Mametraka paikady fiarovana rehefa mbola miara-mipetraka
Noho ny antony samihafa dia mety ho tsy afaka miala amin‘ny vadinao na ny trano iarahanareo mipetraka ianao. Misy paikady azonao apetraka mba hiezahana miaro ny tenanao sy ny zanakao. Saingy tadidio fa tsy voaaro amin‘ny loza mihitsy ianao rehefa miaraka amin‘olona iray efa nampiseho fitondran-tena mahery setra na mifehifehy.
Nohamarinin'i Charlotte Huntz, Kaomiseran'ny polisy, tamin‘ny 10/11/2023
Paikady
Raha mbola miara-mipetraka amin‘ny vadinao na ny vadinao taloha ianao ka mampiseho fitondran-tena mahery setra izy, dia tadidio fa tsy tena voaaro amin’ny loza tanteraka ianao sy ny zanakao. Rehefa tena tsy misy hevitra hafa intsony, dia azonao atao ireto dingana manaraka ireto hiarovana ny tenanao.
-
Fahita matetika ny hoe mahatsiaro ho menatra ianao amin‘ny zavatra iainanao. Saingy dingana tena lehibe ny fitadiavana hery hiresaka momba izany.
Eritrereto ny olona azonao itokisana sy izay afaka manohana anao:
- fianakaviana
- namana
- mpiray vodirindrina
- mpiara-miasa
- matihanina ara-pitsaboana
- ny mpampianatra ny zanakao
- ray aman-dreny hafa any amin‘ny akanin-jaza na sekolin‘ny zanakao.
-
Mety tena hanampy ny fananana mpiray vodirindrina iray atokisanao:
- lazao azy ny zavatra iainanao
- miaraha mifidy teny atao kaody na famantarana hita maso azonareo ampiasaina
- tapaho ny zavatra iaraha-manao raha mampiasa io kaody io ianareo, ohatra hoe miantso ny polisy amin‘ny 17.
-
Na dia tsy afaka miantoka ny fiarovana anao aza izany dia zava-dehibe ny fahafahana mahita na mamorona toerana azo antoka kokoa ao an-tranonao:
- efitrano tsy misy fitaovam-piadiana na zavatra azo ampiasaina ho fitaovam-piadiana toy ny antsy sy hety ary fitaovana
- efitrano misy fivoahana raha ilaina, ohatra hoe varavarana mankany ivelany na varavarankely ambany rihana
- efitrano azo hidina ahafahanao miantso ny polisy amin’ny 17 na mandefa hafatra any amin’izy ireo miaraka amin’ny adiresinao amin’ny 114.
-
Na dia tsy afaka miantoka ny fiarovana anao aza izy ireo, dia misy dingana azonao atao mba hiezahana miaro ny tenanao:
- tazomy any aminao foana ny telefaoninao mba hahafahanao miantso olona akaiky anao na ny polisy raha misy hamehana
- hidio any izay mety ho fitaovam-piadiana toy ny antsy, hety ary fitaovana na ataovy amin‘ny toerana faran‘izay lavitra ka tsy takatra araka izay azo atao
- fantaro ny fomba hafa iantsoana polisy raha tsy any aminao ny telefaoninao, ohatra hoe amin‘ny alalan‘ny fanampian‘ny mpiray vodirindrina na any amin‘ny toerana ho an‘ny besinimaro misokatra amin‘ny alina
- Mitahiriza andiana lakile atao fiandry any amin‘ny toerana azo antoka raha sendra ka alain‘ny vadinao ny anao
- ataovy fahazarana ny mameno solika sy mihazona ny fiaranao ho vonona hampiasaina raha sendra ka tsy maintsy mandeha tampoka ianao
- sorohy ny fanaovana zavatra manodidina ny tendanao toy ny fehitenda sy rojo lava
- na dia mbola tsy mikasa ny handao ny vadinao aza ianao, dia aoka ianao ho voaomana ho amin’ny andro hanapahanao hevitra handeha.
-
Tena ilaina ny fiarovanao ny zanakao araka izay azo atao amin‘ny fihetsika mahery setra ataon‘ny vadinao:
- ilazao izy ireo mba tsy hiditra an-tsehatra amin‘ny toe-javatra feno herisetra mihitsy
- fantaro ny toerana azo iarovana azy ireo raha lasa manao herisetra ny vadinao
- manaova famantarana miaraka amin‘izy ireo mba hahalalany ny fotoana hitadiavany fanampiana na hialany ao an-trano
- ampianaro azy ireo ny fomba fiantsoana vonjy.
-
Ity tolotra fanomezana torohevitra an-telefaonina ity, dia natao ho an'ny olona miatrika herisetra maro isan-karazany sy ireo izay manohana azy ireo.
- Maimaimpoana io tolotra io.
- Hisy mpanolotsaina voaofana hihaino anao sy hanohana anao amin‘ny alalan‘ny telefaonina. Afaka hanoro anao ireo sampan-draharaha akaiky anao mifandraika amin'izany izy ireo.
- Teny azo isafidianana: Frantsay. Misy ireto teny manaraka ireto indraindray: Anglisy, arabo, espaniola, tiorka, mandarin, sinoa, kiorda, azeri, poloney, hebreo, farsi, soninké, kreôla, kinyarwanda, kirundi ary swahili. Amin‘izao fotoana izao anefa aloha, dia mbola tsy voafaritra sy tsy voalamina mialoha ny fotoana ahitana ireo fiteny ireo.
- Fifandraisana: antsoy ny 3919, amin‘ny ora rehetra sy ny andro rehetra. Tsy hiseho amin'ny faktioran-telefaoninao ny antso.
- Ho an'ny olona marenina, manana olana amin'ny fandrenesana, olona voan'ny aphasia na manana fahasembanana amin'ny fiteny, azonao atao ny manindry ny sarina telefaonina eo amin'ny farany ambany amin‘ny havanana ao amin'ny tranonkala www.solidaritefemmes.org.
-
Ny anjara asan‘ny polisy dia miantoka ny fiarovana ny olona rehetra, na ahoana na ahoana toerana misy azy, na dia olona tsy manana zo honina eo an-toerana aza. Ny polisy iray dia ho afaka hanoro hevitra anao sy hanome fanampiana anao 24 ora isan‘andro, 7 andro isan-kerinandro. Fomba efatra lehibe no ahafahanao mifandray amin‘ny polisy:
- Amin‘ny alalan‘ny telefaonina: antsoy ny 17, laharana tsy andoavam-bola. Teny azo isafidianana: fandikana teny amin‘ny teny rehetra.
- Amin‘ny alalana hafatra an-tsoratra: mandefasa SMS amin‘ny teny frantsay amin‘ny 114, ka lazao mazava ny adiresinao.
- Amin‘ny alalan‘ny aterineto: sampan-draharaha chat. Io tolotra io dia misy amin'ny teny maro samihafa.
- Mandehana any amin’izay mety ho biraon’ny polisy, izany hoe, na “commissariat de police” izany na “brigade de gendarmerie”. Azonao jerena ato amin‘ity tranonkala ity ny biraon‘ny polisy akaiky anao indrindra. Raha tsy mahay teny frantsay ianao dia mila mitady mpandika teny ho anao izy ireo, mety ho elaela izany.
-
Misy sampan-draharaha roa afaka manampy anao raha sendra hamehana ara-pahasalamana any Frantsa.
Ilay sampan-draharahan‘ny fiara mpitondra marary antsoina hoe “Service d’aide médicale urgente (SAMU)” sy ilay sampan-draharaha misahana hamehana atao hoe “pompiers”. Raha mila fanampiana ara-pahasalamana maika ianao, dia afaka manampy sy mitondra anao any amin‘ny hopitaly akaiky haingana izy ireo.
- Raha sendra hamehana miankina amin‘aina, dia tsy mila voasoratra anarana amin'ny fiantohana ara-pahasalamanam-panjakana ianao na koa manan-jo hipetraka any an-toerana vao afaka mampiasa ireo sampan-draharaha ireo.
- Raha misy sarany satria tombanan‘izy ireo ho tsy maika ilay izy, dia azon‘ny fanjakana misy anao na fiantohana ara-pahasalamana tsy miankina aloa izany sarany izany.
- Teny azo isafidianana: fandikana teny amin‘ny teny rehetra.
- Fifandraisana: antsoy ny 112, laharana tsy andoavam-bola azo antsoina 24/7.