Miantso sampan-draharaha misahana hamehana: polisy, fiara mpitondra marary

Raha sendra hamehana dia antsoy ny 17 ho an‘ny polisy na ny 112 ho an‘ny hamehana ara-pahasalamana.
Ny andraikitr'izy ireo dia ny manampy ny tsirairay, na inona na inona toe-javatra atrehiny, eny fa na dia ireo tsy manan-jo hipetraka aza.

Nohamarinin'i Charlotte Huntz, Kaomiseran'ny polisy, tamin‘ny 10/11/2023

Sampan-draharahan'ny polisy

Ny andraikitry ny polisy any Frantsa dia ny miditra an-tsehatra hiaro anao raha toa ka tandindomin-doza ianao. 

Misy sampan-draharahan'ny polisy roa ao Frantsa, ary mitovy ny andraikitr'izy ireo momba ny herisetra ao an-tokantrano:

  • ny "Police nationale" dia misahana ny faritra an-tanàn-dehibe ary miasa amin’ny tobin’ny polisy antsoina hoe "commissariats de police"
  • ny "Gendarmerie nationale" dia misahana ny faritra ambanivohitra ary miasa amin'ny tobin'ny polisy antsoina hoe "brigades de gendarmerie".

Ny mpitandro filaminana na ny "Policiers" sy ny "gendarmes" dia manana adidy hanaja ny zon’olombelona tsy misy fanavakavahana, na dia tsy manana zo hipetraka ara-dalàna aza ianao.

  • Misy fomba samihafa ahafahanao mifandray amin'ny polisy ka hangataka fanampiana avy amin'izy ireo. 

    Miankina amin'ny toerana iantsoanao, hampifandraisina amin'ny paositry ny polisy ianao.

    • Raha sendra hamehana dia antsoy ny laharana 17, laharana maimaimpoana azonao antsoina 24 ora isan'andro, 7 andro isan-kerinandro. Raha tsy mahay miteny frantsay ianao dia hisy mpandika teny hanampy anao.
    • Raha marenina ianao na sembana, na tsy afaka miteny an-telefaonina dia mandefasa SMS amin'ny 114 miaraka amin'ny adiresinao. Io taoraharaha io dia amin'ny teny frantsay ihany.
    • Afaka mamonjy ny biraon'ny polisy akaiky anao ianao, na "commissariat de police" na "brigade de gendarmerie" mba hilazana amin‘izy ireo fa misy zavatra manjo anao. Azonao jerena amin'ity tranonkala ity ny adiresin‘izy ireo.

    Afaka miresaka amin'ny polisy amin'ny alalan‘ny aterineto amin'ny alalan'ny vondrona fifampiresahana virtoalyianao. Io taoraharaha io dia misy amin'ny teny maro samihafa.

  • Rehefa miantso polisy ianao dia miezaha ho tony na dia eo aza ny hamehana, ary ataovy mazava tsara ny teninao.

    Azonao atao ny manamora sy manafaingana kokoa ny fandraisany an-tànana ny antsonao, amin'ny alalan'ny famaritanao:

    • ny tenim-pirenena teneninao, ezaho tenenina amin'ny teny frantsay izany raha azonao atao 
    • ny laharan-telefaonina ahazoana anao
    • ny adiresin'ny toerana ilainao andehanan'izy ireo
    • ny antony iantsoanao.

    Henoy tsara ny torohevitr'izy ireo momba ny zavatra tokony hatao eo am-piandrasana ny fahatongavan'ny sampan-draharaha misahana hamehana.

Sampan-draharaha misahana hamehana ara-pahasalamana

Raha mila fitsaboana maika ianao, ohatra hoe maratra, dia azonao atao ny miantso ny sampan-draharaha misahana hamehana ara-pahasalamana, na dia tsy manana zo hipetraka ara-dalàna aza ianao.

Misy sampan-draharaha roa afaka miditra an-tsehatra raha sendra misy hamehana ara-pahasalamana any Frantsa: 

  • ny sampan-draharaha misahana hamehana ara-pahasalamana "Service d’assistance médicale d’urgence (SAMU)" . Manana ekipana mpitsabo izy ireo raha sendra misy hamehana ara-pahasalamana, raha tena ilaina ny fidiran'ny dokotera an-tsehatra.
  • ny mpamono afo na "Sapeurs pompiers", izay antsoina koa hoe "pompiers", izay voaofana manokana hiditra an-tsehatra raha misy aretina, faharatrana mafy, afo na lozam-pifamoivoizana. Ity sampan-draharaha ity dia matetika haingam-piasa kokoa.

Raha sendra hamehana iankinan'ny aina, dia tsy mila misoratra anarana amin'ny fiantohana ara-pahasalamam-panjakana ianao na koa manan-jo hipetraka any vao misitraka fitsaboana

  • Misy fomba samihafa ahafahanao mifandray amin'ny sampan-draharaha misahana hamehana ara-pahasalamana sy mangataka fanampiana amin'izy ireo.

    Raha tsy mahay miteny frantsay ianao dia hisy mpandika teny hanampy anao. 

    • Ny tsotra indrindra dia miantso ny laharana 112, laharana maimaimpoana azonao antsoina 24 ora isan'andro, 7 andro isan-kerinandro. Haniraka ekipa avy amin'ny "SAMU" na ny "pompiers" ho any aminao izy ireo, arakaraka ny fanampiana ilainao. 
    • Ny laharana ofisialy ahazoana ny fiara mpitondra marary na ny "SAMU" dia ny 15. Izy io dia laharana maimaimpoana azonao antsoina 24 ora isan'andro, 7 andro isan-kerinandro. 
    • Ny laharana ofisialy ahazoana ny mpamono afo na "pompiers" dia ny 18. Izy io dia laharana maimaimpoana azonao antsoina 24 ora isan'andro, 7 andro isan-kerinandro. 
    • Raha marenina ianao na sembana, na tsy afaka miteny an-telefaonina dia mandefasa SMS amin'ny 114 miaraka amin'ny adiresinao. Io taoraharaha io dia amin'ny teny frantsay sy amin'ny teny anglisy ihany.
  • Rehefa miantso sampanan-draharaha misahana hamehana ara-pahasalamana ianao dia miezaha ho tony na dia eo aza ny hamehana, ary ataovy mazava tsara ny teninao.

    Azonao atao ny manamora sy manafaingana kokoa ny fandraisany an-tànana ny antsonao, amin'ny alalan'ny famaritanao:

    • ny tenim-pirenena teneninao, ezaho tenenina amin'ny teny frantsay izany raha azonao atao 
    • ny laharan-telefaonina ahazoana anao
    • ny adiresin'ny toerana ilainao andehanan'izy ireo
    • ny antony iantsoanao.

    Henoy tsara ny torohevitra omena anao momba ny zavatra tokony hatao eo am-piandrasana ny fahatongavan'ny sampan-draharaha misahana hamehana.

Olana fahita matetika

  • Raha tsy mahay miteny frantsay ianao dia hisy mpandika teny hanampy anao. Handika ny resakao izy ireo.

    Rehefa tonga eny an-toerana ny sampan-draharaha misahana hamehana, dia misy vahaolana ifandraisana amin'izy ireo, toy ny fampiasana fampiharana fandikan-teny am-peo. 

    Raha niantso polisy ianao noho ny herisetra ao an-tokantrano, dia azonao aseho amin'izy ireo ity taratasy ity.

  • Any Frantsa, ireo mpitandro filaminana na "policiers" sy ny "gendarmes" dia manana adidy hanaja ny zon’olombelona tsy misy fanavakavahana, na dia tsy manana zo hipetraka ara-dalàna aza ianao. 

    Raha sanatria ka tsy manaja anao sy/na iharan'ny fanavakavahana ianao, dia misy fomba ahafahana mitatitra ireo fandikàn-dalàna ataon'ireo "policiers" na "gendarmes".

    Afaka mitatitra ireo tranga fandikàn-dalàna ianao:

    • manatona ny "IGGN" raha toa ka "gendarmes" no nisahana ny zavatra nanjo anao
    • manatona ny "IGPN" raha toa ka "policiers" no nisahana ny zavatra nanjo anao
    • manatona ny amin'ny kaomisera momba ny zon'olombelona na ny Défenseur des Droits raha niharan'ny fanavakavahana ianao.
  • Raha misy loza dia manan-jo hangataka fanampiana amin'ny polisy ianao, na dia tsy manana zo hipetraka aza. 

    Ny "policiers" sy ny "gendarmes" dia tsy manan-jo hihazona anao am-ponja rehefa miditra an-tsehatra hiaro anao na raha mifandray aminy izy ireo ianao mba hitatitra ny tranga nihatra taminao. 

    Raha niantso polisy ianao noho ny herisetra ao an-tokantrano, dia asehoy azy ireo ity taratasy ity ho fampahatsiahivana fa tsy afaka misambotra anao izy ireo.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa, misy sampan-draharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy. Tsy andoavam-bola ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ity tolotra fanomezana torohevitra an-telefaonina ity, dia natao ho an'ny olona miatrika herisetra maro isan-karazany sy ireo izay manohana azy ireo.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Hisy mpanolotsaina voaofana hihaino anao sy hanohana anao amin‘ny alalan‘ny telefaonina. Afaka hanoro anao ireo sampan-draharaha akaiky anao mifandraika amin'izany izy ireo.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay. Misy ireto teny manaraka ireto indraindray: Anglisy, arabo, espaniola, tiorka, mandarin, sinoa, kiorda, azeri, poloney, hebreo, farsi, soninké, kreôla, kinyarwanda, kirundi ary swahili. Amin‘izao fotoana izao anefa aloha, dia mbola tsy voafaritra sy tsy voalamina mialoha ny fotoana ahitana ireo fiteny ireo.
    • Fifandraisana: antsoy ny 3919, amin‘ny ora rehetra sy ny andro rehetra. Tsy hiseho amin'ny faktioran-telefaoninao ny antso.
    • Ho an'ny olona marenina, manana olana amin'ny fandrenesana, olona voan'ny aphasia na manana fahasembanana amin'ny fiteny, azonao atao ny miditra amin'ny tolotra mifanaraka amin'ny filanao, amin'ny fanindriana ny sarina telefaonina eo amin'ny farany ambany amin‘ny havanana amin'ny tranonkala http://www.solidaritefemmes.org.
  • Ny "Associations" dia fikambanana manome tolotra isan-karazany.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Ireo tolotra misy dia miovaova arakaraka ny “association”. Afaka manome torohevitra anao izy ireo, ary indraindray afaka manampy anao amin'ny dingana tokony hatao, sy ireo antontan-taratasy ilaina.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Hahita ny lisitr'ireo "associations" akaiky anao izay miompana manokana amin'ny fanampiana ireo niharan'ny herisetra ianao ato amin'ity lahatahiry ity. Ampidiro ny departemanta misy anao ao Frantsa.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Atao azo antoka fa tsy misy manara-maso ny fitaovana elektronika sy kaontinao amin‘ny aterineto

Mandritra ny fisarahana sy aorian‘ny fisarahanareo, ny vadinao na vadinao taloha dia mety hanandrana…

Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay

Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mikasika…

Manangona porofo mikasika ny herisetra

Na dia mbola tsy tena vonona ny hitatitra trangana herisetra aza ianao dia zava-dehibe tokoa ny…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony