Fandaminana ny fitazomana ny zaza eo amin‘ny ray aman-dreny nisintaka na nisaram-panambadiana

Any Frantsa, raha misy fisintahana na fisaraham-panambadiana, dia samy mbola manana zo sy adidy amin'ny zanany ilay ray sy ilay reny, fantatra amin'ny anarana hoe “autorité parentale”. Raha ny marina dia mahalana ny hoe esorina amin'ny ilay ray na ilay reny ireo zo ireo, eny fa na dia amin'ny tranga misy herisetra ao an-tokantrano aza.

Nohamarinin‘i Mpisolovava Elodie Ramos tamin’ny 31/01/2024

Fantaro ny zava-misy

Ny zo sy andraikitry ny ray aman-dreny manoloana ny zanany sy ny fanapahan-kevitra mipoitra amin'izany dia fantatra amin'ny anarana hoe fahefana ananan’ny ray aman-dreny na “autorité parentale”:

  • Rehefa iraisana izy io dia fantatra amin’ny hoe fahefana iraisana ananan’ny ray aman-dreny “autorité parentale conjointe”.
  • Rehefa misy ray na reny tokan-tena manana ny fahefan’ny ray aman-dreny feno dia fantatra amin’ny anarana hoe “autorité parentale exclusive” izany.

Raha misintaka na misara-panambadiana ny ray aman-dreny dia tokony hiankina amin‘ny toeram-ponenan‘ireo zaza ny fanapahan-kevitra raisina, izay matetika antsoina hoe fitazomana ny zaza na “garde d’enfants”.

  • Raha sady mipetraka any amin‘ny rainy ny ankizy no mipetraka any amin‘ny reniny, dia fantatra amin'ny hoe “résidence alternée” izany.
  • Rehefa miara-mipetraka amin’ny rainy na ny reniny irery ny ankizy, dia ny tranon’io rainy na reniny io no antsoina hoe trano fonenany mahazatra na “résidence habituelle”.
  • Any Frantsa, araka ny lalàna, dia samy manana fahefanaamin‘ny maha ray aman-dreny na ilay ray na ilay reny, ary fantatra amin'ny anarana hoe “autorité parentale conjointe”.

    Midika izany fa:

    • manana zo sy adidy mitovy manoloana ny zanany ny ray aman-dreny roa tonta
    • tsy maintsy raisina anaty marimaritra iraisana ny fanapahan-kevitra lehibe momba ny ankizy.
  • Amin'ny tranga tsy fahita firy dia mety hanapa-kevitra ny hanaisotra ny fahefan'ny ray aman-dreny amin'ny iray amin'ireo ray aman-dreny ny mpitsara. Lasa manana fahefana manokana na “autorité parentale exclusive” ilay ray na reny iray amin‘izay.

    Mety hitranga izany amin'ny tranga faran'izay mahery vaika amin'ny herisetra an-tokantrano na raha tena tsy miraharaha ilay zaza ny ray aman-dreny, saingy tsy mandeha ho azy izany.

  • Rehefa misy ny “résidence alternée” dia mitovy ny fotoana ipetrahan’ireo ankizy any an-tokantranon’ny ray aman-dreny roa tonta.

    Mety hiova arakaraka ny fianakaviana ny “résidence alternée” Ohatra: Mifandimby isan-kerinandro ny fitazoman‘izy ireo ny ankizy Raha mbola azo atao dia io fandaminana io no tian‘ireo mpitsara eto Frantsa.

  • Mandritra ny “résidence habituelle” dia ny iray amin’ny ray aman-dreny ihany no ipetrahan’ilay ankizy.

    Afaka ny mbola mamangy ny zanany ihany ilay ray na ilay reny ankilany, ary afaka mitazona azy ireny ao an-tokantranony amin‘ny fotoana tsindraindray na efa nomanina mialoha. Manan-jo hitsidika sy hijanona mandritra ny alina na “droit de visite et d’hébergement” izy ireo.

    Isaky ny faran‘ny herinandro mielanelana sy ny antsasaky ny fialantsasatry ny sekoly no fandaminana matetika fanao.

    Mety ho ferana na halavaina ny fotoana iarahana amin‘ilay ray na reny ankilany arakaraka ny fandaminana tapaka. Ohatra:

    • mety hiitatra hatramin'ny alarobia ilay faran‘ny herinandro sady mety hiverimberina.
    • mety ho ferana mandritra ny fialantsasatra irery ihany koa raha mipetraka lavitra ilay ray na reny ankilany
    • mety ho fitsidihana fotsiny fa tsy mila mijanona matory.

    Raha sokajian‘ny fitsarana ho mpanao herisetra ilay ray na reny iray dia mety hanapa-kevitra toy izao ny mpitsara:

    • mampiato ny zony hitsidika sy hijanona mandritra ny alina na “droit de visite et d’hébergement
    • mandamina ny fitsidihany miaraka ireo olona matihanina toy ny mpiasa sosialy sy psikology, fantatra amin'ny anarana hoe fitsidihana miaraka amin'ny mpanelanelana na “visites médiatisées
    • mandamina fitsidihana miaraka amin‘ olon-kafa na ilay antsoina hoe olona fahatelo na “tiers”.

Ny dingana arahina

  • Raha nifampisintaka ianareo na nisara-panambadiana tsy nisy romoromo dia afaka manapa-kevitra miaraka ianareo ny amin’ny fomba hitazomana ny ankizy. Izany no antsoina hoe “modalités d’exercice de l’autorité parentale”. Izany dia ahitana indrindra:

    • ny toerana ipetrahan‘ny ankizy
    • ny zo hitsidika sy hipetraka mandritra ny alina na “droit de visite et d’hébergement” miaraka amin’ny iray amin’ny ray aman-dreny rehefa manana ny fonenany mahazatra ny ankizy na “résidence habituelle” miaraka amin’ny ray na reny
    • ny fandoavana ny anjara amin‘ny fandanianaara-bola ho an'ilay zaza, fantatra amin'ny anarana hoe “contribution à l’entretien et l’éducation des enfants”, na "pension alimentaire" (vola fanampiana ho an’ny zaza).

    Tsara araka izany ny mandefa fangatahana iombonana na “requête conjointe” any amin’ny mpitsara miadidy ny fianakaviana na “Juge aux affaires familiales (JAF)” hanamafisana ny fifanarahana nataonareo. Haingana ny fanaovana izany matetika satria tsy misy idiran‘ny raharaham-pitsarana izany.

    Afaka manoratra ny fangatahana ianao na mangataka fanampiana amin'ny mpisolovavanao.

    • Ny “requête conjointe” dia taratasy tsotra izay mila soniavinao sy ilay ray na reny ankilany. Azonao atao ny manoratra izany mifanaraka amin‘ ity taratasy azo fenoina ity.
    • Tokony ahitana:
      • anarana, fanampin‘anarana, asa, fonenana, zom-pirenena, daty sy toerana nahaterahan‘ny ray aman-dreny
      • ny fitsarana izay anaovana ny fangatahana
      • ny antsipiaran’ireo “modalités d’exercice de l’autorité parentale”, nofaritan’ny fifanarahana.
    • Tsy maintsy apetraka mivantana any amin'ny biraom-pitantanana fantatra amin'ny anarana hoe “greffe” (mpiandraiki-draharaha) ao amin’ny “Juge aux affaires familiales” eo amin’ny toeram-ponenan’ilay zaza. Raha te hahita ny andinindin’ny hifandraisana azy ireo dia azonao ampiasaina ito lahatahiry ito ka ampidiro ny kaody paositra misy anao ary fanteno ny “tribunal judiciaire”.
  • Raha tsy eken'ny ray aman-dreny ny lamina momba ny fitazomana zaza na ny “modalités d’exercice de l’autorité parentale” dia ny mpitsara no hamaritra izany.

    • Raha toa ianao ka sendra fisaraham-panambadiana isian-dromoromo dia ho faritan’ny mpitsara ny fitazomana ny zaza izay ao anatin’izany raharaha izany.
    • Raha nisaraka ianao ary tsy mbola nanambady, na tsy vonona ny hanomboka ny fisaraham-panambadiana dia mila manakarama mpisolovava ianao ka mandefa fangatahana eny anivon’ny mpitsara ny raharaham-pianakaviana na “Juge aux affaires familiales” amin’ny alalan’ny mpisolovavanao mba hamaritana ny fandaminana mikasika ny fitazomana ny ankizy.
    • Raha efa nisara-panambadiana ianao ary te hanova ny lamina momba ny fitazomana ny zaza, dia tsy maintsy mandefa fangatahana vaovao eny anivon’ny “Juge aux affaires familiales” amin’ny alalan’ny mpisolovavanao.

    Hijery akaiky fepetra maromaro ny mpitsara rehefa manapa-kevitra ny amin‘ny fametrahana ny lamina fitazomana ny ankizy.

    • Ny lamina napetraka mandrapivoahan‘ny didy. Raha nisafidy, ohatra, ny hampifandimby ny toerana ipetrahan‘ny zaza isan-kerinandro ny ray aman-dreny mandrapivoahan‘ny didy, dia azo inoana fa hitazona izany lamina izany ny mpitsara. Noho izany dia tokony hojerenao tsara ny lamina napetrakareo eo am-piandrasana ny didim-pitsarana, ary mangataha torohevitra amin'ny mpisolovavanao.
    • Inona no tsapan‘nyzanakao mikasika izany, sy ny zavatra mety aminy.
    • Ny halaviran‘ny toerana misy ny sekoly sy ny trano ipetrahan‘ny ray aman-dreny tsirairay.
    • Ny fahafahan'ny ray aman-dreny tsirairay manatanteraka ny adidiny sy manaja ny zon'ny tsirairay amin‘izy ireo.
    • Manahoana ny fahitan‘ny manam-pahaizana ny fiainan‘ireo ankizy eo amin‘ny lafiny ara-tsosialy sy ara-pianakaviana?
    • Ny vaovao voaangona nandritra ny fanadihadiana ara-tsosialy rehetra.
    • Fanerena ara-batana na ara-tsaina na herisetra ataon'ny andaniny amin‘ny ankilany.

Fanahiana fahita matetika

  • Misy ireo vahaolana.

    Mety hanome anao vola fanampiana ho an’ny zaza na “contribution à l’entretien et l’éducation de l’enfant”, fantatra amin’ny anarana hoe “pension alimentaire”. Io no vola tsy maintsy haloan‘ny ray na reny iray isam-bolana mba handraisany anjara amin'ny fandaniana amin'ny ankizy.

    Afaka mahazovolan-jaza avy amin’ny fanjakana ihany koa ianao mba hanampiana anao amin’ny fandoavana ny fikarakarana sy ny fianarana.

    Mianara bebe kokoa momba ny fomba fanarenana ara-bola eto.

  • Raha toa ny mpitsara miadidy ny fianakaviana izay fantatra amin’ny hoe “Juge aux affaires familiales (JAF)”, mangataka anao handray anjara amin’ny fivoriana fanelanelana eo amin’ny fianankaviana na “médiation familiale“ atrehan’ny vadinao taloha dia azonao atao ny mangataka ny hanatrika izany fivoriana izany irery.

    Raha toa nisy herisetra tao an-tokantrano dia voararan’ny lalàna ny “médiation

  • Raha misy ny fisarahana dia mitaky ny ray aman-dreny tsirairay mba hitazona ny fifandraisany manokana amin'ny zanany ny lalàna amin'ny ankapobeny.

    Na izany aza anefa dia mametraka vahaolana amin'ny tranganà herisetra an-tokatrano ny lalàna. Indrisy anefa fa mahalanaany Frantsa vao alaina ny fahefan‘ny ray aman-dreny hikarakara ny zanany, eny fa na dia nisy tranganà herisetra tao an-tokantrano aza. Mila manomana tsara ny fangatahanao miaraka amin'ny mpisolovavanao ianao.

    Mety ireto manaraka ireto ny vahaolana.

    • Ny “Juge aux affaires familiales” dia mety hanapa-kevitra ny hanome anao fahefana feno anao amin’ny maha ray aman-dreny anao na “autorité parentale”. Azo ovaina aorian‘izay ity fanapahan-kevitra ity.
    • Azon’ny mpitsara amin’ny heloka bevava atao ny manapa-kevitra ny hanaisotra ny fahefan’ny ray aman-dreny na “autorité parentale” amin’ilay mpanao herisetra mba hanasaziana azy. Azo ovaina aorian‘izay ity fanapahan-kevitra ity.
    • Afaka mijery sy mitàna ny zanany hijanona hatory ny alina ny ray aman-dreny ankilany ary misy fepetra sasantsasany amin‘izany. Azo ovaina aorian‘izay ity fanapahan-kevitra ity.
    • Ny zo hitsidika sy hipetraka mandritra ny alina na “droit de visite et d’hébergement” ataon’ny ray aman-dreny iray nampihatra herisetra dia any amin’ny toeram-pivoriana misy mpanelanelana ihany no azo atao, na ilay antsoina hoe “droit de visite médiatisé”.
    • Misy ny lamina napetraka mba hahafahana maka sy mametraka ny zaza ka ampian‘ny olona azo atokisana ao anatin‘ny “Mesure d’Accompagnement Protégé”.
  • Na dia miara-mipetraka aminao aza ny zanakao, dia tsy maintsy mampandre ilay ray aman-dreny ankilany ianao fa niova adiresy.

    Tsy maintsy manome fe-potoana iray volana ianao eo anelanelan'ny fotoana nampandrenesanao azy sy ny fifindranao.

    Raha hiova adiresy ianao dia impiry no afaka mitsidika ny zaza ilay ray aman-dreny ankilany, ilainao koa ny manova ny lamina mikasika ny fitazomana ny zaza na “modalités d’exercice de l’autorité parentale” . Azonao atao ny manomboka mandamina indray ny fomba vaovao hikarakarana ny toerana hisy ilay zaza miaraka amin‘ilay ray aman-dreny ankilany.

    Raha nahita marimaritra iraisana ianareo dia tsara raha mandefa fangatahana iombonana izay fantatra amin’ny hoe “requête conjointe” eny anivon’ny “Juge aux affaires familiales” mba hankatoavany izany.

    Raha tsy mifanaraka dia azonao atao ny mandefa fangatahana eny anivon’ny “Juge aux affaires familiales” amin’ny alalan’ny mpisolovavanao mba hahafahan’izy ireo manapaka ny “modalités d’exercice de l’autorité parentale” vaovao.

  • Afaka mahita fampahalalana bebe kokoa momba izany ianao ao amin' ity pejy ity.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa, misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Ho afaka hampahafantatra anao ny zonao sy ny dingana tokony hatao izy ireo. Ireo ivon-toerana sasany dia afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: ny antsipirian‘ny fifandraisana amin'ny “CIDFF” any amin'ny faritra misy anao dia ho hitanao ato anatin'ity lahatahiryity.
  • "Femmes Informations Juridiques Internationales Auvergne-Rhône-Alpes (FIJI)" dia fikambanana miompana manokana amin‘ny lalàna iraisam-pirenena momba ny ankohonana.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ny ekipana mpisolovavan‘izy ireo dia ho afaka hamaly ny fanontanianao ary hanome anao torohevitra momba ny fisarahana, fisaraham-panambadiana ary/na fihazonana ny zanakao. Sampan-draharaha fampahafantarana ihany izy io: tsy afaka misolo tena anao eny anivon'ny fitsarana izy ireo. Mila mifandray amina mpisolovava ianao amin'izany.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy.
    • Fifandraisana: amin'ny alàlan'ny mailaka amin'ny adiresy [email protected] na amin'ny telefaonina amin'ny laharana 04 78 03 33 63, ny alatsinainy ka hatramin'ny alarobia, manomboka amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 12 ora atoandro
  • Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha ara-pitsarana.

    • Tandremo tsara mba ho mpisolovava mahay no fidìana.
    • Tsy maintsy aloanao ny karaman'ny mpisolovava.
    • Raha voafetra ny vola eo am-pelatananao, dia mety hahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana ianao handoavana ireo sarany ireo. Izany no antsoina hoe "aide juridictionnelle".
    • Raha tsy mbola nisy matihanina na olona atokisanao nanolotra mpisolovava ho anao dia afaka mitady mpisolovava ao anatin'ity lahatahiry ity ianao. Mitanisa ireo mpisolovava rehetra ao Frantsa izy ity. Azonao atao ny mikaroka mpisolovava arakaraky ny tenim-pirenena teneniny na ny sokajin-dalàna manokana ifantohany.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Mandray fanampiana ara-bola avy amin‘ny ray aman-dreny ankilany mba handray anjara amin‘ny fandaniana mifandraika amin‘ny ankizy

Na dia nisaraka aza dia tsy maintsy manohy manome vola ny amin‘ny lany mifandraika amin‘ny zanany ny…

Fantaro no tokony atao rehefa tsy manome fanampiana ara-bola izay nofaritan‘ny mpitsara ilay vadinao taloha.

Raha tsy azonao ilay fanomezana ara-bola napetraky ny mpitsara tao anatin'ny raharaha mahakasika ny…

Fantaro izay tokony hatao raha tsy manaraka ny fepetra momba ny fitazomana ny zaza ilay ray aman-dreny ankilany

Raha tsy manaraka ny fepetra napetraka momba ny fitazomana ny zaza ilay ray aman-dreny ankilany, na…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony