Ireo fepetra fangatahana “carte de résident” na kara-ponenana rehefa afaka telo na dimy taona tany Frantsa

Raha efa mipetraka any Frantsa ka manana zo ipetrahana any an-toerana manan-kery mandritra ny telo na dimy taona farafahakeliny ianao, miankina amin’ny zom-pirenenao, ary maniry ny hipetraka maharitra any Frantsa dia azonao atao ny mangataka “carte de résident” na kara-ponenana izay manan-kery mandritra ny folo taona. Mety homena anao izany raha toa ka mahafeno fepetra ianao.

Nohamarinin’i Olympe tamin’ny 06/10/2023

Raha efa mipetraka any Frantsa ka manana zo ipetrahana any an-toerana manan-kery mandritra ny telo na dimy taona fara fahakeliny ianao, miankina amin’ny zom-pirenenao, ary maniry ny hipetraka maharitra any Frantsa dia azonao atao ny mangataka “carte de résident” na kara-ponenana izay manan-kery mandritra ny folo taona ianao.

Ny fangatahana dia tsy maintsy atao eny anivon’ny manampahefana ara-panjakana fantatra amin’ny hoe “préfecture” na “sub-préfecture”.

Ny “carte de résident” dia tsy omena amin’izao fotsiny: ny “préfecture” no manana fahefana hifehy ny fangatahanao. Tena ilaina ny manome porofo fa milamina tsara ny fiainana ao Frantsa.

Fepetra

Raha olom-pirenena any amin‘ny iray amin'ireto firenena manaraka ireto ianao, dia mihatra aminao ny fepetra aorian'ny telo taona nipetrahana tany Frantsa: Alzeria, Bénin, Burkina Faso, Kamerona, République centrafricaine, Congo (Brazzaville), Côte d'Ivoire, Mali, Maoritania, Niger, Sénégal, Togo, Tonizia.

Raha olom-pirenena avy amin‘ny firenena hafa ianao, dia mihatra ireo fepetra aorian‘ny dimy taona nipetrahana tany Frantsa.

Ny fepetra dia:

  • nipetraka tany Frantsa tsy tapaka ianao ary manana zo hipetraka manan-kery, izany hoe manana fahazoan-dàlana ipetrahana ao an-toerana na “titre de séjour” mandritra ny telo na dimy taona farafahakeliny, arakaraka ny zom-pirenenao
  • manana loharanom-bola izay heverina ho azo antoka sy ampy ianao, toy ny fifanekena arak’asa maharitra fantatra amin’ny hoe “CDI” ary ny karama farany ambany fantatra amin’ny hoe “SMIC” (mety tafiditra amin‘izany koa ireo toe-javatra hafa sy ny fidiram-bola)
  • manana fiantohana ara-pahasalamana any Frantsa ianao, rafitra an‘ny fanjakana na tsy miankina
  • manana fahaizana miteny frantsay mitovy na ambony kely noho ny ambaratonga A2 ianao.

Tsara marihina fa ny karazana sasany amin’ny fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titres de séjour” dia tsy tafiditra ao amin’ny fikajiana ilay telo na dimy taona:

  • ireo manana fe-potoana manankery latsaky ny herintaona, ohatra ny fahazoan-dàlana hipetraka vonjimaika na “l’autorisation provisoire de séjour (APS)
  • ary ireo dia voamarika toy izao:
    • stagiaire” na mpiofana arak’asa
    • étudiant” na mpianatra
    • salarié détaché ICT” na mpiasa mpikirakira informatika ivelan’ny fiasana
    • travailleur saisonnier” na asa fanao amin’ny vanin-taona iray
    • retraité” na misotro ronono
    • ary ny “passeports talent”, na pasipaoro maneho talenta, izay omena ireo olona izay mankaty Frantsa miaraka amin‘ny fianakaviany, hanao asa handraisan-karama.

Lalàna manan-kery Andininy L.426–17 et seq. ao amin’ny “CESEDA”.

Antontan-taratasy ilaina

Raha te hangataka kara-ponenana na “carte de résident” mifototra amin'ny fotoana nipetrahanao tany Frantsa ianao dia mila manome:

  • Antontan-taratasy manaporofo fa nipetraka tany Frantsa nandritra ny telo na dimy taona farafahakeliny, miankina amin'ny fitsipika mihatra amin'ny zom-pirenenao. Ohatra hoe, dika mitovy azo vakiana tsara ny “titres de séjour”-nao taloha raha anananao afa-tsy ireo izay tsy raisina (jereo Fepetra).
  • Ireo antontan-taratasy afaka manaporofo fa nanana fidiram-bola ampy sy maharitra ianao nandritra ny telo na dimy taona farany, ohatra hoe:
    • ny filazana ny hetra momba ny vola miditra sy mivoaka na “avis d’imposition” mandritra ny telo na dimy volana
    • Raha toa mpiasa ianao: antontan-taratasy manaporofo fa manana fifanarahana arak’asa ianao amin'izao fotoana izao, fantatra amin'ny anarana hoe “certificat de travail”, natao tao anatin'ny telo volana farany sy ny taratasy karama telo farany nataonao na “fiches de paie" ary ny “fiches de paie” ho an’ny volana Desambra ho an’ny telo na dimy taona farany
    • raha tsy miasa ianao, dia antontan-taratasy afaka manaporofo ny fidiram-bolanao, toy ny fanambarana ny vola miditra sy mivoaka amin’ny banky, ny ampaham-bola azonao eny amin'ny sampandraharaha nasionaly izay manangona ny fandraisana anjara amin'ny fiahiana ara-tsosialy antsoina hoe “URSAFF”, sns.
  • Taratasy manaporofo fa manana fiantohana ara-pahasalamana any Frantsa ianao:
    • raha toa ka mampiasa ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana an’ny fanjakana na “sécurité sociale” ianao: ny antontan-taratasy fantatra amin'ny anarana hoe taratasy fanamarinana momba ny fiantohana ara-pahasalamana na “attestation d’assurance maladie” dia azo sintomina amin’ny aterineto amin’ny alalan’ny kaontinao Ameli.fr na nangonina avy amin’ny ivon-toeran’ny fikambanana nasionaly misahana ny fiantohana ara-pahasalamana fantatra amin’ny hoe “Assurance maladie
    • Raha manana fiantohana ara-pahasalamana tsy miankina ianao: Antontan-taratasy fantatra amin’ny anarana hoe fanamarinana na “attestation” ny fiantohananao.
  • Antontan-taratasy ofisialy manaporofo fa ny fahaizanao frantsay dia ambony na mitovy amin‘ny A2. Mba hanovana izany dia na ianao:
    • afaka tamin’ny fitsapana frantsay ofisialy izay fantatry ny “préfecture
    • na nahazo diplaoma manaporofo ny fahaizanao frantsay, izay ankatoavin’ny “préfecture”. Raha mila fanazavana fanampiny dia tsidiho azafady ity tranokala ity.
  • Ny antontan-taratasy rehetra ahafahanao maneho ny fahavononanao hipetraka any Frantsa mandritra ny fotoana maharitra: diplaoma azo tany Frantsa, asa an-tsitrapo, fandraisana anjara amin'ny asa an-tsitrapo, sns.

Karazana “titre de séjour” omena

Mety hahazo antontan-taratasy mamela anao hipetraka any Frantsa mandritra ny fotoana maharitra ianao, fantatra amin'ny anarana hoe kara-ponenana “carte de résident”. Manan-kery mandritra ny folo taona izany. Ahafahanao miasa izany.

Fanavaozana

Raha nahazo “carte de résident” ianao dia azonao havaozina izany rehefa lany daty, eny fa na dia tsy mahafeno ny fepetra ahazoana izany aza ianao.

Na izany aza dia misy ny tranga maningana: Ohatra hoe raha mandao ny faritany frantsay ianao mandritra ny telo taona misesy mahery, ny “préfecture” dia mety hanapa-kevitra ny hanafoana ny “carte de résident” anao sy/na tsy hanaiky ny fanavaozana izany.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • La Cimade” dia fikambanana miompana amin’ny fanohanana ireo mpifindra monina rehetra, ary ireo mpitsoa-ponenana any Frantsa, indrindra olona miatrika herisetra.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hampahafantatra anao sy hanohana anao mandritra ny dingana arahina ara-panjakana mifandraika amin'ny zo ipetrahana any Frantsa, ary hitarika anao any amin'ny sampan-draharaha hafa, arakaraka ny toe-javatra misy anao manokana.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy ary Espaniola.
    • Fifandraisana:
      • raha tsy misy fotoana nalaina tany amin’ny ivontoerana akaiky anao
      • amin’ny telefaonina amin’ny 01 40 08 05 34 or 06 77 82 79 09 ny alarobia 9:30 maraina hatramin’ny 1:30 hariva ary manomboka amin’ny 2:30 hariva hatramin’ny 5:30 p.m.
  • Gisti” dia fikambanana mifantoka manokana amin’ny fanomezana torohevitra mikasika ny lalàna ho an’ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana any Frantsa.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hampilaza anao momba ny zonao mifandraika amin'ny zo ipetraka ara-dalana eo an-toerana izy ireo, ary hanazava ny fomba hahazoana izany.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana:
      • Amin’ny telefaonina amin’ny +331 84 60 90 26 ny alatsinainy hatramin’ny zoma manomboka ny amin’ny 3 hariva hatramin’ny 6 hariva, ary koa amin’ny 10 maraina hatramin’ny 12 atoandro ny alarobia sy ny zoma. Indraindray mety be mpiantso be ao dia aza kivy. Mora kokoa indraindray ny miantso azy ireo amin‘ny harivariva .
      • Amin’ny alalan’ny paositra amin’ny “Gisti, 3 villa Marcès 75011 Paris, France”. Ataovy fanontana dia fenoy ity taratasy ity ary ampidiro ao amin’ny taratasinao miaraka amin’ny dika mitovy ny antontan-taratasy izay mety ilaina. Aza adinoina ny mamaritra mazava araka izay azo atao ny fanontanianao, ao anatin'izany ny zava-drehetra mety hanampy ny mpanolotsaina “Gisti” hahatakatra ny toe-javatra misy anao.
  • Ny “Associations” dia ireo fikambanana izay manome tolotra isan-karazany. Manampahaizana manokana amin‘ny fifindra-monina ny sasany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao ny zonao any Frantsa izy ireo ary indraindray manohana anao amin‘ny dingana arahina raha hifindra-monina.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Azonao atao ny mitady izany isaky ny faritra sy ny vakim-paritra amin’ity lahatahiry ity.
  • Ireo fikambanana nahazo alalana na “associations habilitées” no afaka manome tolotra avo lenta manokana ho an’ireo mpitady fialokalofana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao mikasika ny zonao, manoro hevitra anao, manampy anao amin’ireo dingana ara-taratasy karakaraina ary miaraka aminao rehefa mihaona amin’ny Birao Frantsay Miaro ny Mpitsoa-ponenana sy ny tsy manan-tanindrazana na “Office français de la protection des réfugiés et des apatrides (OFPRA)”.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina, azo asiana fandikan-teny am-bava.
    • Fifandraisana: afaka mahita “associations habilitées” manakaiky anao ianao ato amin’ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa

Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…

Manakarama mpisolovava any Frantsa

Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony