Mamorona orinasa an‘olon-tokana, miaraka amin'ny sata tsotsotra ao Frantsa

Raha te hivarotra ny vokatrao na ny tolotrao any Frantsa ianao, dia afaka manokatra ny orinasa kelinao manokana miaraka amin’ny “micro-entreprise”, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe “auto-entreprise”.

Nohamarinin'i WFWF tamin'ny 13/10/2023

Raha te hanangana ny orinasanao ianao mba hivarotana ny vokatrao na ny tolotrao any Frantsa, dia tsara ny manomboka amin'ny satan'ny “micro-entrepreneur”, fantatra teo aloha tamin’ny anarana hoe “auto-entrepreneur”. Teti-pandraharahana an‘olon-tokana notsorina izy ity.

Ity sata ity dia ahafahana mamorona orinasa any Frantsa, izay ahazoanatombony noho ny fomba fitantanana tsotsotra, ary ny lalàna momba ny hetra sy ny fiahiana ara-tsosialy. 

Na izany aza dia tsy manome alalana anao hanakarama mpiasa na hiaraka hiasa amin'ny olon-kafa ao anatin'ny orinasa iray ihany izy ity.

Fepetra

Raha olom-pirenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana na faritra ara-toekarena Eoropeana ianao, dia mila antontan-taratasy mombamomba anao ara-dalàna fotsiny.

Raha olom-pirenena any amin'ny firenena hafa ianao dia tsy maintsy manana fahazoan-dàlana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour”, izay manome alalana anao hanangana orinasa. Ity fahazoan-dalana ipetraka eo an-toerana ity dia:

  • karatra fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana “carte de séjour” misy soratra hoe “toute profession en France”, na “entrepreneur / profession libérale
  • ny “carte de séjour” misy soratra hoe “vie privée et familiale” na fianana manokana sy ny fianakaviana
  • ny “titre de séjour” manokana ho an’ny teratany alzeriana izay antsoina hoe “carte de résident algérien”.

Raha tsy azonao antoka ireo fitsipika mihatra amin‘ny “titre de séjour”-nao dia azonao atao ny mifandray amin’ny manampahefana ara-panjakana eo an-toerana, izay fantatra amin’ny anarana hoe “préfecture

  • hahita ny antsipiriany ifandraisana amin’izy ireny ianao ao amin’ity lahatahiry ity.
  • raha tsy mahazo alalana hanangana orinasa ianao, dia mety tsy maintsy mangataka fahazoan-dàlana ipetraka manokana, izay manome alalana anao mba hanao asa tena.

Ahoana ny fanaovana azy

Mety ho sarotra ny dingana arahina, indrindra raha tsy miteny frantsay ianao. Tsara kokoa raha mangataka fanampiana ianao amin‘izay tsy manao hadisoana, rehefa manambara mikasika ny asa aman-draharahanao. 

Ohatra hoe afaka mifandray amin’ny fikambanana antsoina hoe “Centres de formalités des entreprises (CFE)” ianao ka mitady amin’ity lahatahiry ity mba hahazoana torohevitra momba ny toe-javatra misy anao.

  • Atao amin’ny aterineto ny dingana famoronana “micro-enterprise”:

    Rehefa misoratra anarana ianao dia mila manome ireto manaraka ireto:

    • Ny fahazoan-dàlana ipetraka eo an-toerana manan-kery na “titre de séjour”. Raha ho lany tsy ho ela izany, dia mety tsy ho ekena ny fangatahanao. Aza adinoina ny manavao izany. 
    • Ny laharana fisoratanao anarana ho an'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana an‘ny fanjakana fantatra amin'ny hoe laharan'ny fiahiana ara-tsosialinao na“numéro de sécurité sociale”. Raha tsy manana izany ianao dia azonao atao ny manisy marika ny efajoro ao amin'ny fangatahanao manondro izany, ary farano amin‘ny fanambarana ny asa aman-draharahanao.

    Rehefa manangana ny orinasanao ianao, dia tsy maintsy misafidy na te handoa ny latsakemboka fiahiana ara-tsosialy isam-bolana, na isaky ny telo volana. Tsy maintsy aloa ireny vola ireny.

  • Rehefa avy nanambara ny asa aman-draharahanao ianao dia araho ireto dingana ireto:

    • Alefaso any amin'ny foibe miandraikitra ny fomba fitantanana ny orinasa antsoina hoe “Centre de Formalité des Entreprises” ny fanambarana ny asanao. Mety miovaova arakaraka ny asa ataonao ny ivon-toerana misy anao.
    • Raha hanao asa ara-barotra, indostrialy na asa tanana ianao dia tsy maintsy manoratra ny orinasanao amin'ny“Registre du Commerce et des Sociétés (RCS)”. Ny fanazavana momba ny fanaovana izany dia hita ao amin' ity tranokala ity.
    • Raha te hanao asa eo amin‘ny sehatra zavakanto ianao dia tsy maintsy mizotra amin‘ny lalana momba ny asa tena ihany koa. Hahazo fampahalalana momba izany ianao rehefa manao fanambarana mikasika ny orinasanao.

Rehefa tafantsangana ny orinasanao

Vantany vao voatsangana ny orinasanao dia hahazo antontan-taratasy amin'ny alàlan'ny paositra ianao ao anatin'ny andro vitsivitsy, izay milaza ny laharana ofisialin'ny orinasanao, fantatra amin'ny hoe “SIRET”. 

Iangaviana ianao hitahiry ity antontan-taratasy ity satria hanampy anao amin'ny zavatra rehetra tokony hataonao amin'ny orinasanao izany. Tsy maintsy ampidirinao amin‘ny faktiora ataonao io laharana io.

  • Raha mbola tsy nanao izany ianao dia tsy maintsy mamorona kaonty amin’ny aterineto ao amin’ny Urssaf” ao amin’ny tranonkala

    Azonao atao ny manambara ny fidiram-bolanao ary mandoa ny latsakemboka amin'ny fiahiana ara-tsosialy amin'ny aterineto amin'ity tranonkala ity:

    • Raha toa nisafidy ny hanambara sy handoa ny latsakemboka isam-bolana ianao, dia aloa mialohan'ny faran'ny volana izany. 
    • Raha toa nisafidy ny handoa sy hanambara ny fidiram-bolanao ianao ary handoa ny latsakemboka isaky ny telo volana, dia tsy maintsy ambara izany ary azo aloa amin'ny telovolana faharoan'ny orinasanao.
    • Raha mbola tsy nahazo vola ianao dia zava-dehibe ny mbola hanaovana fanambarana €0. Tsy hisy sarany aloanao avy eo.

    Azonao atao ihany koa ny misafidy ny hanambara sy handoa ny latsakembokao amin'ny fiahiana ara-tsosialy amin'ny alàlan'ny paositra. Amin'izay dia hahazo ny antontan-taratasy ho fenoina ianao ary halefa any amin'ny adiresinao.

  • Ny tanàna na ny tanan-dehibe izay miseho eo amin’ny fisoratana anarana “auto-entrepreneur” dia hangataka anao mba handoa ny hetra antsoina hoe “Cotisation Foncière des Entreprises (CFE)”.

    Tsy maintsy aloa io hetra io rehefa mihoatra ilay fetra efa napetraka ny vola miditra ao aminao.. Miovaova arakaraka ny tanàna na tanan-dehibe misy anao ny vola aloa. 

    Rehefa faran'ny taona dia hahazo taratasy ho fenoina ianao any amin'ny adiresinao. Zava-dehibe ny hamenoanao sy hamerenanao itytaratasy ity, mialohan'ny fe-potoana voafaritra, na dia tsy nisy fidiram-bola aza ianao.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny “ADIE” dia fikambanana manolotra famatsiam-bola madinika ho an'ny karazana tetikasa matihanina rehetra.

    • Raha tsy afaka mahazo fampindramam-bola amin'ny banky ianao dia afaka manome anao fampindramam-bola manomboka100 ka hatramin'ny 12.000 euros izy ireo, saingy misy fepetra sasany. 
    • Afaka manome fanohanana amin'ny famoronana orinasa ihany koa izy ireo. Manana fitaovana famoronana tetikasa amin’ny aterineto izy ireo.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: amin’ny alalan’ny chat na telefaonina amin’ny 09 69 32 81 10. Ny alatsinainy hatramin’ny zoma manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva. Afaka mifandray amin’ny masoivoho manakaiky anao ianao.
  • Ny “Pôle Emploi” dia manampy ny olona hahita asa ary afaka manoro hevitra momba ny famoronana orinasa. Izy ireo koa no misahana ny fandoavana ny fanampiana ara-bola ho an’ny tsy an’asa “allocations de retour à l’emploi” fantatra amin’ny anarana hoe “chômage”.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Raha te hampiasa ity tolotra ity ianao dia tsy maintsy misoratra anarana amin'izy ireo aloha, amin’ny alalan’ny aterineto. Hahazo fotoana amin'ny masoivoho akaiky anao ianao avy eo.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: ny fisoratana anarana dia atao amin’ny aterineto amin’ny alalan’ny tranonkalan‘ izy ireo. Raha mila mifandray amin'izy ireo ianao dia misy fomba maro:
      • afaka mandefa mailaka amin'izy ireo avy amin'ny kaontinao manokana ianao rehefa avy namorona ny mombamomba anao amin‘ny aterineto
      • afaka miantso azy ireo ianao amin’ny 3949, laharana maimaimpoana manomboka ny alatsinainy, talata ary alarobia manomboka amin’ny 8:30 maraina hatramin’ny 4:30 hariva, ny alakamisy manomboka amin’ny 8:30 maraina hatramin’ny 12:30 hariva ary ny zoma amin’ny 8:30 maraina hatramin’ny 3:30 hariva.
      • afaka mitsidika masoivoho akaiky anao ianao, mandeha any mivantana, ary tsy mila maka fotoana ny maraina.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra, dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona manam-pahaizana manan-traikefa.

Mety hahaliana anao koa

Mianatra teny frantsay

Indrisy fa vitsy dia vitsy ny tolotra sy taratasy azo fenoina misy amin'ny fiteny ankoatra ny…

Mitady asa sy manaraka fiofanana arak'asa any Frantsa

Mety ho sarotra tokoa ny mitady asa any amin'ny firenena tsy nahalehibe anao, indrindra raha tsy…

Fikarakarana zaza latsaky ny telo taona

Any Frantsa, tsy maintsy miditra an-tsekoly ny ankizy rehetra manomboka amin'ny telo taona. Raha toa…

Mianatra eny amin‘ny Oniversite any Frantsa

Ny fianarana any amin'ny oniversite dia ahafahanao mahazo diplaoma, izay mety ilaina amin'ny…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony