Manangona porofo mikasika ny herisetra
Na dia mbola tsy tena vonona ny hitatitra trangana herisetra aza ianao dia zava-dehibe tokoa ny…
Mety ho tena mafy tokoa ny manapaka ilay fifandraisana. Mety hampidi-doza be ny fotoana fisintahana, raha toa ka manana fitondran-tena tia mifehy, manao herisetra na feno hasarotam-piaro ilay vadinao tany aloha tany. Tena ilaina ny miomana tsara noho izany.
Nohamarinin'i Mpisolovava Women for Women France tamin’ny 23/02/2024
Tsy mora mihitsy ny lalana izorana raha hiala amin‘ny vady izay tia mifehy na manao herisetra.
Tena tsara tokoa ny fiomananao mialoha arak’izay hainao, mba hahazoana antoka mikasika ny fiaraovana anao sy ny lamina tsara indrindra mikasika ny fitazomana ny zaza.
Raha toa katsy azonao antoka ny fiarovana ny ainao, dia aza miandry ela, fa mialà avy hatrany miaraka amin’ny zanakao. Ny fiarovana anao no laharam-pahamehana indrindra.
Raha miara-mipetraka amin’ilay vadinao mpanao herisetra ianao dia azonao atao ny mangataka ny mpitsara mba handroaka ny vadinao amin’ny alalan’ny fiarovana araka ny lalàna na “ordonnance de protection”. Azon‘ny mpitsara raisina ao anatin‘ny herinandro io fepetra io.
Raha azo atao dia afaka mampahafantatra amin‘ny olona atokisanao ianao fa mikasa ny hiala amin‘ny vadinao ka mangataka fanampiana avy amin‘izy ireo. Ataovy azo antoka fa tsy handeha hitatitra ny fanirianao hiala any amin’ny vadinao izy ireo.
Mety hampidi-doza tokoa ny fotoana fisintahana ka tsara raha mandamina mialohasy miomana tsara ny amin‘ny fandehananao ianao.
Tsy hainao mihitsy ny fotoana tokony hialanao ny tokantranonao rehefa tena hoe maika tampoka iny.
Ra tsapanao hoe tsy atahorana hitera-doza ho anao, dia tsara ny manangona miaraka ny antontan-taratasinao rehetra, sy ny porofo mirakitra ny herisetra mialohan‘ny handehananao.
Zava-dehibe ny miomana ho mahaleo tena ara-bola, indrindra raha misedra herisetra eo amin‘ny lafin‘ny vola ianao. Inona no azonao atao:
Rehefa vonona ny handeha ianao dia zava-dehibe ny manao dingana sasany mba hiarovana anao sy ny zanakao:
Na dia mangataka ny mpitsara ny hanala ny vadinao taloha hiala ao an-tokantranonao aza ianao, dia mety hisy herinandro eo izany vao hitranga.
Azonao atao ny mangataka ny polisy mba hanampy anao hahita toerana ipetrahana vonjy maika izay azonao ijanonana aloha mandritra ny andro vitsivitsy aorian‘ny trangana herisetra nihatra taminao tao an-tokantrano Afaka mangataka ny polisy ihany koa ianao mba hiaraka aminao mba haka ny entanao.
Misy ihany koa ny vahaolana hafa mba hahitanao toerana ipetrahana vonjy maika.
Zava-dehibe ny mandray fepetra sasantsasany mba hisorohana ny fametrahan‘ilay vadinao fitarainana, fa nanao fakana an-keriny ny zanakareo ianao.
Tena zavatra ara-dalàna tanteraka ny mahatsapa hoe mbola tinao ny vadinao na ny vadinao taloha. Matetika dia vao may mitombo ny fitiavanao ilay vadinao, ary mahalana izany no hoe mihamanjavona. Tsy hahatsapa izany intsony anefa ianao rehefa mandeha ny fotoana.
Zavatra tsy ara-dalàna izany hoe voafehy, anaovana didy kofehy lehibe na miaina anaty tahotra noho ny vadinao izany. Tsy fitiavana velively izany.
Sarotra ny mahatsapa izany amin'izao fotoana izao, saingy rehefa tena dinihina, ny olona nandao ny vadiny izay nanana fitondran-tena tia mifehy sy manao herisetra dia milaza fa ny fisintahana tamin‘izy ireny no fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisiny.
Ara-dalàna tokoa raha matahotra ny fihetsika asetrin‘ny vadinao ianao rehefa handao azy.
Mety hanamafy ny herisetra ataony ny fisarahana satria midika izany fa tsy ho afaka hifehy anao intsony izy. Tsara noho izany ny miomana tsara mikasika ny fialanao mba hiarovana ny tenanao.
Raha toa ianaomahatsiaro tena ho tandindomin-doza dia aza miandriandry fa tonga dia mialà miaraka amin’ny zanakao. Ny fiarovana anao no laharam-pahamehana indrindra.
Ara-dalàna tanteraka io tahotra io indrindra raha koa sendra herisetra ara-bola ianao sy miankina ara-bola amin‘ny vadinao. Kanefa misy ny vahaolana ao Frantsa.
Azonao atao ny:
Azonao tsidihina ny fizarana mikasika ny Vola, Trano, Fahaleovantena mba hijerenao ireo safidy rehetra omena anao.
Na dia tsy mora aza izany,ny fanadihadiana maro dia nampiseho fa amin‘ny resaka herisetra ao an-tokantrano dia ny fisarahana ihany no vahaolana tsara indrindra sy maharitra ho an‘ireo ankizy.
Mety hisy fiantraikany goavana sy maharitra eo amin’ny ankizy ny herisetra ao an-tokantranao.
Tsy dia fahita firy any Frantsa ny hoe ray aman-dreny nesorina taminy tanteraka ny zo sy andraikiny hisahana sy hanao ny adidiny amin‘ny zanany na “autorité parentale”. Raha sendra mahery vaika ilay herisetra dia mety halana amin’ilay mpanao herisetra ny “autorité parentale” ary ianao noho izany no ho lasa manana zo feno amin’ny maharay aman-dreny anao na “autorité parentale exclusive”.
Ny toeram-ponenan’ny zaza dia mety ho “habituelle” raha toa ka miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreny iray foana izany izy matetika na “alternée” raha toa ka miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreny andaniny roa ary mitovy ny fe-potoana amin’izany.
Azonao tsidihina ny pejy momba ny fitazomana ny zaza mba hahitana ny fandehan’izany rehetra izany.
Afaka mandray fepetra ianao mba hanakanana azy tsy hitondra ny zanakao any ivelany.
Misy vahaolana ra toa ka entin‘ilayray aman-dreny ankilany mitsoaka any andafy ny ankizy
Tena mahazatra ny hoe manahy ny amin‘izay heverin‘ny olona sy tsy tena mahazo aina ianao, ary mety hahatsiaro ho menatra mihintsy aza. Saingy tsy fidiny ho anao ny zava-nitranga, ary tsy mamaritra ny maha-izy anao izany.
Tato anatin'ny taona vitsivitsy, dia nitombo ny fanentanana mikasika ny herisetra ara-nofo eo amin'ny fiaraha-monina misy antsika. Takatry ny olona izao fa mety hitranga na amin‘iza na amin‘iza izany.
Mazava ho azy fa mety mbola miteny zavatra tsy mendrika ny olona sasany, fa ny fiarovana anao sy ny zanakao ihany no zava-dehibe.
Raha te hitazona ny biby fiompinao ao an-trano ianao ary tsy afaka ny mitondra azy ireny any amin’ny toerana ipetrahanao dia afaka manatona toeram-pialofana SPA akaiky anao ary manontany azy ireo momba ny vahaolana azo raisina.
Azonao ampiandrasana olona koa izy ireo mandra-pahitanao trano ipetrahana:
Manomàna valizy ho entinao miaraka aminao amin‘ny andro hialanao miaraka amin‘ny:
Ity tolotra fanomezana torohevitra an-telefaonina ity, dia natao ho an'ny olona miatrika herisetra maro isan-karazany sy ireo izay manohana azy ireo.
Ny anjara asan‘ny polisy dia miantoka ny fiarovana ny olona rehetra, na ahoana na ahoana toerana misy azy, na dia olona tsy manana zo honina eo an-toerana aza. Ny polisy iray dia ho afaka hanoro hevitra anao sy hanome fanampiana anao 24 ora isan‘andro, 7 andro isan-kerinandro. Fomba efatra lehibe no ahafahanao mifandray amin‘ny polisy:
Ny “Associations” dia fikambanana manome tolotra isan-karazany.
Manangona porofo mikasika ny herisetra
Na dia mbola tsy tena vonona ny hitatitra trangana herisetra aza ianao dia zava-dehibe tokoa ny…
Mangataka ny mpitsara handrara ny vadinao taloha hanatona anao
Raha heverinao fa atahorana hiharan'ny herisetra bebe kokoa ianao sy/na ny zanakao, dia afaka…
Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay
Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mikasika…