Mangataka “l'aide juridictionnelle” na fanampiana ara-pitsarana mba hanomezana ny volan’ny mpisolovava sy ny sarany ara-pitsarana hafa
Raha tsy ampy vola hanakaramana mpisolovava sy handoavana ny fitsarana, dia afaka mangataka ny…
Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana olona azo itokisana. Azon'izy ireo atao ny manampy anao amin'ny lalàna momba ny heloka bevava, ny lalàna momba ny fianakaviana na miaro ny zonao mifandray amin'ny manampahefana ara-panjakana.
Nohamarinin‘ny Alliance des Avocats pour les Droits de l’Homme tamin’ny 25/09/2023
Any Frantsa dia mety ho sarotra be ny raharaham-pitsarana. Tsara kokoa, ary tena tsy maintsy atao amin’ny tranga sasany, ny manakarama mpisolovava izay afaka manoro hevitra anao, hanampy anao amin’ireo dingana arahina, ary mosolo tena anao mandritra ny fakana am-bavany eny amin’ny fitsarana na “audiences”.
Any Frantsa anefa, ho an'ny dingana mifandraika amin'ny fehezan-dalàna famaizana dia ampirisihina hanakarama mpisolovava ilay niharam-boina mba hampitomboana ny hirika hahameloka ilay olona nomelohina noho ny zavatra nataony.
Raha eo amin'ny sehatry ny lalàna momba ny fianakaviana sy ny herisetra ao an-tokantrano, ny mpisolovava ohatra dia afaka manome anao ny tolotr'izy ireo ho an'ireto dingana manaraka ireto:
Misy sarany ny asa ataon‘ny mpisolovava. Raha tsy dia manam-bola ianao dia misy ireo vahaolana.
Ny dingana voalohany dia ny manamarina raha mahavita mandoa sarana fitsarana sasany ny fifanekena ara-piantohana nataonao, ohatra hoe ny fiantohana mikasika ny trano. Raha izany no izy dia anontanio izy ireo raha toa ka tafiditra amin‘ny fiantohany ny raharaha ara-pitsarana momba anao, ary ahoana ny fepetra ny amin‘izany.
Raha toa tsy ampy ny vola eo am-pelatananao dia azonao atao ny mangataka ny fanjakana mba handoa manontolo na amin’ny ampahany ny vola lany amin’ny raharaham-pitsarana, izay antsoina hoe fanampiana amin’ny raharaham-pitsarana na “aide juridictionnelle”, eny fa na dia tsy manana zo ipetraka eo an-toerana aza ianao.
Teboka manan-danja vitsivitsy tsara marihina:
Raha toa ianao ka tsy mahazo “aide juridictionnelle”, na “aide juridictionnelle” amin’ny ampahany ihany, dia anontanio ny mpisolovava mikasika ny vola takiany izay fantatra amin’ny hoe “honoraires”.
Tsara ny hahalalanao ny fitambaran‘ny vola aloa dieny eo am-boalohany. Mety ho:
Raha toa ianao tsy dia manam-bola kanefa ianao tsy mahafeno fepetra ho amin’ny fanampiana amin’ny raharaham-pitsarana na “aide juridictionnelle”, dia mety hanome vahaolana hafa ho anao ny mpisolovava sasany, ohatra hoe mandoa ho azy ireo ny isan-jaton'ny zavatra ho azonao any amin'ny faran’ny fitsarana. Tena vitsy ny manao io karazana fifanarahana io.
Raha hitady mpisolovava mahay, izay manampahaizana manokana amin‘ny sehatra iray ianao dia afaka mangataka soso-kevitra:
Raha mbola tsy nanana mpisolovava natolotry ny matihanina na olona atokisanao ianao dia azonao atao ny mikaroka ao amin’ity lahatahiry, ity izay mitanisa ny mpisolovava rehetra ao Frantsa. Manolotra fikarohana isaky ny tanana, fiteny ary ny sehatra ifantohana ilay tranokala.
Afaka mifandray amin'ny mpisolovava maromaro ianao mba hampitahana ny tolotra omen‘izy ireo sy ny sarany ary hisafidy izay atokisanao.
Voalohany, mandefasa mailaka any amin‘ny mpisolovava mba hiresaka haingana ny toe-javatra misy anao, ary angataho izy mba hanao fanadihadiana amin‘ny telefaonina aloha.
Zavatra vitsivitsy tokony hojerena mandritra ny resaka an-telefaonina:
Raha nahafa-po anao ity tafatafa voalohany ity dia afaka mandamina fihaonana aminy ianao.
Raha nanaiky handray ny raharaham-pitsaranao izy, eny fa na dia amin’ny alalan’ny “aide juridictionnelle” aza dia asaivo manao taratasy manamarina izany izy, izay fantatra amin’ny hoe taratasy fanekena na “lettre d’acceptation”, dia apetraho ilay fangatahana amin’ny fanarahana ity dingana ity.
Zava-dehibe ny fiomanana tsara amin’ny fivoriana voalohany. Raha azo atao dia miezaha manoratra taratasy iray na roa pejy mirakitra ny zava-misy fototra.
Raha azo atao, dia manomàna rakitra misy dika mitovy amin'ireo antontan-taratasy manan-danja rehetra, izay mety ahitana:
Tamin‘ny fivoriana voalohany:
Rehefa mifarana ny fivoriana dia tsy maintsy manome anao antontan-taratasy ofisialy mamaritra ny asa rehetra tafiditra ilay mpisolovava, indrindra ny saran‘ilay tolotr‘asa, fantatra amin'ny anarana hoe “honoraires”. Any Frantsa dia indraindray ny mpisolovava mangataka ny fandoavana ny 50% amin'ny “honoraires” mialoha.
Torohevitra vitsivitsy:
Raha nangataka fanampiana amin’ny raharaham-pitsarana na “aide juridictionnelle” ianao, dia tsy maintsy manome taratasy anao ny mpisolovava milaza fa vonona izy hikarakara ny raharaham-pitsaranao amin'izany fomba izany.
Rehefa mihaona voalohany dia azonao atao ny miresaka amin'ny mpisolovavanao ny amin‘ny fomba hiarahana miasa.
Afaka mifandray amin'izy ireo foana ianao mandritra ny fikarakarana ilay raharaha, ohatra hoe mba hampahafantarana azy ireo ny vaovao farany. Na izany aza anefa:
Afaka manova mpisolovava ianao amin‘ny fotoana rehetra. Raha notendren’ny “aide juridictionnelle” ny mpisolovavanao dia tsy maintsy mitady mpisolovava vaovao izay manaiky ny “aide juridictionnelle” ianao. Lazao azy ireo hoe iza no mpisolovava anao taloha, ary ampahafantaro ilay mpisolovava anao taloha ny fanapahan-kevitrao. Hampahafantatra ny sampandraharaha misahana ny raharaha antsoina hoe “bureau d’aide juridictionnelle” (birao misahana ny raharaham-pitsarana) ianao fa nisolo mpisolovava.
Raha manana disadisa amin’ny mpisolovavanao ianao, dia afaka mifandray amin’ny fikambanana mpanao asa soa, fantatra amin’ny hoe “association” izay mifantoka amin’ny torohevitra mikasika ny lalàna. Azonao atao ihany koa ny mifandray amin'ny mpisolovava hafa na ny fikambanan'ny mpisolovava voafidy antsoina hoe “Conseil de l’Ordre” ao amin’ny fivondronana ao amin’ny toeram-ponenanao mba hanampy anao hamaha ilay disadisa.
Ireo ivon-toerana antsoina hoe “point-justice” dia mampivondrona fikambanana isan-karazany izay manome anao torohevitra momba ny lalàna, miankina amin’ny toe-javatra atrehinao, ary indraindray dia manampy anao amin’ny dingana arahina ara-panjakana.
Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra mro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.
Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha arapitsaraa.
Mangataka “l'aide juridictionnelle” na fanampiana ara-pitsarana mba hanomezana ny volan’ny mpisolovava sy ny sarany ara-pitsarana hafa
Raha tsy ampy vola hanakaramana mpisolovava sy handoavana ny fitsarana, dia afaka mangataka ny…
Mangataka ny mpitsara handrara ny vadinao taloha hanatona anao
Raha heverinao fa atahorana hiharan'ny herisetra bebe kokoa ianao sy/na ny zanakao, dia afaka…
Manangona porofo mikasika ny herisetra
Na dia mbola tsy tena vonona ny hitatitra trangana herisetra aza ianao dia zava-dehibe tokoa ny…