Mangataka antontan-taratasy antsoina hoe “duplicata” na dika mitovy raha toa nisy nangalatra na very tany ivelany ny “titre de séjour” any Frantsa

Raha toa ianao manana taratasy fifindra-monina manan-kery antsoina hoe “titre de séjour” ary nisy nangalatra na very izany raha tany Frantsa ianao, dia azonao atao ny mangataka antontan-taratasy atao hoe “duplicata” avy amin’ny manampahefana eo an-toerana.

Nohamarinin'ny La Cimade tamin'ny 31/01/2024

Inona no tafiditra amin'izany?

Raha toa ka very na nisy nangalatra ny taratasinao fifindra-monina fantatra amin’ny hoe “titre de séjour” na fahazoan-dalana ipetraka eo an-toerana, dia azonao atao ny mangataka antontan-taratasy antsoina hoe dika mitovy na “duplicata” avy amin’ny manampahefana frantsay eo an-toerana fantatra amin’ny hoe “préfecture” na “sous-préfecture” eo amin’ny vakim-paritra misy anao.

Tsy misy mahazo alalana hangalatra ny “titre de séjour”-nao, eny fa na dia ny vadinao aza, na ianareo vita mariazy, na PACS na fifanarahana sivily.

Ahoana ny fanaovana azy

Azonao fenoina ity fanontaniana ity raha te hahalala bebe kokoa momba izay tokony atao.

Dingana 1: Mametraka fitoriana eny amin’ny polisy frantsay

Voalohany indrindra dia tsy maintsy manao tatitra mikasika ny fahaverezana na halatra eny amin'ny polisy ianao ka mandeha eny amin’ny biraon'ny polisy akaiky anao, na “commissariat de police” na “brigade de gendarmerie”. Omen’izy ireo taratasy antsoina hoe “déclaration” ianao izay hanamarina fa very na nisy nangalatra ny “titre de séjour” anao.

Raha tianao dia azonao atao ihany koa ny mametraka fitoriana eny amin’ny biraon’ny polisy mba hanenjehana ilay olona nangalatra na nanimba ny taratasinao, ao anatin’izany ny vadinao na ny vadinao taloha, na ianareo vita mariazy, na PACS na fifanarahana sivily.

Raha misafidy ny hametraka fitoriana ianao:

  • Hanao famotorana sy fanadihadiana ny olona voampanga ny polisy raha afaka manao izany izy.
  • Ny fitoriana no mety ho sokajiana ho porofo maneho ilay herisetra ara-taratasy izay nampijaly anao raha toa ka ny vadinao na ny vadinao taloha no nanao ilay halatra sy namotika.

Dingana 2: Mangataka “duplicata” na dika mitovy avy any amin’ny “préfecture

Mila mifandray amin’ny manampahefana frantsay eo an-toerana fantatra amin’ny hoe “préfecture” na “sous-préfecture” eo amin’ny toerana misy anao ianao mba hahitana ny fomba fangatahana ny “duplicata” na ny dika mitovy. Ato amin’ireto lahatahiry ireto ianao dia ahita ny antsipiriany ifandraisana amin’ny “préfectures” sy ny “sous-préfectures”.

Mariho azafady fa: ny “préfecture” dia afaka mamerina mijery raha mbola mahazo alalana amin’ny “titre de séjour” izay angatahanao ianao.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • La Cimade” dia fikambanana miompana amin’ny fanohanana ireo mpifindra monina rehetra, ary ireo mpitsoa-ponenana any Frantsa, indrindra olona miatrika herisetra.

    • Tsy andoavam-bola ny fanaovana an‘izany.
    • Afaka mampahafantatra anao sy manohana anao amin'ny dingana arahina ara-panjakana mifandraika amin'ny zo hipetraka any Frantsa izy ireo, ary hitarika anao amin'ireo tolotra hafa miankina amin'ny toe-javatra misy anao manokana.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy ary Espaniola
    • Fifandraisana:
      • tsy mila maka fotoana any amin’ny ivo-toerana manakaiky anao
      • amin’ny telefaona amin’ny 01 40 08 05 34 na 06 77 82 79 09 isaky ny Alarobia amin’ny 9:30 maraina hatramin’ny 1:30 hariva ary amin’ny 2:30 hariva hatramin’ny 5:30 hariva.
  • Associations” dia ireo fikambanana izay afaka manome tolotra isan-karazany. Ny sasany misahana manokana ny resaka fifindra-monina.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao mikasika ireo zonao any Frantsa izy ireo, ary indraindray manohana anao amin‘ny izay tokony atao amin‘ny fifindra-monina.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Afaka mikaroka isaky ny faritra sy ny vakim-paritra ianao ao anatin’ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Mangataka antontan-taratasy antsoina hoe “visa de retour” raha toa ka nisy nangalatra na very tany ivelany ny “titre de séjour” anao

Raha tsy any Frantsa ianao amin'izao fotoana izao ka very na nisy nangalatra ny “titre de séjour”…

Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay

Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mikasika…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony