Zo hipetraka eo an-toerana mifandraika amin‘ny fananganana orinasa ao Frantsa

Ny fahazoan-dalana ipetraka eo an-toerana na “titre de séjour” dia azo omena ny olona efa manana zo hipetraka eo an-toerana, ary te hiasa tena na hanangana ny orinasany manokana any Frantsa.

Nohamarinin’ny FNCIDFF tamin’ny 30/05/2022

Fepetra

Tsy maintsy mahafeno ireto fepetra ireto ianao:

  • Mpiasa tena manaja ny lalàna frantsay ianao, mahavelon-tena ara-bola ary afaka mampidi-bola tsara ny orinasanao.
  • Tsy maintsy ao anatin‘ny iray amin‘ireto toe-javatra ireto ianao:
    • Tonga teto Frantsa tamin’ny alalan’ny visa ijanonana maharitra na “visa de long séjour”, izay navoaka manokana ho amin’ny asa tena, izany hoe sehatr’asa ataon’ny mpandraharaha.
    • Monina any Frantsa amin’ny alalan’ny zo hipetraka eo an-toerana hafa ianao ary maniry ny hanova ny “titre de séjour”-nao izany hoe fangatahana hiova sata na “changement de statut” mba hahatonga izany ho miankina amin’ny asa aman-draharahanao.

Lalàna manan-kery Andininy L.421–5 sy L.421–6 ao amin’ny “CESEDA”.

Afaka mahazo ny tombana mikasika ny hevitrao momba ilay asa aman-draharaha vaovao ianao amin’ity tranokala ity.

Karazana “titre de séjour” na fahazoan-dalana omena ipetrahana eo an-toerana

  • Manana zo ny hahazo kara-ponenana vonjimaika na “carte de séjour temporaire” izay milaza fa “entrepreneur / profession libérale'' ianao, manan-kery mandritra ny herintaona.

  • Ny kara-ponenanao na ny “carte de séjour” dia azo avaozina raha toa ka mahafeno fepetra ianao.

    Avy eo ianao afaka mahazo kara-ponenana hipetraka an-taona maro na “carte de séjour pluriannuelle” izay manan-kery mandritra ny efa-taona, raha mangataka iray ianao. Raha hanao izany dia tsy maintsy manao sonia ny fifanarahana fampidirana anatiny ireo mpifindra-monina miaraka amin’ny fanjakana frantsay ianao, fantatra amin’ny hoe “Contrat d’Intégration Républicaine (CIR)” ary manaja ny fifanekena nataony.

  • Raha nipetraka tany Frantsa nandritra ny dimy taona ianao fara fahakeliny, na telo taona amin'ny tranga sasany, dia azonao atao ny mangataka “carte de résident”, raha toa ka mahafeno fepetra sasany. Te hahafantatra bebe kokoa

Teratany alzeriana

Ny safidy hahazoana “titre de séjour” amin'izany dia azo ampiharina amin'ireo teratany Alzeriana.

Raha ho anao manokana:

  • Tsy voatery hoe manana visa ijanonana maharitra na “visa de long séjour” ianao mankany Frantsa, izay navoaka manokana mba hahafahana manao asa tena. Ny antontan-taratasy rehetra antsoina hoe “visa” dia mety daholo.
  • Tsy voatery hampiseho fahavitan-tena ara-bola ianao amin‘ny tetikasanao, ary tsy misy fanontaniana be mahakasika ny fidiram-bolanao.

Lalàna manan-kery Andininy faha-5 amin'ny Fifanarahana natao teo amin‘ny Frantsa sy Alzeria ny 27 Desambra 1968 araka ny fanitsiana natao.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • La Cimade” dia fikambanana miompana amin’ny fanohanana ireo mpifindra monina rehetra, ary ireo mpitsoa-ponenana any Frantsa, indrindra olona miatrika herisetra.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hampahafantatra anao sy hanohana anao mandritra ny dingana arahina ara-panjakana mifandraika amin'ny zo ipetrahana any Frantsa, ary hitarika anao any amin'ny sampan-draharaha hafa, arakaraka ny toe-javatra misy anao manokana.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy ary Espaniola.
    • Fifandraisana:
      • raha tsy misy fotoana nalaina tany amin’ny ivon-toerana akaiky anao
      • amin’ny telefaonina amin’ny 01 40 08 05 34 or 06 77 82 79 09 ny alarobia 9:30 maraina hatramin’ny 1:30 hariva ary manomboka amin’ny 2:30 hariva hatramin’ny 5:30 p.m.
  • Gisti” dia fikambanana mifantoka manokana amin’ny fanomezana torohevitra mikasika ny lalàna ho an’ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana any Frantsa.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ho afaka hampilaza anao momba ny zonao mifandraika amin'ny zo ipetraka ara-dalana eo an-toerana izy ireo, ary hanazava ny fomba hahazoana izany.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana:
      • Amin’ny telefaonina amin’ny +331 84 60 90 26 ny alatsinainy hatramin’ny zoma manomboka ny amin’ny 3 hariva hatramin’ny 6 hariva, ary koa amin’ny 10 maraina hatramin’ny 12 atoandro ny alarobia sy ny zoma. Indraindray mety be mpiantso be ao dia aza kivy. Mora kokoa indraindray ny miantso azy ireo amin‘ny harivariva .
      • Amin’ny alalan’ny paositra amin’ny “Gisti, 3 villa Marcès 75011 Paris, France”. Ataovy printy dia fenoy ity taratasy ity ary ampidiro ao amin’ny taratasinao miaraka amin’ny dika mitovy ny antontan-taratasy izay mety ilaina. Aza adinoina ny mamaritra mazava araka izay azo atao ny fanontanianao, ao anatin'izany ny zava-drehetra mety hanampy ny mpanolotsaina “Gisti” hahatakatra ny toe-javatra misy anao.
  • Ny “Associations” dia ireo fikambanana izay manome tolotra isan-karazany. Manampahaizana manokana amin‘ny fifindra-monina ny sasany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao ny zonao any Frantsa izy ireo ary indraindray manohana anao amin‘ny dingana arahina raha hifindra-monina.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Azonao atao ny mitady izany isaky ny faritra sy ny vakim-paritra amin’ity lahatahiry ity.
  • Ireo fikambanana nahazo alalana na “associations habilitées” no afaka manome tolotra avo lenta manokana ho an’ireo mpitady fialokalofana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao mikasika ny zonao, manoro hevitra anao, manampy anao amin’ireo dingana ara-taratasy karakaraina ary miaraka aminao rehefa mihaona amin’ny Birao Frantsay Miaro ny Mpitsoa-ponenana sy ny Tsy manan-tanindrazana na “Office français de la protection des réfugiés et des apatrides (OFPRA)”.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina, azo asiana fandikan-teny am-bava.
    • Fifandraisana: afaka mahita “associations habilitées” manakaiky anao ianao ato amin’ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa

Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…

Manakarama mpisolovava any Frantsa

Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony