Mahazo vola haingana
Raha toa tsy manam-bola ianao na nosakanan'ny vadinao na vadinao taloha ny fahazoanao vola, dia misy…
Betsaka ny karazana fanampiana ara-bola atolotry ny sampandraharaham-panjakana frantsay mba hanampiana ny olona sahirana ara-bola. Ity pejy ity no ahitanao ny topimaso mikasika ny endrika fototry ny fanampiana ara-bola misy.
Nohamarinin‘ny Women for Women France tamin’ny 17/05/2023
Any Frantsa dia maro ireo karazana fanampiana ara-bola omen‘ny fanjakana hanampiana ireo olona izay tena mila izany.
Ireo ambany ireto ny tena izy.
Raha te hahita ny fanampiana ara-bola mety ho azonao dia azo ampiasaina ity fitaovana ity. Ny fampahalalana tokony omenao hamenoana izany dia tsy mila mitonona anarana Hahita fampahalalana mikasika ny fomba anontaniana ireny karazana fanampiana ireny koa ianao.
Raha tsy olom-pirenena avy ao amin'ny Vondrona Eoropeana ianao dia tsy maintsy manana fahazoan-dàlana ipetraka eo an-toerana na“titre de séjour” manan-kery.
Samy manana fepetra manokana ny karazana fanampiana ara-bola omen‘ny fanjakana.
Ny tanjon'ity karazana fanampiana ara-bola ity dia ny fiantohana hoe mahazo ny fidiram-bola farany ambany ny olona tsirairay.
Raha te hahazo izany ianao dia tsy maintsy:
Azonao atao ny mangataka izany amin‘ny aterineto ao amin‘ity tranokala ity.
Fantatra ihany koa amin’ny hoe “allocations chômage” na fotsiny hoe “chômage”, ny fanampiana ho an’ny tsy an’asa “ARE” dia azo omena ireo olona izay tsy miasa intsony; ohatra, vokatry ny fandroahana azy na ny tsy fanavaozana ny fifanarahana arak’asa.
Izy io dia aloan’ny birao nasionaly miandraikitra ny tsy an’asa izay fantatra amin’ny hoe “Pôle emploi”.
Mba hahafahana misoratra anarana amin'ny “Pôle Emploi” sy mahazo fanohanana mba hiverenana hiasa indray dia mila mahafeno fepetra maromaro ianao, indrindra mikasika ny zonao ipetraka eo an-toerana.
Raha te hahazo “allocations chômage” ianao dia tsy maintsy mahafeno fepetra maromaro, anisan‘izany ny hoe:
Azonao atao ny mijery amin’ity tranokala ity hahitana ny fepetra marina mihatra amin'ny toe-javatra misy anao.
Fangatahana
Vantany vao nisoratra anarana amin’ny “Pôle emploi” ianao dia noforonina ho azy ny fangatahana tombontsoanao ka alefa any amin’ny mpanolontsaina iray.
Ity fanampiana ara-bola ity dia omena ireo olona efa tena lany tanteraka ny zony feno ary omena “allocation d’aide au retour à l’emploi (ARE)”, fantatra koa amin‘ny hoe “chômage”, na vola fanampiana ny tsy an‘asa.
Azonao atao ny mijery amin’ ity tranokala ity.
Azonao atao ny mangataka izany amin’ny alalan’ny aterineto ao amin’ny tranokalan’ny Pôle Emploi.
Ity fanampiana ara-bola ity dia manampy ny fidiram-bola amin'ny asa matihanina ataon'ny mpiasa 18 taona na mihoatra, ny mpiasa sady mpianatra sy ny mpianatra asa ary ny miasa tena.
Ny iray amin'ireto sampana roa ireto no manome ity fanampiana ity arakaraky ny rafitra misy anao:
Tsy maintsy:
Azonao atao ny mijery amin’ ity tranokala ity hijerena raha mahafeno ny fepetra ianao.
Azonao atao ny mangataka izany amin’ny aterineto ao amin’ny tranokalan’ny “Caisse d’allocations familiales (Caf)” na ny “Mutualité Sociale Agricole (MSA)”.
Mety azo omena ny olona izay manofa trano, mividy trano na monina amin‘ny tokantrano iray, kanefa kely ny vola miditra aminy ny fanampiana ara-bola fa misy fepetra takiana.
Ny iray amin'ireto sampana roa ireto no manome ity fanampiana ity arakaraky ny rafitra misy anao:
Mariho azafady fa: tsy afaka atambatra ireto karazana fanampiana lazaina eto ambany ireto, midika izany fa ny iray amin‘izy telo ireo ihany no azonao.
Ny tanjon'ity fanampiana ara-bola ity dia ny fampihenana ny vola aloa amin‘ny hofan-tranonao raha toa ka mpanofa trano ianao, na ny vola tokony aloanao raha monina ao amin‘ilay trano ianao.
Ny fepetra fanomezana dia tsy mitovy raha toa ianao ka manofa, mividy na mipetraka ao an-tokantrano.
Azonao atao ny mangataka izany amin’ny aterineto amin’ny tranokalan’ny (Caf)” na ny “Mutualité Sociale Agricole (MSA)”.
Ny tanjon'ity fanampiana ara-bola ity ny fampihenana ny hofan-trano aloanao raha mpanofa trano ianao. Omena izy ity noho ny toe-javatra iainan'ny fianakavianao.
Samihafa ireo fepetra raha miankina amin’ny “Caf” na ny “MSA” ianao. Mifandraisa amin'ny fikambanana misy anao mba hahafantaranao izany.
Azonao atao ny mangataka izany amin’ny aterineto amin’ny tranokalan’ny “Caf” or “MSA”.
Ny tanjon'ity fanampiana ara-bola ity ny fampihenana ny vola aloa amin‘ny hofan-tranonao raha toa ka mpanofa trano ianao, na ny vola tokony aloanao raha monina ao amin‘ilay trano ianao.
Arahina fepetra vitsivitsy ny fahazoana azy ity, indrindra indrindra miankina amin‘ny vola am-pelatananao. Azonao atao ny mijery amin’ ity tranokala ity hijerena raha mahafeno ny fepetra ianao.
Afaka mahazo izany ianao raha tsy afaka mangataka “APL” na “AFL”.
Azonao atao ny mangataka izany amin’ny aterineto ao amin’ny tranokalan’ny “Caf” na “MSA”.
Ity fanampiana ara-bola ity dia miantoka ny fidiram-bola kely indrindra afaka arotsaka ho an'ny olona manana fahasembanana. Mety azo ampiarahana amin‘ny karazana fanampiana hafa izy ity.
Omena ilay vola kanefa misy fepetra takiana sasany amin’izany, indrindra indrindra momba ny fahasembanana, taona, fonenana ary vola miditra aminy.
Ny dingana tokony hataonao amin'ny fangatahana an'izany dia miankina amin'ny vakim-paritra misy anao.
Raha mila fanazavana fanampiny, tsara kokoa ny maka fotoana hihaonana amin’ny mpiasa sosialy antsoina hoe “travailleur social”.
Azonao ampiasaina ihany koa ity tranokala ity ary fanteno ny faritra misy anao sy ny vakim-paritra misy anao eo amin’ny fizarana misy hoe “Quelle est la démarche pour en bénéficier ?”.
Ity fanampiana ity dia omena ireo olona izay misy fahasembanana ka tsy afaka miasa.
Aloa ankoatry ny “allocation adulte handicapé (AAH)” izy ity.
Raha mila fanazavana fanampiny, tsara kokoa ny maka fotoana hihaonana amin’ny mpiasa sosialy antsoina hoe “travailleur social”.
Misy fepetra sasany ny fanomezana io vola io, fara fahakeliny ohatra izy mamelon-janaka iray.
Ny iray amin'ireto sampana roa ireto no manome ity fanampiana ity arakaraky ny rafitra misy anao:
Ity fanohanana ity dia natokana ho an'ny olona manana zanaka velomina roa, ary fara fahakeliny latsaky ny 20 taona. Aloa isam-bola izy ity.
Any amin‘ireo vakim-paritra frantsay any ivelany, dia aloa manomboka amin'ny zaza voalohany izany.
Ny vola ho azonao dia miankina amin'ny vola eo am-pelatananao, ny isan'ny ankizy velominao ary ny taonany.
Raha toa tsy teratany Frantsay ianao ary mipetraka miaraka amin'ny fianakavianao any Frantsa, dia afaka mahazo ireto tombontsoa ireto, saingy misy fepetra takiana:
Azonao atao ny mangataka izany amin’ny aterineto amin’ny tranokalan’ny “Caf” or “MSA”.
Raha mipetraka any Frantsa metropolitana ianao dia afaka mahazo fanohanana ara-bola manampy ny “allocations familiales” manomboka amin’ny zaza fahatelo velomina 3 taona hatramin’ny latsaky ny 21 taona.
Any amin’ireo vakim-paritra any ivelany, io fanampim-panampiana io dia omena ho an’ireo ankizy velomina rehetra eo anelanelan’ny telo sy dimy taona.
Ho fanampin'ny fepetra tokony hofenoina mba hahazoana ny “allocations familiales”, ity karazana fanampiana ity dia omena arakaraky ny vola eo am-pelatanana. Misy tabilao manazava ny fetra farany mikasika izanyeto amin’ity tranokala ity.
Azonao atao ny mangataka izany amin’ny aterineto amin’ny tranokalan’ny “Caf” or “MSA”.
Ity fanampiana ara-bola ity dia omena ireo ray aman-dreny izay mamelona zaza irery izay tsy afaka mahazo fanampiana avy amin‘ny ray aman-dreny ankilany, ohatra hoe raha toa tsy nankatoavin‘ilay ray aman-dreny ankilany ilay zaza, na raha sendra maty ilay ray aman-dreny ankilany na natsangan‘olon-tokana ilay zaza.
Mety aloa ihany koa izany mba hanampiana ny fanampiana ara-bola na fanampiana hikarakarana ny zaza avy amin’ilay ray aman-dreny ankilany izay mety hoe kely loatra, na vola aloa mialoha raha toa ilay ray aman-dreny ankilany tsy mandoa intsony ny “pension alimentaire”.
Fepetra
Tsy maintsy mahafeno ireo fepetra ankapobeny ianao raha te hahazo “allocations familiales”.
Tsy maintsy manan-janaka iray velomina ianao, fara fahakeliny, izay tsy nandraisan'ny ray aman-dreny ankilany anjara ny famelomana azy iray volana fara-fahakeliny, na nanome anao fanampiana hikolokoloana ny zaza izy fa latsaky ny EUR 116.11.
Fangatahana
Azonao atao ny mangataka izany amin’ny aterineto amin’ny tranokalan’ny “Caf” or “MSA”.
Ity fanampiana ara-bola ity dia afaka manampy anao amin‘ny lany amin‘ny fikolokoloana sy ny fanabeazana ny zaza.
Fepetra
Tsy maintsy manan-janaka iray velomina izay latsaky ny telo taona farafahakeliny ianao, ary mahafeno ny fepetra mikasika ny fidiram-bolanao.
Azonao atao ny mijery amin’ ity tranokala ity hijerena raha mahafeno ny fepetra ianao.
Fangatahana
Azonao atao ny mangataka izany amin’ny aterineto amin’ny tranokalan’ny “Caf” or “MSA”.
Misy ireo karazana fanampiana manokana izay miankina amin‘ny toe-javatra misy anao. Noho izany, tena tsara tokoa ny maka fotoana hihaonana amin‘ny mpiasa sosialy matihanina izay antsoina hoe “travailleur social” izay afaka manampy anao hahafantatra azy ireny.
Ireto misy ohatra vitsivitsy:
Ny "PIMMS Médiation" dia fikambanana mampahafantatra, mitarika na manohana ny fikarakarana taratasy amin'ny sehatra maro: fidirana amin'ny tolotra ho an'ny daholobe, fidirana amin'ny fitsaboana, fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fanambarana hetra, fanambarana ho an'ny “Pôle Emploi”, sns.
Ny mpiasa sosialy na “travailleurs sociaux” sy ny “assistants sociaux” dia efa za-draharaha amin‘ny fanohanana ny olona amin'ny fikarakarany taratasy, ary manampy azy ireo hahita vahaolana mifanaraka amin'ny fahasahiranana atrehany.
Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.
Mahazo vola haingana
Raha toa tsy manam-bola ianao na nosakanan'ny vadinao na vadinao taloha ny fahazoanao vola, dia misy…
Mitady asa sy manaraka fiofanana arak'asa any Frantsa
Mety ho sarotra tokoa ny mitady asa any amin'ny firenena tsy nahalehibe anao, indrindra raha tsy…
Mangataka trano sosialy sy mora any Frantsa
Raha tsy dia manam-bola ianao dia afaka ny mangataka mba hanofa trano izay fantatra amin’ny hoe “log…