Ny foibem-pitantananay

Ny ekipan‘ny Women for Women France dia avy any amin‘ny faritra rehetra eran‘ny Frantsa, izayahitana olona matihanina sy voafehy maro ary mampiasa fiteny samy hafa. ary Io ekipa io dia tohanana filankevi-pitantanana iray. Ny anjara asan‘izy ireo dia ny manao izay hahafahan‘ny ekipa mahita ny loharano ilain‘izy ireo, mba hanatanterahany ilay asa iankinan‘ny aina ataony. Eo ihany koa ny fampandehanana tsara ny fikambanana, ary mamaritra ny sori-dalana ho aleha amin‘ny ankapobeny.

  • Mpanorina sy Tale Jeneraly

    Sarah McGrath no nanorina ny Women for Women France tamin’ny 2018.

    I Sarah dia nanana traikefa nandritra ny 17 taona amina fitantanam-bola sy fanatanterahana tetikasa maro loha amina sehatra tsy miankina, an‘ny fanjakana na fanaovana asa soamanerana kaontinanta telo, amina tetibola 5 tapitrisa ka hatramin‘ny 750 tapitrisa dolara amerikana.

    Aostralianina Mpifindra monina nakany Frantsa nanomboka tamin‘ny 2016 i Sarah, ary toy izany koa ny fianakaviany. Mpitsoa-ponenana avy any Eoropa Atsinanana nankany Nouvelle Zélande. Nanapa-kevitra ny hiady amin‘ny i fanaratsiana sy ny fanaovana tsinontsinona ny maha-olona atao amin‘ny mpifindra monina rehetra avy amin‘izay firenena niaviany i Sarah.

    I Sarah dia miady ho an‘ny fiovana ara-kolontsaina sy ara-drafitra eo anivon‘ny sampan-draharaha tokony atonina voalohany ho an‘ireo niharana herisetra, ary ao anatin‘ny rafi-pitsarana frantsay. Mitaky ny hanesorana ny fanavakavahana ara-kolontsaina sy maro lafy izay misy amin‘izao fotoana izao izy.

  • Filoha

    Yasmine El Kotni dia manam-pahaizana amina resaka tetikasa nomerika sy fitantanana tetikasa mpanao asa soa, ary nanohana ny Women for Women France tamin’ny fahaizana nananany nanomboka tamin’ny nanorenana azy.

    Frantsay-Maraokanina i Yasmine. Nifindra tany Frantsa hanohy fianarana izy taorian‘ny fahazazany tany Maraoka. Rehefa avy nanomboka ny asany tany Frantsa izy dia nifindra tany Aostralia ary avy eo tany Nouvelle Zélande izay nifotorany tamina fitantanana orinasa mpanao asa soa.

    Tamin‘ny 2016, tamin‘ny fiverenany tany Frantsa, dia anisan‘ny nanorina ny ONG ara-tontolo iainana ‘Bas Les Pailles’ izy mba hanairana ny sain’ny olona amin’ny fandotoana ara-plastika, izay nifarana tamin’ny fahombiazana sy ny fandrarana ny paille plastika tany Frantsa tamin’ny janoary 2021.

    Manolo-tena hiady ho an‘ny fitoviana eo amin‘ny lahy sy vavy sy ny fanafoanana ny fanavakavahana maro lafy, i Yasmine dia miasa mba hahazoana antoka fa ny Women for Women France dia mahavita ny asany hanatsara ny fahazoana misitraka ara-pitantanana sy ara-pitsarana ho an‘ny olona rehetra mila izany, na avy aiza na avy aiza, ary na lahy na vavy. Mitaky ny fikarakarana manokana sy tsara kokoa ho an‘ny olona iharana fifehezana an-tery ihany koa izy.

  • Foibem-pitantanana

    I Laurette Demanou dia mpanolotsaina ara-bola sady mpanao kaonty. Manam-pahaizana amina resaka fanaraha-maso ny kaonty sy fanomezana torohevitra izy.

    I Laurette dia Kameroniana izay nifindra tany Frantsa tamin‘ny 2018. Mora voakasika manokana amina olana mifandray amin‘ny fifindramonina izy, indrindra moa fa ireo dingana arahina ara-panjakana hahazoana na hanavaozana zo honina, izay mety havesatra, ela ary lafo.

    Voatapim-bava ny vehivavy matetika satria fotsiny hoe vehivavy izy. Tsy maintsy atao hoy Laurette ny fandraisana anjara amin‘ny famerenana amin‘ny laoniny ny fitovian‘ny lahy sy vavy. Ankoatra ny anjara asany ao amin‘ny Women for Women France, dia mampiasa vola amin’ny fanabeazana sy fanomezana hery ny vehivavy rehetra i Laurette.

  • Foibem-pitantanana

    Manolo-tena amin‘ny fanafoanana ny herisetra atao amin‘ny vehivavy i Clara Louisor, ary mpisolovava mifototra amin’ny zon’ny vehivavy, fianakaviana, ary ireo iharana herisetra an-tokantrano. Manana Master 2 amina Droit de Famille i Clara,izay nanoratany thèse momba ny maha-mimari-droa ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin‘ny sora-piankohonana.

    Amin‘ny maha-mpisolovava azy dia fantany fa sarotra ny zava-misy iainan‘ireo teratany vahiny, ary miatrika olana maro izy ireo noho ny tsy tena fisian‘ny rafitra maty paika miaro azy ireo. Tiany koa ra mba misy fanavaozana ny rafitra misy amin‘izao izay misy orin-drafitra manimba ireo izay tafavoaka velona tamin‘ny herisetra. Farany dia tiany koa raha mba ifantohana bebe kokoa ny vokany ara-tsaina eo amin‘ireo olona iharan‘ny herisetra an-tokatrano.

    I Clara dia miady mba hampahafantarana ny olona rehetra ny lalàna momba herisetra an-tokatrano ary tsy ijerena ny maha-lahy na vavy azy, ny firazanany, ny foko niaviany, ny fironany ara-pananahana, ny fivavahany, ny taonany, ny fahasembanany, ny satany ara-pifindramonina, ny heviny ara-politika na ny toerana misy azy ara-piarahamonina sy toekarena.

  • Foibem-pitantanana

    I Lisa Tanjen dia manampahaizana manokana momba ny fitantanana amina Fikambanana Iraisam-pirenena miorina any Paris. Manana traikefa mihoatra ny 15 taona amin‘ny sehatrin‘ny fitantanana sy famolavolana momba ny fampandrosoana izy.

    Avy any Norvezyi Lisa, ary efa ho 20 taona izy no nipetraka tany Frantsa. Efa lasa toy ny hoe tany niaviany mihintsy any amin‘izao.

    I Lisa dia liana amin‘ny fanampiana manokana ireo olona nanana ratra ara-pihetseham-po vokatrin‘ny herisetra an-tokatrano nahazo azy, ka mahatonga azy hanao na tsy hanao zavatra iray Izy ihany koa dia mitaky ny fiarovana bebe kokoa ny ankizy, satria ny ankizy koa dia iharan-boina mivantana amina herisetra an-tokantrano.

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony