Mangataka fialokalofana any Frantsa

Ny fangatahana fialokalofana dia dingana iray ahafahan'ny olona teraka ivelan'i Frantsa mahazo sata mpitsoa-ponenana na mahazo fiarovana manokana iadiana amin'ny fanenjehana na ny mety hisian'ny fanenjehana any amin'ny firenena niaviany.

Nohamarinin'i Alexandra Lachowsky tamin'ny 22/05/2023

Raha any Frantsa ianao ka manahy ny mety hisian'ny fanenjehana na fampijaliana anao raha miverina any amin'ny taninao, dia azonao atao ny mangataka fialokalofana.

Ity dingana ity dia mety hamela anao hijanona ela any Frantsa amin'ny fanomezana anao ny satan'ny mpitsoa-ponenana na ny “protection subsidiaire” (fiarovana manokana).

Tena tsara dia tsara tokoa raha toa ianao mitady fanohanana any amin’ny “association” na mpisolovava misahana manokana ny lalàna mikasika ny teratany vahiny amin’ity dingana ity.

Firenena avy aiza no ahafahanao manao ny fangatahana?

Raha te hangataka fialokalofana any Frantsa dia tsy maintsy any Frantsa ianao. Tsy azo atao ny mangataka fialokalofana avy any ivelany.

  • Raha toa ka any amin’ny firenen-kafa ianao amin’izao fotoana dia azonao atao ny mangataka visa fialokalofana na “visa au titre de l’asile” avy amin'ny kaonsiolà frantsay eo an-toerana. Ny antsipiriany ifandraisana dia ho hitanao ao amin’ ity tranokala ity.

    Io visa io no ahafahanao mankany Frantsa. Vantany vao tonga any Frantsa ianao dia afaka mametraka fangatahana fialokalofana.

  • Araka ny lalàna Dublin dia mila mametraka ny fangatahanao fialokalofana any amin'ny firenena voalohany nidiranao ianao, ao anatin'ny Vondrona Eoropeana.

    Raha mametraka ny fangatahanao any Frantsa ianao kanefa niditra tao amin'ny Vondrona Eoropeana tany amin‘ny firenena hafa, dia mety hanambara i Frantsa fa tsy manana fahefana handinika ny fangatahanao.

    Amin‘ny tranga sasany dia mety hikarakara ny fangatahana nataonao i Frantsa; raha toa ka manana fianakaviana any Frantsa ianao na ohatra hoe mananaolana ara-pahasalamana , na ratsy fitondrana anao ilay firenena nivantananao ka te handefa anao. Kanefa tsy dia fahita firy izany.

Dingana 1: “pré-accueil” ao amin’ny “SPADA

Raha hanomboka izany dia mila mifandray amin'ny fikambanana misahana ny fandraisana ireo mpitady fialokalofana ao amin'ny vakim-paritra misy anao ianao, antsoina hoe “structure de première accueil du demandeur d’asile (SPADA)”.

Mariho azafady fa: mety tsy tena hitovy ny fomba atao amin'ity dingana voalohany ity eo amin'ny faritra roa samy hafa.

  • Ny antsipiriany ifandraisana dia miankina amin‘ny toerana misy anao:

    • Ho an’ny faritra Ile-de-France: mifandraisa amin’ny “Office français de l’immigration et de l’intégration (OFII)” amin’ny telefaonina amin’ny 01 42 500 900 raha haka fotoana hihaonana any amin’ny “SPADA”.
    • Ho an‘ny faritra hafa: jereo ny lisitry ny “SPADA mba hahitanao izay ao amin'ny vakim-paritra misy anao, ary mifandraisana mivantana amin'izy ireo mba haka fotoana hihaonana.
  • Hisy olona hameno taratasy fisoratana anarana miaraka aminao hanombohana ny fizotry ny fangatahana fialokalofana.

    Izy ireo avy eo no maka fotoana ho anao hihaonana amin’ny fikambanana izay mitahiry ny fangatahana fialokalofana , fantatra amin’ny hoe “guichet unique (GUDA)”, eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana frantsay eo an-toerana na "préfecture".

    Raha mila mpandika teny am-bava ianao dia ampahafantaro ilay olona ao amin'ny “SPADA”. Mila mangataka mpandika teny am-bava izy ireo rehefa mandamina ilay fotoana ihaonana.

    Vantany vao voarakitra ilay fotoana hihaonana dia ny olona avy amin’ny “SPADA” no hanome anao taratasy antsoina hoe “convocation” manondro ny toerana sy ny daty ary ny ora hanaovanao fotoana ao amin'ny “préfecture”. Ny fotoana hihaonana matetika dia hatao ao anatin‘ny tapa-bolana manaraka.

Dingana 2: Mandrakitra ny fangatahana fialokalofana ao amin’ny “GUDA

Vantany vao voarainao ny “convocation” anao avy amin’ny “SPADA” dia mila mandeha mamonjy ilay fotoana hihaonana eny amin’ny “guichet unique (GUDA)” an’ny “préfecture” ianao mba ho voarakitra ny fangatahanao.

  • Tsy maintsy ho entinao manaraka anao ireto antontan-taratasy manaraka ireto mandritra ilay fotoana hihaonana:

    • Sary efatra mahafeno ny fenitra nangatahan‘ny prefektiora raha toa tsy nalaina tao amin‘ny “SPADA” izany.
    • Ny antontan-taratasy “convocation” azonao tany amin’ny “SPADA
    • Antontan-taratasy mombamomba anao, raha toa ka manana izany ianao.

    Eto amin‘ity dingana ity dia tsy voatery ny manometaratasy manaporofo ny toeram-ponenanao izay fantatra amin‘ny hoe “justificatif de domicile” ianao.

  • Amin’ny voalohany aloha ianao dia hihaona amin’ny mpiasa eo anivon’ny “préfecture” izay haka ny lavotondronao ary hanontany anao fanontaniana vitsivitsy mandritra ny fanadihadiana atao manokana na "entretien individuel". Hisy mpandika teny am-bava ho eo raha toa tsy miteny frantsay ianao ary raha nangataka izany ianao rehefa naka fotoana.

    Ny fanontaniana dia momba ny dia nataonao avy tany amin'ny tanindrazanao nankany Frantsa. Ny tanjon‘izy ireo dia ny hamantatra raha i Frantsa tokoa no firenena miandraikitra ny fangatahana fialokalofana.

  • Rehefa vita ilay fotoana hihaonana, ny mpiasa eo anivon‘ny “préfecture” no hanome anao antontan-taratasy maromaro:

    • Fanambarana fa nanomboka fangatahana fialokalofana antsoina hoe “attestation de demande d’asile”. Zavatra tokony ho fantatra momba ity antontan-taratasy ity:
      • Manome alalana anao hijanona ao Frantsa izany.
      • Manan-kery mandritra ny fe-potoana voafetra izy io, izay hofaritana eo amin'ilay antontan-taratasy, amin'ny ankapobeny eo anelanelan'ny enina sy folo volana.
      • Azo havaozina izany.
      • Tsy mamela anao hiasa izany.
    • Ny tatitra mikasika ny fanadihadiana manokana natao taminao na “entretien individuel”.
    • Taratasy fampahafantarana amin'ny fiteny azonao:
      • mamaritra ny fanjakana tompon'andraikitra amin'ny fangatahana fialokalofanao sy ny lavotondronao, izay ahafahan'ny fanjakana manamarina raha efa nandefa fangatahana fialokalofana tany amin'ny firenena hafa ianao na efa nalaina tany amin'ny sisintany ny lavotondronao (bokikely A)
      • ny fametrahana ny lalàna Dublin, izay mamaritra hoe iza no firenena tompon'andraikitra amin'ny fandinihana ny fangatahanao fialokalofana sy ny mety hamindrana anao any amin'ny firenena hafa, ary koa ny mety hanoherana an'io fanapahan-kevitra famindrana io (bokikely B)
      • ny lalàna Eurodac izay mahakasika ny angon-drakitra misy ireo lavotondro voarakitra ao amin'ny faritanin'ny Vondrona Eoropeana.
    • Taratasy hamenoana ny fangatahana fialokalofanao, fantatra amin'ny hoe “formulaire de demande d’asile”. Ho tafiditra ao izany raha toa ka mihevitra ny “préfecture” fa ny fanjakana frantsay no miandraikitra ny fangatahanao ary tsy ilaina ny mampihatra ny lalàna Dublin.
  • Raha toa ka efa nangataka fialokalofana tany amin'ny fanjakana Eoropeana hafa ianao, tonga tany amin'ny Vondrona Eoropeana tamin'ny alalan'ny firenena hafa talohan'i Frantsa, na nahazo visa ho an'ny firenena hafa, dia mety hanambara ny “préfecture” fa tsy manana fahefana i Frantsa ny hikarakara ny fangatahanao fialokalofana.

    Amin'izay fotoana izay dia hanomboka ny fomba fiasa Dublin izy ireo handamina ny fiverenanao any amin'ny firenena voalohany nidiranao tao amin'ny Vondrona Eoropeana, mba hahafahan'io firenena io hikarakara ny fangatahanao. Izany no antsoina hoe fanapahan-kevitra famindrana na “décision de transfert”.

    Hampandrenesina anao an-tsoratra ny mikasika ity dingana ity. Azonao atao ny mangataka ny hanovana an'io didy io amin'ny fangatahana ny fitsarana misahana ny raharaham-panjakana fantatra amin'ny anarana hoe “tribunal administratif” miaraka amin’nyfanampian’ny “association” na mpisolovava.

  • Raha heverin’ny “préfecture” fa manana fahefana i Frantsa handinika ny fangatahanao fialokalofana, dia hihaona amin'ny solontena avy amin'ny Birao frantsay momba ny fifindra-monina sy ny fampidirana anatiny ianao na “Office français de l’immigration et de l’intégration (OFII)” vantany vao vita ny fanadihadiana anao eny anivon’ny “préfecture”.

    Hametra-panontaniana aminao izy ireo mba hanombanana ny toe-javatra misy anao manokana ary hikarakara ny fidiranao amin'ny fepetra ara-pitaovana amin'ny fampiantranoana na “conditions matérielles d’accueil”. Ireto fepetra ireto dia ahitana:

    • adiresy fitantanan-draharaha izay ahafahanao mandray mailaka, fantatra amin’ny hoe “domiciliation” ary azonao omena mandritra ny fizotran'ny fitantanan-draharahanao
    • trano fonenana
    • fanampiana ara-bola fantatra amin’ny hoe fanampiana ara-bola ho an’ny mpangataka fialokalofana “allocation pour demandeur d’asile (ADA)”.

Dingana 3: Mandefa ny fangatahanao fialokalofana mankany amin’ny “OFPRA

Taorian’ny fotoana nihaonanao tany amin’ny “GUDA” teny anivon’ny “préfecture” dia manana 21 andro ianao andefasana ny fangatahana fialokalofana feno mankany amin’ny Birao Frantsay Miaro ny Mpitsoa-ponenana sy ny Tsy manan-tanindrazana na “Office français de la protection des réfugiés et des apatrides (OFPRA)”.

  • Tena ilaina ny manomana tsara ny fomba fitantaranao ny tantaranao. Tsara ny manoratra ny kaontinao ao anaty antontan-taratasy izay tokony ahitana:

    • ny mombamomba anao manokana, ao anatin‘izany ny anarana, ny fanampiny, ny daty sy ny toerana nahaterahana, ny zom-pirenena, ny fivavahana, ny foko ary ny fiainanao tany amin‘ny firenena nisy anao
    • ny antony hangatahanao fiarovana any Frantsa: ny antony hoe nahoana ianao no miatrika, na matahotra hiatrika fandrahonana na fanenjehana
    • ny zava-nitranga nitarika ny fisintahanao
    • ny lalana nodiavinao tamin‘ny fifindra-monina avy any amin'ny tanindrazanao mankany Frantsa.

    Tsy maintsy soratana amin'ny teny frantsay ity antontan-taratasy ity. Tsy tokony ho lava loatra izy io (eo amin'ny pejy roa na telo) fa tsy maintsy ahitana ny zava-misy fototra manohana ny fangatahanao hahazo fiarovana izay natao mazava sy manaraka ny fotoana. Tokony ahitana antsipiriany ny tantaranao, indrindra raha tsy manana porofo hanohanana izany ianao.

    Azo ampiana ianao amin‘ny fanoratana ny tantaranao. Tsara tokoa raha toa ianao ka mitady fanohanana any amin’ny “association” misahana manokana amin’ny fanampiana ny mpitady fialokalofana na any amin’ny mpisolovava.

    Io antontan-taratasy io avy eo dia ampiasaina ho fototra iaingana mandritra ny fanadihadiana ataon’ny sampandraharaha misahana ny fandinihina ireo fangatahana fialokalofana, izay antsoina hoe “Office français de la protection des réfugiés et des apatrides (OFPRA)”. Noho izany tsy maintsy afaka mitantara izany am-bava ianao.

  • Voalohany, manaova dika mitovy amin'ny taratasy fanamarinana momba ny fangatahana fialokalofananao na “attestation de demande d’asile” ho an'ny fangatahanao ary tehirizo any aminao ny dika tany am-boalohany.

    Ampiarahina ny fangatahanao:

    • ny taratasy fangatahana fialokalofana na “formulaire de demande d’asile” izay azonao nandritra ny fotoana fihaonana “GUDA
    • sary roa mahafeno ny fenitra nangatahana.
    • dika mitovy ny taratasy fanamarinana ny fangatahana fialokalofana na “attestation de demande d’asile
    • ny fitantarana ny nanjo anao amin‘ny teny frantsay
    • raha azo atao, ny antontan-taratasy mikasika ny dianao sy izay sata sivily momba anao na an‘ny fianakavianao.

    Avy eo dia atero mivantana any amin'ny “OFPRA”, na alefaso paositra amin'ity adiresy manaraka ity:

    "OFPRA
    201 rue Carnot
    94 136 Fontenay-sous-Bois Cedex"

    alefaso amin’ny paositra voasoratra anarana ny taratasy ary voarakitra fa lasa na “lettre recommandée avec accusé de réception”. Izay no hany fomba hanaporofoina fa voaray ny taratasinao. Tazony ho toy ny porofon‘ny fandefasana amin‘ny alalan‘ny paositra ny rosia.

    Vantany vao lasa any amin’ny “OFPRA” ny rakitra dia hahazo taratasy ianao amin'ny adiresy voalazanao ao amin'ny taratasy fangatahanao manamafy fa voarakitra ny fangatahanao fialokalofana. Raha tsy nahazo na inona na inona ianao tao anatin'ny iray volana dia azonao atao ny mifandray amin'izy ireo mba hahitana ny fivoaran'ny raharahanao.

Dingana 4: Ny fanapahan-kevitra “OFPRA

Vantany vao lasa ny fangatahanao feno dia matetika ny “OFPRA” no hanome anao fotoana hihaonana mba hidirana amin’ny fanadihadiana lalina.

Hahazo antontan-taratasy antsoina hoe “convocation” amin’ny alalan’ny paositra amin’ny adiresy nomarihina amin’ny taratasy fangatahana ianao. Ity antontan-taratasy ity dia hamaritra ny toerana, ny daty ary ny ora hanaovanao fotoana miaraka amin'ny “OFPRA”.

  • Azonao atao ny manatrika ity fanadihadiana ity miaraka amin'ny mpisolovava anao na fikambanana antsoina hoe “association” izay mahazo alalana manokana ny manaraka ireo mpitady fialokalofana. Ho hitanao ny lisitr’ireo “associationseto.

    Tsy mahazo alalana miteny amin‘ny alalanao ilay olona manaraka anao, saingy afaka manao fanamarihanana izy any am-paran‘ny fanadihadiana. Afaka ny manampy anao ihany koa izy ireo amin‘ny fanomanana ny fanadihadiana mialoha.

    Ny “OFPRA” dia mety hiantso anao imbetsaka momba ny fangatahanao raha mino izy ireo fa mila fanampim-panazavana.

  • Any amin'ny dingana farany dia tokony hahazo valiny avy amin'ny “OFPRA” ianao amin’ny alalan’ny paositra mankany amin’ny adiresy izay nomenao tamin’ny fangatahana.

    Matetika tokony halefa tsy mihoatra ny enim-bolana aorian'ny nandefasana ny fangatahanao ny valiny. Saingy indrisy anefa fa mety ho lava be ny fe-potoana fiandrasana, ary indraindray aza hatramin'ny roa taona. Amin'ity tranga ity dia hahazo taratasy ianao hampahafantatra anao fa haharitra enim-bolana mahery ny fandinihina ny fangatahanao.

  • Raha nolavin’ny “OFPRA” izany dia afaka mangataka ny fanovana ny fanapahan-kevitra ianao amin’ny fampakarana ny raharaha na “appel” eny anivon’ny Fitsarana Nasionaly momba ny Zon’ny fialokalofana na “Cour nationale du droit d’asile”.

    Manana fe-potoana iray volana ianao manomboka amin'ny daty nampahafantarana anao momba ny fanapahan-kevitra mba hampiakarana ny raharaha, izany hoe manomboka amin'ny daty nahazoanao ny taratasy fanapahan-kevitra.

    Tena tsara tokoa raha miaraka amin‘ny “association” ianao mandritra ity dingana ity na manakarama mpisolovava miompana manokana amin’ny zon’ny mpitady fialokalofana Raha tena tsy ampy ny volanao mba handoavana ny karaman’izy ireo, dia azonao atao ny mangataka fanampiana eo anivon‘ny lalàna na “aide juridictionnelle” mba handoavana ny fandaniana.

    • ny fangatahana “’aide juridictionnelle” dia tsy maintsy atao tsy mihoatra ny 15 andro aorian'ny nahazoana ny taratasy mirakitra ny didy
    • tsy maintsy atao amin'ny alalan'ny taratasy manokana ary alefa paositra miaraka amin’ny taratasy fanamarinam-pandefasana na “lettre recommandée avec avis de réception” any amin’ny “CNDA”.

Havaozy ny taratasy fanamarinana “attestation de demande d’asile” nao

Raha toa ka ho lany daty atsy ho atsy ny antontan-taratasy manome alalana anao hijanona any Frantsa raha mbola karakaraina ny fangatahanao, izay antsoina hoe “attestation de demande d’asile”, dia mila manavao izany any amin'ny “préfecture” ianao.

Havaozina mandritra ny enim-bolana ity antontan-taratasy ity, ary azo havaozina indray mandritra ny fizotry ny fangatahana fialokalofana manontolo.

Mangataka ny zo hiasa any Frantsa

Azonao atao ny mangataka antontan-taratasy manome alalana anao hiasa, antsoina hoe fahazoan-dàlana hiasa na “autorisation de travail”, raha toa ka:

  • efa enim-bolana mahery lasa izay no nandefasanao ny fangatahanao fialokalofana ary mbola eo an-dalam-pandinihana ny fangatahanao ny “OFPRA
  • na nampiakatra ny raharaha ianao anoherana ny didy navoakan’ny “OFPRA” izay nandà ny fialokalofanao.

Ny fangatahana fahazoan-dàlana hiasa na “autorisation de travail” dia tsy maintsy apetraka eny amin’ny “préfecture” miaraka amin'ny fangatahanao fanavaozana ny taratasy fanamarinana ny “’attestation de demande d’asile”.

Raha mangataka fahazoan-dàlana hiasa:

  • fenoy ny taratasy fangatahana amin’ny aterineto
  • ampiaraho amin’ny fangatahanao ny antontan-taratasy izay manaporofo fa nahita asa any Frantsa ianao, toy ny fanambarana ataon’ny mpampiasa fa ho raisiny hiasa ianao, izay antsoina hoe “promesse d’embauche”, na fifanarahana arak’asa izay antsoina hoe “contrat de travail”.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ireo fikambanana nahazo alalana na “associations habilitées” no afaka manome tolotra avo lenta manokana ho an’ireo mpitady fialokalofana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao mikasika ny zonao, manoro hevitra anao, manampy anao amin’ireo dingana ara-taratasy karakaraina ary miaraka aminao rehefa mihaona amin’ny Birao Frantsay Miaro ny Mpitsoa-ponenana sy ny Tsy manan-tanindrazana na “Office français de la protection des réfugiés et des apatrides (OFPRA)”.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina, azo asiana fandikan-teny am-bava.
    • Fifandraisana: afaka mahita “association habilitée” manakaiky anao ianao ato amin’ity lahatahiry ity.
  • La Cimade” dia fikambanana miompana amin’ny fanohanana ireo mpifindra monina rehetra, ary ireo mpitsoa-ponenana any Frantsa, indrindra olona miatrika herisetra.

    • Tsy andoavam-bola ny fanaovana an‘izany.
    • Afaka mampahafantatra anao sy manohana anao amin'ny dingana arahina ara-panjakana mifandraika amin'ny zo hipetraka any Frantsa izy ireo, ary hitarika anao amin'ireo tolotra hafa miankina amin'ny toe-javatra misy anao manokana.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy ary Espaniola
    • Fifandraisana:
      • tsy mila maka fotoana any amin’ny ivotoerana manakaiky anao
      • amin’ny telefaona amin’ny 01 40 08 05 34 na 06 77 82 79 09 isaky ny Alarobia amin’ny 9:30 maraina hatramin’ny 1:30 hariva ary amin’ny 2:30 hariva hatramin’ny 5:30 hariva.
  • Associations” dia ireo fikambanana izay afaka manome tolotra isan-karazany. Ny sasany misahana manokana ny resaka fifindra-monina.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao mikasika ireo zonao any Frantsa izy ireo, ary indraindray manohana anao amin‘ny izay tokony atao amin‘ny fifindra-monina.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Afaka mikaroka isaky ny faritra sy ny vakim-paritra ao anatin’ity lahatahiry ity ianao.
  • Ny ARDHIS dia fikambanana manohana ireo mpikambana eo anivon’ny vondron’olona LGBTQIA+ eo amin’ny fangatahany fialokalofana na fahazoan-dalàna hipetraka eo an-toerana.

    • Tsy andoavam-bola ny fanaovana an‘izany.
    • Afaka manampy anao amin‘ny antontan-taratasy karakarainao izy.
    • Ny fihaonana dia azo atao na mivantana any Paris na amin‘ny aterineto.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay sy Anglisy no tena ampiasaina
    • Fifandraisana: tsara indrindra amin'ny alàlan'ny mailaka ao amin'ny [email protected] na mamela hafatra am-peo amin’ny 09 72 47 19 55 mba hiantsoana azy.
    • Raha tsy mipetraka any Ile-de-France ianao dia afaka mitady “association” hafa miompana manokana amin’ny fanohanana ireo mpitady fialokalofana LGBTQIA+ ao amin’ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa

Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…

Manakarama mpisolovava any Frantsa

Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony