Mametraka paikady fiarovana rehefa mbola miara-mipetraka
Noho ny antony samihafa dia mety ho tsy afaka miala amin‘ny vadinao na ny trano iarahanareo…
Tsy misy fanamarinana ho an‘ny herisetra. Ny vady mahery setra matetika dia nisy ratra nahazo azy tsy notsaboiny. Saingy izany ratra izany dia tsy manamarina mihitsy ny herisetra ataony amin‘ny hafa. Indrisy anefa fa mahalana ny fahafahan‘izy ireo miova, na dia mampanantena izany aza izy ireo.
Nohamarinin'ny Assoc. Prof. Andreea Gruev-Vintila tamin'ny 18/11/2022
Maneho ny fanadihadiana vao haingana fa ny ankamaroan‘ny vady mahery setra dia manao izany noho ny tahotra lalina ny hilaozana, tsy filaminana ary fahatezerana noho ny fahatsapana ho afa-baraka. Saingy ny ratrany sy tahony dia tsy manamarina mihitsy ny herisetra ataony amin‘ny hafa
Mino ny vady mpanao herisetra fa ny fahatsapana sy filan‘izy ireo manokana no tokony hatao laharam-pahamehana amin‘ny fifandraisana.
Manao zavatra ho amin‘ny tombontsoany manokana izy ireo ka manimba ny vadin‘izy ireo mba hahazoany:
Raha eo amin‘ny sehatra iraisam-pirenena dia ekena ho fomba tsara indrindra ahatakarana ny herisetra ao an-tokantrano ny voankevitra hoe fifehezana mamoritra izay mbola tsy fantatra loatra any Frantsa.
Ny fifehezana mamoritra dia faritana ho fanaovana na lasitra fihetsika mifehifehy, manery na mandrahona iniana atao ampiasain‘ny olona iray amin‘ny vadiny na vadiny taloha mba hahatonga azy hiankin-doha, ho eo ambany fahefany ary/na manaisotra ny fahafahany manao zavatra.
Ny mpanao herisetra dia mety hampitahotra, hanala baraka, hanara-maso, hanodinkodina na hampitoka-monina ny vadiny mihitsy aza mba hampiharana fahefana sy fifehezana. Mety hiseho amin‘ny endrika maro samihafa ny herisetra ataon’izy ireo.
Tsy misy fanamarinana ho an‘ny herisetra. Tsy tompon‘andraikitra amin‘ny herisetra iainanao ianao.
Olona maro izay niaina herisetra mivantana na ankolaka no misafidy ny tsy hamerina ilay zavatra niainany intsony ary mahazo fitsaboana. Ny vady mpanao herisetra dia misafidy ny fomba itondrany tena.
Indrisy anefa fa mahalana ny fahafahan‘izy ireo miova, na dia mampanantena izany aza izy ireo.
Afaka manohana anao amin‘ny làlanao ho any amin‘ny fiarovana sy fahaleovan-tena ny matihanina sy sampan-draharaha manampahaizana.
Ity tolotra fanomezana torohevitra an-telefaonina ity, dia natao ho an'ny olona miatrika herisetra maro isan-karazany sy ireo izay manohana azy ireo.
Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF) ” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin‘ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.
Ny “Associations” dia fikambanana manome tolotra isan-karazany.
Mametraka paikady fiarovana rehefa mbola miara-mipetraka
Noho ny antony samihafa dia mety ho tsy afaka miala amin‘ny vadinao na ny trano iarahanareo…
Miaro ny tenanao mandritra ny herisetra
Raha manomboka manao herisetra ny vadinao na ny vadinao taloha, dia manandrama mamonjy toerana azo…
Miomàna ny hisaraka amin‘ny vadinao izay manao herisetra
Mety ho tena mafy tokoa ny manapaka an‘ilay fifandraisana. Mety hampidi-doza be ny fotoana…