Zo hahazo fialokalofana

Ny zo hahazo fialokalofana dia zo ahafahan'ny olona teraka ivelan'i Frantsa mahazo sata mpitsoa-ponenana na mahazo fiarovana manokana iadiana amin'ny fanenjehana na ny mety hisian'ny fanenjehana any amin'ny firenena niaviany.

Nohamarinin'i Alexandra Lachowsky tamin'ny 29/09/2023

Fepetra

Tsy maintsy mahafeno ireto fepetra roa ireto ianao:

  • Tsy maintsy any Frantsa ianao.
  • Manahy ianao hoe mety hisy hanenjika f na hampijaly raha miverina any amin'ny tany niavianao.

Sata nomena

Ny fiarovana omena anao dia hiankina amin‘ny loza atrehinao.

Hahazo sata mpitsoa-ponenana ianao raha mijaly na matahotra ny fanenjehana noho:

  • ny hevitra politika anananao
  • ny fivavahana arahinao
  • ny firazananao
  • ny zom-pirenenanao
  • ny maha-mpikambana anao amin'ny vondrona sosialy iray, ohatra ireo olona iharan‘ny fanambadiana na famorana an-tery, ny olona manambady mitovy/nanova fitaovam-pananahana, olona tafiditra amin‘ny tambajotra amin‘ny asa fivarotan-tena/fanondranana olona an-tsokosoko, ireo olona varira any amin‘ny firenena sasany, ireo olona nisedra herisetra tao an-tokantrano na teo amin‘ny fianakaviana, sns.

Hahazo fiarovana manokana na “protection subsidiaire” ianao raha tsy mahafeno fepetra ho mpitsoa-ponenana ary afaka mano tatitra fa tandindomin-doza amin’ny:

  • fanamelohana ho faty na famonoana
  • fampijaliana na fanasaziana na fitondrana tsy mendrika ny maha-olombelona na fanambaniana
  • fandrahonana lehibe anao, izay mitady hiafara amin‘ny fampiasana fitaovam-piadiana.

Karazana “titre de séjour” omena

Rehefa manao fangatahana fialokalofana ianao dia hahazo taratasy fanamarinana fangatahana fialokalofana na “attestation de demande d’asile”. Izany dia manome alalana anao hijanona any Frantsa eo am-piandrasana ny valin'ny fangatahanao.

Raha ekena ny fangatahanao dia mahazo alalana hijanona ao Frantsa mandritra ny fotoana maharitra ianao. Avy eo ianao dia tsy maintsy mangataka eny anivon’ny manampahefana ara-panjakana frantsay eo an-toerana, izay fantatra amin’ny hoe “préfecture” na “sub-préfecture” raha te hahazo fahazoan-dalana ipetraka eo an-toerana na “titre de séjour”.

Ny karazana “titre de séjour” ho azonao dia hiankina amin’ny sata izay homena anao :

  • Raha toa ka manana sata mpitsoa-ponenana ianao dia hahazo “carte de résident” na kara-ponenana. Manan-kery folo taona izany. Ahafahanao miasa izany.
  • Raha mahazo “protection subsidiaire” na fiarovana manokana ianao, dia hahazo karatra fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana an-taona maro na “carte de séjour pluriannuelle” manambara fa ianao dia“bénéficiaire de la protection subsidiaire” na misitraka ny fiarovana manokana. Manan-kery efa-taona izany. Ahafahanao miasa izany.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • La Cimade” dia fikambanana miompana amin’ny fanohanana ireo mpifindra monina rehetra, ary ireo mpitsoa-ponenana any Frantsa, indrindra olona miatrika herisetra.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hampahafantatra anao sy hanohana anao mandritra ny dingana arahina ara-panjakana mifandraika amin'ny zo ipetrahana any Frantsa, ary hitarika anao any amin'ny sampan-draharaha hafa, arakaraka ny toe-javatra misy anao manokana.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy ary Espaniola.
    • Fifandraisana:
      • raha tsy misy fotoana nalaina tany amin’ny ivon-toerana akaiky anao
      • amin’ny telefaonina amin’ny 01 40 08 05 34 or 06 77 82 79 09 ny alarobia 9:30 maraina hatramin’ny 1:30 hariva ary manomboka amin’ny 2:30 hariva hatramin’ny 5:30 p.m.
  • Gisti” dia fikambanana mifantoka manokana amin’ny fanomezana torohevitra mikasika ny lalàna ho an’ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana any Frantsa.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hampilaza anao momba ny zonao mifandraika amin'ny zo ipetraka ara-dalana eo an-toerana izy ireo, ary hanazava ny fomba hahazoana izany.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana:
      • Amin’ny telefaonina amin’ny +331 84 60 90 26 ny alatsinainy hatramin’ny zoma manomboka ny amin’ny 3 hariva hatramin’ny 6 hariva, ary koa amin’ny 10 maraina hatramin’ny 12 atoandro ny alarobia sy ny zoma. Indraindray mety be mpiantso be ao dia aza kivy. Mora kokoa indraindray ny miantso azy ireo amin‘ny harivariva .
      • Amin’ny alalan’ny paositra amin’ny “Gisti, 3 villa Marcès 75011 Paris, France”. Ataovy fanontana dia fenoy ity taratasy ity ary ampidiro ao amin’ny taratasinao miaraka amin’ny dika mitovy ny antontan-taratasy izay mety ilaina. Aza adinoina ny mamaritra mazava araka izay azo atao ny fanontanianao, ao anatin'izany ny zava-drehetra mety hanampy ny mpanolotsaina “Gisti” hahatakatra ny toe-javatra misy anao.
  • Ny “Associations” dia ireo fikambanana izay manome tolotra isan-karazany. Manampahaizana manokana amin‘ny fifindra-monina ny sasany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao ny zonao any Frantsa izy ireo ary indraindray manohana anao amin‘ny dingana arahina raha hifindra-monina.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Azonao atao ny mitady izany isaky ny faritra sy ny vakim-paritra amin’ity lahatahiry ity.
  • Ireo fikambanana nahazo alalana na “associations habilitées” no afaka manome tolotra avo lenta manokana ho an’ireo mpitady fialokalofana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao mikasika ny zonao, manoro hevitra anao, manampy anao amin’ireo dingana ara-taratasy karakaraina ary miaraka aminao rehefa mihaona amin’ny Birao Frantsay Miaro ny Mpitsoa-ponenana sy ny tsy manan-tanindrazana na “Office français de la protection des réfugiés et des apatrides (OFPRA)”.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina, azo asiana fandikan-teny am-bava.
    • Fifandraisana: afaka mahita “associations habilitées” manakaiky anao ianao ato amin’ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Mangataka fialokalofana any Frantsa

Ny fangatahana fialokalofana dia dingana iray ahafahan'ny olona teraka ivelan'i Frantsa mahazo sata…

Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa

Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…

Manakarama mpisolovava any Frantsa

Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony