Mitady asa sy manao fiofanana arak‘asa any Frantsa

Mety ho sarotra tokoa ny mitady asa any amin'ny firenena tsy nahalehibe anao, indrindra raha tsy miteny ilay fiteny avy any ianao. Saingy raha maharitra sy misy manohana ianao dia azo atao ny mahita asa na mianatra asa vaovao. 

Nohamarinin'ny WFWF tamin'ny 31/01/2024

Mety tena ho sarotra ny manomboka mitady asa any Frantsa, indrindra raha tsy miteny frantsay ianao. 

Saingy aza kivy amin‘izany: maro ireo fiasana mitady mpiasa, ary azo atao tokoa ny mangataka fanampiana amin’ny matihanina eny an-dalana eny.

Rehefa mitady eny ianao dia azonao atao ny mianatra teny frantsay mba hianarana ny fototra na hanatsarana ny fahaizanao

Miomana ho amin‘ny fitadiavana asa

  • Raha te hiasa any Frantsa, araka ny lalàna, dia tsy maintsy manana fahazoan-dalana ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour” ianao. Io “titre de séjour” io dia tokony hanome alalana anao hiasa ihany koa. 

    Raha tsy manana “titre de séjour” ianao na tsy manome alalana hiasa ny “titre de séjour”-nao dia afaka mahazo fahazoan-dalana hiasa ianao raha mahafeno fepetra sasany.

    Raha tsy azonao antoka ireo fitsipika mihatra amin‘ny “titre de séjour”-nao dia azonao jerena amin’ity tranokala ity izany.

  • Arakaraka ny asa sahaninao dia mahasoa, mba tsy hilazana hoe ilaina, ny mampanaiky ny mari-pahaizanao sy/na ny traikefanao arak‘asa any Frantsa mba hahafahanao manao ny asanao eto.

    Fampiofanana

    Raha hampanaiky ny diplaoma dia mifandraisa amin’ny sampandraharaha misahana ny famoahana ny antontan-taratasy fampanekena ny diplaoma eny anivon’ny ankamaroan’ny orinasa any Frantsa izay antsoina hoe “centre ENIC-NARIC”. 

    Raha tsy miandraikitra amin'ny fahaiza-manaonao manokana izy ireo, dia afaka mandefa anao any amin'ny sampan-draharaha manao izany. 

    Traikefa arak‘asa

    Raha tsy manana mari-pahaizana ianao, kanefa efa niasa dia azonao ampanekena io traikefa io. 

    Raha hanao izany dia mila mangataka fankatoavana ny traikefanao arak‘asa izay antsoina hoe “Validation des Acquis de l’Expérience (VAE)” ianao. Ahafahanao mahazo ny dingana misy anao ara-piofanana eken‘ny mpampiasa izany.

    Afaka mahita ny fanazavana ilainao ianao ao amin’ity tranokala ity.

  • Raha hitady asa ianao, dia mila mameno taratasy antsoina hoe “Curriculum Vitae (CV)” izay milaza amin’ny antsipiriany:

    • ny traikefanao arak‘asa
    • ireo taranja fiofanana narahinao 
    • izay mari-pahaizana rehetra azonao.

    Tsy voatery mametraka ny sarinao, ny taonanao na ny daty nahaterahanao, ny satam-panambadianao na ny isan‘ny zanakao ianao amin‘ity antontan-taratasy ity. 

    Indrisy fa any Frantsa dia maro ireo mpitady asa no mbola mametraka ihany ny sariny sy ny taonany ao amin’ny “CV”, saingy soa ihany fa efa mihamihena miandalana izany.

    Raha hitady asa ianao dia mila mandefa foana ny “CV” ampiarahana amin’ny taratasy antsoina hoe “lettre de motivation” na ny taratasy maneho ny fahavononanao manazava ny antony hangatahanao ilay asa, ary ny antony hilazanao fa ianao no mpifaninana tsara ho raisina.

    Afaka ny mahazo fanampiana ianao rehefa manoratra ireo antontan-taratasy roa amin’ny teny frantsay. 

    Any Frantsa dia tsara kokoa raha pejy iray isanisany ny halavan‘ny CV sy ny taratasy maneho ny fahavononana. Miankina amin‘ny seha-piasanao sy ny dingana vitanao eo amin‘ny traikefa dia mety ho roa pejy indraindray ny CV anao.

  • Na dia tsy voatery aza dia tena tsara tokoa ny misoratra anarana amin‘ny sampandraharaha nasionaly manohana ireo olona tsy an‘asa antsoina hoe “France Travail”. 

    Misy mpanolotsaina iray izay afaka ny hanome fanazavana anao ary hanampy anao amin‘ny fitadiavana asa sy/na fiofanana arak‘asa. 

    Afaka mandefa anao ihany koa any amin‘ny fanaovana fizarana arak‘asa na ivon-toerana mampiofana ny fahaizana fiteny izy ireo, mba hanatsara ny fahaizanao teny frantsay.

    Fepetra tokony fenoina

    Mila mahafeno fepetra sasantsasany ianao raha te hisoratra anarana ho amin’ny “France Travail”:

    • Raha olom-pirenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ianao, ny antontan-taratasy milaza ny mombamomba anao manan-kery ihany no ilainao.
    • Raha olom-pirenena ivelan‘ny Vondrona Eoropeana ianao dia mila manana antontan-taratasy manome alalana anao hijanona any Frantsa, izay fantatra amin’ny hoe “titre de séjour” , sy manome alalana anao ny hiasa. Ny lisitry ny “titres de séjour” nekena dia ho hitanao ao amin’ ity pejy ity
    • Raha toa ianao ka miandry ny “titre de séjour”-nao farany, ny antontan-taratasinao vonjimaika fantatra amin’ny hoe “récépissé” dia hamela anao hisoratra anarana amin’ny “France Travail” (ivontoerana misahana ny asa) amin’ny tranga sasany. Azonao atao ny mijery izany ka manontany ny “préfecture” izay nandefa anao ny “récépissé” na eny amin’ny sampana misahana “France Travail”.

    Fihaonana voalohany amin‘ny mpanolotsaina

    Vantany vao vita ny fisoratanao anarana, dia hahazo mpanolotsaina voatendry ho anao izay hanome fotoana anao hihaonana any amin‘ny sampana manakaiky anao ianao.

    Tsara ny mandeha any amin‘io fihaonana io mba hanamafisana ny fisoratanao anarana.

    Famoronana “espace candidat” (mombamomba anao amin’ny aterineto)

    Rehefa avy nisoratra anarana ianao dia mila mamorona mombamomba anao amin’ny aterineto fantatra amin’ny hoe “espace candidat” mba hangatahana asa mora foana. 

    Fanavaozana ny mombamomba anao 

    Mila manamarina isam-bolana ianao fa mbola mitady asa. Izany dingana izany no antsoina hoe manavao na “s’actualiser”. 

    Ity fanavaozana isam-bolana ny mombamomba anao ity dia atao amin’ny aterineto avy ao amin'ny “espace candidat”.

  • Vantany vao nisoratra anarana tamin’ny “France Travail” ianao, dia mahazo miditra mora foana ao amin’ny tranokala fiofanana amin’ny aterineto amin’ny teny frantsay “OpenClassRooms” mandritra ny telo volana.

    Azonao atao ihany koa ny mikaroka fiofanana arak’asa amin’ny aterineto.

    Ny fiofanana dia na maimaimpoana na misy sarany, arakaraka ny zava-misy. Raha toa ka andoavam-bola ilay nofidianao dia afaka manontany ny mpanolotsainao ianao raha azon’ny “France Travail” aloa ny vola amin’izany.

    Rehefa vita ny fiofananao dia hahazo antontan-taratasy manamarina fa tena niofana tokoa ianao, izay antsoina hoe taratasy fanamarinana ny fahombiazana na “certificat de réussite”. Tsy diplaoma akory io fa mety mahasoa rehefa mitady asa izaymila traikefa mifandraika amin‘ilay fiofanana nataonao ianao.

  • Raha eo anelanelan'ny 16 ka hatramin'ny 25 taona ianao, na latsaky ny 30 taona ka manana fahasembanana, dia afaka misitraka ny fanohanan'ny fanjakana ny tsy an'asa mifanaraka amin'ny fandaharan'asa antsoina hoe “1 jeune 1 solution”.

    Miankina amin'ny mombamomba anao dia mety afaka ny mahazo: 

    • vaovao tsy tapaka miaraka amin‘ny mpanolontsaina momba ny asa ianao
    • atrik‘asa iarahana amin'ny tanora hafa hizaranao ny traikefanao 
    • fizarana arak‘asa eny anivon‘ny orinasa mba hahafantarana ireo asa samihafa 
    • fiofanana ahazoana mari-pahaizana.

Fangatahana asa

  • Matetika alefa amin‘ny aterineto ireo tolotr‘asa. Maro ireo tranokala fitadiavana asa any Frantsa. 

    Ny tranokala “France Travail” dia ahitana tolotr’asa maro. Na dia tsy mahafeno ny fepetra amin’ny fisoratana anarana amin’ny “France Travail” aza ianao, dia azona atao foana ny mamorona “espace candidat” ary mijery ireo tolotr’asa. 

    Azonao atao ny mitsidika ireo tranokala hafa toy nyIndeed, Monster, Apec, DirectEmploi, RegionsJob, Leboncoin na LinkedIn.

    Afaka mitahiry ny fepetra fikarohana nataonao ianao, dia mandefa ny fanairana ka mampiditra ny adiresy mailakao. Izany dia ahafahanao mahazo mailaka isaky ny misy tolotr‘asa mivoaka mifanaraka amin'ny fepetra napetrakao.

  • Any Frantsa dia tena mahazatra ny mandefa fangatahana asa mivantana any amin‘ny mpampiasa izay tianao hiasana, eny na dia tsy namoaka tolotr‘asa aza izy ireo.

    Raha manana fahaiza-manao manokana tadiavin'ny fikambanana sasany ianao, na mahafantatra orinasa miara-miasa amin'ny mpanjifa miteny ny fiteninao, dia azonao atao ny mandefa ny CV anao sy ny taratasy maneho ny fahavononana manazava ny antony mahatonga anao ho tombony ho an'ny orinasany.

  • Indraindray dia afaka mahita asa amin'ny alàlan'ny tambajotra ampiasainao ianao. 

    Mety ho sarotra izany raha vao tonga any Frantsa ianao ary tsy manana fianakaviana na namana eto. Saingy misy fomba hitadiavana vondrom-piarahamonina. Miezaha ny tsy ho kivy.

  • Raha mila asa haingana dia haingana ianao, dia afaka mikaroka any amin'ny orinasa izay manakarama olona haingana, sady tsy voatery ilaina fahaizana miteny frantsay be na fanarahana fiofanana. 

    Afaka manao sonia fifanarahana asa ianao ao anatin'ny andro vitsivitsy.

    Ireo orinasa mandray olona haingana

    Ireto indostria ireto dia fantatra fa afaka mandray mpiasa haingana:

    • Mikarakara zaza ao an-trano, na amin'ny alalan'ny fandefasana filazana amin'ny tranokala toy ny Maminou na Bébé nounou, na amin’ny alalan’ny orinasa mpanao izany manokana toy ny Kinougarde na Yoopala
    • Manadio trano sy manao raharaha ao an-tokantrano ho an’ny tokantranon’olona manokana na orinasa, na amin'ny alalan'ny fandefasana filazana amin'ny tranokala toy ny Star of service naLulu dans ma rue, na amin’ny alalan’ny orinasa mpanao izany manokana toy ny Wecasa na Shiva.
    • Asa an-tselika sy asa an-tokantrano, na amin'ny alalan'ny fandefasana filazana amin'ny tranokala toy ny Lulu dans ma rue, Need help na Travaux, na amin’ny alalan’ny orinasa mpanao izany manokana toy ny TaskRabbit.
    • Tolotra fanaterana entana na “coursiers” toy ny Deliveroo na Uber Eats.
    • Ireo tolotra eny amin‘ireo hotely samy hafa, mitady asa amin‘ny alalan‘ny filazana eny amin‘ny tranokala momba ny asa, na mandeha mivantana eny amin‘ireny trano fisakafoanana sy trano fisotroana manakaiky anao ireny.
    • Asa fanganana sy fanorenan-trano, mitady ireo filazana eny amin’ny tranokala momba ny asa na tranokala manokana toy ny Emploi BTP.

    Ireo asa eo an-toerana

    Miankina amin'ny toerana misy anao, indraindray dia misy asa misokatra, indraindray isakin‘ny vanim-potoana; ohatra hoe eo amin’ny fambolena, fikirakirana ny fitaovana, fanatanjahantena na fialam-boly. 

    Afaka manontany eny amin’ny manodidina ianao na maka fampahalalana eny amin’ny manampahefana ara-panjakana eo amin’ny tanàna misy anao izay fantatra amin’ny hoe “mairie”.

    Fanaovana sonia fifanarahana arak’asa

    Zava-dehibe ny tsy manadino fa na dia maika aza ianao, dia tena zava-dehibe tokoa ny manao sonia fifanarahana arak‘asa amin'ny mpampiasa anao mialohan'ny hanombohanao asa. 

    Misy mpampiasa any Frantsa izay miezaka manararaotra ny teratany vahiny; ohatra hoeamin’ny fampiasana azy ireo kanefa tsy manome azy ireo karama akory avy eo. 

    Afaka mahazo fanampiana ianao mba hangataka matihanina hijery akaiky raha manara-dalàna ny fifanarahana arak’asa ataonao, indrindra moa raha tsy mahay miteny frantsay tsara ianao.

Fanavakavahana eo amin‘ny sehatry ny asa

Any Frantsa, ny mpampiasa dia tsy mahazo mandà ny fangatahana noho ny fepetra sokajiana ho fanavakavahana. Ohatra ao anatin‘izany ny fiavian'ilay olona, ​​ny anarana, ny fahasalamana, ny bika aman'endrika, ny mahalahy sy ny mahavavy azy, ny fironana ara-pananahana na ny fivavahana.

Indrisy anefa fa mbola fahita fona izany fomba izany.

Raha heverinao fa ratsy fandraisana ianao noho ny fanavakavahana rehefa nitady asa, diamisy ireo vahaolana hanamafisana ny zonao.

Fanahiana fahita matetika

  • Azonao atao ny mameno ity fanontaniana ity hahitanao hoe inona amin'ireo toe-javatra misy anao no mety ahazoanao zo ipetrahana any Frantsa. 

    Miankina amin’ny “titres de séjour” mety ho azo, dia manondro anao izahay raha toa ka ahafahana hiasa izany.

    Raha toa ny “titre de séjour”-nao amin’izao fotoana ka tsy manome alalana anao hiasa dia azonao eritreretia ny mangataka fanovana amin’ny “préfecture”.

  • Misy ireo vahaolana fikarakarana ny zaza ho an’ny zanakao latsaky ny telo taona.

  • Miankina amin'ny fahaiza-manaonao sy ny toerana tianao horaisina, dia tsy voatery ilaina foana ny fahaizana miteny frantsay be izay vao mahita asa. 

    Raha te hianatra teny frantsay ianao dia misy vahaolana maro.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ny “France Travail” dia manampy ny olona hahita asa ary afaka manoro hevitra momba ny famoronana orinasa. Izy ireo koa no misahana ny fandoavana ny fanampiana ara-bola ho an’ny tsy an’asa “allocations de retour à l’emploi” fantatra amin’ny anarana hoe “chômage”.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Raha hampiasa io tolotra io dia tsara aloha ny misoratra anarana amin‘izy ireo amin‘ny aterineto. Avy eo ianao mahazo fotoana hihaonana amin‘ny masoivoho manakaiky anao.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: atao amin’ny alalan’ny aterineto ny fisoratana anarana amin’ny tranokala an’izy ireo. Raha mila mifandray aminy ianao dia misy fomba maromaro:
      • afaka mandefa mailaka amin'izy ireo avy amin'ny kaontinao manokana ianao rehefa avy namorona ny mombamomba anao amin‘ny aterineto
      • afaka miantso azy ireo ianao amin’ny 3949, laharana maimaimpoana manomboka ny alatsinainy, talata ary alarobia manomboka amin’ny 8:30 maraina hatramin’ny 4:30 hariva, ny alakamisy manomboka amin’ny 8:30 maraina hatramin’ny 12:30 hariva ary ny zoma amin’ny 8:30 maraina hatramin’ny 3:30 hariva.
      • afaka mitsidika masoivoho akaiky anao ianao, mandeha any mivantana, ary tsy mila maka fotoana ny maraina.
  • Ny “Cap Emploi” no manomana sy manohana ireo olona manana fahasembanana hitady sy hitazona asa. 

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Raha manana fahasembanana ianao dia hanome torohevitra anao izy ireo ary hanohana anao amin'ny zavatra rehetra mifandraika amin'ny asa.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: hahita ny antsipiriany ifandraisana amin’ny “Cap Emploi” eny amin’ny faritra misy anao ianao ao amin’ity lahatahiry ity.
  • Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.

    • Tsy andoavam-bola ireo tolotra ireo.
    • Ho afaka hampahafantatra anao ny zonao sy ny dingana tokony hataonao izy ireo. Ireo ivon-toerana sasany dia afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: ny antsipirian‘ny fifandraisana amin'ny “CIDFF” any amin'ny faritra misy anao dia ho hitanao ato anatin'ity lahatahiry ity.
  • Ny “Each One” dia mampiroborobo ny fampidirana amin’ny sehatry ny asa ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana ao Frantsa. Miara-miasa mivantana amin'ny orinasa lehibe izy ireo mba haka sy hanofana ireo mpangataka asa ho amin'ny toerana manokana ao amin'ny faritra misy azy.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Tsy maintsy nahazo alalana hiasa any Frantsa ianao ary nisoratra anarana tamin'ny “France Travail”.
    • Afaka misoratra anarana ao amin‘ireo toerana mpifaninana maro amin‘ny asa ianao. Hisy hiantso ianao rehefa misy asa eny amin‘ny faritra misy anao ka mamaly ny traikefa anananao. 
    • Amin'ny ankapobeny dia ilaina ny ambaratonga A2 amin'ny teny frantsay, saingy mety miovaova arakaraka ny andraikitra sahanina.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy.
    • Fifandraisana: afaka misoratra anarana amin'ny aterineto ianao amin'ny famenoana ity taratasy ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra, dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona manam-pahaizana manan-traikefa.

Mety hahaliana anao koa

Mianatra teny frantsay

Indrisy fa vitsy dia vitsy ny tolotra sy taratasy azo fenoina misy amin'ny fiteny ankoatra ny…

Mamorona orinasa an‘olon-tokana miaraka amin'ny sata tsotsotra ao Frantsa

Raha te hivarotra ny vokatrao na ny tolotrao any Frantsa ianao dia afaka manokatra ny ny orinasa…

Fikarakarana zaza latsaky ny telo taona

Any Frantsa, tsy maintsy miditra an-tsekoly ny ankizy rehetra manomboka amin'ny telo taona. Raha toa…

Mianatra eny amin‘ny Oniversite any Frantsa

Ny fianarana any amin'ny oniversite dia ahafahanao mahazo diplaoma, izay mety ilaina amin'ny…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony