Miaro ny tenanao mandritra ny herisetra

Raha manomboka manao herisetra ny vadinao na ny vadinao taloha, dia manandrama mamonjy toerana azo antoka haingana araka izay azo atao.
Raha tsy afa-mandositra na miantso vonjy ianao dia misy paikady azo atao rehefa tena tsy misy hevitra, izay mety hanampy anao hampitony ny herisetra ataony.

Nohamarinin'i Charlotte Huntz, Kaomiseran'ny polisy, tamin‘ny 10/11/2023

Paikady farany azo atao

Tadidio fa tsy voaaro amin‘ny loza mihitsy ianao rehefa miaraka amin‘olona iray efa naneho fitondran-tena mahery setra na mifehifehy.

Raha tsy afaka miantso ny polisy amin‘ny 17 ianao, dia andefaso SMS amin‘ny 114 ny polisy, miantsoa vonjy amin‘ny mpiray vodirindrina, na mandosira amin‘ilay fotoana isehoan‘ilay herisetra, azonao arahina ny torohevitra eo ambany mba hiezahana miaro tena mandritra ny herisetra.

Raha azo atao, ataovy any aminao foana ny telefaoninao mba hahafahanao miantso vonjy.

    • Ezaho alamina ny fifohanao rivotra. 
    • Ezaho lefahina ny faritra sasany amin‘ny vatanao, toy ny tànanao sy ny endrikao.
    • Ezaho omena toky ny tenanao – lazao amin’ny tenanao fa hilamina io.
    • Mihataha amin‘ny vadinao na ny vadinao taloha.
    • Miezaha tsy hanao fihetsika tampoka mihitsy.
    • Mihetseha am-pitoniana sy moramora.
    • Miezaha tsy hifamaly na hanapaka ny teniny.
    • Mitenena malefaka sy am-pitoniana.
    • Mahaiza mipetraka amin‘ny toerany sy mangoraka azy, ohatra hoe amin‘ny alalan‘ny fanekena fa manorisory na sarotra azy izany, na dia tsy izay aza no eritreritrao.
    • Lazao azy fa miombon-kevitra aminy ianao, na dia tsy marina aza izany: rehefa tsapany fa azo ny tiany hambara dia mety hitony izy.
    • Mialà tsiny raha tezitra noho ny zavatra nolazainao na nataonao izy.
    • Ezaho atao matotra araka izay azo atao ny fahitana anao mba tsy hieritreretany fa maneso azy ianao.
  • Raha azo atao ary tsy mampidi-doza ny tenanao, dia ezaho arahina ny torolalana omeny. Raha mieritreritra izy fa voafehiny izany dia mety hanomboka hitony.

  • Raha mitohy mitombo ny disadisa dia mandosira amin‘ny toerana azo antoka:

    • efitrano tsy misy fitaovam-piadiana na zavatra azo ampiasaina ho fitaovam-piadiana toy ny antsy sy hety ary fitaovana
    • efitrano misy fivoahana raha ilaina, ohatra hoe varavarana mankany ivelany na varavarankely ambany rihana

    efitrano azo hidina, izay ahafahanao miantso ny polisy amin’ny 17 na mandefa hafatra any amin’izy ireo miaraka amin’ny adiresinao amin’ny 114.

  • Raha tsy afaka mandositra ara-potoana, tsy misy telefaonina hiantsoana ny polisy ary tsy misy na iza na iza hanampy anao:

    • arovy araka izay azo atao ny vatanao amin‘ny alalan‘ny fiforetana
    • arovy amin‘ny tànanao ny tarehy sy lohanao.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa, misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny anjara asan‘ny polisy dia miantoka ny fiarovana ny olona rehetra, na ahoana na ahoana toerana misy azy, na dia olona tsy manana zo honina eo an-toerana aza. Ny polisy iray dia ho afaka hanoro hevitra anao sy hanome fanampiana anao 24 ora isan‘andro, 7 andro isan-kerinandro. Fomba efatra lehibe no ahafahanao mifandray amin‘ny polisy:

    • Amin‘ny alalan‘ny telefaonina: antsoy ny 17, laharana tsy andoavam-bola. Teny azo isafidianana: fandikana teny amin‘ny teny rehetra.
    • Amin‘ny alalana hafatra an-tsoratra: mandefasa SMS amin‘ny teny frantsay amin‘ny 114, ka lazao mazava ny adiresinao.
    • Amin‘ny alalan‘ny aterineto: sampan-draharaha chat. Io tolotra io dia misy amin'ny teny maro samihafa.
    • Mandehana any amin’izay mety ho biraon’ny polisy, izany hoe, na “commissariat de police” izany na “brigade de gendarmerie”. Azonao jerena ato amin‘ity tranonkala ity ny biraon‘ny polisy akaiky anao indrindra. Raha tsy mahay teny frantsay ianao dia mila mitady mpandika teny ho anao izy ireo, mety ho elaela izany.
  • Misy sampan-draharaha roa afaka manampy anao raha sendra hamehana ara-pahasalamana any Frantsa. 

    Ilay sampan-draharahan‘ny fiara mpitondra marary antsoina hoe “Service d’aide médicale urgente (SAMU)” sy ilay sampan-draharaha misahana hamehana atao hoe “pompiers”. Raha mila fanampiana ara-pahasalamana maika ianao, dia afaka manampy sy mitondra anao any amin‘ny hopitaly akaiky haingana izy ireo.

    • Raha sendra hamehana miankina amin‘aina, dia tsy mila voasoratra anarana amin'ny fiantohana ara-pahasalamanam-panjakana ianao na koa manan-jo hipetraka any an-toerana vao afaka mampiasa ireo sampan-draharaha ireo.
    • Raha misy sarany satria tombanan‘izy ireo ho tsy maika ilay izy, dia azon‘ny fanjakana misy anao na fiantohana ara-pahasalamana tsy miankina aloa izany sarany izany.
    • Teny azo isafidianana: fandikana teny amin‘ny teny rehetra.
    • Fifandraisana: antsoy ny 112, laharana tsy andoavam-bola azo antsoina 24/7.
  • Ity tolotra fanomezana torohevitra an-telefaonina ity, dia natao ho an'ny olona miatrika herisetra maro isan-karazany sy ireo izay manohana azy ireo.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Hisy mpanolotsaina voaofana hihaino anao sy hanohana anao amin‘ny alalan‘ny telefaonina. Afaka hanoro anao ireo sampan-draharaha akaiky anao mifandraika amin'izany izy ireo.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay. Misy ireto teny manaraka ireto indraindray: Anglisy, arabo, espaniola, tiorka, mandarin, sinoa, kiorda, azeri, poloney, hebreo, farsi, soninké, kreôla, kinyarwanda, kirundi ary swahili. Amin‘izao fotoana izao anefa aloha, dia mbola tsy voafaritra sy tsy voalamina mialoha ny fotoana ahitana ireo fiteny ireo.
    • Fifandraisana: antsoy ny 3919, amin‘ny ora rehetra sy ny andro rehetra. Tsy hiseho amin'ny faktioran-telefaoninao ny antso.
    • Ho an'ny olona marenina, manana olana amin'ny fandrenesana, olona voan'ny aphasia na manana fahasembanana amin'ny fiteny, azonao atao ny miditra amin'ny tolotra mifanaraka amin'ny filanao, amin'ny fanindriana ny sarina telefaonina eo amin'ny farany ambany amin‘ny havanana amin'ny tranonkala http://www.solidaritefemmes.org.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Miantso sampan-draharaha misahana hamehana: polisy, fiara mpitondra marary

Raha sendra hamehana dia antsoy ny 17 ho an‘ny polisy na ny 112 ho an‘ny sampan-draharaha misahana…

Mangataka ny mpitsara handrara ny vadinao taloha hanatona anao

Raha heverinao fa atahorana hiharan'ny herisetra bebe kokoa ianao sy/na ny zanakao, dia afaka…

Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay

Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mikasika…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony