Manakarama mpisolovava any Frantsa
Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…
Raha tsy ampy vola hanakaramana mpisolovava sy handoavana ny fitsarana, dia afaka mangataka ny fanjakana handoa izany sarany izany ianao.
Fantatra amin’ny hoe fanampiana ara-pitsarana na "aide juridictionnelle izany.
Nohamarinin’i Olympe tamin’ny 05/10/2023
Ny “l'aide juridictionnelle” dia mahasahana ny sarany ara-pitsarana amin’ny ampahany na feno anatina fepetra, ny vola miditra aminao voalohany indrindra. Mety hahazoanao manakarama mpisolovava na matihanina ara-pitsarana antsoina hoe “huissier de justice” izany.
Afaka mangataka "l'aide juridictionnelle” mialoha na mandritra ny fitsarana ianao.
Afaka manakarama mpisolovava safidinao izay manaiky raharaha zakana “aide juridictionnelle” na mangataka mpisolovava ho anao rehefa manao fangatahana ianao.
Amin‘ny ankapobeny dia afaka mangataka “l'aide juridictionnelle" ianao raha:
Na izany aza dia misy ny tranga maningana:
Ny fangatahana dia tsy maintsy atao amin‘ny “Bureau d’aide juridictionnelle (BAJ)” izay hikarakara izany. Miankina amin‘ilay raharaha, afaka manao ny fangatahana miaraka amin‘ny “BAJ” ao amin’ny tanàna misy anao na ny an’ilay torìna ianao.
Hahita antsipiriany momba ny fifandraisana amin‘ny “Bureau d’aide juridictionnelle”-nao ianao ao amin’ity lahatahiry ity, amin’ny alalan’ny filazana mazava ny kaodim-paositra sy fisafidianana ny “tribunal judiciaire”.
Avy eo dia araho ireto dingana ireto:
Ho an‘ny fangatahana “ordonnance de protection” na didy fiarovana manokana, dia karakaraina haingana kokoa noho ny mahazatra ny fangatahanao.
Na izany aza, miova arakaraka ny tribonaly ny fikarakarana Mifandraisa amin‘ny tribonaly izay handray ny fangatahanao “ordonnance de protection” mba hahalalana ny fikarakaran’izy ireo. Mba hahitana ny antsipiriany ifandraisana amin‘izy ireo dia tadiavo amin‘ity lahatahiry ity amin’ny alalan’ny fampidirana ny kaodim-paositrao sy fisafidianana ny “tribunal judiciaire”.
Tandremo tsara mba ho voakitika ilay boaty hoe “huissier” rehefa mameno ilay taratasy fangatahana hofenoina ianao aorian’ny fizarana hoe “Vous n’avez pas choisi d’auxiliaire de justice et vous demandez la désignation d’un ou de plusieurs professionnels du droit”. Izany no hahazoana antoka fa ianao dia tsy voatery handoa vola amin‘ny matihanina antsoina hoe “huissier de justice” izay hanatitra ny didin’ny mpitsara any amin’ny mpanao herisetra.
Haharay valiny amin‘ny fangatahanao amin‘ny alalan‘ny paositra ianao any amin‘ny adiresy nolazainao tao amin‘ilay taratasy fangatahana nofenoina.
Ny fotoana ahazoana ny valiny dia mety hiovaova manomboka amin‘ny andro vitsivitsy raha fangatahana “ordonnance de protection”, ka hatramin‘ny herinandro maromaro.
Raha sendra nolavina ny fangatahanao, dia afaka mangataka amin‘ny fitsarana ianao handinika indray ny fanapahan-keviny amin‘ny alalan‘ny fanaovana "recours", na fampakarana fitsarana ambony.
Mbola afaka mangataka fanampiana ara-pitsarana na "l'aide juridictionnelle" ihany ianao, ohatra hoe:
Ireo ivon-toerana antsoina hoe “point-justice” dia mampivondrona fikambanana isan-karazany izay manome anao torohevitra araka ny lalàna, miankina amin’ny toe-javatra atrehinao, ary indraindray dia manampy anao amin’ny dingana arahina ara-panjakana.
Ny "Associations" dia fikambanana manome tolotra isan-karazany.
Ny "Associations" dia fikambanana manome tolotra isan-karazany. Miompana amin‘ny resaka fifindra-monina sy fitadiavana fialokalofana ny sasany.
Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha ara-pitsarana.
Manakarama mpisolovava any Frantsa
Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…
Mahazo vola haingana
Raha toa tsy manam-bola ianao na nosakanan'ny vadinao na vadinao taloha ny fahazoanao vola, dia misy…
Mangataka fanampiana ara-bola avy amin‘ny fanjakana
Betsaka ny karazana fanampiana ara-bola atolotry ny sampandraharaham-panjakana frantsay mba…