Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay
Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mikasika…
Raha toa ka tsy manaja ny fizaram-pananana tapaka nandritra ny fisaraham-panambadiana ilay vadinao taloha na tsy mandoa ny vola nangatahan’ny mpitsara, izay fantatra amin’ny anarana hoe fandoavana onitra na “prestation compensatoire” dia misy ireo vahaolana.
Nohamarinin‘i Mpisolovava Elodie Ramos tamin’ny 18/11/2022
Indrisy anefa fa mety tena tsy hanaja ny fepetran'ny fisaraham-panambadianareo ny vadinao taloha, na dia navoakan‘ny mpitsara aza izany. Raha izany no izy dia mandika lalàna izy ireo.
Misy vahaolana maromaro mitaky ny fandraisan'anjaran'ny tomponandraikitra eo anivon’ny ny rafi-pitsarana na “huissier de justice”.
Tena tsara tokoa raha manakarama mpisolovava ianao mba hanao ireny dingana ireny. Raha tena tsy ampy ny volanao mba handoavana ireny tolotra ireny, dia azonao atao ny mangataka fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna na “aide juridictionnelle”.
Ny fanaovana “saisie sur compte bancaire” dia ny fakana avy hatrany ny vola tsy voaloa amin’ny alalan’ny kaonty bankin’ny “débiteur”
Ny atao hoe “saisie-vente” dia fanagiazana ny fananan’ny “débiteur”. Hamidy izany avy eo handoavana aminao ilay vola tsy voaloa.
Ny fotoana hahazoanao ny vola dia miankina amin’ny fahafahan’ny “débiteur” anao handoa trosa. Raha toa ilay vola tokony aloa ho anao feno tamin‘ilay fanagiazana voalohany natao, dia tokony ho azonao ao anatin‘ny telo volana ilay vola.
Indrisy anefa fa mety ho elaela kokoa izany raha toa tsy mahaloa trosa ilay “débiteur”.
Tsy maintsy mandoa ny tolotra nomen’ilay “huissier” ianao, izay isany antony tsy dia mahatsara ireto fomba ireto. Tokony averinao isam-bolana ihany koa ilay fanaovana “saisie” raha tsy misy fandoavam-bola. Na izany aza, mety ho voaloa ihany ilay sarany raha toa ka mahazo fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna ianao “aide juridictionnelle”.
Tsy maintsy miantso tomponandraikitra eo anivon’ny rafi-pitsarana izay fantratra amin’ny hoe “huissier de justice” ianao. Afaka mahita iray eny akaikinao eny ianao ao amin'ity lahatahiry ity.
Ireto ny zavatra mila omenao azy ireo:
Ao anatin’ny “saisie sur compte bancaire”, ny “huissier” no handefa ny fangatahana fandoavam-bola, izay fantatra amin’ny anarana hoe “acte de saisie”, mandeha mivantana any amin’ny bankin’ny “débiteur” anao.
Ao anatin’ny “saisie-vente”, ny “huissier” no hanontany ny “débiteur” anao mba handoa ny vola tokony aloha ka mandefa antontan-taratasy amin’izy ireo mangataka azy mba handoa, izay fantatra amin’ny anarana hoe fibaikoana mba handoa vola na “commandement de payer”.
Ny dingana fantatra amin’ny anarana hoe “saisie sur salaire” dia ny fakana ny vola tsy voaloa amin’ny karaman’ ny “débiteur” anao.
Amin‘ny ankapobeny, maharitra kokoa ity dingana ity satria:
Amin‘ny ankapobeny dia maharitra 6 hatramin‘ny 18 volana vao azo ilay vola tsy voaloa.
Eny fa ny “débiteur” anao no no mandoa ny vola amin’izany. Tsy misy na inona na inona haloanao akory.
Tsy maintsy mangataka alalana amin‘ny mpitsara miadidy ny fianakaviana izay fantatra amin‘ny anarana hoe “Juge aux affaires familiales (JAF)” amin’ny alalan’ny lmpisolovava aloha ianao. Raha tena tsy ampy ny volanao mba handoavana ny karaman’izy ireo, dia azonao atao ny mangataka fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna na “aide juridictionnelle” mba handoavana ny fandaniana.
Vantany vao manome alalana ny mpitsara, dia tsy maintsy manakarama mpiasa eo anivon’ny rafi-pitsarana “huissier de justice” ianao, mba hanao fanagiazana ny vola tokony aloa aminao mivantana, izay alaina amin’ny karamany. Afaka mahita iray eny akaikinao eny ianao ao amin'ity lahatahiry ity.
Ireto ny zavatra mila omenao azy ireo:
Ny “huissier” no hifandray amin’ny mpampiasan’ny “débiteur” anao mba hametraka ny dingana mikasika ny “saisie sur salaire”, ao anatin'ny fetra voafaritry ny lalàna.
Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.
Ireo ivon-toerana antsoina hoe “point-justice” dia mampivondrona fikambanana isan-karazany izay manome anao torohevitra araka ny lalàna, miankina amin’ny toe-javatra atrehinao, ary indraindray dia manampy anao amin’ny dingana arahina ara-panjakana.
"Femmes Informations Juridiques Internationales Auvergne-Rhône-Alpes (FIJI)" dia fikambanana miompana manokana amin‘ny lalàna iraisam-pirenena momba ny ankohonana.
Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha ara-pitsarana.
Mitatitra ny herisetra ao an-tokantrano eny anivon‘ny rafi-pitsarana frantsay
Izay rehetra niaina herisetra ao an-tokantrano eto Frantsa dia afaka mametraka fitoriana mikasika…
Manakarama mpisolovava any Frantsa
Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…
Fisaraham-panambadiana any Frantsa
Raha te hisara-panambadiana ara-panjakana any Frantsa ianao, dia afaka misafidy karazana fomba…