Ny fandraisana fanampiana ara-bola avy amin'ny vadinao mandritra ny fisaraham-panambadiana

Any Frantsa dia mitaky ny mpivady hifanome fanampiana ara-bola sy ara-materialy ny lalàna raha ilaina izany. Raha ao anatin‘ny raharaha fisaraham-pananambadiana ianao dia afaka mangataka fanampiana ara-bola amin‘ny vadinao.

Nohamarinin‘i Mpisolovava Elodie Ramos tamin’ny 31/01/2024

Inona no tafiditra amin'izany?

Ity fanampiana ara-bola ity izay vola fanampiana ho an’ny zaza fantatra amin’ny anarana hoe “pension alimentaire au titre du devoir de secours”, dia mety ho hita amin’ny endrika maro:

  • ny fandoavana vola isam-bolana
  • tombontsoa mivaingana toy ny fanomezana trano honenana,ny fandoavana ny fampindramam-bola natao niaraka
  • fikambanan‘ny vola sy ny tombontsoa mivaingana

Mihatra hatrany io vola fanampiana ho an’ny zaza io mandrapahatongan‘ny fanambarana mikasika ny fisaraham-panambadiana.

Ahoana ny handraisako izany?

Ny mpitsara miadidy ny fianakaviana na “Juge aux affaires familiales (JAF)” dia mety hanapa-kevitra ny hampiditra ny vola fanampiana ho an’ny zaza na “pension alimentaire au titre du devoir de secours” mandritra ny fepetra vonjimaika ny fisaraham-panambadiana.

Hametraka ny sandan'ity vola fanampiana ho an’ny zaza ity izy ireo araka ny fepetra maromaro mifandraika amin'ny mpivady:

  • ny fidiram-bolany: ny karama, fisotroan-dronono na tombontsoa ho an'ny olona sembana
  • ny asa sahaniny
  • ny fari-piainany
  • ny fananany: ny fananana na harena azo afindra
  • ny fandaniana ataony: fivelomana, trosa, hetra.

Raha toa ka misy miova ny iray amin‘ireo zavatra voaresaka mombaanao, na momba azy, amin‘ny fotoana iray, dia mety azo hiverenana jerena indray ilay vola fanampiana. Raha izay no izy dia mila mametraka fangatahana any amin’ny “Juge aux affaires familiales” amin’ny alalan’ny mpisolovavanao ianao.

Raha tsy mandoa vola

Raha toa ka tsy mandoa ny vola fanampiana ho an’ny zaza izay efa nofaritan’ny mpitsara ny vadiko taloha dia misy ny vahaolana.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa diamisy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Ho afaka hampahafantatra anao ny zonao sy ny dingana tokony hataonao izy ireo. Ireo ivon-toerana sasany dia afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: ny antsipirian‘ny fifandraisana amin'ny “CIDFF” any amin'ny faritra misy anao dia ho hitanao ato anatin'ity lahatahiryity.
  • Ireo ivon-toerana antsoina hoe “point-justice” dia mamondrona fikambanana isan-karazany izay manome anao torohevitra araka ny lalàna, miankina amin’ny toe-javatra atrehinao, ary indraindray dia manampy anao amin’ny dingana arahina ara-panjakana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Manana anarana maro ireo ivon-toerana ireo: “Maison de Justice et du Droit (MJD)”, “Point d’accès au droit (PAD)”, "Relais d’accès au droit (RAD)”, “Antenne de justice (AJ)” na “France services (FS)”. 
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Afaka mahita “point-justice” akaiky anao ianao:
      • ao amin‘ity lahatahiry amin’ny aterineto ity.
      • amin‘ny alalan‘ny fiantsoana ny 3039 avy any Frantsa metropolitana ary ny +33 9 70 82 31 90 avy any ivelany. Hangatahany kaodim-paositra ianao ary hampifandraisiny amin‘ny “point-justice” Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
  • Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha ara-pitsarana.

    • Tandremo tsara mba ho mpisolovava mahay no fidìana.
    • Tsy maintsy aloanao ny karaman'ny mpisolovava.
    • Raha voafetra ny vola eo am-pelatananao, dia mety hahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana ianao handoavana ireo sarany ireo. Izany no antsoina hoe "aide juridictionnelle".
    • Raha tsy mbola nisy olona matihanina na olona atokisanao nanolotra mpisolovava ho anao dia afaka mitady mpisolovava ao anatin'ity lahatahiry ity ianao. Mitanisa ireo mpisolovava rehetra ao Frantsa izy ity. Azonao atao ny mikaroka mpisolovava arakaraky ny tenim-pirenena teneniny na ny sokajin-dalàna manokana ifantohany.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Fantaro no tokony atao rehefa tsy manome fanampiana ara-bola izay nofaritan‘ny mpitsara ilay vadinao taloha.

Raha tsy azonao ilay fanomezana ara-bola napetraky ny mpitsara tao anatin'ny raharaha mahakasika ny…

Fantaro izay tokony hatao raha toa ka tsy manaja ny fepetran’ny fisaraham-panambadiana ny vadinao taloha

Raha toa ka tsy manaja ny fizaram-pananana tapaka nandritra ny fisaraham-panambadiana ilay vadinao…

Fisaraham-panambadiana any Frantsa

Raha te hisara-panambadiana ara-panjakana any Frantsa ianao, dia afaka misafidy karazana fomba…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony