Mitady toerana ipetrahana haingana

Raha toa ka tandindomin-doza ianao ao an-trano, ary tsy mahalala toerana aleha dia misy ireo vahaolana. Tena zava-dehibe ny tsy hijanonanao ao anatin'ny toe-javatra mampidi-doza ho anao sy ny zanakao. Ny fiarovana anao no laharam-pahamehana indrindra.

Nohamarinin'i Ouarda Varda Sadoudi tamin'ny 24/05/2023

Raha niharan‘ny herisetra ao an-tokantrano ianao ary miara-mipetraka amin’ilay mpanao herisetra, ny iray amin‘ny vahaolana voalohany azonao eritreretina dia ny mangataka ny mpitsara mba handroaka azy hiala ao an-tokantrano ho anisan‘ny fepetra fiarovana, fantatra amin‘ny anarana hoe fiarovana araka ny lalàna “ordonnance de protection”.

Afaka mahazo ny fandroahana azy ireo hiala ianao ao anatin'ny herinandro farafahakeliny, eny fa na dia misoratra aminy aza ilay trano.

Eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitry ny mpitsara, na raha tsy nangataka “ordonnance de protection” ianao dia misy vahaolana vonjy maika ho anao sy ny zanakao.

Androany

Mety manahiran-tsaina ny miala amin'ny fahazarana tao an-tranonao, saingy tandindomin-doza ianao raha miaraka amin‘ny olona manao herisetra.

Na dia hitanao fa sarotra aza izany, dia tena ilaina maikaireo vahaolana ireo. Ity no dingana voalohany ho fiarovana anao, ary amin'ny fotoana maharitra, mba hahazoanao ny fahaleovantenanao.

  • Mety toa mahamenatra ilay izy, saingy mety ho vonona hampiantrano vonjy maika anao ny olona iray atokisana sy akaiky anao.

    Mihabetsaka ny olona mahatsapa ny olan'ny herisetra ao an-tokantrano, fantaro fa mety hitranga amin'ny olona rehetra izany, ary vonona izy ireo hanampy ireo izay miatrika izany.

  • Raha ampy ny volanao dia afaka ny mieritreritra ny mandeha mipetraka any amin‘ny hotely mandritra ny andro vitsivitsy.

    Amin‘ny fiteny maro ireto valam-pikarohana amin‘ny aterineto ireto, ary manolotra karazana trano fonenana vonona avy hatrany any Frantsa:

    • Mamandrika efitrano fandraisam-bahiny na trano lehibemisy fianakaviana maromaro mipetraka.
    • Airbnb raha hanofa trano amin’ny fotoana fohy, indraindray lava kokoa.
  • Manana fafahana mahita toerana ipetrahan‘ny olona izay iharan‘ny herisetra ao an-tokantrano ny sampandraharahan‘ny polisy rehefa amin‘ny toe-javatra maika.

    Tokony ho afaka hahita toerana fialofanao ho anao ao aminy izy ireo androtriny ihany. Natokana manokana ho an‘ny vehivavy ny sasany amin‘ireny toerana ireny.

    Raha hangataka izany tolotra izany ianao, dia afaka mandeha eny amin’ny biraon’ny polisy manakaiky anao, ohatra hoe ny “commissariat de police” na “brigade de gendarmerie”.

    Rehefa tonga eny ianao:

    • Raha tsy miteny frantsay ianao dia azonao aseho azy ireo ity taratasy ity.
    • Azavao fa tena tandindomin-doza ianao ao an-trano. Tsy maintsy mamaly ireo fanontaniana momba ny herisetra niainanao ianao.
    • Tsy voatery mametraka fitoriana ianao vao hoe mahazo trano ipetrahana vonjy maika.
    • Mety ihany koa raha mangataka olona hiaraka aminao ianao mba haka ny entanao. Mety haharitra fotoana lava na latsaka kokoa izany miankina amin‘ireo asa maika tsy maintsy atrehin‘izy ireo.
  • Ny “Samusocial” dia ny sampana miandraikitra ny laharana telefaonina 115, vahaolana nasionaly sy laharana fanampiana ho an’ny olona izay tsy manan-kialofana.

    Hanao izay fara heriny izy ireo mba hanomezana anao trano fonenana vonjy maika, toy ny trano fandraisam-bahiny na trano fialofana mandritra ny alina, izay lavitra araka izay azo atao miala amin'ilay mpanao herisetra.

    Indrisy fa tsy voatery ho vahaolana mahomby foana izy io. Indraindray dia tsy maintsy miandry ela eo amin'ny telefaona ianao vao mahazo valiny, ary tsy ho afaka hanampy anao hahazo trano fonenana izy ireo.

    Noho izany dia tsara kokoa raha tonga dia miantso ny polisy.

    Raha manapa-kevitra ny hampiasa ity tolotra ity ianao:

    • antsoy ny 115, laharana maimaimpoana miasa 24 ora isanandro, 7 andro isa-kerinandro
    • raha tsy mahay miteny frantsay ianao, dia hisy mpandika teny am-bava hanampy anao amin‘ny antso.
    • tsara kokoa ny miantso eo anelanelan‘ny 11 ora maraina sy amin‘ny 3 ora hariva
    • Raha tsy misy mamaly ny antsonao dia afaka manandrana mamerina miantso maromaro ianao.
  • Some organisations offer emergency accommodation with local residents. 

    You can ask the “associations” in your department if they offer this service.

Vahaolana maharitra

Misy ireo vahaolana mba hametrahana anao any amin‘ny trano vaovao mifanaraka amin‘ny volanao:

Tsara kokoa ny manao fotoana hihaonana amin’ny matihanina izay antsoina hoe “travailleur social” na mpiasa sosialy.

Afaka manampy anao hahita trano fonenana sy hanome fanohanana anao eny an-dalana eny ity matihanina ity. Hanampy anao ihany koa amin’ny fangatahana fanampiana ara-bola izy ireo.

Raha hanao fotoana hihaonana amin’ny “travailleur social” ianao dia afaka:

  • Mifandray amin’ny manampahefana eo amin’ny vakim-paritra misy anao izay antsoina hoe “Conseil départemental”.
  • Mifandraisa amin’ny fikambanana misahana ny fanohanana sosialy atao hoe “Centre communal d’action sociale” eo amin’ny tanàna misy anao. Manantona any amin’ny manampahefana eo amin’ny tanàna misy anao, na ny “mairie” mba hahitana izany.
  • Makà fotoana hihaonana amin’ny mpiasa sosialin’ny orinasa iasanao na “assistante sociale” raha toa ka mpiasa ianao. Afaka mifandray amin'ny mpampiasa anao ianao raha te hahalala bebe kokoa.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ity tolotra fanomezana torohevitra an-telefaonina ity, dia natao ho an'ny olona miatrika herisetra maro isan-karazany sy ireo izay manohana azy ireo.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Hisy mpanolotsaina voaofana hihaino anao sy hanohana anao amin‘ny alalan‘ny telefaonina. Afaka hanoro anao ireo sampan-draharaha akaiky anao mifandraika amin'izany izy ireo.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay. Misy ireto teny manaraka ireto indraindray: Anglisy, arabo, espaniola, tiorka, mandarin, sinoa, kiorda, azeri, poloney, hebreo, farsi, soninké, kreôla, kinyarwanda, kirundi ary swahili. Amin‘izao fotoana izao anefa aloha, dia mbola tsy voafaritra sy tsy voalamina mialoha ny fotoana ahitana ireo fiteny ireo.
    • Fifandraisana: antsoy ny 3919, amin‘ny ora rehetra sy ny andro rehetra. Ho maimaimpoana ny antso ataonao.
    • Ho an'ny olona marenina, manana olana amin'ny fandrenesana, olona voan'ny aphasia na manana fahasembanana amin'ny fiteny, azonao atao ny manindry ny sarina telefaonina eo amin'ny farany ambany amin‘ny havanana ao amin'ny tranonkala www.solidaritefemmes.org.
  • Ny anjara asan‘ny polisy dia miantoka ny fiarovana ny olona rehetra, na ahoana na ahoana toerana misy azy, na dia olona tsy manana zo honina eo an-toerana aza. Ny polisy iray dia ho afaka hanoro hevitra anao sy hanome fanampiana anao 24 ora isan‘andro, 7 andro isan-kerinandro. Fomba efatra lehibe no ahafahanao mifandray amin‘ny polisy:

    • Amin‘ny alalan‘ny telefaonina: antsoy ny 17, laharana tsy andoavam-bola. Teny azo isafidianana: fandikana teny amin‘ny teny rehetra.
    • Amin‘ny alalana hafatra an-tsoratra: mandefasa SMS amin‘ny teny frantsay amin‘ny 114, ka lazao mazava ny adiresinao.
    • Amin‘ny alalan‘ny aterineto: sampan-draharaha chat. Io tolotra io dia misy amin'ny teny maro samihafa.
    • Mandehana any amin’izay mety ho biraon’ny polisy, izany hoe, na “commissariat de police” izany na “brigade de gendarmerie”. Azonao jerena ato amin‘ity tranonkala ity ny biraon’ny polisy akaiky anao indrindra. Raha tsy mahay teny frantsay ianao, dia mila mitady mpandika teny ho anao izy ireo, mety ho elaela izany.
  • Ny “Associations” dia fikambanana manome tolotra isan-karazany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Ireo tolotra misy dia miovaova arakaraka ny “association”. Afaka manome torohevitra anao izy ireo, ary indraindray afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao, sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: frantsay no tena ampiasaina.
    • Hahita lisitr'ireo "associations" akaiky anao izay mpikarakara manokana ireo niharan'ny herisetra ianao ato amin'ity lahatahiry ity, amin‘ny alalan‘ny fisafidiana ny departemanta misy anao ao Frantsa.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra, dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona manam-pahaizana manan-traikefa.

Mety hahaliana anao koa

Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay

Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mikasika…

Mangataka trano sosialy sy mora any Frantsa

Raha tsy dia manam-bola ianao dia afaka ny mangataka mba hanofa trano izay fantatra amin’ny hoe “log…

Manofa trano manokana any Frantsa

Any Frantsa dia ny fanofana trano manokana no mety ho fomba haingana hitadiavana trano. Hametraka…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony