Mahatakatra ny atao hoe herisetra ao an-tokantrano

Mety manontany tena ianao raha ara-dalàna ny fihetsiky ny vadinao na ny vadinao taloha. Na mety manahy ny amin‘ny olona iray akaiky anao ianao. Ity torolàlana ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ny atao hoe herisetra ao an-tokantrano.

Nohamarinin'i Assoc. Prof. Andreea Gruev-Vintila tamin'ny 17/11/2023

Mety ho tena sarotra ny mahatsapa fa miaina herisetra ao an-tokantrano ataon‘ny vadinao ianao. Tadidio fa afaka mitranga amin'ny olona rehetra izany. Iray ao anatin‘ny vehivavy telo no miatrika herisetra ao an-tokantrano mandritra ny androm-piainany, na manao ahoana na manao ahoana ny toerana misy azy ara-bola na araka asa. 

Fahadisoan-kevitra matetika ny hoe ara-batana ihany ny herisetra ao an-tokantrano. Saingy raha mampiasa paikady hanjakazakana aminao, hifehezana anao, hahatonga anao hankato ny fanapahan-keviny, na hahatonga anao hiankina aminy ny vadinao na ny vadinao taloha, dia herisetra ao an-tokantrano izany. 

Hanampy anao hamantatra tsikelikeky izahay raha toa ka herisetra ao an-tokantrano ny fihetsiky ny vadinao.

Ny zavatra tsapanao

Fomba tsara amantarana fa miaina herisetra ao an-tokantrano ianao ny fijerena ny zavatra tsapanao.

Fahita matetika ny hoe misalasala ny amin‘ny tenanao ianao rehefa miaina fihetsika izay heverina ho herisetra ao an-tokantrano. Saingy miezaha matoky tena: ianao irery ihany no mahalala ny zavatra iainanao sy ny zavatra tsapanao amin‘izany.

    • Hatramin’izay niarahako taminy dia mahatsapa ho tsy matoky tena intsony aho.
    • Mahatsapa ho mitandrina be foana aho.
    • Matahotra aho indraindray sao handratra ny zanako izy.
    • Matahotra azy aho indraindray.
    • Tsapako fa kely ny fizakan-tenako amin'ny fiainako.
    • Tsy afaka mitony tanteraka aho rehefa miaraka aminy.
    • Sahiran-tsaina aho rehefa mandray antso an-tariby na hafatra avy aminy.
    • Indraindray aho matahotra ny hody.
    • Tsapako ho mitebiteby aho rehefa mody izy.
    • Tsapako ho nampanalavirina ny fianakaviako sy ny namako aho hatramin'izay niarahanay.
    • Mahatsiaro ho manirery aho.
    • Miaina ao anatin'ny rivo-piainana feno tahotra sy fitaintainana aho.
    • Tsapako ho tsy afaka matoky ny fahitako ny zava-misy aho.
    • Hatramin'izay niarahako taminy dia mahatsiaro ho vendrana, ratsy tarehy ary tsy misy ilana ahy aho.
    • Indraindray dia miala tsiny aho amin‘ny farany na asainy miala tsiny amin‘ny fihetsiko, na dia tsy mihevitra aza aho fa misy zavatra tsy mety nataoko.
    • Tsapako fa tsy asiany lanja ny maha-ray aman-dreny ahy.
    • Matetika aho no manao fialan-tsiny amin'ny fitondran-tenany. Niainaa zava-tsarotra izay mahatonga azy hanao fihetsika mifehifehy, manjakazaka sy/na mahery setra.
    • Menatra hiresaka amin'ny olona akaiky ahy momba ny toe-javatra misy aho.

    Raha toa ka mifanaraka amin'ny zavatra tsapanao ny iray amin'ireo fanambarana ireo farafahakeliny, dia mety miaina endrika herisetra ao an-tokantrano iray na maromaro ataon‘ny vadinao ianao.

Ny fihetsika ataony

Tsy ara-batana fotsiny ny herisetra ao an-tokantrano. Afaka miseho amina endrika samihafa izany ary manaisotra ireo zo fototra sy harena anananao toy ny fahafahanao sy ny filaminanao. 

Ny famaritana tsara indrindra momba ny herisetra ao an-tokantrano dia ny fifehezana an-tery. Fihetsika mifehifehy iniana atao izy io, fihetsika manery sy mandrahona atao an-tsitrapo mba hahatonga anao hiankin-doha, ho eo ambany fahefany ary/na manaisotra ny fahafahanao manao zavatra.

Ny endrik‘ireny fihetsika ireny dia mety ho ara-tsaina, am-bava, ara-bola, ara-pitantanana, ara-pitaovana, ara-batana na ara-nofo.

  • Ny herisetra ara-tsaina dia mety hiseho amin‘ireto endrika manaraka ireto:

    • manara-maso ny fihetsikao, ny zavatra ataonao, ny mailaka azonao, ny antso voarainao sy/na ny fandaharam-potoanao
    • mampanalavitra anao na manakana anao tsy hihaona amin'ny olona akaiky anao (namana, fianakaviana)
    • manao chantage ara-pihetseham-po aminao 
    • tsy manisy lanja sy/na manala baraka anao
    • mampihorohoro sy/na mandrahona anao 
    • mampijaly anao
    • tsy manisy lanja ny maha-ray aman-dreny anao
    • milaza na milaza an-kolaka fa diso na ambany noho ny azy ny kolontsainao, ny fivavahanao na ireo safidy ataonao
    • "mampivilivily" ny sainao, izay midika hoe mamafy fisalasalana ao anatinao mikasika ny fitadidianao, ny fahitanao ny zava-misy sy ny fahasalamanao ara-tsaina amin'ny alàlan'ny fanazavana vilana na ny fanafenan-javatra aminao.

    Raha miverimberina izany dia herisetra ara-tsaina eo anatin‘ny fiarahana.

    Efa niainanao ka azonao ve ireto fanambarana ireto?

    • Milaza amiko izy fa tsy mety avokoa izay ataoko rehetra.
    • Anaovany chantage ara-pihetseham-po aho amin‘ny filazany amiko hoe raha tena tia azy aho dia hanao izay tiany.
    • Mandrahona ny hanisy ratsy ny zanako na ny biby fiompiko izy, na hanala ireo amiko.
    • Milaza izy fa tsy misy afaka mitia ahy afa-tsy izy ihany.
    • Nosakanany tsy hitsidika ny namako na fianakaviako aho. 
    • Afaka ny ho faran‘izay saro-piaro izy raha mandany fotoana lavitra azy aho na raha mifandray amin'olon-kafa.
    • Manara-maso ny fandaharam-potoanako izy. Tiany ho fantatra foana hoe aiza aho ary miaraka amin’iza.
    • Rehefa mitaraina ny amin‘ny fihetsiny aho dia lazainy fa fahadisoako izany. 
    • Tsy miraharaha ahy izy rehefa miteny aho, tahaka ny hoe tsy ao amin’ilay efitrano aho.
    • Notereny hanao zavatra tsy dia tiako hatao loatra aho.
    • Tereny handray anjara amin'ny zavatra tsy ara-dalàna aho.
    • Mandrahona ahy am-bava, amin-javatra na amina fihetsika mandrahona izay mahatonga ahy hieritreritra fa handratra ahy izy. 

    Raha toa ka mifanaraka amin'ny fihetsiny ny iray amin'ireo fanambarana ireo farafahakeliny, dia mety miaina endrika herisetra ao an-tokantrano iray na maromaro ianao.

  • Ny herisetra am-bava dia mety hiseho amin‘ireto endrika manaraka ireto:

    • mibaiko anao
    • mivazavaza aminao
    • manompa anao
    • mandrahona anao na ny zanakao.

    Efa niainanao ka azonao ve ireto fanambarana ireto?

    • Milaza amiko izy fa ratsy tarehy na maloto aho.
    • Milaza amiko izy fa ratsy ny feoko na ny fomba fiteniko.
    • Manambany na manompa ahy amin'ny takona na eo imason’olona izy.
    • Mivazavaza amiko izy.

    Raha toa ka mifanaraka amin'ny fihetsiny ny iray amin'ireo fanambarana ireo farafahakeliny, dia mety miaina endrika herisetra ao an-tokantrano iray na maromaro ianao.

  • Ny herisetra ara-bola dia mety hiseho amin‘ireto endrika manaraka ireto:

    • manala ny fidiram-bolanao
    • manara-maso ny volanao sy ny fandanianao
    • managia ireo fomba fandoavam-bolanao
    • manakana anao tsy hiasa na mandresy lahatra anao hampihena ny ora iasanao.

    Efa niainanao ka azonao ve ireto fanambarana ireto?

    • Sakanany tsy handray fanapahan-kevitra aho, indrindra fa momba ny asa na fianarana.
    • Sakanany tsy hiasa, hiofana na handeha fitateram-bahoaka aho.
    • Sakanany tsy hianatra teny frantsay aho.
    • Manara-maso ny fandaniam-bolako sy/na mihazona ny carte bancaire-ko sy ny taratasim-bolako izy.
    • Tsy avelany mampiasa vola hividianako izay ilaiko aho. Tsy mahavidy ireo zavatra fototra ilaiko ny vola avelany ampiasaiko.
    • Ametrahany fepetra ny fahafahako mampiasa vola. Ohatra, raha mahatezitra azy aho dia sakanany tsy mahazo mampiasa vola.

    Raha toa ka mifanaraka amin'ny fihetsiny ny iray amin'ireo fanambarana ireo farafahakeliny, dia mety miaina endrika herisetra ao an-tokantrano iray na maromaro ianao.

  • Rehefa misy ankizy tafiditra dia mikasika azy ireo ny ankamaroan'ny herisetra ao an-tokantrano. Ny herisetra mifandraika amin'ny fitaizana dia mety hiseho amin‘ireto endrika manaraka ireto:

    • Manakiana na tsy manisy lanja ny maha-ray aman-dreny anao.
    • Manakana anao tsy hitaiza ny zanakao.
    • Manakana anao tsy hiditra an-tsehatra hiaro ny zanakao.
    • Manao fihetsika mampidi-doza sy mampatahotra ny zanakao.

    Efa niainanao ka azonao ve ireto fanambarana ireto?

    • Angatahany ianao tsy hikarakara ny zanakao mba hikarakarana azy.
    • Izy no manapa-kevitra amin'izay azonao atao sy tsy azonao atao amin'ny zanakao.
    • Mandray ny fanapahan-kevitra lehibe rehetra momba ny zanakao izy: ny fianarany, ny fahasalamany, sns.
    • Kianiny ny fomba fitaizanao ny zanakao.
    • Lazainy amin’ny zanakao fa olon-dratsy ianao.
    • Raràny tsy mahazo mandeha mivoaka miaraka amin'ny zanakao ianao raha tsy miera aminy.
    • Izy no manapa-kevitra mikasika ny fotoana ahafahan'ny zanakao mitsidika ny fianakavianao.
    • Mandrahona anao izy fa hotazominy ny zanakao raha miala aminy ianao.
    • Raha manana fahasembanana ianao dia tsy asiany lanja ny maha-ray aman-dreny anao noho izany.

    Raha toa ka mifanaraka amin'ny fihetsiny ny iray amin'ireo fanambarana ireo farafahakeliny, dia mety miaina endrika herisetra ao an-tokantrano iray na maromaro ianao.

  • Ny herisetra mifandraika amin'ny antontan-taratasy dia mety hiseho amin‘ireto endrika manaraka ireto:

    • fanagiazana na fametrahana fepetra amin'ny fahafahanao mampiasa ny antontan-taratasinao: kara-panondro, pasipaoro, taratasy fahazoan-dalana hipetraka, kara-pahasalamana na "carte vitale", bokim-pianakaviana na "livret de famille", boky firaketana ara-pahasalamana na "carnet de santé", diplaoma, filazana hetra, sns.
    • mandrahona ny hanao tatitra momba anao mba ho voaroaka avy ao Frantsa ianao
    • mijery ny soratra fifandraisanao amin‘olona: taratasy, mailaka, hafatra an-tsoratra, sns.

    Efa niainanao ka azonao ve ireto fanambarana ireto?

    • Hazoniny any aminy ny antontan-taratasy momba ahy.
    • Hazoniny any aminy ny taratasy momba ny zanakay izy.
    • Vakiny ny taratasy alefan'olona amiko.
    • Mampitandrina ahy izy fa ho voaroaka avy aty Frantsa aho raha miala aminy.
    • Mandrahona ny handao ahy izy ka ho very ny zoko honina aty Frantsa.
    • Izy no mifehy ny raharaha ara-panjakana rehetra momba ahy, na dia te hahaleo tena aza aho.

    Raha toa ka mifanaraka amin'ny fihetsiny ny iray amin'ireo fanambarana ireo farafahakeliny, dia mety miaina endrika herisetra ao an-tokantrano iray na maromaro ianao.

  • Ny herisetra ara-batana sy ara-pitaovana dia mety hiseho amin‘ireto endrika manaraka ireto:

    • manary na manimba zavatra
    • manozongozona anao
    • mamely anao, amin-javatra na tsia
    • manaikitra anao
    • mandoro anao
    • manakenda anao
    • manosika anao 
    • mifehy anao sy manakana anao tsy hihetsika malalaka
    • manidy anao

    Efa niainanao ka azonao ve ireto fanambarana ireto?

    • Lasa mahery setra izy indraindray: mahavita manimba zavatra.
    • Nanao fihetsika feno herisetra ara-batana tamiko izy: nandratra ny vatako izy.
    • Lasa mahery setra izy indraindray, fa avy eo izy miteny hoe azafady ary mampanantena fa tsy hanao izany intsony.
    • Manery ahy hifoka zava-mahadomelina na hisotro toaka izy.
    • Niezaka nisakana ahy tsy hihinana fanafody na hanatona dokotera izy tamin'ny fotoana nilako izany.

    Raha toa ka mifanaraka amin'ny fihetsiny ny iray amin'ireo fanambarana ireo farafahakeliny, dia mety miaina endrika herisetra ao an-tokantrano iray na maromaro ianao.

  • Ny herisetra ara-nofo dia mety hiseho amin‘ireto endrika manaraka ireto:

    • manorisory anao ara-nofo, izany hoe miresaka aminao imbetsaka amina fiteny na fihetsika mifototra amin'ny maha-lehilahy sy ny maha-vehivavy na vetaveta
    • manery anao hanaovany karazam-panao ara-nofo
    • manery anao hanao firaisana ara-nofo
    • manery anao hanao firaisana amin'olon-kafa ho takalom-bola.

    Efa niainanao ka azonao ve ireto fanambarana ireto?

    • Manery ahy hanao fihetsika ara-nofo tsy tiako izy.
    • Manery ahy hanao firaisana ara-nofo izy amin'ny fotoana tsy aniriako izany.

    Raha toa ka mifanaraka amin'ny fihetsiny ny iray amin'ireo fanambarana ireo farafahakeliny, dia mety miaina endrika herisetra ao an-tokantrano iray na maromaro ianao.

  • Ny herisetra an-tserasera dia mety hiseho amin‘ireto endrika manaraka ireto:

    • manara-maso ny zavatra ataonao sy ny fifandraisanao amin'ny fitaovana nomerika: telefaonina, ordinatera, sns. 
    • manorisory anao amin'ny alalana hafatra an-tsoratra, antso na tambajotra sosialy. 
    • mandrahona ny hanaparitaka vaovao, sary na horonantsary momba anao amin'ny aterineto.

    Efa niainanao ka azonao ve ireto fanambarana ireto?

    • Manorisory ahy amina hafatra an-tsoratra, antso na hafatra an-tserasera izy.
    • Jereny ny findaiko, ny solosaiko ary ny tambajotra sosialiko. 
    • Mandrahona ny hanaparitaka mombamomba ahy manokana izy.
    • Izy no milaza amiko izay tokony havoakako amin'ny tambajotra sosialy.

    Raha toa ka mifanaraka amin'ny fihetsiny ny iray amin'ireo fanambarana ireo farafahakeliny, dia mety miaina endrika herisetra ao an-tokantrano iray na maromaro ianao.

Amin'ny fotoana manao ahoana no mitranga izany?

Ny herisetra ao an-tokantrano dia mety hitranga eo amin'ny mpivady rehetra miaraka na niaraka: vita mariazy, misoratra, miara-mipetraka na tsia, ôfisialy na tsia. 

Mety hitranga amin'ny fotoana rehetra izany, na dia aorian'ny fisarahana aza. 

Na izany aza, misy toe-javatra izay mety hahatonga ny herisetra hitranga na hihamafy:

  • rehefa miditra amin'ny fanambadiana ilay olon-droa 
  • rehefa mifindra trano, indrindra raha mifindra any ivelany
  • fitondrana vohoka, na niriana izany na tsia, ary mandritra ireo taona vitsivitsy aorian'ny fahaterahan'ny zaza 
  • fanapahan-kevitra lehibe momba ny ankizy
  • fisarahana sy ny fotoana manaraka izany.

Iray amin'ireo fotoana mampidi-doza indrindra ny fotoana ahatsapan‘ilay vady mpanao herisetra fa tsy afaka mifehy sy manjakazaka intsony izy, matetika rehefa misaraka ilay mpivady. Amporisihina ianao mba hiomana tsara, hampandre ireo olona akaiky anao, ary hanatona ireo matihanina manam-pahaizana momba ny herisetra ao an-tokantrano. 

Mety hitranga amin'ny olona rehetra ny herisetra, na firy taona na firy taona, na avy aiza na avy aiza, na ahoana na ahoana toerana misy azy araka asa na ara-bola. Tsy misy izany hoe efa natao hiharana herisetra na hanao herisetra mihitsy izany.  

Fahadisoan-kevitra matetika

  • Zava-dehibe ny manavaka ny fifandirana sy ny herisetra ao an-tokantrano:

    • Ny fifandirana dia zavatra ara-dalàna ao anatin'ny fiarahana. Ny anton‘izany dia tsy mitovy hevitra foana akory ny mpivady amin‘ny zavatra sasany. Na izany aza, rehefa mitranga izany, dia afaka manome ny heviny ny tsirairay ary mifototra amin'ny marimaritra iraisana ny fanapahan-kevitra raisina. Fifandraisana miralenta izany.
    • Ny famantarana ny herisetra ao an-tokantrano dia ny fanjakazakan'ny andaniny amin'ny ankilany. Tsy anatina fifandraisana miralenta ny mpivady. Mampihatra fahefana amin‘ny iray ny anankiray mba hanjakazakana, hifehezana ary hamoronana fiankinan-doha aminy.
    • Raha toa ka, rehefa mifamaly ianareo, ka mampiseho ny iray amin'ireo fihetsika feno herisetra ireo ny vadinao, dia tsy fifamaliana ara-dalàna intsony izany fa herisetra ao an-tokantrano.

    Raha manao fihetsika toy izany matetitetika ny vadinao, na dia tsy eo am-pifamaliana aza ianareo, dia herisetra ao an-tokantrano izany.

  • Ny vady mpanao herisetra matetika dia mahazo fahefana amin'ny alalan‘ny fandraisana anjara betsaka ao anatin'ny fiarahana. Matetika no olona mpanodinkodina izay mahavita mamitaka ny manodidina azy.

    Mahay maneho ny tenany toy ny vady tonga lafatra izy: 

    • mihaino tsara ary manampy be dia be ny vadiny izy ny fahitana azy
    • mahavita mifantoka be aminy izy 
    • manambara fitiavana ao anatina fotoana fohy izy. 

    Tetika hifehezana avokoa ireo ny tena marina. Avy eo izy dia mahavita mampitoka-monina ilay vadiny izy, ka mahatonga azy hisalasala ary tsy hatoky tena. Lasa miankin-doha tanteraka aminy ilay vadiny avy eo.

  • Tsy fahadisoanao mihitsy raha manao ny iray amin'ireo karazana herisetra ireo izy. Tsy misy fanamarinana na fialan-tsiny amin'ny herisetra.

    Ivelan‘ny fifandraisana o amin‘ny mpivady dia matetika no mahasarika, malala-tànana ary manaja no ahitana ireo mpanao herisetra ao an-tokantrano. Saingy tsy maneho izany hoe iza marina izy ireo ao anatina fifandraisana ara-panambadiana. Manodinkodina ny olona manodidina azy izy ary tena havanana amin‘ny fanaovana izany.

  • Tsy fahadisoanao mihitsy izany. 

    Fahita matetika ny vehivavy tafaraka amina vady mpanao herisetra mihoatra ny indray mandeha. 

    Tena maro tokoa ny herisetra ataon'ny lehilahy eo amin'ny fiarahamonina misy antsika, hany ka iray amin‘ny vehivavy telo no miatrika herisetra ao an-tokantrano mandritra ny androm-piainany. Midika izany fa maro ny lehilahy manao herisetra ao an-tokantrano mandritra ny fiainany.

  • Indrisy anefa, tsy azo inoana fa efa niova ny vadinao.

    Ny herisetra ao an-tokantrano dia matetika miseho amin'ny alalana tsingerina misy dingana efatra mifandimby amina hafainganam-pandeha miovaova ka ny tsirairay amin‘ireo dia mampitombo ny fanjakazakana amin'ilay vady iharan'ny herisetra:

    Fihenjanana

    • Miha tsy manam-paharetana, tsy mandefitra ary/na mahery setra ny vadinao.
    • Izany dia miteraka fihenjanana sy tahotra ao anatin'ny fifandraisana.
    • Manahy ny hipoahan‘ny herisetra ianao ka miezaka manome izay ilainy.
    • Mitandrina izay ataonao sy lazainao ianao.

    Fitrangana herisetra

    • Mitaky ny hanekenao ny fahefany sy ny fifehezany anao ny vadinao.
    • Mifehy, manimba ary/na manetry anao izy.
    • Mampiasa paikady fiarovana samihafa ianao.

    Fanamarinan-tena

    • Mampiasa antony mba hanamarinany ny herisetra ataony ny vadinao.
    • Miezaka manao izay hinoanao izy fa ara-dalàna ny fihetsiny.
    • Mety hanamaivana ny maha-gravy ny zavatra nitranga izy.
    • Miezaka ny mankatra ny antony anaovany izany ianao, ary mety hihevitra mihitsy aza amin‘ny farany fa fahadisoanao izany.
    • Mihevitra ianao fa raha manova ny fomba isahananao zavatra ianao dia tsy hitranga intsony izany.

    Fitoniana

    • Te hihazona ny fifandraisana sy hamerina ny fahatokisanao azy ny vadinao.
    • Mihena na manjavona ny herisetra.
    • Mihaino anao tsara izy ka manao izay hahatsapanao fa manao ezaka izy.
    • Mety ho marefo no fahitana azy.
    • Toa tsapanao fa hitanao indray ilay olona nahalatsa-pitiavana anao taloha.
    • Mety hampihena ny zavatra andrasanao amin'ny vadinao ianao amin‘ny farany ary hanova ny fahazaranao mihitsy aza satria manantena ianao fa hitohy io vanim-potoana io na hiova ny vadinao.

    Arakaraka ny iverimberenan'ireo tsingerina ireo no mahatonga ireo vanim-potoana ireo hatetika kokoa, ary lasa mahalana ny fotoanan'ny fitoniana. 

    Hitombo tsikelikely ny fandeferanao, ary mety hisakana anao tsy hahita ny herisetra izay efa lasa isan'andro izany.  

  • Tsy tompon'andraikitra ianao. Na ahoana na ahoana fanamarinany izany dia ny vadinao na vadinao taloha irery ihany no tompon'andraikitra amin'ny herisetra ataony aminao. 

    Tsy ara-dalàna ny fihetsiny ary azon'ny lalàna sazina. 

    Indrisy anefa fa tena mateti-pitranga ny herisetra ao an-tokantrano. Iray amin’ny vehivavy telo no hiaina endrika iray amin‘ny herisetra ataon'ny lehilahy farafahakeliny mandritra ny androm-piainany.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana atao sy ny antontan-taratasy. Tsy andoavam-bola ny ankamaroan‘izy ireny.

  • Ity tolotra fanomezana torohevitra an-telefaonina ity, dia natao ho an'ny olona miatrika herisetra maro isan-karazany sy ireo izay manohana azy ireo.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Hisy mpanolotsaina voaofana hihaino anao sy hanohana anao amin‘ny alalan‘ny telefaonina. Afaka hanoro anao ireo sampan-draharaha akaiky anao mifandraika amin'izany izy ireo.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay. Misy ireto teny manaraka ireto indraindray: Anglisy, arabo, espaniola, tiorka, mandarin, sinoa, kiorda, azeri, poloney, hebreo, farsi, soninké, kreôla, kinyarwanda, kirundi ary swahili. Amin‘izao fotoana izao anefa aloha, dia mbola tsy voafaritra sy tsy voalamina mialoha ny fotoana ahitana ireo fiteny ireo.
    • Fifandraisana: antsoy ny 3919, amin‘ny ora rehetra sy ny andro rehetra. Tsy hiseho amin'ny faktioran-telefaoninao ny antso.
    • Ho an'ny olona marenina, manana olana amin'ny fandrenesana, olona voan'ny aphasia na manana fahasembanana amin'ny fiteny, azonao atao ny miditra amin'ny tolotra mifanaraka amin'ny filanao, amin'ny fanindriana ny sarina telefaonina eo amin'ny farany ambany amin‘ny havanana amin'ny tranonkala http://www.solidaritefemmes.org.
  • Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Ho afaka hampahafantatra anao ny zonao sy ny dingana tokony hataonao izy ireo. Ireo ivon-toerana sasany dia afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: ny antsipirian‘ny fifandraisana amin'ny “CIDFF” any amin'ny faritra misy anao dia ho hitanao ato anatin'ity lahatahiryity.
  • Ny “Associations” dia fikambanana manome tolotra isan-karazany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Ireo tolotra misy dia miovaova arakaraka ny “association”. Afaka manome torohevitra anao izy ireo, ary indraindray afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao, sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Hahita ny lisitr'ireo "associations" akaiky anao izay miompana manokana amin'ny fanampiana ireo niharan'ny herisetra ianao ato amin'ity lahatahiry ity. Ampidiro ny departemanta misy anao ao Frantsa.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Fantaro ny tokony hatao raha mahita herisetra ao an-tokantrano ianao

Tsy resaka fiainana manokana ny herisetra ao an-tokantrano. Raha nahita herisetra ao an-tokantrano…

Mahatakatra ny fiantraikan‘ny herisetra ao an-tokantrano aminao sy ny zanakao

Mety hisy voka-dratsy ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina ny herisetra ao an-tokantrano.…

Miaro ny tenanao mandritra ny herisetra

Raha manomboka manao herisetra ny vadinao na ny vadinao taloha, dia manandrama mamonjy toerana azo…

Mangataka ny mpitsara handrara ny vadinao taloha hanatona anao

Raha heverinao fa atahorana hiharan'ny herisetra bebe kokoa ianao sy/na ny zanakao, dia afaka…

Miantso sampan-draharaha misahana hamehana: polisy, fiara mpitondra marary

Raha sendra hamehana dia antsoy ny 17 ho an‘ny polisy na ny 112 ho an‘ny sampan-draharaha misahana…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony