Mangataka karatra momba ny fahasalamana na “carte vitale

Ny “carte vitale” dia karatra ara-pahasalamana izay ahazoana antoka fa mora averina ny vola laninao tamin‘ny fitsaboana any Frantsa. Maimaimpoana izany. Afaka mangataka iray ianao raha vao nisoratra anarana tao amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana antsoina hoe “Protection universelle maladie”, izay antsoina ihany koa hoe “sécurité sociale” na fiahiana ara-tsosialy.

Nohamarinin‘i Comede ny 31/05/2023

Ahoana ny fandehany?

Manamora ny fiantohana ara-pahasalamana sy ny fanonerana izany ny “carte vitale”. Azonao atao ny manolotra an'io karatra io rehefa mihaona amin‘ny dokotera sy any amin'ny fivarotam-panafody mba hamerenana ny vola laninao tamin‘ny fitsaboana. Manan-kery na aiza na aiza eto Frantsa izany.

Ny “carte vitale” no mampita avy hatrany amin’ny fomba elektronika ny fampahalalana mikasika ny fandoavam-bola any amin‘ny fikambanana izay miandraikitra ny fiantohana ara-pahasalamanao, izay fantatra amin’ny anarana hoe “caisse d’assurance maladie”. Haverina mivantana any amin'ny kaontinao amin'ny banky izany ary tsy mila mandefa antontan-taratasy.

Fepetra

Tsy maintsy misoratra anarana ao amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana an'ny fanjakana antsoina hoe “Protection universelle maladie” ianao, fantatra ihany koa amin'ny hoe fiahiana ara-tsosialy na “sécurité sociale”.

Afaka mangataka “carte vitale” ianao raha vantany vao mahazo ny laharanao manokana antsoina hoe laharan'ny fiahiana ara-tsosialy na “numéro de sécurité sociale”.

Ahoana ny atao raha hangataka

Misy fomba roa atao raha hangataka “carte vitale”, na amin’ny aterineto na amin’ny alalan’ny paositra.

  • Midira amin’ny kaontinao ameli.fr dia safidio ny “Mes démarches > Commander une carte vitale”, dia araho ny torolàlana.

    Mialohan‘ny hamenona ny fangatahana, dia mila mampiditra ny sarinaosyny taratasymilaza ny mombamomba anao ao amin‘ilay kaontinao aloha ianao.

  • Tokony naharay taratasy fangatahana mitondra ny lohateny hoe “Ma nouvelle carte vitale” ianao rehefa nisoratra anarana tao amin'ny “Protection universelle maladie” rafitra fiantohana ara-pahasalamana maneran-tany, fantatra ihany koa amin’ny hoe fiahiana ara-tsosialy na “sécurité sociale”.

    Raha hanao fangatahana:

    • Hamarino fa marina ny zavatra hita ao amin‘ny taratasy.
    • Apetaho eo amin‘ny ilay toerana tokony hasiana azy ny sarinao miloko.
    • Ampiaraho ny dika mitovy amin'ny antontan-taratasy momba anao.
    • Ataovy ao anatin‘ilay valopy nisy taratasy nasaina nofenoina nalefa tany aminao ny fangatahanao, ary alefaso any amin’ny “caisse d’assurance maladie”.
    • Mbola tsy nandoavana vola mialoha ilay valopy, ka mila mametaka hajia paositra ianao.
    • Raha tsy hainao ny “caisse d’assurance maladie” dia azonao atao ny mifandray amin’ny “Caisse Primaire d’Assurance Maladie (CPAM)” eny akaikinao raha te hahalala bebe kokoa. Ny antsipirian'ny fifandraisana dia azonao jerena ao amin’ity tranonkala ity.

Aorian‘ny fangatahana

Hahazo ny “carte vitale” ianao ao anatin'ny tapa-bolana eo ho eo raha manao fangatahana amin’ny aterineto, ary telo herinandro raha mangataka amin'ny alalan’ny paositra.

Ataovy azo antoka fa marina ny fanazavana eo amin'ny karatra. Raha misy diso dia ampandreneso any amin'ny “caisse d’assurance maladie” anao.

Zavatra vitsivitsy tokony hotadidinao rehefa nahazo ny “carte vitale”:

  • Ny “carte vitale” dia mamela anao hahazo fanonerana ny vola laninao tamin‘ny fitsaboana ao anatin'ny herinandro eo ho eo. Rehefa manana ny “carte vitale” ianao, dia ento miaraka aminao foana rehefa manao fotoana amin'ny mpitsabo ianao. Hahazo ny vola naverina mivantana any amin'ny kaontinao amin'ny banky ianao
  • Indraindray dia mbola tsy afaka ny hanaiky ny “carte vitale” ny mpiasan'ny fahasalamana, ka hanome anao rosia antsoina hoe “feuille de soins” aloha izy ireo. Afaka mandefa izany amin’ny alalan’ny paositra any amin’ny “caisse d’assurance maladie” anao ianao mba hamerenana ny volanao. Mety haharitra iray volana ny fe-potoana famerenam-bola.
  • Raha miova banky ianao, dia ataovy azo antoka fa andefasanao antontan-taratasy mirakitra ny mombamomba ny bankinao vaovao izay fantatra amin'ny anarana hoe “relevé d’identité bancaire (RIB)”, any amin’ny “caisse d’assurance maladie” anao amin’ny aterineto eo amin’ny Ameli na amin’ny alalan’ny paositra.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny “Comede” dia fikambanana manampy ny mpifindra monina sy ny mpitsoa-ponenana hahazo fikarakarana ara-pahasalamana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka manampy anao hahazo fikarakarana ara-pahasalamana izy ary manampy anao amin‘ny antontan-taratasy ilaina, amin‘ny alalan‘nyantso an-telefaonina.
    • Teny azo isafidianana: fandikana teny azo atao amin‘ny teny rehetra.
    • Fifandraisana: an-telefaonina.
  • Ny "PIMMS Médiation" dia fikambanana mampahafantatra, mitarika na manohana ny fikarakarana taratasy amin'ny sehatra maro: fidirana amin'ny tolotra ho an'ny daholobe, fidirana amin'ny fitsaboana, fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fanambarana hetra, fanambarana ho an'ny “France Travail”, sns.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: afaka mahita “PIMMS Médiation” eo akaikinao ianao ato amin'ity lahatahiry ity.
  • Ny mpiasa sosialy na “travailleurs sociaux” sy ny “assistants sociaux” dia efa za-draharaha amin‘nyfanohanana ny olona amin'ny fikarakarany taratasy, ary manampy azy ireo hahita vahaolana mifanaraka amin'ny fahasahiranana atrehany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Azonao atao ny maka fotoana handraisana torohevitra manokana araka ny toe-javatra misy anao, ary hanampy anao amin'ny dingana manaraka, toy ny hoe: fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fangatahana trano fonenana, fisoratana anarana any amin'ny birao mikarakara ny olona tsy manana asa any Frantsa “France Travail”, sns.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Azonao atao ny mangataka fotoana hihaonana amin'ny “travailleur social” miaraka amin’ny

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Misorata anarana amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana na “sécurité sociale

Raha manana asa matotra na mipetraka maharitra any Frantsa ianao dia manan-jo hiantoka ny…

Makà fifanaraham-piantohana ara-pahasalamana tsy miankina antsoina hoe “mutuelle

Mba hamerenana ny vola laninao tamin’ny fitsaboana dia tsara kokoa raha maka fifanaraham-piantohana…

Mahazo fikarakarana: fahasalamana ara-batana, ara-nofo ary ara-tsaina

Mety hisy voka-dratsy lehibe amin‘ny fahasalamanao ny herisetra ao an-tokantrano. Any Frantsa dia…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony