Mianatra teny frantsay

Indrisy fa vitsy dia vitsy ny tolotra sy taratasy azo fenoina misy amin'ny fiteny ankoatra ny frantsay any Frantsa. Tena ilaina ny fianarana teny frantsay ho an'ny sasany amin'ireo zavatra tsy maintsy ataonao, ary mety ho tena ilaina mba hahitana asa koa izany. Na manao ahoana na manao ahoana tsy fahaizanao miteny frantsay, dia misy vahaolana maro, na izany maimaimpoana na koa misy sarany.

Nohamarinin'i Émilie Mathieu-Benoit tamin'ny 30/05/2022

Raha tsy mahay teny frantsay ianao, dia misy safidy maro, na maimaimpoana na misy sarany, izay azo anampiana anao hahazo ilay fiteny, izay tena ilainao amin'ny fiainanao any Frantsa.

Arakaraka ny fandehan‘ ny fotoana, miampy ny fanazaran-tena tsy tapaka, dia afaka mianatra teny frantsay ianao na firy taona na firy.

Fanaovana tombana ny fahaizanao frantsay

Amin’ny ankapobeny, ny fitantanan-draharaha sy ny orinasa frantsay dia mitoky amin’ny fanasokajiana eoropeanina antsoina hoe Rafitra Eoropeanina Iombonana momba ny Fenitra eo amin’ny Fiteny “Cadre européen commun de référence pour les langues (CECRL)” mba hanaovana tombana ny fahaizanao ny fiteny vahiny.

Ity fanasokajiana ity dia misy ambaratonga enina manomboka amin'ny A1 ho an'ny vao manomboka ka C2 ho an'ireo efa tena mahay.

  • Rehefa mahazo taratasy manome alalana anao hijanona any Frantsa ianao antsoina hoe “titre de séjour” na fahazoan-dàlana ara-dalana hipetraka eo an-toerana, dia hangataka anao ny Biraon’ny Fifindra-monina sy Fampidirana ny hafa na “Office français de l’immigration et de l’intégration (OFII)” mba hanao sonia ilay fifanarahana antsoina hoe “contrat d’intégration républicaine (CIR)”.

    Izy ity dia fifanarahana natao teo amin'ny fanjakana frantsay sy ny teratany vahiny iray izay maniry ny hipetraka maharitra any Frantsa, ary manaiky ny hiditra ao anatin'ny fiarahamonina frantsay.

    Ao anatin‘izany toe-javatra izany dia:

    • Hangataka anao izy ireo hanao andrana frantsay an-tsoratra sy am-bava ao aminy.
    • Miankina amin'ny valim-panadinanao dia mety hangataka anao izy ireo mba hamita fiofanana momba ny fiteny, izay tsy maintsy atao, na azo isafidianana, arakaraka ny ambaratonga misy anao. Maimaimpoana ity fiofanana ity.
    • Hahazo antontan-taratasy manamarina ny fahaizanao teny frantsay ianao amin‘izany, fantatra amin'ny anarana hoe “attestation”.
  • Azonao atao ihany koa ny mitsapa ny fahaizanao amin’ny fisoratana anarana amin’ny fitsapam-pahaizana izay eken’ny fikambanana, toy ny oniversite sy ny manam-pahefana ara-pitantanana miandraikitra ny fandinihina ireny fangatahana mba hanana zo ipetraka eo an-toerana ireny, izay antsoina hoe “préfecture”.

    Izany fitsapam-pahaizana izany dia mety ho:

    • Ny “test de connaissance du français (TCF)” sahanin’ny fikambanana mitondra ny lohateny hoe “France Éducation International”. Afaka mitady ivon-toerana mampanao fitsapam-pahaizana manakaiky anao ianao ao amin‘ity tranokala ity.
    • Ny “test d’évaluation du français (TEF)” izay omen’ny fikambanana antsoina hoe “Chambre de commerce et d’industrie de Paris Île-de-France”. Afaka mitady ivon-toerana mampanao fitsapam-pahaizana manakaiky anao ianao ao amin‘ity tranokala ity.

    Mety manomboka amin'ny 90 ka hatramin'ny 200 euros ny saram-panadinana miankina amin'ny ivon-toerana nofidiana sy ny isan'ny fitsapam-pahaizana natao.

Fisoratana anarana amin‘ny fianarana

Betsaka ny tolotra afaka manampy anao hianatra teny frantsay, na amin‘ny aterineto na mivantana.

Raha te hahita fampianarana maimaimpoana mifanaraka amin'nyfahaizanao ianao dia afaka manomboka amin'ny fangatahana amin‘ny lapan'ny tanàna eo an-toerana na “mairie” na fikambanana mpanao asa soa antsoina hoe “associations”, izay miompana manokana amin‘ ny zon'ny teratany vahiny.

Ny tranokala Refugies.info dia manome ny sarintany mikasika ny tanàna sy ny tanan-dehibe. Afaka milaza mikasika ny fahaizanao frantsay ihany koa ianao eto.

  • Maro ireo tolotra manome fampianarana teny frantsay amin‘ny aterineto.

    Maimaimpoana ireny safidy ireny:

    • Ny app Duolingo dia ahafahanao mianatra teny vahiny rehefa manao lalao amin’ny aterineto ianao. Ny fampiasana mifandraika amin‘ny fahaizanao.
    • Ireo apps Happy FLE, na Pas à pas dia atokana ho an’ireo tena vao hanomboka mihitsy. Ny tanjona dia ny hamporisika ny fidirana tsikelikely ho an‘ireo olona izay vao tonga tany Frantsa vao haingana.
    • Ireo app J’apprends na Solido dia mety indrindra ho an'ny olona manana olana amin'ny famakiana sy/na fanoratana.
    • Ny tranokala TV5Monde dia manolotra horonan-tsary hojerena, ary avy eo ianao afaka manao quiz mba hitsapana ny fahalalanao.
    • Ny tranokala RFI Savoirs dia manolotra quiz maromaro nalahatra araka ny ambaratonga sy ny lohahevitra, vaovao frantsay mora ary fiofanana ho amin’ny fitsampam-pahaizana fiteny “TCF”.
    • Ny fikambanana “Alliance française” dia manolotra horonan-tsary fianarana fiteny frantsay amin’ny lohahevitra maro samihafa. Atolotra amin'ny ambaratonga maromaro samihafa ireo fampianarana ireo:
  • Misy safidy maro raha hianatra teny frantsay atrehina an-dakilasy

    Fianarana maimaimpoana na amin’ny sarany mora

    Raha te hitady ireo fampianarana maimaimpoana na amin’ny sarany mora manakaiky anao, dia azonao atao ny manontany ny manampahefana eo an-toerana na tanàna misy anao, izay fantatra amin’ny hoe “mairie”.

    Indrisy anefa fa miovaova be ny fisian‘izany eo amin‘ny tanan-dehibe sy ny tanàna.

    Fanampin’izany, misy ireo fikambanana izay antsoina hoe “associations” izay manome tolotra maimaimpoana. Afaka mikaroka amin‘ny aterineto ianao ka soraty ny hoe fianarana frantsay maimaimpoana na “cours de français gratuits” ary apetraho eo ny tanàna na tanan-dehibe misy anao.

    Fianarana teny frantsay atolotry ny “France Travail” (maimaimpoana)

    Raha toa ianao voasoratra anarana amin’ny sampandraharaha manome fanohanana ireo olona tsy an’asa, izay antsoina hoe “France Travail”, dia afaka mahazo fampianarana teny frantsay maimaimpoana ianao. Miresaha amin’ny mpanolontsainanao eny amin’ny “France Travail”.

    Fianarana andoavam-bola

    Betsaka ihany koa ny fikambanana manome fampianarana teny frantsay andoavam-bola.

    Ohatra hoe, azonao atao ny:

    • Mitadiava fianarana amin’ ity tranokala ity, izay manome sarintany ahitana fampianarana isaky ny faritra. Raha hikaroka fampianarana ao amin'ny tanàna na tanan-dehibe misy anao dia tsindrio aloha ny sarintanin'i Frantsa dia fidio ny faritra misy anao, avy eo soraty ny anaran'ny tanàna na tanan-dehibe misy anao ao amin'ilay toerana fitadiavana “Ville”.
    • Mifandraisa amin'ny fikambanana “Alliance française”, malaza amin'ny fanomezana fampianarana teny frantsay manara-penitra.
    • Mianara irery miaraka amin’ny mpampianatra manokana amin’ny alalan’ny fitadiavana amin’ny tranokala Superprof, Kelprof na Acadomia.
  • Na dia fomba iray hianarana ny fototra aza ny fampianarana, dia amin'ny alalan'ny fanazaran-tena araka izay tratra ihany no hampandroso anao indrindra.

    Ireto misy toro-hevitra vitsivitsy avy amin'ny olona ao amin'ny ekipan'ny Women for Women France izay efa nanao izany taloha:

    • Mihaino radio sy mijery fahitalavitra amin'ny teny frantsay isan'andro dia anisan‘ny fomba tsara mba hampitomboana ny fahatakaranao.
    • Rehefa mijery sarimihetsika amin'ny teny frantsay dia asio dikan-teny an-tsoratra amin'ny teny frantsay koa eo ambany. Hanampy anao hahatakatra bebe kokoa sy hizatra ny fomba fanoratra ny teny izany.
    • Manaova fanazaran-tena mamaky teny frantsay mafy. Raha manana havana mahay miteny frantsay ianao, dia asaivo manitsy ny fomba fanononanao izy ireo.
    • Mandania fotoana betsaka araka izay azo atao miaraka amin'ny olona tsy miteny ny tenin-drazanao, na dia toa mandreraka aza izany.
    • Aza manamelo-tena – tsy maninona raha toa ka miakanakana ianao, na manao fahadisoana. Tsy misy olona hoe misaina ka hitsaratsara anao, satria fantatr‘izy ireo fa tsy teratany frantsay ianao, no sady mbola mianatra.
    • Mitenena amin'ny teny frantsay foana isaky ny misy hirika hanaovana izany. Arakaraka ny hanaovanao fanazaran-tena no hampatoky tena anao kokoa.
    • Mandraisa anjara amin’ny hetsika eny amin’ny manodidina anao. Tena hirika tsara hanaovana fampiharana miteny frantsay amin'ny olona vaovao tsy miteny ny tenin-drazanao izany.

    Aza kivy. Raha ataonao isanandro ireny torohevitra ireny dia ho afaka ny mandroso bebe kokoa ianao ao anatin‘ny herinandro vitsivitsy.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny “France Travail” dia manampy ny olona hahita asa ary afaka manoro hevitra momba ny famoronana orinasa. Izy ireo koa no misahana ny fandoavana ny fanampiana ara-bola ho an’ny tsy an’asa “allocations de retour à l’emploi” fantatra amin’ny anarana hoe “chômage”.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Raha hampiasa io tolotra io dia mila misoratra anarana amin’izy ireo amin’ny aterineto aloha. Hahazo fotoana eny anivon‘ny masoivoho manakaiky anao ianao avy eo.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: atao amin’ny alalan’ny aterineto ny fisoratana anarana amin’ny tranokala an’izy ireo. Raha mila mifandray aminy ianao dia misy fomba maromaro:
      • afaka mandefa mailaka amin'izy ireo avy amin'ny kaontinao manokana ianao rehefa avy namorona ny mombamomba anao amin‘ny aterineto
      • afaka miantso azy ireo ianao amin’ny 3949, laharana maimaimpoana manomboka ny alatsinainy, talata ary alarobia manomboka amin’ny 8:30 maraina hatramin’ny 4:30 hariva, ny alakamisy manomboka amin’ny 8:30 maraina hatramin’ny 12:30 hariva ary ny zoma amin’ny 8:30 maraina hatramin’ny 3:30 hariva.
      • afaka mitsidika masoivoho akaiky anao ianao, mandeha any mivantana, ary tsy mila maka fotoana ny maraina.
  • Ny “Mairie” dia rafi-pitantanana eo an-toerana miandraikitra ny politika eo an-toerana. Ny tena anjara asany dia ny manampy ny olom-pireneny izay misedra fahasahiranana. Afaka mampahafantatra anao momba ny zonao sy ny fanampiana ara-bola misy izy ireo, manoro anao handeha any amin'ny fikambanana mifandraika amin'izany, ary manampy anao amin'ny dingana arahina ara-panjakana sasany.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Hahita ny antsipiriany ifandraisana amin’ny “mairie” eo an-toerana ianao ao amin’ny ity tranonkala ity, fa apetraho ny anaran’ny tanan-dehibe na tanàna izay ipetrahanao.
  • Ny “Associations” dia fikambanana manome tolotra isan-karazany. Ny sasany mifantoka manokana amin‘ny resaka fifindra-monina.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao momba ny zonao any Frantsa izy ireo, ary indraindray manohana anao eo amin‘ny dingana arahina eo amin‘ny fifindra-monina.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: azonao atao ny mikaroka araka ny faritra sy ny vakim-paritra ao amin'ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra, dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona manam-pahaizana manan-traikefa.

Mety hahaliana anao koa

Mianatra eny amin‘ny Oniversite any Frantsa

Ny fianarana any amin'ny oniversite dia ahafahanao mahazo diplaoma, izay mety ilaina amin'ny…

Mitady vondron‘olona any Frantsa.

Rehefa lavitra ny fianakaviana sy ny namana, tena rariny sy hitsiny tokoa ny mahatsiaro tena ho…

Mitady asa sy manaraka fiofanana arak'asa any Frantsa

Mety ho sarotra tokoa ny mitady asa any amin'ny firenena tsy nahalehibe anao, indrindra raha tsy…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony