Mandray fanampiana ara-bola avy amin‘ny ray aman-dreny ankilany mba handraisany anjara amin‘ny fandaniana mifandraika amin‘ny ankizy

Na dia misaraka aza ny ray aman-dreny, dia tokony samy handray anjara amin‘ny fandaniana ilain‘ny ankizy. Mety hangataka ny ray aman-dreny iray hanome vola ny ray aman-dreny ankilany ny mpitsara, izay sokajiana ho vola arotsaka amin’ny fanabeazana sy fikolokoloana ilay zaza na “contribution à l’entretien et à l’éducation de l’enfant”, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe “pension alimentaire”.

Nohamarinin‘i Mpisolovava Elodie Ramos tamin’ny 31/01/2024

Ahoana ny fomba fiasan‘izy io?

Rehefa misy fisarahana dia mety tsy maintsy mandoa vola amin‘ny ilay ray aman-dreny ankilany ilay iray hafa. Izany dia fantatra amin’ny anarana hoe vola amin’ny fanabeazana sy fikolokoloana ilay zaza na “contribution à l’entretien et à l’éducation de l’enfant”, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe “pension alimentaire”. 

Izany no atao raha toa ka:: 

  • mipetraka matetika ao amin’ny tranon’ilay ray aman-dreny iray ilay zaza, na ny “résidence habituelle
  • tsy dia manam-bola loatra ilay ray aman-dreny iray.

Ahoana ny handraisako izany?

Tontosaina ny fanapahan-kevitra ny amin’ny fametrahana ny “contribution à l’entretien et à l’éducation de l’enfant”, izay fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe “pension alimentaire” rehefa apetraka ny lamina ny amin’ny fitazomana ny zaza na “modalités d’exercice de l’autorité parentale”. Azavaina amin’ ity pejy ity ny lamina ny amin’ny fitazomana ny zaza.

  • Miankina betsaka amin’ny toe-bolan’ny ray aman-dreny tsirairay ny habetsahan’ny “contribution à l’entretien et à l’éducation de l’enfant”. Izy io dia napetraka araka ny:

    • ny fidiram-bolanao sy ny fandanianao 
    • ny fidiram-bola sy ny fandanian‘ny ray aman-dreny ankilany
    • ny filan’ny zanakao.

    Mety tena tsy mitovy amin‘izay mety ho raisinao any amin‘ny firenena niavianao ny vola azo. Mba hahazoana hevitra momba ny habetsaky ny mety ho azonao dia azonao atao ny manao andrana

    Hitohy eny foana ny fandoavana ny “contribution à l’entretien et à l’éducation de l’enfant” mandra-pahazoan'ny ankizy fahaleovan-tena ara-bola, na dia efa mahafeno taona ara-dalàna aza izy ireo (matetika 18 taona any Frantsa) raha tsy misy fanapahan-kevitra hafa raisin’ny mpitsara.

    Azo iverenana jerena eny foana ny habetsahany raha toa misy fiovana ny toe-piainan‘ny ray aman-dreny. Amin’izay fotoana izay, afaka mametraka fangatahana any amin’ny “Juge aux affaires familiales” ianao amin’ny alalan’ny mpisolovavanao.

  • Azo aloa amin’ny endrika samihafa ny “pension alimentaire”: 

    • Matetika izy io dia vola aloa isam-bolana foana.
    • Indraindray anefa dia mety amin‘ny endrika hafa toy ny fandoavana mivantana ireo vola aloa ho an‘ny zanakao.

    Amin’ny ankapobeny, ny vola omena dia aloa amin’ny daty nofaritan’ny “Juge aux affaires familiales” nandritra ny fitsarana, izay mamaritra ihany koa ny lamina amin’ny fitazomana ny zaza, fantatra amin’ny anarana hoe “modalités d’exercice de l’autorité parentale”.

    Nanomboka tamin'ny volana martsa 2022, ny fandoavana ny “pension alimentaire” izay nofaritan’ny mpitsara, dia tonga dia lasa ataon’ny masoivoho nasionaly “pension alimentaire” antsoina hoe “l’Agence de recouvrement et d’intermédiation des pensions alimentaires (Aripa)”, raha tsy hoe samy tsy tia an’izay angaha ny ray aman-dreny roa tonta. Izao ny fizotrany:

    • Mandefa mivantana ny fanapahan-kevitra any amin’ny “Aripa” ny mpitsara.
    • Isam-bolana ny masoivoho no manangona ny vola avy amin’ny ray aman-dreny izay mandoa ilay fanampiana mba hikarakarana ny zaza izay antsoina hoe "débiteur", dia avy eo mandefa izany any amin’ny ray aman-dreny mandray ilay fanampiana ary antsoina hoe "créancier" izany.
  • Raha toa ny vadinao taloha tsy mandoa ilay vola fanampiana, izay efa nofaritana mialoha mba hikarakarana ny zaza, dia misy ireto vahaolana ireto.

    Raha an-dalana ny fandoavana ny fanampiana mba hikarakarana ny zaza “Aripa”:

    • raha misy tsy fandoavana ary manomboka amin'ny volana voalohany tsy voaloa dia manatontosa hetsika fanarenana amin’ny alalan’ny “débiteur” ny “Aripa”;
    • eo am-piandrasana ny fahatongavan’ilay vola tokony aloa dia “Aripa” no hanome anao fanampiana ara-bola izay antsoina ho “allocation de soutien familial”.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ireo ivon-toerana antsoina hoe “point-justice” dia mamondrona fikambanana isan-karazany izay manome anao torohevitra araka ny lalàna, miankina amin’ny toe-javatra atrehinao, ary indraindray dia manampy anao amin’ny dingana arahina ara-panjakana. 

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Manana anarana maro ireo ivon-toerana ireo: “Maison de Justice et du Droit (MJD)”, “Point d’accès au droit (PAD)”, "Relais d’accès au droit (RAD)”, “Antenne de justice (AJ)” na “France services (FS)”. 
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Afaka mahita “point-justice” akaiky anao ianao:
      • ao amin‘ity lahatahiry amin’ny aterineto ity.
      • amin‘ny alalan‘ny fiantsoana ny 3039 avy any Frantsa metropolitana ary ny +33 9 70 82 31 90 avy any ivelany. Hangatahany kaodim-paositra ianao ary hampifandraisiny amin‘ny “point-justice” Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
  • Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Ho afaka hampahafantatra anao ny zonao sy ny dingana tokony hatao izy ireo. Afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina ny ivon-toerana sasany.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.

    Fifandraisana: ny antsipirian‘ny fifandraisana amin'ny “CIDFF” any amin'ny faritra misy anao dia ho hitanao ato anatin'ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Fandaminana ny fitazomana ny zaza eo amin'ny ray aman-dreny nisintaka na nisara-panambadiana

Any Frantsa, raha misy fisintahana na fisaraham-panambadiana, dia mbola manana zo sy adidy amin'ny…

Fantaro no tokony atao rehefa tsy manome fanampiana ara-bola izay nofaritan‘ny mpitsara ilay vadinao taloha.

Raha tsy azonao ilay fanomezana ara-bola napetraky ny mpitsara tao anatin'ny raharaha mahakasika ny…

Fantaro izay tokony hatao raha tsy manaraka ny fepetra momba ny fitazomana ny zaza ilay ray aman-dreny ankilany

Raha tsy manaraka ny fepetra napetraka momba ny fitazomana ny zaza ilay ray aman-dreny ankilany, na…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony