Mahazo fikarakarana: fahasalamana ara-batana, ara-nofo ary ara-tsaina
Mety hisy voka-dratsy lehibe amin‘ny fahasalamanao ny herisetra ao an-tokantrano. Any Frantsa dia…
Ny andraikitry ny “Aide médicale de l’État (AME)” na ny fandaharan‘asan‘ny fanjakana amin‘ny fanampiana amin’ny fitsaboana dia manome fahafahana an‘ireo olona tsy manana zo ipetraka eo an-toerana mba hahazo fitsaboana.
Nohamarinin‘i Comede ny 30/05/2022
Amin’ny alalan’ny “Aide médicale de l’État (AME)”, dia hiantohana 100% avy amin‘ny tahan’ny fiahiana ara-tsosialy ny saran’ny fitsaboana anao, ny fijanonao ao amin’ny hopitaly ary koa ny fanafody. Tsy voatery mandoa ny sarany ianao.
Afaka mahazo tombony amin'izany koa ny fianakavianao monina any Frantsa.
Raha olona feno taona ianao, izany hoe 18 taona mahery dia afaka misitraka ity fanampiana ara-pitsaboana ity raha toa ka mahafeno ireto fepetra ireto:
Raha mbola tsy ampy taona ianao, izany hoe latsaky ny 18 taona, dia afaka misitraka ity fandaharanasa ity raha toa ka:
Fenoy ny taratasy fangatahana dia omano ny rakitra miaraka amin’ireo antontan-taratasy nangatahana:
Raha tsy manana pasipaoro ianao dia tsara tokoa ny manisy taratasy fianianana antsoina hoe “attestation sur l’honneur” miaraka amin’ny fangatahanao izay milaza fa tsy manana pasipaoro ianao.
Atero mivantana eny amin’ny toerana fandraisan’olona, eny amin’ny “caisse d’assurance maladie” ny fangatahanao.
Ao anatin’ny roa vola dia hahazo taratasy miaraka ny fotoana hihaonana avy amin’ny “caisse d’assurance maladie”-nao ianao.
Tadidio fa:
Raha toa ka tsy nahazo valiny tamin'ny fangatahanao mihoatra ny roa volana taorian'ny nandefasanao izany ianao dia tsara kokoa raha mifandray amin'ny “caisse d’assurance maladie”-nao ianao mba manontany vaovao.
Raha nolavina ny fangatahanao dia afaka mangataka ny hanovana izany fanapahan-kevitra izany ianao, ka manaraka ilay dingana fantatra amin‘ny hoe mampakatra ny raharaha na “recours”. Manana roa volana ianao aorian'ny nandraisanao fampandrenesana fa nolavina ny fangatahanao raha tinao ny hampakatra ny raharaha na “recours”.
Misy karazany roa ny fampakarana raharaha na “recours” azo atao:
Tena tsara dia tsara tokoa raha toa miaraka amin’ny mpisolovava na fikambanana mpanao asa soa na “association” ianao mba hanampy anao amin’ireto dingana ireto.
Ny “Comede” dia fikambanana manampy ny mpifindra monina sy ny mpitsoa-ponenana hahazo fikarakarana ara-pahasalamana.
Ny "PIMMS Médiation" dia fikambanana mampahafantatra, mitarika na manohana ny fikarakarana taratasy amin'ny sehatra maro: fidirana amin'ny tolotra ho an'ny daholobe, fidirana amin'ny fitsaboana, fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fanambarana hetra, fanambarana ho an'ny “France Travail”, sns.
Ny mpiasa sosialy na “travailleurs sociaux” sy ny “assistants sociaux” dia efa za-draharaha amin‘ny fanohanana ny olona amin'ny fikarakarany taratasy, ary manampy azy ireo hahita vahaolana mifanaraka amin'ny fahasahiranana atrehiny.
Mahazo fikarakarana: fahasalamana ara-batana, ara-nofo ary ara-tsaina
Mety hisy voka-dratsy lehibe amin‘ny fahasalamanao ny herisetra ao an-tokantrano. Any Frantsa dia…
Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa
Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…
Misorata anarana amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana na “sécurité sociale”
Raha manana asa matotra na mipetraka maharitra any Frantsa ianao dia manan-jo hiantoka ny…