaka mifandray amin‘ny banky maro ianao mba hahitana ny tolotra izay omeny ka mampitaha ny sarany.

    Vantany vao avy nisafidy ny bankinao ianao, dia afaka mangataka ny hanokatra kaonty amin'ny anaranao amin'ny fomba roa:

    • Eny amin‘ny rantsamangaika, ka manao fotoana miaraka amin‘ny mpanolotsaina. Aza adinoina ny mitondra ny antontan-taratasinao rehetra miaraka aminao mandritra io fotoana io.
    • Amin‘ny alalan‘ny aterineto, ka araho ny toromarika eo amin‘ny tranokalan‘ny banky ary ampidiro ireo antontan-taratasy ilaina.
  • Raha manaiky ny hanokatra kaonty amin‘ny anaranao ilay banky:

    • Hanome anao na handefa antontan-taratasy tokony hosoniavina mba hanamarinana fa misokatra ny kaonty izay antsoina hoe “convention”, na fifanekena.
    • Azonao akatona io kaonty amin’ny banky io amin‘ny fotoana rehetra tianao, amin‘ny fandefasana fangatahana fanakatonana banky amin‘ny alalan‘ny paositra.

    Raha mandà ny hanokatra ny kaontinao amin‘ny anaranao ilay banky:

    • Tsy maintsy manome anao antontan-taratasy milaza fa nolaviny ny fangatahanao antsoina hoe“attestation de refus d’ouverture de compte”.
    • Raha tsy manome anao ny “attestation de refus d’ouverture de compte” ny banky dia ataovy izay hangatahana izany.
    • Ity antontan-taratasy ity dia ahafahanao mangataka amin'ny banky foibe frantsay mba hanokatra kaonty amin'ny banky ao anatin'ny andro vitsivitsy. Hazavainay eto ambany ny dingana arahina.

Raha toa ka lavin‘ny banky izany

Raha toa ka nolavina ny fangatahanao dia azonao atao ny mifandray amin’ny Banky Foibe frantsay, izay antsoina hoe “Banque de France”, mba hangataka azy hanery ny banky hanokatra kaonty amin’ny banky amin’ny anaranao. Ity dingana ity no antsoina hoe “procédure de droit au compte”.

  • Afaka mahita ny antsipiriany ifandraisana amin’ny “Banque de France” manakaiky anao ianao ao amin’ ity tranokala ity.

    Afaka manao fangatahana ianao ka mitsidika ny masoivoho mivantana, amin’ny alalan’ny paositra na amin’ny aterineto ao amin’ny tranokalan’ny “Banque de France” ka manokatra kaonty manokana.

    Raha manao fangatahana amin‘ny alalan‘ny paositra ianao dia tokony ahitana:

    • ny “droit au compte” efa nofenoina, na fangatahana zo ahazoana mamorona kaonty taratasy fenoina
    • ny antontan-taratasy antsoina hoe “attestation de refus d’ouverture de compte” nomen'ny banky izay nandà ny fangatahana nataonao
    • antontan-taratasy mombamomba anao manan-kery, toy ny kara-panondro na pasipaoronao
    • antontan-taratasy manaporofo ny adiresinao, fantatra amin’ny hoe “justificatif de domicile” na fanamarinam-ponenana, izay latsaky ny enim-bolana, toy ny rosian’ny hofan-trano naloa, ny faktioran’ny gazy na herinaratra na "attestation d’hébergement" avy amin’ilay olona ijanonanao

    Alefaso amin’ny paositra voasoratra anarana ary voarakitra fa lasa na “lettre recommandée avec accusé de réception”. Izay no hany fomba hanaporofoina fa voaray ny taratasinao. Tazony ho toy ny porofon‘ny fandefasana amin‘ny alalan‘ny paositra ny rosia.

  • Raha voaray ny fangatahanao dia hanana andro fiasana roa ny ny “Banque de France” hanendrena ilay banky.

    Tokony hahazo valiny amin'ny alàlan'ny paositra ianao amin'ny adiresy izay nomenao tao amin'ilay fangatahana nataonao andro vitsivitsy taty aoriana.

    Avy eo ianao tokony manao fotoana miaraka amin'ny banky voatondro, izay manana telo andro fiasana hanokafana kaonty amin'ny anaranao rehefa nomenao azy ny antontan-taratasy rehetra nangatahana.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Misy fikambanana maro antsoina hoe “associations” izay manolotra fanohanana ireo olona izay nolavina ny fangatahan'izy ireo hanokatra kaonty any amin'ny banky.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Hampahafantatra anao ny zonao izy ireo.
    • Afaka manampy anao izy ireo amin'ny fanatanterahana dingana iray antsoina hoe “droit au compte” izay mampihatra ny zonao amin'ny kaonty any amin'ny banky, miaraka amin'ny Banky Foibe frantsay antsoina hoe “Banque de France
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: azonao jerena ny lisitry ny certified “associations.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra, dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona manam-pahaizana manan-traikefa.

Mety hahaliana anao koa

Mahazo vola haingana

Raha toa tsy manam-bola ianao na nosakanan'ny vadinao na vadinao taloha ny fahazoanao vola, dia misy…

Mangataka fanampiana ara-bola avy amin‘ny fanjakana

Betsaka ny karazana fanampiana ara-bola atolotry ny sampandraharaham-panjakana frantsay mba…

Mitady asa sy manaraka fiofanana arak'asa any Frantsa

Mety ho sarotra tokoa ny mitady asa any amin'ny firenena tsy nahalehibe anao, indrindra raha tsy…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony