Miantso sampan-draharaha misahana hamehana: polisy, fiara mpitondra marary
Raha sendra hamehana dia antsoy ny 17 ho an‘ny polisy na ny 112 ho an‘ny sampan-draharaha misahana…
Mety hisy voka-dratsy lehibe amin‘ny fahasalamanao ny herisetra ao an-tokantrano. Any Frantsa dia afaka mahazo fikarakarana ara-pahasalamana ianao na ahoana na ahoana toe-bolanao, ary na ahoana na ahoana ny zo hipetraka anananao.
Nohamarinin’ny La Maison des Femmes tamin’ny 22/09/2023
Na ahoana na ahoana endrik’ilay herisetra iainanao, dia mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny fahasalamanao izany rehefa ela ny ela. Na dia farany amin‘ny laharam-pahamehanao aza izany dia ezaho heverina ny hanao laharam-pahamehana ny fahasalamanao. Any Frantsa, afaka mahazo fikarakarana ara-pahasalamana ianao na dia tsy manana zo hipetraka na vola aza.
Raha mila fanampiana ara-pahasalamana maika ianao, raha sendra herisetra ara-nofo ohatra, dia antsoy ny sampan-draharaha misahana hamehana.
Raha tandindomin-doza ny fiarovana anao dia afaka mangataka ny polisy hiditra an-tsehatra ianao.
Raha sendra misy ratra goavana dia antsoy ny sampan-draharaha fitsaboana maika. Handefa ekipa voaofana amin‘ny vonjy taitra izy ireo hanampy anao.
Raha sendra hamehana iankinan'ny aina dia hahazo fitsaboana ianao na dia:
tsy voasoratra amin‘ny rafitra fiantohana ara-pahasalaman‘ny fanjakana antsoina hoe “Protection universelle maladie (PUMA)”, indraindray fantatra amin’ny hoe “sécurité sociale” aza.
Raha maratra ianao ary te handeha any amin‘ny hopitaly avy hatrany, dia azonao jerena ity lahatahiry ity.
Lahatahiry maro no azonao itadiavana dokotera akaiky anao, na généraliste izany na spécialiste.
Na dia voaaron‘ny “sécurité sociale” aza ianao, dia tsy mitovy daholo akory ny sarany alain’ny dokotera rehetra.
Raha niharana herisetra ara-nofo ianao dia aza mahatsiaro ho menatra. Tsy tompon‘andraikitra amin‘ny zavatra nihatra taminao mihitsy ianao.
Tena amporisihina ny fanarahanao ny torohevitra eo ambany mba hiarovana ny fahasalamanao:
Mijere dokotera na mandehana any amin‘ny hopitaly raha vao azo atao mba hozahana sy hotsaboina. Amporisihina ianao fandehananao any amin‘ny sampan-draharaha fitsaboana manam-pahaizana manokana antsoina hoe "unité médico-judiciaire (UMJ)" akaiky anao. Ny ekipan‘izy ireo dia voaofana manokana hanangona porofona herisetra ara-nofo. Ny “UMJ” sasany dia tsy mizaha marary raha tsy efa naka fotoana: miantsoa azy alohan‘ny hitsidihana.
Afaka manome anao fitsaboana vonjy taitra ilay dokotera:
Amporisihina ihany koa ny fametrahana fitarainana mba hitaterana ilay herisetra amin’ny rafi-pitsarana frantsay.
Rehefa mametraka fitarainana dia mety hanao fotoana aminao any amin‘ny “UMJ” ilay polisy mandray anao.
Raha miteraka tahotra, henatra na fahatsapana ho meloka ao aminao ny fihetsiky ny matihanina ara-pitsaboana iray, dia mety hidika izany fa voafetra ny fahaizany momba ny herisetra mifandray amin‘ny maha-lahy na vavy ary mety hampidi-doza anao izany.
Raha izay no zava-miseho dia aza misalasala mijery matihanina ara-pitsaboana hafa. Afaka miova dokotera amin‘ny fotoana rehetra itiavanao manao izany ianao ary tsy voatery hanazava izany.
Mety mila fotoana elaela ny fiarenana amin‘ny herisetra an-tokantrano. Afaka ny hisy voka-dratsy, lehibe eo amin‘ny lafiny fiarahamonina, vatana ary saina izany, ao anatin’izany ny rarintsaina aorian’ny dona mahazo izay ilana ny fikarakaran’ny matihanina manam-pahaizana manokana. Na dia farany amin‘ny laharam-pahamehanao aza izany, dia ezaho heverina ho lohalaharana ny fahasalamanao ara-tsaina. Raha azo atao dia resaho amin‘ny matihanina iray ny zavatra niainanao. Afaka manampy anao hamoaka amin‘ny teny ny fahatsapanao izy ireo ary manohana eny an-dàlam-piarenana.
Raha mijaly ianao ary manana eritreritra te hamono tena, dia tadidio fa tsy irery ianao. Azo antsoina amin‘ny fotoana rehetra ny matihanina mba hanampy anao ho tafavoaka amin‘izany.
Ny mpitsabo aretin-tsaina dia dokotera mifantoka amin‘ny fitsaboana saina. Mety hanoratra fanafody izy raha heveriny fa ilaina.
Ny saran‘ny fizahana ara-tsaina dia averin‘ny “sécurité sociale” indraindray.
Lahatahiry maro no ahafahanao mitady mpitsabo saina akaiky anao:
Ny psikôlôgy dia matihanina manana diplaomana oniversite amin‘ny psikôlôjia. Tsy nahazo fiofanana ara-pitsaboana izy. Afaka manohana anao amin‘ny fitsaboana saina izy.
Lahatahiry maro no ahafahanao mitady psikôlôga akaiky anao. Ny Doctolib dia ahafahanao mitady matihanina miteny ny tenim-pirenenao.
Raha miteraka tahotra, henatra na fahatsapana ho meloka ao aminao ny fihetsiky ny mpitsabo saina na psikôlôgy iray, dia mety hidika izany fa voafetra ny fahaizany momba ny herisetra mifandray amin‘ny maha-lahy na vavy ary mety hampidi-doza anao izany.
Raha izay no zava-miseho dia aza misalasala mijery iray hafa. Azonao ovana amin‘ny fotoana itiavanao azy mpitsabo saina sy psikôloginao, ary tsy voatery hanazava izany ianao.
Ny “Comede” dia fikambanana manampy ny mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana hahazo fikarakarana ara-pahasalamana.
Ity tolotra fanomezana torohevitra an-telefaonina ity, dia natao ho an'ny olona miatrika herisetra maro isan-karazany sy ireo izay manohana azy ireo.
Ny "Associations" dia fikambanana manome tolotra isan-karazany.
Miantso sampan-draharaha misahana hamehana: polisy, fiara mpitondra marary
Raha sendra hamehana dia antsoy ny 17 ho an‘ny polisy na ny 112 ho an‘ny sampan-draharaha misahana…
Misorata anarana amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana na “sécurité sociale”
Raha manana asa matotra na mipetraka maharitra any Frantsa ianao dia manan-jo hiantoka ny…
Mahatakatra ny fiantraikan‘ny herisetra ao an-tokantrano aminao sy ny zanakao
Mety hisy voka-dratsy ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina ny herisetra ao an-tokantrano.…
Mahazo fitsaboana rehefa avy niharana famorana taovam-pananahana atao amin‘ny vehivavy
Raha niharana famorana taovam-pananahana atao amin‘ny vehivavy ianao, dia misy fikambanana sy…