Fikarakarana zaza latsaky ny telo taona

Any Frantsa dia tsy maintsy miditra an-tsekoly ny ankizy rehetra manomboka amin'ny telo taona. Raha toa latsaky ny telo taona ny zanakao ary mila olona hikarakara azy ireo ianao dia misy vahaolana hafa momba ny fitaizana zaza. Ny andraikitry ny mpikarakara zaza dia ny mikarakara ny ankizy sy miantoka ny fahasalamany, miaro azy sy manao izay hahazoany aina tsara.

Nohamarinin'i Ouarda Varda Sadoudi tamin'ny 29/09/2023

Indraindray dia toa mampatahotra ny mametraka ny zanakao na ny zaza madinika amin'ny olona tsy fantatrao manokana, indrindra any amin'ny firenena tsy nahalehibe anao. 

Na izany aza, ny fikarakarana zaza any Frantsa dia olona efa za-draharaha sy ampy traikefa no manao izany. Efa nofanina izy ireo mba hiaro sy hikarakaraka tsara ny ankizikely. Vehivavy ny ankamaroan'ireo matihanina ireo. 

Misy azo isafidianana ny toerana fikarakarana ireo zaza madinika any Frantsa:

  • toerana iombonana antsoina hoe “crèches
  • matihanina amin'ny fitaizana zaza, ary efa nahazo fankatoavana, antsoina hoe “assistantes maternelles” 
  • sampandraharaha fitaizana zaza tsy miankina miasa any an-trano.

Azonao atao ny mikaroka ity tranonkala ity hahitanao izay vahaolana amin’ny fitaizana zaza tsy ampy taona manakaiky anao.

Toerana iombonana antsoina hoe “crèches

Ny “Crèches” dia toerana natokana hiambenana zaza maromaro. Misy karazany samihafa: fiaraha-monina, fianakaviana, ray aman-dreny na orinasa.

Eny anivon’ny “crèches”, dia olona efa tena za-draharaha sy nahavita fihofanana manokana no mikarakara an‘ireo zaza. Vehivavy ny ankamaroan'ireo matihanina ireo. 

Io fomba fitaizana zaza io no mora indrindra raha eo amin‘ny resaka fitantanana.

  • Raha te hiditra ao amin'ny “crèche” ny zanakao dia tokony manana ireto fepetra roa ireto:

    • tokony ho roa volana hatramin‘ny telo taona
    • vita ireo vaksiny takiana ho an’ny taonany izy ireo, raha tsy hoe misy taratasy avy any amin’ny dokotera milaza fa tsy azo atao izany izy ireo.
  • Ny sarany dia miankina amin’ny karazana “crèche”, ary matetika narafitra araka ny fidiram-bolan’ny ray aman-dreny.

  • Dingana voalohany dia azonao atao ny mifandray amin’ny lapan’ny tanàna na ny “mairie” eo an-toerana mba hahitana ny fomba fisoratana anarana ho an’ny “crèche”. 

    Azonao atao ihany koa ny mitady “crèches” izay mbola malalaka any amin’ny tanàna misy anao ao amin’ity tranonkala ity.

    Miankina amin'ny toerana misy anao sy ny karazana “crèche” nosafidianao ny dingana fisoratana anarana. Anontanio ny tokony atao, sy ireo antontan-taratasy ilaina.

    Raha miasa ianao dia afaka manontany ihany koa ny mpampiasa anao, raha azo atao ny mampiasa ny toeram-pitaizana zaza ao amin‘ny orinasa, fantatra amin‘ny hoe “crèche d’entreprise”.

matihanina amin'ny fitaizana zaza, sady nahazo fankatoavana antsoina hoe “assistantes maternelles

Ny “assistante maternelle” dia matihanina amin’ny fitaizana zaza, sady nahazo fankatoavana avy amin‘ny manampahefana eo amin’ny vakim-paritra misy anao izay antsoina hoe “conseil départemental”. 

Nahazo fiofanana manokana izy ireo, ary mahafeno ny fepetra hikarakara zaza hatramin‘ny efatra:

  • any an-tokantranony 
  • na amin‘ny toerana itambarana miaraka amin‘ny matihanina amin’ny fitaizana zaza, sady nahazo fankatoavana, antsoina hoe “maison d’assistantes maternelles (MAM)”.
  • Ny “Assistantes maternelles” matetika dia mametra sarany isaky ny ora, amin’ny ankapobeny eo amin’ny telo hatramin’ny efatra euro isan’ora eo, miampy ny vola aloa isanandro:  

    • solon-tsakafo raha toa ka omena sakafo ny zanakao
    • vola hikarakarana hividianana fitaovana

    Miankina amin‘ny lafin-javatra maro ny fitambaran‘ny vola aloa isam-bolana, ao anatin‘izany ny isan‘ny andro sy ny ora izay hanarahin‘izy ireo maso ny zanakao.

  • Maro ny fomba ahitana ny “assistante maternelle”. 

    Tsara kokoa raha toa mifandray amin‘ny sampandraharaha misahana ny zaza madinika eny amin‘ny faritra misy anao, izay antsoina hoe “Centre de protection maternelle et infantile (PMI)” ianao. Afaka mandefa izany amin’ny kaody paositra ihany koa ianao ao amin’ ity lahatahiry ity

    Vantany vao miantso azy ireo ianao:

    • Afaka hanome anao ny lisitry ny “assistantes maternelles” manakaiky anao izy ireo.
    • afaka mampahafantatra anao ireo dingana tokony horaisina raha hitady izany izy ireo Indrindra indrindra, mila mametraka fifanarahana arak‘asa ianareo

    Ireo safidy hafa ahitana “assistante maternelle”:

Tolotra mikarakara ao an-trano tsy miankina

Misy ihany koa ireo tolotra tsy miankina mikarakara zaza any an-trano, ohatra:

  • Afaka mampiasa olona izay antsoina hoe mpitaiza ianao na “nounou” mba hikarakara ny zanakao ao an-tokantrano.
  • Azonao atao ny mifanaraka amin’ny fianakaviana mipetraka eo akaikinao mba haka “nounou” dia miaraka tezainy ny zanakareo. Raha izay no zava-misy dia hikarakara ny zaza mifandimbimby ao an-tranon'ny fianakaviana roa tonta ilay mpitaiza.

Tsy maintsy manao fifanarahana arak‘asa amin‘izany.

Amin’ny ankapobeny dia lafo kokoa noho ny “crèche” na ny “assistante maternelle” ny saran’ny fikarakarana zaza any an-trano, saingy afaka mahazo tombony amin'ny fampihenana ny hetra miditra aminao ianao.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Ho afaka hampahafantatra anao ny zonao sy ny dingana tokony hataonao izy ireo. Ireo ivon-toerana sasany dia afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: ny antsipirian‘ny fifandraisana amin'ny “CIDFF” any amin'ny faritra misy anao dia ho hitanao ato anatin'ity lahatahiryity.
  • Ny mpiasa sosialy na “travailleurs sociaux” sy ny “assistants sociaux” dia efa za-draharaha amin‘ny fanohanana ny olona amin'ny fikarakarany taratasy, ary manampy azy ireo hahita vahaolana mifanaraka amin'ny fahasahiranana atrehany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Azonao atao ny maka fotoana handraisana torohevitra manokana araka ny toe-javatra misy anao, ary hanampy anao amin'ny dingana manaraka, toy ny hoe: fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fangatahana trano fonenana, fisoratana anarana any amin'ny birao mikarakara ny olona tsy manana asa any Frantsa “Pôle emploi”, sns.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Azonao atao ny mangataka fotoana hihaonana amin'ny “travailleur social” miaraka amin’ny 
  • Ny “Mairie” dia rafi-pitantanana eo an-toerana miandraikitra ny politika eo an-toerana. Ny tena anjara asany dia ny manampy ny olom-pireneny izay misedra fahasahiranana. Afaka mampahafantatra anao momba ny zonao sy ny fanampiana ara-bola misy izy ireo, manoro anao handeha any amin'ny fikambanana mifandraika amin'izany, ary manampy anao amin'ny dingana arahina ara-panjakana sasany.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: hahita ny antsipiriany ifandraisana amin’ny “mairie” misy anao ianao ao amin’ity tranonkala ity fa apetraho ny anaran’ny tanan-dehibe na tanàna izay ipetrahanao.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra, dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona manam-pahaizana manan-traikefa.

Mety hahaliana anao koa

Mangataka fanampiana ara-bola avy amin‘ny fanjakana

Betsaka ny karazana fanampiana ara-bola atolotry ny sampandraharaham-panjakana frantsay mba…

Mitady vondron‘olona any Frantsa.

Rehefa lavitra ny fianakaviana sy ny namana, tena rariny sy hitsiny tokoa ny mahatsiaro tena ho…

Mandray fanampiana ara-bola avy amin‘ny ray aman-dreny ankilany mba handray anjara amin‘ny fandaniana mifandraika amin‘ny ankizy

Na dia nisaraka aza dia tsy maintsy manohy manome vola ny amin‘ny lany mifandraika amin‘ny zanany ny…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony