Mianatra eny amin‘ny Oniversite any Frantsa

Ny fianarana any amin'ny oniversite dia ahafahanao mahazo diplaoma, izay mety ilaina amin'ny fitadiavana asa any Frantsa, na mety ilaina mihitsy aza amin'ny lalan'asa sasany. Ny olona tsy teratany frantsay dia afaka ny misoratra anarana hianatra any Frantsa fa misy fepetra arahina.

Nohamarinin'i Ouarda Varda Sadoudi tamin'ny 29/09/2023

Raha maniry ny hahazo diplaoma eny amin'ny oniversite ianao dia afaka mieritreritra ny hisoratra anarana eny anivon’ny rafi-pampianarana ambony any Frantsa.

Ho hitanao eto ambany ireo fepetra sy dingana izay tokony arahinao raha hisoratra anarana amin‘ny fianarana eny anivon‘ny oniversite.

Raha maniry ny hanaraka fiofanana arak’asa kokoa ianao, ao anatin’izany ny fiofanana voamarina, dia azonao atao ny mitsidika ny pejy voatokana.

Ny rafitry ny oniversite any Frantsa

Any Frantsa dia manomboka aorian‘ny fahavitan‘ny fianarana eny amin‘ny lisea ny oniversite. Ny fidirana eny dia mitaky ny fahavitana soa aman-tsara ny lisea, amin’ny alalan’ilay fanadinana fantatra amin’ny hoe “Baccalauréat (Bac)” na izay mifandraika amin’izany any ivelany.

  • Misy karazana toeram-pampianarana ambony maro any Frantsa, ao anatin’izany:

    • Ny “Universités”, dia rafi-panjakana izay miankina amin’ny fanjakana frantsay, ary mifandray amin’ny faritra ara-jeografika misy sekoly izay antsoina hoe “académies”.
    • “Grandes écoles”, izay toerana miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana azo idirana amin'ny fanadinana fifaninanana. Matetika dia ilaina ny miditra amin‘ny kilasy fanomanana manokana maharitra roa taona, izay fantatra amin'ny anarana hoe “classe préparatoire”. Mandalo fifantenana goava ny fidirana amin‘ireny sekoly ireny ary tena lafo tokoa ny saram-pisoratana anarana, kanefa tena tsara lazaizy ireny ao Frantsa.
  • Mizara dingana telo ny fampianarana eny anivon‘ny oniversite.

    Mahazo diplaoma ianao isaky ny mifarana ny ambaratonga iray.

    Ambaratonga 1: Diplaoma lisansa “Licence”/“Bac+3

    Maharitra telo taona ny ambaratonga voalohany. Ilay telo taona no antsoina hoe “Licence 1”, “Licence 2” na “Licence 3”.

    Rehefa vita io ambaratonga io dia afaka mahazo ny diplaoma izay antsoina hoe “Licence” na “Bachelor” ianao miankina amin’ny fianarana narahinao. Eto ianao dia mahazo ny dingana “Bac+3”.

    Ambaratonga 2: Diplaoma Maîtrise “Master”/“Bac+5

    Maharitra roa taona ny ambaratonga faharoa. Ireny taom-pianarana ireny no antsoina hoe “Master 1” sy “Master 2”.

    Rehefa mifarana io ambaratonga io dia mahazo ny “Master” na diplaoma Maîtrise ianao. Mahazo ny dingana “Bac+5” izany ianao izao.

    Dingana 3: PhD/“Bac+8

    Maharitra telo taona ny ambaratonga fahatelo, ary mitovy laharana amin‘ny fianarana ho dokotera.

    Rehefa vita ny PhD dia mahazo ilay diplaoma antsoina hoe “Doctorat” ianao.

Fepetra

Misokatra ho an'ny rehetra ny fianarana any Frantsa, na inona na inona zom-pireneny.

Na izany aza, tsy maintsy mahafeno fepetra sasantsasany ianao:

  • Ny fisoratana anarana amin'ny taona voalohany eny amin'ny oniversite dia mitaky fahavitan'ny fanadinana vita teny amin'ny sekoly ambaratonga faharoa fantatra amin'ny anarana hoe “Baccalauréat (Bac)” na ny mitovy amin’izany any ivelany.
  • Mba hahafahana misoratra anarana amin'ny ambaratonga ambony mihoatra ny taona voalohany dia tsy maintsy nahazo diplaoma eny amin'ny oniversite ianao.
  • Vantany vao nekena ny fisoratanao anarana, ary raha mbola tsy manana zo ipetrahana ianao, dia tokony hangataka fahazoan-dàlana ipetraka eo an-toerana na “titre de séjour”, ka ahitana ny soratra hoe “étudiant” na mpianatra.

Avy eo ny oniversite no mamaritra ny fepetrany manokana. Ohatra hoe ny sasany mitaky ny hanananao ny dingana B2 amin’ny fiteny frantsay.

Saram-pisoratana anarana

Miovaova eny ny saram-pisoratana anarana eny amin’ny oniversite ary miankina amin’ny lafin-javatra maro, toy ny hoe ny rafim-pampianarana nofidiana, ny diplaoma azo ary koa ny zom-pirenenao.

Amin'ny toe-javatra sasany dia azo atao ny mahazo fanampiana ara-bola fantatra amin’ny anarana hoe vatsim-pianarana naboursesmba handoavana ny fianaranao, eny fa na dia tsy teratany frantsay aza ianao.

Azonao atao ny mifandray mivantana amin’ny oniversite mahaliana anao mba hahafantarana ny sarany apetrany ary ny “bourses” misy.

Ahoana ny hanaovana azy

Azonao atao ny mikaroka toeram-pampianarana ambony na “établissement d’enseignement supérieur” manakaiky anao amin’ny alalan’ ity tranokala ity.

  • Matetika atao eo anelanelan'ny volana martsa sy jona ny fisoratana anarana eny amin'ny oniversite.

    Tsara kokoa ny mifandray mivantana amin'ny oniversite nosafidinao hahitana ny fandaharam-potoana mikasika ny fisoratana anarana sy ny tokony atao.

    Miankina amin'ny lafin-javatra maromaro ny fisoratana anarana , ao anatin'izany ny mari-pahaizana tianao alaina, ny firenena misy anao amin'izao fotoana izao ary ny zom-pirenenao:

    • Raha olom-pirenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ianao dia afaka manaraka ny fisoratana anarana mitovy amin'ny mpianatra frantsay.
    • Raha mipetraka ao amin'ny Vondrona Eoropeana ianao kanefa tsy olom-pirenena avy amin‘ny firenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana, dia mila:
      • mandefa fangatahana mialoha ho fidirana hianatra na “demande d’admission préalable (DAP)” mba hidiranao amin'ny taom-pianaranao voalohany
      • mifandraisa mivantana amin'ilay sekoly mifandraika amin'izany, mba hisoratanao anarana amin'ny ambaratonga ambony amin'ny taona voalohany.
  • Mety ekena any Frantsa ny mari-pahaizana azonao any amin'ny firenena hafa kanefa misy fepetra arahina amin‘izany.

    Raha hangataka izany dia mila mifandray amin'ny sampandraharaha tompon'andraikitra amin'ny famoahana ireo antontan-taratasy ahafahana manaiky ny mari-pahaizana amin'ny ankamaroan'ny taranja, izay fantatra amin'ny anarana hoe “centre ENIC-NARIC” ianao:

    • raha tompon'andraikitra amin'ny fanekena ny diplaomanao izy ireo dia afaka milaza aminao ny dingana tokony harahina
    • raha tsy tompon'andraikitra amin'ny fanekena ny diplaomanao izy ireo dia hanoro anao any sampana mifandraika amin'izany.
  • Amin‘ny ankapobeny dia mila ampidirina amin‘ny fangatahanao ireto manaraka ireto:

    • Ny antontan-taratasy antsoina hoe “Curriculum Vitae” na “CV” izay manambara amin’ny antsipiriany ny traikefanao arak’asa, ny fianarana sy ny fiofanana vitanao ary ny mari-pahaizana azonao.
    • Taratasy fangatahana na “lettre de motivation” manazava ny antony angatahanao io fianarana eny amin‘ny oniversite io, ary nahoana no heverinao hoe tena mety amin‘izany ianao.
    • Ny dika mitovy amin'ny mari-pahaizana azonao. Raha toa ianao ka nampanaiky izany tany Frantsa, dia ampiaraho aminy eo koa ireo antontan-taratasy mifandraika amin‘izany.
    • Taratasy antsoina hoe “certificat” manamarina ny ambaratonga misy anao amin’ny teny frantsay. Raha tinao ny hahazo izany taratasy izany dia tokony manao fitsapam-pahaizana eny amin‘ny ivon-toerana fanaovana izany ianao. Afaka mikaroka fitsapam-pahaizana eny akaikinao ianao ao amin’ ity tranokala ity.

    Raha toa ka tsy amin’ny teny frantsay ny antontan-taratasinao dia tsy maintsy adikan’ny mpandika teny an-tsoratra nahavita fianianana antsoina hoe “traducteur assermenté” izany:

    • Mitentina 30-80 euros isaky ny pejy eo ho eo amin‘ny ankapobeny ny fandikana izany.
    • Afaka mijery amin’ny aterineto ianao, na manontany ny masoivohon’ny firenena niavianao any Frantsa mikasika ireo lisitry ny “traducteurs assermentés” amin’ny fiteninao. Na izany aza, raha mpitsoa-ponenana ara-politika any Frantsa ianao dia tsy tokony hifandray mihitsy amin’ny manampahefana avy any amin’ny firenana niavianao. Mifandraisa amin’ny fikambanana mpanao asa soa antsoina hoe “association” mifototra manokana amin’ny lalàna mikasika ny mpitsoa-ponenana.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny “Pôle Emploi” dia manampy ny olona hahita asa ary afaka manoro hevitra momba ny famoronana orinasa. Izy ireo koa no misahana ny fandoavana ny fanampiana ara-bola ho an’ny tsy an’asa “allocations de retour à l’emploi” fantatra amin’ny anarana hoe “chômage”.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Raha hampiasa io tolotra io dia mila misoratra anarana amin’izy ireo amin’ny aterineto aloha. Hahazo fotoana eny anivon‘ny masoivoho manakaiky anao ianao avy eo.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: atao amin’ny alalan’ny aterineto ny fisoratana anarana amin’ny tranokala an’izy ireo. Raha mila mifandray aminy ianao dia misy fomba maromaro:
      • afaka mandefa mailaka amin'izy ireo avy amin'ny kaontinao manokana ianao rehefa avy namorona ny mombamomba anao amin‘ny aterineto
      • afaka miantso azy ireo ianao amin’ny 3949, laharana maimaimpoana manomboka ny alatsinainy, talata ary alarobia manomboka amin’ny 8:30 maraina hatramin’ny 4:30 hariva, ny alakamisy manomboka amin’ny 8:30 maraina hatramin’ny 12:30 hariva ary ny zoma amin’ny 8:30 maraina hatramin’ny 3:30 hariva.
      • afaka mitsidika masoivoho akaiky anao ianao, mandeha any mivantana, ary tsy mila maka fotoana ny maraina.
  • Ny mpiasa sosialy na “travailleurs sociaux” sy ny “assistants sociaux” dia efa za-draharaha amin‘ny fanohanana ny olona amin'ny fikarakarany taratasy, ary manampy azy ireo hahita vahaolana mifanaraka amin'ny fahasahiranana atrehany.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Azonao atao ny maka fotoana handraisana torohevitra manokana araka ny toe-javatra misy anao, ary hanampy anao amin'ny dingana manaraka, toy ny hoe: fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fangatahana trano fonenana, fisoratana anarana any amin'ny birao mikarakara ny olona tsy manana asa any Frantsa “Pôle emploi”, sns.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Azonao atao ny mangataka fotoana hihaonana amin'ny “travailleur social” miaraka amin’ny

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra, dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona manam-pahaizana manan-traikefa.

Mety hahaliana anao koa

Mianatra teny frantsay

Indrisy fa vitsy dia vitsy ny tolotra sy taratasy azo fenoina misy amin'ny fiteny ankoatra ny…

Fikarakarana zaza latsaky ny telo taona

Any Frantsa, tsy maintsy miditra an-tsekoly ny ankizy rehetra manomboka amin'ny telo taona. Raha toa…

Mangataka fanampiana ara-bola avy amin‘ny fanjakana

Betsaka ny karazana fanampiana ara-bola atolotry ny sampandraharaham-panjakana frantsay mba…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony