Mitady toerana ipetrahana vonjy maika
Raha toa ka tandindomin-doza ianao ao an-trano ary tsy mahalala toerana aleha dia misy ireo…
Raha toa tsy manam-bola ianao na nosakanan'ny vadinao na vadinao taloha ny fahazoanao vola, dia misy ny vahaolana sasany handoavana ny zavatra ilainao andavanandro. Indrisy anefa fa mbola voafetra aloha ireo vahaolana ireo any Frantsa.
Nohamarinin'i Ouarda Varda Sadoudi tamin'ny 27/11/2022
Raha tsy manana kaontinao amin'ny banky ianao, dia tsara kokoa raha manokatra iray ianao araka izay haingana mba handefasana vola ho anao ao.
Raha miasa any Frantsa ianao ary manana vola ao amin'ny kaonty tahirin'ny orinasanao, ao anatin'ny drafitry ny fitehirizam-bolan’ny orinasa na “Plan Epargne Entreprise” dia azonao atao ny mampiasa izany raha misy trangana herisetra ao an-tokantrano. Afaka mifandray amin'ny mpampiasa anao ianao raha te hahalala bebe kokoa.
Tsara kokoa ianao raha maka fotoana amin‘ny matihanina izay fantatra amin‘ny anarana hoe “travailleur social” na mpiasa sosialy.
Ity matihanina ity dia afaka manampy anao hahita vahaolana mifototra amin'ny toe-javatra misy anao sy hanohana anao amin'ny dingana ara-panjakana, indrindra rehefa mangataka fanampiana ara-bola ianao. Azon'izy ireo atao koa ny mampahafantatra anao ny fitaovana hafa misy, toy ny fampihenana ny vidin-javatra na koa mandeha ny fitateram-bahoaka maimaimpoana, arakaraka ny toe-javatra misy anao.
Raha hanao fotoana miaraka amin'ny “travailleur social” dia azonao atao ny:
Manaova fotoana miaraka amin'ny mpiandraikitra ny asa sosialy ao amin'ny orinasanao na “assistante sociale” raha toa ka miasa ianao. Afaka mifandray amin'ny mpampiasa anao ianao raha te hahalala bebe kokoa.
Raha tsy miasa ianao kanefa mila vola, dia misy ireo sehatra sasany matetika manakarama olona haingana.
Raha manambady na manan-janaka ianao, dia mety hahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny vadinao na ilay ray aman-dreny ankilany taorian‘ny fanapahan-kevitry ny mpitsara:
Na izany aza dia mety haharitra herinandro maromaro na volana maromaro mihitsy vao hivoaka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara.
Tsy mora foana izany, saingy azo atao ny miverina ho mahaleo tena ara-bola, eny na dia avy nisedra herisetra ara-toekarena aza. Ezaho ny tsy ho kivy.
Any Frantsa dia maro ireo fikambanana izay manome fotoana maimaimpoana ihaonana amin’ny mpisolovava mba hahafahanao mametraka ny fanontanianao sy mahazo torohevitra ara-dalàna.
Ny politikan'ny fiantohana sasany dia misy fiarovana araky ny lalàna izay mety handoavana ny ampahany amin'ny vola laninao amin‘ny fitsarana. Mety ho fiantohana mikasika ny trano fonenana izany, fiantohana karatra avy amin'ny banky, fiantohana momba ny asanao, na fiantohana hafa nalainao. Afaka mifandray amin'ny orinasam-piantohanao ianao raha te hahalala bebe kokoa.
Raha toa ka tsy maintsy hiantso mpisolovava na matihanina amin’ny resaka lalàna antsoina hoe “huissier de justice” eo amin’ny sehatry ny fitsarana, kanefa tsy ampy vola ianao omena azy ireo, dia mety afaka hisitraka ny fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna na “aide juridictionnelle” ianao, amin’ny fandoavana ampahany na manontolo ny vola laninao amin’ny fitsarana.
Ny mpiasa sosialy na “travailleurs sociaux” sy ny “assistants sociaux” dia efa za-draharaha amin‘ny fanohanana ny olona amin'ny fikarakarany taratasy, ary manampy azy ireo hahita vahaolana mifanaraka amin'ny fahasahiranana atrehany.
Ny “Mairie” dia rafi-pitantanana eo an-toerana miandraikitra ny politika eo an-toerana. Ny tena anjara asany dia ny manampy ny olom-pireneny, izay misedra fahasahiranana. Afaka mampahafantatra anao momba ny zonao sy ny fanampiana ara-bola misy izy ireo, manoro anao handeha any amin'ny fikambanana mifandraika amin'izany, ary manampy anao amin'ny dingana arahina ara-panjakana sasany.
Ny “Associations” dia fikambanana manome tolotra isan-karazany.
Mitady toerana ipetrahana vonjy maika
Raha toa ka tandindomin-doza ianao ao an-trano ary tsy mahalala toerana aleha dia misy ireo…
Mangataka fanampiana ara-bola avy amin‘ny fanjakana
Betsaka ny karazana fanampiana ara-bola atolotry ny sampandraharaham-panjakana frantsay mba…
Mitady asa sy manaraka fiofanana arak'asa any Frantsa
Mety ho sarotra tokoa ny mitady asa any amin'ny firenena tsy nahalehibe anao, indrindra raha tsy…