Mila manome porofo momba ny herisetra ianao amin'ny fotoana hametrahana ny fangatahana.
Ny tomponandraikim-panjakana frantsay eo an-toerana misahana ny fandinihina ny fangatahana fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana fantatra amin’ny hoe “préfecture” no handinika ny porofo mialohan’ny hanapahany hevitra raha hekena ny fangatahanao na tsia.
Inona no porofo tokony homeko?
Azo porofoina amin’ny fomba rehetra ny herisetra.
Angony izay porofo rehetra ao amin'ny rakitrao izay mety ilaina, ohatra:
- ny taratasy nomena taorian'ny fametrahana fitoriana ofisialy, fantatra amin'ny anarana hoe rosian’ny fitoriana na “récipissé de plainte”
- taratasy ofisialy mitatitra ny herisetra amin'ny polisy, fantatra amin'ny anarana hoe rakitatitra na “main courante”
- fanambarana ataon‘ny vavolombelona
- taratasy fanamarinana ny fitsaboana.
- taratasy manaporofo fa manampy anao ny fikambanana mpanao asa soa na “association” izay miompana manokana amin’ny fanohanana ireo olona niatrika herisetra ao an-tokantrano
- ny firaketana ny fanamelohana sazin'ilay mpanao herisetra, na sazy hafa ankoatra ny fanenjehana
- ny fisaraham-panambadiana noho ny hadisoana antsoina hoe “divorce pour faute” mikasika ny herisetra ao an-tokantrano
- izay porofo hafa rehetra eritreretinao.
Ny “préfecture” dia tsy manana zo hangataka karazana porofo manokana momba ny herisetra. Noho izany dia tsy azony atao ny hoe mandà ny fangatahanao noho ny tsy fisian'ny porofo manokana.