Misorata anarana amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana na “sécurité sociale

Raha manana asa matotra na mipetraka maharitra any Frantsa ianao dia tokony ho afaka hiantoka ny saram-pitsaboanao mandritra ny androm-piainanao. Ny rafitra fiantohana ara-pahasalamanam-panjakana dia antsoina hoe “Protection universelle maladie (PUMA)”, fantatra ihany koa amin’ny hoe “sécurité sociale”.

Nohamarinin‘i Comede ny 31/05/2023

Inona no tafiditra amin'izany?

Protection universelle maladie (Puma)”, fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe “sécurité sociale”, dia miantoka ny ampahany amin'ny vola laninao amin’ny fitsaboana.

Matetika dia tsy maintsy mandoa ny vola laninao amin’ny fitsaboana aloha ianao, ary avy eo dia mahazo famerenam-bola alefa ao amin'ny kaontinao any amin'ny banky.

Tsy mahafeno 100% ny saram-pitsaboana laninao akory izany. Miankina amin'ny fitsaboana nataonao ny vola averina. Misy lisitra feno momba ny taham-pamerenana eto.

Tsara ny manana politika fiantohana ara-pahasalamana tsy miankina fantatra amin’ny anarana hoe “mutuelle” mba hamerenana amin’ny ampahany na manontolo ny vola izay tsy aloan’ny ny rafi-panjakana. Raha ambany loatra ny fidiram-bolanao mba handoavana ny “mutuelle”, dia afaka mangataka fiantohana ara-pahasalamana fanampiny ianao na “Complémentaire santé solidaire (CSS)”.

Fepetra

  • Tsy maintsy manana trano fonenana maharitra any Frantsa ianao.
  • Tsy maintsy manana zo ipetraka maharitra ianao.

Raha tsy manana zo ara-dalana hipetraka eo an-toerana ianao, dia afaka mangataka “ Aide médicale d’Etat (AME)” fa misy fepetra izany.

Ny dingana arahina

  • Amin'ny ankapobeny, ny mpampiasa anao dia hifandray amin'ny fikambanana miandraikitra ny fiantohana ara-pahasalamanao, fantatra amin'ny anarana hoe “caisse d’assurance maladie”, mba hanomezana ny zonao. Azonao atao ny manamarina izany any amin'ilay mpampiasa anao raha toa ka efa nataony ireo dingana ireo.

  • Tsy maintsy mameno ny taratasy fangatahana hahazoana antoka amin'ny fiantohana ara-pahasalamana ianao, fantatra amin’ny anarana hoe “sécurité sociale”, ary mandefa izany any amin’ny fikambanana izay miandraikitra ny zonao, antsoina hoe“caisse d’assurance maladie”.

    • Raha tsy fantatrao ny atao hoe “caisse d’assurance maladie” dia afaka mifandray amin’ny “Caisse Primaire d’Assurance Maladie (CPAM)” akaiky anao ianao raha te hahalala bebe kokoa. Ny antsipirian'ny fifandraisana dia azonao jerena ao amin’ity tranonkala ity.
    • Ampiaraho amin‘ny fangatahanao ireo antontan-taratasy ilaina:
      • ny dika mitovy ny antontan-taratasy mombamomba anao
      • taratasy manaporofo ny zonao hipetraka, ohatra hoe dika mitovy ny taratasy fahazoan-dalana mipetraka na “titre de séjour”, na fangatahana fialokalofana
      • izay taratasy manaporofo ny fonenanao maharitra eto Frantsa raha tsy miasa ianao, toy ny rosia fandoavana hofan-trano, faktioran’ny gaz sy ny jiro, na taratasy avy any amin’ny olona mampiantrano anao izay fantatra amin’ny anarana hoe fanamarinana fampiantranoana “attestation d’hébergement
      • taratasy fanamarinana ny kaontinao any amin'ny banky na “relevé d’identité bancaire (RIB)”, miaraka amin’ny laharana IBAN mba hahafahanao mahazo ireo famerenam-bola mivantana any amin’ny kaontin‘ny bankinao avy hatrany
      • raha azo atao dia atao dika mitovy feno ny kopian'ny soram-piankohonanao na ny ampahany amin‘ny kopia nahaterahanao misy ny anaran‘ny ray aman-dreninao, na taratasy mitovy amin'izany voarain‘'ny kaonsilàn'ny firenenao any Frantsa. Raha mpitsoa-ponenana ara-politika any Frantsa ianao, dia tsy maintsy mifandray amin’ny manampahefana amin’ny firenena niavianao.
    • Tehirizo ny dika mitovy amin'ny fangatahanao.
    • Alefaso amin'ny alàlan'ny paositra miaraka amin’ny taratasy fanamarinam-pandefasana na “lettre recommandée avec accusé de réception”, izay hany fomba hanaporofoina fa voaray ny taratasinao. Tazony ho toy ny porofon‘ny fandefasana amin‘ny alalan‘ny paositra ny rosia na “preuve de dépôt”.

Aorian‘ny fangatahana

Mety miovaova ny fotoana fikarakarana. Raha tsy nahare na inona na inona ianao roa volana taorian'ny nandefasanao ny fangatahanao dia mifandraisa amin'ny “caisse d’assurance maladie” raha hanontany vaovao mikasika izany.

Rehefa nankatoavina ny fangatahanao dia hahazo antontan-taratasy manamarina ny zonao amin’ny lafiny fitsaboana antsoina hoe“attestation d’ouverture de droits” ianao. Ity antontan-taratasy ity ihany no hamaritra ny laharana fiarovana ara-tsosialinao na “numéro de sécurité sociale”.

Izany dia ahitana ihany koa ny taratasy azo fenoina: “Ma nouvelle carte vitale”.

  • Ny "carte vitale" karatra ara-pahasalamana mirakitra ny fampahalalana rehetra ilainao hamerenana ny vola laninao tamin’ny fitsaboana. Amporisihina ianao hangataka iray.
  • Eo am-piandrasana ny hahazo an'io karatra io dia azonao atao ny mahazo ny famerenana ny vola laninao tamin’ny fitsaboana amin’ny fampisehoana ny taratasy fanamarinana ny zonao na ny “attestation d’ouverture de droits” nalefan’ny “caisse d’assurance maladie” ho anao.
  • Rehefa nahazo ny “carte vitale” ianao, dia mila mandeha any amin'ny fivarotam-panafody ary mangataka amin‘izy ireo mbahanavao na hanao“mise à jour” izany.
  • Tsy maintsy mampiseho ny “carte vitale” anao ianao any amin'ny toeram-pitsaboana sy any amin'ny fivarotam-panafody mba hamerenana ny fandaniana ara-pahasalamanao.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny “Comede” dia fikambanana manampy ny mpifindra monina sy ny mpitsoa-ponenana hahazo fikarakarana ara-pahasalamana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka manampy anao hahazo fikarakarana ara-pahasalamana izy ary manampy anao amin‘ny antontan-taratasy ilaina, amin‘ny alalan‘nyantso an-telefaonina.
    • Teny azo isafidianana: fandikana teny azo atao amin‘ny teny rehetra.
    • Fifandraisana: an-telefaonina.
  • Ny "PIMMS Médiation" dia fikambanana mampahafantatra, mitarika na manohana ny fikarakarana taratasy amin'ny sehatra maro: fidirana amin'ny tolotra ho an'ny daholobe, fidirana amin'ny fitsaboana, fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fanambarana hetra, fanambarana ho an'ny “France Travail”, etc.

    • Maimaimpoana io tolotra io.

    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.

    • Fifandraisana: afaka mahita “PIMMS Médiation” eo akaikinao ianao ato amin'ity lahatahiry ity.

  • Ny mpiasa sosialy na “travailleurs sociaux” sy ny “assistants sociaux” dia efa za-draharaha amin‘nyfanohanana ny olona amin'ny fikarakarany taratasy, ary manampy azy ireo hahita vahaolana mifanaraka amin'ny fahasahiranana atrehany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Azonao atao ny maka fotoana handraisana torohevitra manokana araka ny toe-javatra misy anao, ary hanampy anao amin'ny dingana manaraka, toy ny hoe: fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fangatahana trano fonenana, fisoratana anarana any amin'ny birao mikarakara ny olona tsy manana asa any Frantsa “France Travail”, sns.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Azonao atao ny mangataka fotoana hihaonana amin'ny “travailleur social” miaraka amin’ny

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Fangatahana karatra ara-pahasalamana na “carte vitale

Ny “carte vitale” dia karatra ara-pahasalamana izay ahazoana antoka fa mora averina ny vola laninao…

Mahazo fikarakarana: fahasalamana ara-batana, ara-nofo ary ara-tsaina

Mety hisy voka-dratsy lehibe amin‘ny fahasalamanao ny herisetra ao an-tokantrano. Any Frantsa dia…

Makà fifanaraham-piantohana ara-pahasalamana tsy miankina antsoina hoe “mutuelle

Mba hamerenana ny vola laninao tamin’ny fitsaboana dia tsara kokoa raha maka fifanaraham-piantohana…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony