Mahazo fitsaboana rehefa avy niharana famorana taovam-pananahana atao amin‘ny vehivavy

Raha niharana famorana taovam-pananahana atao amin‘ny vehivavy ianao, dia misy fikambanana sy matihanina afaka manohana anao mandritra ny fahasitrananao – na ara-tsaina izany na ara-pandidiana. Ireo matihanina ireo dia manana traikefa be amin‘ny fanohanana ny vehivavy anatina toe-javatra mitovy amin‘izany.

Nohamarinin‘ny La Maison des Femmes tamin’ny 22/09/2023

Raha niharana famorana taovam-pananahana atao amin‘ny vehivavy ianao dia tadidio fa tsy hadisoanao izany. Misy matihanina be dia be afaka manohana anao, ary tsy misy hanameloka anao amin‘izany.

Fantaro ny zava-misy

Ny fidirana an-tsehatra mitarika famorana amin‘ny ampahany na manontolo ny taovam-pananahana ivelany, na izay mety ho famorana taovam-pananahana atao amin‘ny vehivavy dia antsoina hoe famorana taovam-pananahana atao amin‘ny vehivavy na “mutilations sexuelles féminines (MSF)”, na indraindray “mutiliations génitales féminines (MGF)” na “excisions” mihitsy aza. 

Ny famorana taovam-pananahana dia raisina ho fanitsakitsahana ny zon‘olombelona. Sazìn‘ny lalàna frantsay izany amin‘ny maha "crime" azy, fandikan-dalàna famaizana goavana indrindra. Na izany aza, afaka mitady fikarakarana ara-pahasalamana tsy anenjehan‘ny rafi-pitsarana ny fianakavianao ianao raha tsy te hitatitra izany amin‘ny manampahefana.

Mahazo fitsaboana

Raha niharana famorana taovam-pananahana ianao tamin‘ny fahazazanao na vao haingana kokoa, dia amporisihina ny hihaonanao amin‘ny matihanina ara-pitsaboana manam-pahaizana manokana toy ny zinekôlôgy, mpampivelona, psikôlôga na manam-pahaizana manokana momba ny fahasalamana ara-pananahana.

Eo amin‘ny vodin‘ity pejy ity dia hahita lisitra organisations tsy mitady vola izay matetika manohana ny vehivavy niharana famorana taovam-pananahana.

Ho afaka hamaly ny fanontanianao izy ireo ary hanohana anao eny an-dalam-pahasitranana ara-tsaina sy/na ara-batana. Hanampy anao hahita vahaolana izay mifanaraka indrindra amin‘ny toe-javatra misy iainanao manokana izy ireo. Afaka mijery ny safidy amin‘ny fandidiana famerenana amin‘ny laoniny ihany koa ianao raha tianao.

Fanahiana fahita matetika

  • Amin‘ny ankapobeny dia afaka mahazo fitsaboana ianao nefa tsy enjehin‘ny rafi-pitsarana ny fianakavianao. 

    Any Frantsa, ny matihanina ara-pitsaboana rehetra dia tsy maintsy manaja ny tsiambaratelo ara-pitsaboana. Ny olona mihaona aminao mandritra ny fitsaboana dia tsy mahazo mizara ny zavatra momba anao.

    Mariho azafady fa: mety hiova izany raha latsaky ny 18 taona ianao, na raha mieritreritra ny matihanina ara-pitsaboana fa tsy afaka miaro ny tenanao ianao noho ny fahasembanana. Amin‘izay tranga izay dia mety hitatitra ny toe-javatra mahazo anao amin‘ny tonia mpampanoa na "procureur de la République".

  • Afaka mangataka fiantohana ara-pahasalamana avy amin‘ny fanjakana antsoina hoe "Aide médicale de l'État (AME)". Ahafahan‘ny olona tsy manana zo hipetraka manan-kery mahazo fitsaboana maimaimpoana izany.

  • Ilay matihanina ara-pitsaboana hihaona aminao dia efa nahita olona marary be dia be niharana zavatra mitovy amin‘ny anao. Voaofana manokana izy ireo ary hanao izay azony atao rehetra mba hampahazo aina anao. Afaka mitady matihanina momba ny fahasalaman‘ny vehivavy ihany koa ianao raha izay no mampahazo aina anao kokoa.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa, misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny “Maison des Femmes”, izay any Seine-Saint-Denis, dia manana singa iray natokana ho an’ny famorana taovam-pananahana atao amin’ny vehivavy. Ny ekipany ahitana dokotera, mpampivelona, psikôlôgy ary sexologue dia manome fikarakarana manokana ireo niharan‘izany.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Raha mieritreritra ianao fa mety ho niharana famorana taovam-pananahana atao amin‘ny vehivavy, dia afaka manao fotoana miafina amin‘izy ireo ianao.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, anglisy, arabo, espaniola ary fandikana teny azo atao amin‘ny teny rehetra, an-telefaonina na mifanatri-tava.
    • Fifandraisana: an-telefaonina amin‘ny 01 42 35 61 28 na amin’ny alalan’ny mailaka amin’ny [email protected].
  • Ny “Comede” dia fikambanana manampy ny mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana hahazo fikarakarana ara-pahasalamana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka manampy anao hahazo fikarakarana ara-pahasalamana izy ary manampy anao amin‘ny antontan-taratasy, amin‘ny alalan‘ny tolotra an-telefaonina indrindra indrindra.
    • Teny azo isafidianana: fandikana teny azo atao amin‘ny teny rehetra.
    • Fifandraisana: an-telefaonina.
  • Ny “Fédération GAMS” dia manohana olona niharana famorana taovam-pananahana atao amin’ny vehivavy na fanambadiana natao an-tery.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Hotombanany ny toe-javatra mahazo anao, ary avy eo handefa anao amin‘ny sampan-draharaha mahefa akaiky anao izy.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, anglisy ary bambara.
    • Fifandraisana: an-telefaonina amin‘ny 01 43 48 10 87 Alatsinainy hatramin’ny Zoma manomboka amin’ny 10 maraina hatramin’ny 12 atoandro ary manomboka amin’ny 2 tolakandro hatramin’ny 4 hariva, na amin’ny alalan’ny mailaka [email protected].

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Mahazo fikarakarana: fahasalamana ara-batana, ara-nofo ary ara-tsaina

Mety hisy voka-dratsy lehibe amin‘ny fahasalamanao ny herisetra ao an-tokantrano. Any Frantsa dia…

Misorata anarana amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana na “sécurité sociale

Raha manana asa matotra na mipetraka maharitra any Frantsa ianao dia manan-jo hiantoka ny…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony