Fandaminana ny fitazomana ny zaza eo amin'ny ray aman-dreny nisintaka na nisara-panambadiana
Any Frantsa, raha misy fisintahana na fisaraham-panambadiana, dia mbola manana zo sy adidy amin'ny…
Raha lasa any ivelany miaraka amin'ny zanakao ny rainy na ny reniny, na koa mihazona azy ireo any ivelany nefa tsy nifanaiky ianareo, dia fakàna an-keriny ny zaza ho any amina firenena hafa izany. Misy vahaolana hamerenana ny zanakao any Frantsa.
Nohamarinin'i Hansu Yalaz tamin'ny 09/02/2024
Raha lasa any ivelany miaraka amin'ny zanakao ny rainy na ny reniny, na koa mihazona mihazona any ivelany nefa tsy nifanaiky ianareo, dia fakàna an-keriny ny zaza ho any amina firenena hafa izany, na manao ahoana na manao ahoana fifandraisanareo: vita mariazy, misoratra, miray trano, misara-toerana na misara-panambadiana.
Ny dingana voalohany azonao atao dia ny miantso ny 116 000, laharan-telefaonina maimaimpoana izay miasa 24 ora isan'andro, 7 andro isan-kerinandro.
Aorian'izay dia entanina anao mafy ianao mba hanakarama mpisolovava manampahaizana manokana momba ny lalàna iraisam-pirenena tsy miankina. Raha tsy voafetra ny eo am-pelatananao ka tsy mahakarama ny taoraharaha ataon‘izy ireo, dia misy ny vahaolana.
Ny mpisolovavanao dia hanamarina aloha raha any amin'ny firenena mpikambana amin'ny Fifanekena tao La Haye ny zanakao na any amin'ny firenena nanasonia fifanarahana tamin'i Frantsa.
Raha voatana amin'iray amin'ireo firenena voatanisa ny zanakao dia zava-dehibe ny mifandray faran'izay haingana amin'ny "Bureau du droit de l’Union, du droit international privé et de l’entraide civile" izay sahanin'ny Minisiteran'ny Fitsarana Frantsay.
Raha voahazona any amin'ny firenena tsy nanasonia fifanarahana ny zanakao ka mizaka ny zom-pirenena frantsay, dia zava-dehibe ny mifandray faran'izay haingana amin'ny "Bureau de la protection des mineurs et de la famille (PMF)" izay sahanin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny frantsay.
Raha voahazona any amina firenena tsy nanasonia fifanarahana ny zanakao ary tsy teratany frantsay, dia mila mifandray amin'ny manampahefana ao amin'ilay firenena voakasik'izany ianao amin'ny alalan'ny mpisolovavanao.
Ny mpisolovavanao dia hanoro anao ireo dingana tokony harahina. Mety ho toroana hevitra hametraka fitoriana any amin'ny polisy ianao mba hampahafantarana ilay tranga fakana an-keriny sy mba hahazoanao fanampiana.
Io sampan-draharaha fanoroana hevitra an-telefaonina tantanan'ny "Droit d’enfance" io dia manampy ireo rehetra very anaka, anisan'izany ny tranga fakàna an-keriny ataon’ny iray amin‘ny ray aman-dreny. Azon'izy ireo atao koa ny manome torohevitra anao momba ny fisorohana, raha matahotra ianao sao halain'ny ray na ny renin'ilay zaza an-keriny ny zanakao.
"Femmes Informations Juridiques Internationales Auvergne-Rhône-Alpes (FIJI)" dia fikambanana miompana manokana amin‘ny lalàna iraisam-pirenena momba ny ankohonana.
Fandaminana ny fitazomana ny zaza eo amin'ny ray aman-dreny nisintaka na nisara-panambadiana
Any Frantsa, raha misy fisintahana na fisaraham-panambadiana, dia mbola manana zo sy adidy amin'ny…
Manakarama mpisolovava any Frantsa
Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…
Mangataka “l'aide juridictionnelle” na fanampiana ara-pitsarana mba hanomezana ny volan’ny mpisolovava sy ny sarany ara-pitsarana hafa
Raha tsy ampy vola hanakaramana mpisolovava sy handoavana ny fitsarana, dia afaka mangataka ny…