Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay

Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mba hitatitra mikasika ilay herisetra, na dia tsy manana zo ara-dalana hipetraka eo an-toerana aza izy ireo. Dingana lehibe tokoa ny fametrahana fitarainana, ary izany dia mety ho fepetra takiana mifandrayamin‘ny fiarovana azo antoka, trano fonenana, eny fa na dia ny fisaraham-panambadiana sy ny fitazomana ny zaza aza.

Nohamarinin'i Kaomisera Charlotte Huntz sy Maître Pauline Rongier tamin'ny 31/05/2023

Fantaro ny zava-misy

Raran‘ny lalàna frantsay ny herisetra ao an-tokantrano. Raha toa ka mampiseho fihetsika maneho herisetra aminao sy/na amin’ny zanakao ny vadinao na ny vadinao taloha dia afaka mametraka fitoriana ianao.

Raha manapa-kevitra ny hametraka fitoriana eny amin'ny polisy ianao, dia hanao fanadihadiana ny polisy, ary avy eo handefa ny fitoriana nataonao any amin'ny mpampanoa lalàna iray antsoina hoe “procureur de la République”, izay handray an-tanana ny raharaha ary hanapa-kevitra ny amin’ny fizotrany.

Na dia tsy voatery atao aza dia tsara koa raha manakarama mpisolovava izay afaka manoro sy manampy anao amin'ireo fomba fiasa izay mety ho sarotra indrindra any Frantsa. Raha tena tsy ampy ny volanao mba handoavana ny karaman’izy ireo, dia azonao atao ny mangataka fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna na “aide juridictionnelle” mba handoavana ny fandaniana.

Any Frantsa dia ny mpitsara no manapaka ny fepetra fiarovana fa tsy ny polisy velively.

  • Ny fitoriana no dingana manan-danja amin'ny fitadiavana ny rariny amin'ny zavatra niainanao.

    Mbola ilaina ihany koa ity dingana ity rehefa hanao fangatahana manaraka ianao, mifandray amin‘ ny fahazoanao fiarovana azo antoka, ny zonao mba hipetraka malalaka, ny trano hipetrahanao, ny fahazoan-dalana hisara-panambadiana, ary ny fandaminana ny hoe aiza ny ankizy no hipetraka.

  • Mety ho tazomin’ny polisy avy hatrany mandritra ny fotoana fohy ilay nahavanon-doza, hatramin’ny 48 ora. Fantatra amin’ny hoe fitazomana vonjy maika izany na “garde à vue”. Ahafahana manatontosa ny fanadihadiana izany fa tsy fanamelohana akory.

    Na izany aza, mety haharitra ela ny dingana aorian'ny fametrahana fitoriana momba ny herisetra ao an-tokantrano. Nihatsara tokoa ny rafitra tato anatin’ny taona vitsivitsy, kanefa tena mbola maro ny olana.

    Indrisy anefa fa mila manam-paharetana sy miezaka ianao rehefa mandamin-javatra ao amin'ny rafi-pitsarana frantsay, ary mety ho tena sarotra rehefa miezaka ny ho tafavoaka velona ianao.

Ny dingana arahina

Azo atao ny mametraka fitoriana aty Frantsa:

  • mandeha mivantana eny amin’ny biraon’ny polisy na “commissariat de police” na “brigade de gendarmerie
  • mandefa izany amin‘ny alalan‘ny paositra mankany amin'ny mpampanoa lalàna iray antsoina hoe “procureur de la République”.
  • Tsara kokoa ny miomana araka izay azo atao mialohan'ny hametrahanao fitoriana amin'ny fanarahana ireto dingana manaraka ireto:

    • miezaha manangona porofo betsaka araka izay azo atao
    • raiso an-tsoratra ny antsipirian‘ny mety hifandraisana amin‘ny vavolombelona
    • raketo avokoa ireo fihetsika maneho herisetra izay mety tadidinao hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.
  • Raha toa ka tsy vonona ny hametraka fitoriana ara-dalana ianao dia afaka manao tatitra mikasika ny herisetra amin’ny polisy amin’ny alalan’ny aterineto amin’ny alalan’ny tolotra Chat amin’ny aterineto amin’ny fiteny maro ho an’ireo niharam-boina vokatrin‘ny fanavakavahana ny lehilahy na ny vahivavy.

    Ho afaka hanome torohevitra anao izy ireo arakaraka ny toe-javatra misy iainanao, na mandefa polisy hiditra an-tsehatra raha ilaina.

    Afaka mijanona ho tsiambaratelo tanteraka ny fifanakalozana ataonao raha tianao. Kanefa amin’ny tranga herisetra mahery vaika indrindra na raha latsaky ny 18 taona ianao dia tsy maintsy manao tatitra mikasika ny zava-misy eny anivon’ny mpampanoa lalàna antsoina hoe “procureur de la République” izy ireo. Mety hanapa-kevitra ny hanao fanadihadiana ary mety hanenjika ilay nahavanon-doza nanao ny herisetra ny mpampanoa lalàna.

    Taorian‘ilay fifanakalozana an-tsoratra nifanaovana dia:

    • Handrakitra ny zava-misy taterinao ao anatin‘ny taratasy fampahafantarana izy ireo.
    • Homeny laharana momba ny rakitra nampitainao ianao.
    • Hangataka ny adiresinao sy ny nomerao findainao izy ireo ra mangataka ny hifandray amin‘ ny polisy mpanao famotorana ianao. Amin'izay dia azonao atao koa ny mangataka azy ireo hifandray aminao amin'ny alalan‘ny mailaka raha tsy mahazo teny frantsay ianao.
    • Hifandray aminao ny mpanao fanadihadiana ao anatin'ny fito andro. Amin'izay fotoana izay dia azonao atao ny mangataka ny mba hisian‘ny mpandika teny am-bava ho anao rehefa manao fitarainana ofisialy ianao.
    • Raha tsy nahare momba azy ireo ianao taorian'ny fito andro, dia azonao atao ny manoratra amin'izy ireo amin'ny alalan'ny chat ka manondro ny laharan‘ny rakitrao.
  • Ny fitoriana na ny “plainte” dia fihetsika ofisialy miteraka fanadihadiana.

    Ny rakitatitra na ny “main courante” dia antontan-taratasy ofisialy mirakitra ny zava-misy taterinao fotsiny fa matetika dia tsy miteraka fanadihadiana.

    Raha eo amin‘ny sehatry ny herisetra ao an-tokantrano dia tsy manana alalana ny hanoro hevitra anao mba hametraka “main courante” fa tsy “plainte” ny polisy. Na izany aza, manana zo hametraka “main courante” ianao, raha izay no tianao kokoa noho ny “plainte”.

    Fanamarihana: Raha misy tranga herisetra ao an-tokantrano dia tsy maintsy mandefa ny “main courante” any amin’ny mpampanoa lalàna na “procureur de la République” ny polisy. Mety hanapa-kevitra ny hanao fanadihadiana ny mpampanoa lalàna ary mety hanenjika ilay nahavanon-doza nanao herisetra raha toa ka tena mahery vaika ilay herisetra.

  • Raha tsy miteny frantsay ianao ary/na matahotra sao tsy hanaja ny zonao ny polisy dia azonao atao ny manolotra ity taratasy ity ho azy ireo.

    Rehefa tonga any amin'ny biraon'ny polisy ianao, dia azonao atao ny milaza amin'ny mpandray olona fa tianao hokarakaraina mangingina ny anao.

    Hanontany fanazavana maromaro anao izy ireo:

    • Taratasy manamarina ny mombamomba anao, ohatra hoe ny kara-panondro na pasipaoronao. Tsy mila mampiseho ny fahazoan-dàlana hipetraka na“titre de séjour” akory ianao: Manambara ny lalàna fa na iza na iza any Frantsa dia afaka mametraka fitoriana, eny na dia tsy manana zo hipetraka any an-toerana aza izy ireo.
    • Adiresy ny tranonao. Afaka misafidy adiresy hafa ianao ho fiarovana anao; ohatra, ny adiresin'olona atokisanao, na ny mpisolovava anao, na fikambanana mpano asa soa, na hoe “association”.

    Azonao atao koa ny mangataka ny hihaona amin'ny mpiasa sosialy na psikology raha tianao. Miankina amin'ny fisian'ny mpiasa manokana eny amin'ny biraon'ny polisy tsidihinao izany.

    Azonao atao koa ny mangataka fanazavana momba ny fikambanana mpikarakara manokana ireo olona niharan'ny herisetra. Izany no antsoina hoe “association” .

    Hisy mpanadihady avy eo hihaona aminao mba hametraka fanontaniana na “audition”, mba handrakitra an-tsoratra izay ambaranao.

  • Raha tianao dia azonao atao ny mametraka ny “plainte” amin’ny alalan’ny paositra mankany amin’ny mpampanoa lalàna fantatra amin’ny anarana hoe “procureur de la République”. Azonao atao ny mangataka ny mpisolovava na ny “association” mba hanampy anao hanoratra taratasy ka handefa izany.

    Avy eo ny “procureur” handefa ny fitorianao eny amin‘ny sampandraharahan‘ny polisy izay ho tomponandraikitra amin‘ny fanadihadiana.

    Asain’izy ireo ho eny amin’ny biraon’ny polisy izay fantatra amin’ny anarana hoe “commissariat de police” na “brigade de gendarmerie” ianao mba handrakitra an-tsoratra ny fanambarana natanao nandritra ny fakana am-bavany na “audition”.

    Araho ireto dingana ireto raha hametraka fitoriana amin‘ny alalan‘ny paositra ianao:

    • Manoràta taratasy ka araho ity modely ity. Ataovy azo antoka fa tafiditra ao ireto singa manaraka ireto:
      • ny anaranao, fanampin‘anaranao, daty sy toerana nahaterahanao ary antsipiriany feno ahafahana mifandray aminao (adiresy sy laharana finday)
      • fitantarana amin'ny antsipiriany momba ny zava-misy, mamaritra ny daty sy ny toerana nisehoan'ny zava-nitranga
      • ny anaran‘ny mpanao herisetra
      • ny anarana sy ny adiresin‘izay vavolombelona
      • ny famaritana ireo vokatra naterak’ilay herisetra teo aminao sy ny zanakao raha misy izany
      • ny antontan-taratasy maneho ny porofo.
    • Tehirizo ny dika mitovy amin'ilay taratasy sao mety ilainao izany any aoriana.
    • Tsy maintsy alefa any amin’ny “procureur de la République” ilay taratasy. Raha te hahita ny antsipiriany ifandraisana amin’azy ireo dia azonao ampiasaina ity lahatahiry ity ka ampidiro ny kaody paositranao ary fidio ny “tribunal judiciaire”. Azonao atao ny misafidy fitsarana any amin'ny toerana ipetrahanao, any amin‘ny toerana ipetrahan‘ilay mpanao herisetra, na any amin‘ny toerana nitrangan‘ilay herisetra.
    • Azonao atao ny mametraka mivantana ny taratarasy eny anivon’ny birao fandraisan’olona eny amin’ny fitsarana na mandefa izany amin’ny alalan’ny “lettre recommandée avec accusé de réception”, izay hany fomba hanaporofoina fa voaray ny taratasinao. Tazony ny rosia mba ho porofo fa nalefanao tamin‘ny paositra ilay taratasy.
  • Afaka mangataka mpisolovava hiaraka aminao ianao mankeny amin’ny “commissariat” na ny “gendarmerie” mandritra ny “audition”-nao.

    Handrakitra an-tsoratra momba ny fanambarana nataonao ny mpanadihady iray. Ity dinika atao ity dia fantatra amin’ny anarana hoe fakana am-bavany na “audition”. Ireo zavatra tokony ho fantatra:

    • Raha tsy miteny frantsay ianao dia afaka mampiseho ity taratasy ity amin’izy ireo ka mangataka ny fanatrehan’ny mpandika teny am-bava iray. Afaka manendry mpandika teny iray ho anao ny polisy. Raha ny tena izy, dia miankina amin‘ny fisian‘ny mpandika teny am-bava amin‘ny fiteninao izany. Mety hangataka anao hiverina amin'ny fotoana hafa izy ireo.
    • Ra vehivavy no tinao kokoa, dia afaka mangataka ianao. Raha misy polisy vavy eo dia ataony izay ahazoana antoka fa izy no miandraikitra ny fakana am-bavany.

    Hametraka fanontaniana aminao ilay tomponandraikitra mba hahatakarana tsara ny zava-misy, ary hameno antontan-taratasy miaraka aminao mba hanaovana tombana raha tena maika tokoa ny toe-javatra misy atrehanao, izay fantatra amin'ny anarana hoe “grille d’évaluation du danger”. Ahitana ireto ny fanontaniana:

    • ny toe-batanao, ohatra:
      • maratra ve ianao?
      • manahy ny amin‘ny tenanao sy/na ny amin‘ny zanakao ve ianao?
      • ketraka ve ianao sa mahatsiaro tena ho kivy, tsy mahita lalan-kombàna?
    • ny vadinao na ny vadinao taloha, ohatra:
      • manana basy ve izy (natao fanambarana sa tsia)?
      • misotro toaka, mandray zavamahadomelina na fanafody ve izy?
      • manana olam-pahasalamana ara-tsaina ve izy ireo tany aloha tany?
    • ny herisetra izay nihatra taminao, ohatra:
      • efa nanao herisetra taminao ve ny namanao na ny olon-tianao taloha?
      • miezaka ny mifehy anao amin‘ny zavatra ataonao ve izy (akanjo, makiazy, fivoahana, fiasana, sns)?
      • iharan‘ny fanarahamaso tsy an-kijanona ve ianao, fanararaotana ara-tsaina sy/na ara-nofo amin‘ny alalan‘ny mailaka, hafatra an-tsoratra, antso, raki-peo, taratasy?
      • manakana anao tsy handany ny volanao ve izy na hampiasa an-kalalahana ny taratasy momba anao (antontan-taratasy kara-panondro, kara-pahasalamana, sns.)?
      • nitombo ve ny isan‘ny tranga herisetra tato ho ato? (herisetra am-bava, ara-batana, ara-nofo na ara-psikolojika)

    Hanontany anao koa izy ireo raha manana porofo na vavolombelona ianao. Tsy voatery ny fananana ireto: ny fanadihadiana dia mety hanampy amin'ny fahitana ny sasany.

    Any am-paran’ny “audition” ny polisy dia hanoro hevitra anao mba handeha hanatona dokotera ao amin'ny sampana fitsaboana manokana antsoina hoe “Unité médico-judiciaire (UMJ)”. Ny polisy raha ny marina no tokony haka fotoana amin‘ny dokotera ho anao eny.

    Zavatra tokony ho fantatra:

    • Tena zava-dehibe tokoa ny fanekena izany, na inona na inona herisetra niainanao, na dia tsy namela soritra ara-batana aza izany. Ny dokotera no hanome anao taratasy fanamarinana ara-pitsaboana izay tena ilaina ho amin‘ny dingana manaraka.
    • Raha tsy manome fotoana ho anao miaraka amin’ny dokotera avy amin’ny sampandraharaha “Unité médico-judiciaire (UMJ)” ny polisy dia zava-dehibe ny mangataka izany mialohan’ny handehananao.
  • Rehefa vita ny fakana am-bavany na “audition” dia hahazo antontan-taratasy manan-danja telo ianao.

    1. Famintinana ny fanambarana nataonao fantatra amin'ny anarana hoe “procès-verbal de plainte”.
      • Vakio tsara (na angataho mba hamakiana izany mafy aminao) mba hanamarinana raha marina ny zavatra hita ao.
      • Raha tsy mahay miteny frantsay ianao dia afaka mangataka amin'ny mpandika teny am-bava izay nanatrika ny fakana am-bava mba hamaky indray ilay antontan-taratasy ho anao.
      • Makà fotoana, na dia miezaka mandondona anao aza izy ireo, ary aza matahotra ny hangataka fanitsiana.
      • Ataovy sonia rehefa mino ianao hoe feno sy marina ilay izy.
    2. Porofo fa nametraka fitoriana ianao, izay fantatra amin’ny anarana hoe “récépissé de dépôt”.
    3. Taratasy alefa any amin'ny fitsarana mba hangatahana ny fahazoana ny antontan-taratasim-panadihadiana antsoina hoe “Déclaration de constitution de partie civile (CPC)”. Zavatra tokony ho fantatra:
      • Tena tsara tokoa raha manao izany fangatahana izany ianao, eny na dia tsy voatery aza satria ahafahanao mahafantatra mikasika ny fandehan-draharaha ary mahazo ireo rakitatitra.
      • Afaka mangataka ny mpisolovava hanampy anao amin‘ny famenoana ny taratasy ianao ka mandefa izany.
      • Azonao atao ny mangataka izany amin'ny fotoana rehetra mandra-pahatongan'ny andro famoahana ny didim-pitsarana, izay fantatra amin'ny anarana hoe “audience”, kanefa tsara tokoa ny manao izany haingana araka izay tratra.
  • Tsy mapahafantatra anao ny hetsika ho ataony ny polisy aorian‘ny fitarainana napetrakao.

    Raha heveriny fa goavana tokoa ny tranga niseho dia mety hanapa-kevitra ny hampiantso ilay nahavanon-doza izy ireo mba hametraka fanontaniana aminy. Miankina amin‘ny halehiben‘ ilay tranga niseho dia mety ho antsoina izy ireo ho amin‘ny:

    • fakana am-bavany tsotra na “audition libre”, izay midika fa afaka mody amin’ny fotoana rehetra izy ireo
    • na, raha tena goavambe ilay tranga dia ho amin’ny “garde à vue” (voatana). Midika izany fa ho tazomina izy ireo, ary tsy maintsy mijanona eny amin‘ny biraon‘ny polisy mandritra ny fe-potoana voafaritra, matetika eo anelanelan‘ny 24 hatramin‘ny 48 ora.

    Fanamarihana: Tsy voatery hampahafantatra anao ny fotoana hanaovana ny “audition”na ny fahataperan’ny “garde à vue” zareo. Tena zava-dehibe tokoa noho izany ny mandray fepetra fiarovana raha matahotra ny valifaty avy amin'ilay mpanao herisetra ianao .

    Raha toa mbola miara-miaina amin’ilay mpanao herisetra ianao ka mahatsiaro tena ho tandindomin-doza ao an-tokantranao dia azonao atao ny mangataka amin’ny mpitsara miadidy ny fianakaviana izay fantatra amin’ny anarana hoe “Juge aux affaires familiales” mba handroaka ilay mpanao herisetra hiala amin’ny tranonao, eny na dia misoratra aminy aza ny tranonareo. Natao ao anatin’ny fiarovana araka ny lalàna na “ordonnance de protection” izany ary mety haharitra herinandro.

    Mandra-pahatongan'izany, afaka mangataka amin'ny polisy ianao mba hanampy anao hahita trano fonenana vonjy maika, na mikaroka vahaolana hafa.

    Azonao atao koa ny mangataka ny polisy hiaraka aminao haka ny entanao ao an-tranonao.

  • Mandritra ny fotoana nifanomezana, ny andraikitry ny dokotera dia manombatombana ny vokatra nateraky ny herisetra amin’ny fahasalamanao eny na dia tsy namela soritra ara-batana aza izany.

    Tena ilaina ny mamaritra amin’ny antsipiriany an’ilay herisetra nihatra taminao sy ny fiantraikany teo aminao. Mety ho sarotra be izany, saingy ilaina ny mahazo antoka fa afaka mampiasa ny zonao ianao any aoriana. Na dia sarotra aza izany, miezaha tsy hanamaivana ny fiantraikan'izany eo amin'ny fahasalamanao.

    Rehefa tapitra ilay fihaonana, ilay dokotera dia hanao taratasy fanamarinana ara-pitsaboana misy tarehimarika izay antsoina hoe “Incapacité temporaire de travail (ITT)”. Ny anton‘ity tarehimarika ity dia ny hanombanana ny hamafin‘ny vokatr‘ilay herisetra eo amin‘ny fahasalamanao ara-batana sy ara-tsaina. Hojeren‘ny mpitsara manokana izany mandritra ny famakafakana heloka.

    Mialohan’ny handehananao dia azonao anontaniana ny dokotera eo anivon’ny“UMJ”:

    • raha nalefany eny amin’ny “commissariat” na “gendarmerie” ny taratasy fanamarinana
    • ny dika mitovy amin‘ilay taratasy fanamarinana. Tsy maintsy manome anao iray amin‘izany izy.
  • Hanao fanadihadiana ny polisy ka hametraka fanontaniana ny mpanao herisetra, izay voafaritra hoe ny “mis en cause”.

    Arakaraka ny halehiben‘ ireo tranga dia azo antsoina mankeny amin‘ny biraon‘ny polisy ilay voampanga:

    • mba hanao fakana am-bava tsotra na “audition libre”, izay midika fa afaka mody amin’ny fotoana rehetra izy ireo
    • na mba hanao “garde à vue” (voatana), midika izany tazomina izy ireo, ary tsy maintsy mijanona eny amin‘ny biraon‘ny polisy mandritra ny fe-potoana voafaritra, matetika eo anelanelan‘ny 24 hatramin‘ny 48 ora.

    Fanamarihana: Tsy voatery hampahafantatra anao ny fotoana hanaovana n“audition”na ny fahataperan’ny “garde à vue” zareo. Tena zava-dehibe tokoa noho izany ny mandray fepetra fiarovana raha matahotra ny valifaty avy amin'ilay mpanao herisetra ianao .

    Raha lavin’ilay nahavanon-doza ny zava-nitranga, dia hanome fotoana ho anao eo anatrehan'izy ireo ny polisy, izay fantatra amin'ny anarana hoe “confrontation”. Tena tsara tokoa raha manatrika izany ianao, satria ny tsy fahatongavanao eo dia mety hanimba anao; ohatra, raha toa ka manao fiampangana tsy marina mikasika anao ilay mpanao herisetra. Raha mila fanohanana ianao dia afaka mahazo mpisolovava miaraka aminao.

    Miankina amin’ny fahasarotan’ny raharaha dia haharitra herinandro vitsivitsy ka hatramin’ny volana maromaro ny fanadihadiana.

    Raha toa ka tena goavana ireo tranga dia mety hanapa-kevitra ny “procureur de la République” fa mila tsaraina eo noho eo ilay mpanao herisetra aorian’ny nitazomana azy na “garde à vue”. Izay no lazaina hoe “comparution immédiate”.

    Indrisy fa tsy ho tonga dia ampahafantarina mikasika ny fizotran‘ny fanadihadiana ianao.

    Raha te hahalala ny fizotran‘ny raharaha ianao dia misy vahaolana roa ireto:

    • Antsoy ny biraon‘ny polisy hanontaniana ny fizotran‘ny raharaha mikasika anao. Ho hitanao eo amin’ny farany havanana amin’ny fandraisana ny fitarainana na “récépissé de plainte” ny laharan-telefaona.
    • Manoràta any amin’ny “procureur de la République” na asaivo manao izany ny mpisolovavanao raha toa tsy miroso mihitsy ny fanadihadiana mandritra ny herinandro maromaro. Raha te hahita ny antsipiriany ifandraisana amin’azy ireo dia azonao ampiasaina ity lahatahiry ity ka ampidiro ny kaody paositranao ary fidio ny “tribunal judiciaire”.
  • Mandritra ny fanadihadiana dia handefa tatitra any amin'ny mpampanoa lalàna antsoina hoe “procureur de la République” misahana ilay raharaha ny sampandraharaha ny polisy. Mety hampandre anao ihany koa izy ireo, saingy indrisy fa tsy mandeha ho azy izany.

    Rehefa maharay ny tatitra farany ny “procureur de la République” dia handray fanapahan-kevitra mikasika ny dingana izy. Mety hanapa-kevitra izy ireo:

    • ny tsy hanenjika ny mpanao herisetra ka manasokajy ilay tranga ho “sans suite, ohatra hoe raha heveriny fa tsy ampy ny porofo
    • ny manolotra  fepetra hafa fa tsy hoe didim-pitsarana fantatra amin’ny anarana hoe “mesure alternative aux poursuites ”, ohatra:
      • ny fakana am-bavany tsotra fantatra amin’ny anarana hoe “rappel à la loi” mba hampahatsiahy azy ireo ny lalàna sy ny loza ateraky ny fanitsakitsahana izany
      • fiofanana mivoy ny fampandraisana andraikitra mba hisorohana sy hiadiana amin'ny herisetra mandritra ny fiarahana
      • Handoa onitra ho anao izy
    • manontany ny mpitsara izay antsoina hoe “juge d’instruction” mba hanohy ny fanadihadiana, ohatra amin’ny fangatahana tombana ara-tsaina na fijoroana vavolombelona.
    • mandefa ny raharaha eny am-pitsarana izay mety hiafara amin‘ny fanamelohana.

    Amin‘ny ankapobeny, hampahafantarina mikasika ny fanapaha-kevitra noraisiny ianao, ka alefa paositra amin‘ilay adiresy nomenao tamin‘ny fametrahanao fitoriana izany. Fa indraindray tsy misy izany.

    Raha tsy maheno vaovao mihitsy ianao rehefa afaka herinandro vitsivitsy, dia azonao atao ny manoratra amin'ny “procureur de la République” mba hahitana ny fandehan'ny raharaha. Raha te hahita ny antsipiriany ifandraisana amin’azy ireo dia azonao ampiasaina ity lahatahiry ity ka ampidiro ny kaody paositranao ary fidio ny “tribunal judiciaire”.

    Raha tsy manaiky ny fanapahan-kevitry ny “procureur de la République” ianao dia azonao atao ny mangataka mpitsara mba handinika ilay raharaha amin’ny alalan’ny fanaovana fitarainana indray na “appel”. Tena tsara tokoa raha manakarama mpisolovava ianao mba hanao ireny dingana ireny.

  • Raha toa ka manapa-kevitra ny “procureur de la République” fa hotsaraina eny amin’ny fitsarana ilay voarohirohy, dia handinika ny porofo ny mpitsara ary hihaino ireo antoko samihafa:

    • ilay olona nametraka ny fitoriana, fantatra amin’ny anarana hoe ilay “victime
    • ilay voampanga ho nanao herisetra, fantatra amin’ny anarana hoe “mis en cause
    • misy vavolombelona.

    Haharay antontan-taratasy antsoina hoe “convocation” ianao amin’ny alalan’ny adiresy izay nomenao nandritra ny fametrahana fitoriana. Hangataka anao ho eny amin’ny fitsarana mba hijoro vavolombelona mandritra ny fakana am-bavany na “audience” izany antontan-taratasy izany. Hamaritra ny daty, ny ora ary ny toerana izany.

    Tena tsara tokoa raha manakarama mpisolovava ianao mba hiaraka aminao mandritra ny fakana am-bava.

    Zavatra tsara ho fantatra:

    • Azonao atao ny mangataka ny hanaovana ny fakàna am-bavany izay tsy atrehan’ny vahoaka, na ilay antsoina hoe “à huis clos” (fizotran’ny raharaha tsy azo aseho). Hatao amin‘ny alalan‘ny mpisolovavanao ny fangatahana natao. Hamaly ny fangatahanao mialohan'ny hanombohan'ny fitsarana ny mpitsara.
    • Raha mbola tsy nanao izany ianao rehefa mametraka fitoriana dia tsara tokoa raha manao fangatahana ho lasa antoko sivily ianao na “constituer partie civile (CPC)”. Ahazoanao vaovao mikasika ny fizotry ny raharaha izany, no sady ahafahana mahita mikasika ilay tranga amin’ny alalan’ny mpisolovavanao.
      • Afaka manao izany amin’ny fotoana rehetra ianao mandra-pivoaka ny didim-pitsarana ary hatramin'ny 24 ora mialohan'ny fitsarana amin'ny alàlan'ny mailaka, ka mandefa ny taratasy sy ny porofo mikasika ilay herisetra niainana.
      • Afaka manao izany mandritra ny andro fitsarana ihany koa ianao.
      • Afaka mangataka torohevitra amin‘ny mpisolovavanao ianao ny amin‘ny fomba hanaovana izany.

    Rehefa vita ny fitsarana dia hanapa-kevitra ny mpitsara raha meloka na tsia ilay voampanga, ary koa ny sazy miandry azy. Mety hanapa-kevitra izy ireo fa:

    • raha hita fa meloka izy ireo dia anome sazy ho an'ilay nahavanon-doza, ohatra: hanomezana onitra anao, handrara azy tsy hanatona anao, sazy tsy miafara amin’ny fitazomana an-tranomaizina izay fantatra amin’ny hoe “prison avec sursis”, sazy miafara amin’ny fitazomana an-tranomaizina eny anivon’ny fonja izay fantatra amin’ny hoe “prison ferme
    • hanomezana vola ho anao izay fantatra amin’ny anarana hoe vola aloa noho ny fahavoazana na “dommages et intérêts
    • hanambara fa tsy meloka ilay mpanao herisetra voampanga raha toa ka sarotra ny manaporofo ny heloka vitany.

    Raha tsy manaiky ny fanapahan-kevitry ny mpitsara ianao dia afaka mangataka mpitsara iray hafa handinika ilay raharaha amin'ny alalan'ny fampiakarana ny raharaha na “appel” amin’ny alalan’ny mpisolovavanao.

Olana mateti-pitranga

  • Raha toa miahiahy ianao fa holavin’ny polisy ny fametrahanao fitoriana dia azonao aseho azy ireo ity taratasy ity.

    Tsy manana alalana handà ny fametrahana fitoriana ny polisy. Raha toa mitranga izany dia azonao atao ny:

    • mandeha eny amin’ny biraon’ny polisy hafa izay fantatra amin’ny hoe “commissariat de police” na “brigade de gendarmerie
    • na mametraka ny fitorianao amin’ny alalan’ny paositra.

    Mandika lalàna ilay polisy raha toa ka mandà tsy mety mandray ny fitoriana apetrakao. Afaka mitatitra ireo tranga fandikàn-dalàna ianao:

    • eny anivon’ny IGGN raha toa ka nolavina ilay fitoriana napetrakao teny amin’ny “brigade de gendarmerie
    • eny anivon’ny IGPN raha toa ka nolavina ilay fitoriana napetrakao teny amin’ny “commissariat de police
    • eny anivon‘ny Mpiaro ny Zo na “Défenseur des Droits” amin'ny alalan'ny fifandraisana amin'ny a solotena akaiky anao indrindra.
  • Tsy manana zo ny hanolo-kevitra ho amin’ny fanaovana rakitatitra na “main courante” ny polisy ao anatin’ny herisetra ao an-tokantrano. Ny “main courante” dia fomba iray hamoronana fanambarana fa nisy ny tranga herisetra, saingy tsy misy hetsika ampanarahana izany.

    Tokony ho fantatrao ihany koa fa raha nandà ny fitoriana napetrakao ilay polisy dia nanao fandikan-dalàna izy izay. Afaka mitatitra ireo tranga fandikàn-dalàna ianao:

    • eny anivon’ny IGGN raha toa ka nolavina ilay fitoriana napetrakao teny amin’ny “brigade de gendarmerie
    • eny anivon’ny IGPN raha toa ka nolavina ilay fitoriana napetrakao teny amin’ny “commissariat de police
    • eny anivon‘ny Mpiaro ny Zo na “Défenseur des Droits” amin'ny alalan'ny fifandraisana amin'ny a solotena akaiky anao indrindra.

    Fanamarihana: manana zo ny hangataka ny hametraka tatitra na “main courante” ianao raha te-hitahiry porofo momba ny fanararaotana nefa tsy vonona ny hanenjika ilay nahavanon-doza eny amin’ny fitsarana. Kanefa rehefa misy trangàna herisetra ao an-tokantrano dia tsy maintsy mandefa ny “main courante” eny amin’ny “procureur de la République” ny polisy. Mety hanapa-kevitra ny hanao fanadihadiana izy ireo ary mety henjehina ilay nahavanon-doza raha toa ka tena goavana ireo tranga.

  • Tsy azo ekena ny fanavakavahana nihatra taminao kanefa ianao niezaka nitady fiarovana tamin‘ny rafi-pitsarana frantsay, saingy indrisy fa mety hiseho foana izany.

    Misy ireo vahaolana hanaovana tatitra mikasika izany fanavakavahana izany ka ahazoana onitra ny amin‘ny fahavoazana naterak‘izany taminao. Te hahafantatra bebe kokoa

  • Ny “procureur de la République” no tokony hampahafantatra anao mikasika ny fizotry ny fanadihadiana sy ny fanapahan-kevitra noraisiny momba ilay mpanao herisetra. Indrisy anefa fa tsy misy izany indraindray.

    Raha tsy maheno vaovao mihitsy ianao rehefa afaka herinandro vitsivitsy, dia azonao atao ny manoratra amin'ny “procureur de la République” miandraikitra ny raharahanao amin'ny fanarahana ireto dingana ireto:

    • Manoràta taratasy mangataka vaovao mikasika ny raharaha momba anao ka tehirizo ny dika mitovy. Afaka mampiasa ity modely ity ianao.
    • Ampiaraho amin’ny taratasinao ny dika mitovy amin’ny “procès-verbal de plainte” izay nomena anao rehefa nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ianao.
    • Raha te hahita ny adiresin’izy ireo dia azonao ampiasaina ity lahatahiry ity ka ampidiro ny kaody paositranao ary fidio ny “tribunal judiciaire”.
    • Alefaso amin‘ny alalana “lettre recommandée avec accusé de réception” ilay taratasy, izay fomba tokana hanaporofoana fa voaray izany. Tazony ho toy ny porofon‘ny fandefasana amin‘ny alalan‘ny paositra ny rosia.
    • Andefaso ny dika mitovy amin’ity taratasy ity ny “commissariat de police” na ny “brigade de gendarmerie” izay nametrahanao fitoriana voalohany.

Fanahiana fahita matetika

  • Raha tsy mahay miteny frantsay ianao dia afaka mitondra ity taratasy ity miaraka aminao ianao rehefa mandeha eny amin’ny biraon’ny polisy. Mampatsiahy ny polisy ny adidiny ny amin‘ny tokony hametrany mpandika teny am-bava io taratasy io rehefa mametraka ny fitorianao ianao.

    Raha ny marina dia miankina amin‘ny fisian‘ny mpandika teny am-bava amin‘ny fiteninao izany. Mety hasainy hiverina amin'ny fotoana hafa ianao.

    Manana vahaolana maro hafa ianao:

    • mitatitra ilay herisetra amin’ny polisy amin’ny aterineto amin’ny alalan’ny tolotra Chat amin’ny aterineto amin’ny fiteny maro, ka maka fotoana hametrahana fitoriana no sady mamaritra ny fiteninao sy ny filanao mpandika an-teny am-bava
    • mitadiava fanampiana amina fikambanana mpanao asa soa, na“association” mba hitadiavana mpandika teny am-bava
    • tongava miaraka amin'olona atokisanao izay afaka mandika teny ho anao.
  • Eny, raha mbola tsy tena nihoatra be ny fe-potoana voafaritra. Izay no antsoina hoe “délai de prescription” araka ny voalazan’ny lalàna. Ny fe-potoana ara-dalàna dia:

    • 6 taona ny hametrahana fitoriana ny amin’ny ankamaroan’ny herisetra ao an-tokantrano izay sokajiana ho “délits
    • 20 taona ny hametrahana fitoriana raha nisy tranga fanolanana izay sokajiana ho “crime”.
  • Any Frantsa dia andraikitry ny polisy ny miaro anao raha toa tandindonin-doza ianao. Manana adidy hanaja ny zon'olombelona tsy misy fanavakavahana ny polisy, na dia mety mbola mitranga ihany aza izany.

    Manana zo hiaraka amin'olona safidinao ianao rehefa mametraka fitoriana.

    Raha matahotra ianao dia azonao atao koa ny mametraka ny fitorianao amin’ny alalan’ny paositra. Na izany aza, mbola hantsoin'ny polisy ianao hamaly ny fanontaniany mandritra ny fakana am-bavany na “audition”.

  • Raha tsy afaka mankeny amin’ny “commissariat de police” na “brigade de gendarmerie” eo an-toerana ianao dia azonao atao ihany koa ny mametraka ny fitorianao amin’ny alalan’ny paositra.

    Na izany aza dia mbola hiantso anaony polisy hamaly ny fanontaniany mandritra ny fakana am-bavany na “audition”. Azonao lazaina eo ny tsy fahafahanao mandeha mankeny amin‘izay fotoana izay.

  • Ny fanamelohana amin‘ny tranga herisetra ao an-tokantrano dia tsy voatery miafara amin‘ny fanagadrana ilay mpanao herisetra foana akory. Mety hanapa-kevitra ihany koa ny mpitsara:

    • manome sazy ho an‘ilay mpanao herisetra kanefa tsy voatery ho tazomina am-ponja izy, izay fantatra amin‘ny anarana hoe sazy mihantona na “prison avec sursis
    • mandrara azy tsy hanatona anao
    • manery azy ireo hanatrika fiofanana momba ny herisetra ao an-tokantrano.

    Na izany na tsy izany, tsy tompon‘andraikitra amin'izay fanamelohana rehetra ianao na izay ho fanapahan-kevitry ny mpitsara.

    Ilay mpanao herisetra irery ihany no hany tompon‘antoka ny amin‘ny fihetsika nataony.

  • Raha azo atao dia afaka ny miomana ianao mialohan‘ny hametrahanao fitoriana. Afaka manangona porofo ianao no sady manoratra ireo tranga sy daty manan-danja tokony hanananao mandritra ny fakana am-bavany na “audition”.

    Azonao atao ny miaraka amin’ny mpisolovava na fikambanana mpanao asa soa, na“association” izay mifantoka manokana amin’ny fanampiana ny olona misedra herisetra.

    Rehefa mametraka fitoriana dia miezaha mafy mba tsy hanao fahadisoana. Ohatra hoe raha tsy azonao antoka ilay daty dia aza mamorona. Mety hanimba ny raharaha momba anao ireny zavatra kely ireny raha toa ka afaka manaporofo ny vadinao sy ny vadinao taloha fa diso izy ireny.

    Aza manahy raha manadino zavatra sasany ianao. Afaka manampy fampahalalana bebe kokoa amin’ny fitoriana napetrakao ianao ka mameno zavatra fanampiny amin’ilay fitoriana na “complément de plainte” izay aterinao mivantana na alefa paositra.

  • Zonao ny mametraka fitarainana sy mangataka fepetra fiarovana, na manana zo hipetraka manan-kery ianao na tsia.

    Any Frantsa dia tsy manana zo ny hitazona anao ny polisy, satria hoe tsy manan-jo ara-dalana hipetraka any ianao, rehefa mitady fanampiana iny satria niharan‘ny herisetra.

    Raha manahy ianao fa mety tsy hanaja ny zonao izy ireo, dia azonao atao ny manolotra azy ireo ity taratasy ity mba ho fampatsiahivana azy fa tsy afaka ny mitazona anao izy ireo.

    Raha azo atao dia lazao amin’ny olona akaiky anao na amin‘ny fikambanana mpanao asa soa“association” mpikarakara manokana ny zon’ireo teratany vahiny, fa mikasa ny hametraka fitoriana ianao. Hahatonga anao hahatsapa tena tsy hanana ahiahy kokoa izany raha toa ka tsy manaja ny lalàna ilay polisy.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny anjara asan‘ny polisy dia miantoka ny fiarovana ny olona rehetra, na ahoana na ahoana toerana misy azy, na dia olona tsy manana zo honina eo an-toerana aza. Ny polisy iray dia ho afaka hanoro hevitra anao sy hanome fanampiana anao 24 ora isan‘andro, 7 andro isan-kerinandro. Fomba efatra lehibe no ahafahanao mifandray amin‘ny polisy:

    • Amin‘ny alalan‘ny telefaonina: antsoy ny 17, laharana tsy andoavam-bola. Teny azo isafidianana: fandikana teny amin‘ny teny rehetra.
    • Amin‘ny alalana hafatra an-tsoratra: mandefasa SMS amin‘ny teny frantsay amin‘ny 114, ka lazao mazava ny adiresinao.
    • Amin‘ny alalan‘ny aterineto: sampan-draharaha chat. Io tolotra io dia misy amin'ny teny maro samihafa.
    • Mandehana any amin’izay mety ho biraon’ny polisy, izany hoe, na “commissariat de police” izany na “brigade de gendarmerie”. Azonao jerena ato amin‘ity tranonkala ity ny biraon‘ny polisy akaiky anao indrindra. Raha tsy mahay teny frantsay ianao dia mila mitady mpandika teny ho anao izy ireo, mety ho elaela izany.
  • Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Ho afaka hampahafantatra anao ny zonao sy ny dingana tokony hataonao izy ireo. Ireo ivon-toerana sasany dia afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: ny antsipirian‘ny fifandraisana amin'ny “CIDFF” any amin'ny faritra misy anao dia ho hitanao ato anatin'ity lahatahiry ity.
  • Ny “Associations” dia fikambanana manome tolotra isan-karazany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Ireo tolotra misy dia miovaova arakaraka ny “association”. Afaka manome torohevitra anao izy ireo, ary indraindray afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao, sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: frantsay no tena ampiasaina.
    • Hahita lisitr'ireo "associations" akaiky anao izay mpikarakara manokana ireo niharan'ny herisetra ianao ato amin'ity lahatahiry ity, amin‘ny alalan‘ny fisafidiana ny departemanta misy anao ao Frantsa.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra, dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Manangona porofo mikasika ny herisetra

Na dia mbola tsy tena vonona ny hitatitra trangana herisetra aza ianao dia zava-dehibe tokoa ny…

Fantaro izay tokony hatao raha sendra fanavakavahana ianao

Voarara sy voasazy araka ny lalàna frantsay ny fanavakavahana. Raha sendra fanavakavahana ianao, na…

Manakarama mpisolovava any Frantsa

Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony