Mamantatra ny firenena hanaovana fangatahana ho amin‘ny fisaraham-panambadiana.
Miankina amin'ny zom-pirenenao, ny zom-pirenen'ny vadinao, ny firenena nanaovanareo mariazy, ary ny…
Raha te hanapaka ny mariazinao sivily any Frantsa ianao dia afaka mifidy eo amin‘ny karazana dingana arahina ho amin‘ny fisaraham-panadinana. Tena ilaina ny manomana mialoha sy miaraka amin‘ny mpisolovava manam-pahaizana manokana momba ny lalàna iraisam-pirenena tsy miankina, raha misy zavatra idiran‘ny firenena hafa mifandray amin'ny raharaham-panambadianao.
Nohamarinin‘i Mpisolovava Hansu Yalaz tamin’ny 30/05/2022
Raha mipetraka any Frantsa ianao amin'izao fotoana izao, ary te hisaraka, dia ilaina ny manamarina aloha raha azo atao ny misaram-panambadiana any amin’ny firenena hafa; ohatra hoe any an-tanindrazanao, ary raha mety hahasoa anao kokoa izany.
Mila mihetsika haingana ianao, satria raha afaka misara-panambadiana any amin'ny firenena mihoatra ny iray ianao, dia matetika ny fisaraham-panambadiana dia tontosaina any amin'ny firenena nanaovana ny fangatahana voalohany.
Raha any Frantsa no tinao hikarakarana ny fisaraham-panambadianao, dia ireto misy zavatra vitsivitsy tokony hotadidina:
Any Frantsa, na inona na inona karazana fomba fisaraham-panambadiana nofidiana, ny mpivady tsirairay dia tsy maintsy manakarama mpisolovava. Ny andraikitr'izy ireo dia ny manoro izay tokony hatao amin‘ny olona arovany mandritra ny dingana, mifandray amin'ny mpisolovava hafa, ary mandray fepetra araka ny lalàna.
Sady tsy mahazo mifidy mpisolovava iray ihany ny mpivady no tsy mety ihany koa raha orinasa iray no indray hiasan‘ny mpisolovavan‘izy ireo: tsy maintsy samihafa ny adiresiny.
Ny “huissier de justice” dia azo antsoina hiditra an-tsehatra amin'ny fangatahana ataon’ny mpisolovavanao noho ny antony samihafa, ohatra:
Raha natao anatin‘ny marimaritra iraisana ny fisaraham-panambadianao sy/na manana fananana itambarana dia ho tafiditra amin‘ilay dingana arahina amin‘ny fisaraham-panambadiana ny naotera na “notaire”.
Ny “juge aux affaires familiales” no mpitsara misahana ny raharaha rehetra mifandraika amin'ny lalàna momba ny fianakaviana.
Hita eny amin’ny fitsarana izay fantatra amin’ny anarana hoe “tribunal judiciaire” izy.
Ankoatra ny karazana fisaraham-panambadiana manokana misy marimaritra iraisana, fantatra amin’ny “divorce par consentement mutuel par acte d’avocat”, dia tsy maintsy atomboka amin'ny alalan'ny mpisolovava ny dingana rehetra momba ny fisaraham-panambadiana manoloana ny “tribunal judiciaire”.
Ny fangatahana fisaraham-panambadiana dia tsy maintsy atao:
Raha misy fisaraham-panambadiana natao marimaritra iraisana eo anatrehan'ny mpitsara, ny fitsarana manana fahefana dia mety ho ny fitsarana izay misy ny iray amin'ireo mpivady.
Ny fitsarana ambony na “cour d’appel” dia azo atao raha tsy manaiky mihintsy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara ny iray amin’ireo mpivady. Azon'izy ireo atao ny manohitra ny fanapahan-kevitra, amin'ny fanombohana ny antsoina hoe fampiakarana na “appel”. Amin‘ny alalan‘ny mpisolovavany no hanaovana izany:
Avy eo dia hotsaraina fanindroany ilay raharaha, ary amin’ity indray mitoraka ity dia amin’ny alalan’ny “cour d’appel”, izay hanamarina fa tsy nisy ny hadisoan'ny lalàna alohan'ny hanamafisana na hanitsiana ny fanapahan-kevitry ny “juge aux affaires familiales”.
Ny “associations” dia afaka manome torohevitra momba ny lalàna maimaimpoana ho anao raha te hanamarina fampahalalana sasany mialoha na mandritra ny fikarakarana ny fisaraham-panambadianao ianao.
Amin‘ny ankapobeny dia ahitana ireto sarany manaraka ireto ny fisaraham-panambadiana:
Raha tsy dia manam-bola ianao dia azonao atao ny mangataka ny ampahany na ny rehetra amin'ireo sarany ireo mba hisy hiantoka, amin'ny alalan’ny fangatahana fanampiana ara-bola izay fantatra amin'ny anarana hoe fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna na “aide juridictionnelle”. Indrindra indrindra, mety ho afaka handoavana ny vola tokony aloa ho an’ny mpisolovava, ny saran’ny “huissier de justice” ary ny lany amin’ny dingana ara-pitsarana.
Misy karazany roa ny fomba fisaraham-panambadiana misy marimaritra iraisana Haingana kokoa noho ireo fisarahana misy disadisa ireny dingana ireny.
Mba ahatongavana amin‘ny fisaraham-panambadiana misy marimaritra iraisana dia tsy maintsy manaiky tanteraka ny mpivady ny amin‘ny fitsipiky ny fisaraham-panambadiana sy ny fepetra rehetra, izay ahitana indrindra:
Ity dingana ity matetika no haingana indrindra. Tsy voatery handray anjara amin’izany ny mpitsara, raha tsy hoe mangataka fihaonana amin’ny mpitsara ny iray amin’ireo zanaky ny mpivady.
Tsy eken'ny firenena maro io dingana narahina io, anisan'izany ny ao anatin'ny Vondrona Eoropeana.
Raha maniry ianao ny ny hampanaiky ny fisaraham-panambadianao frantsay any amin'ny firenena hafa, ohatra ny firenena niavianao:
Toy izao ny dingana arahina:
Ireo dingana ireo no haingana indrindra ary mety haharitra 15 andro ka hatramin'ny volana vitsivitsy, arakaraka ny mahasarotra ny fisaraham-panambadianao.
Raha manaiky ny lamina rehetra momba ny fisaraham-panambadiana ianao sy ny vadinao, saingy tsy mety ho anao kosa ny “divorce par consentement mutuel par acte avocat”; ohatra hoe raha tsy ankatoavina any amin’ny firenena izay tokony hampanekena azy, dia tokony hanomboka ny dingana arahina antsoina hoe “requête” ianao manoloana ny mpitsara miadidy ny fianakaviana izay fantatra amin’ny hoe “juge aux affaires familiales (JAF)”.
Mila manaraka ny dingana mitovy natao tamin’ny “divorce par consentement mutuel par acte avocat” ianao, mba hahazoana ny “convention” amin’ny fisaraham-panambadiana.
Avy eo ny mpisolovavanao no handefa ny “convention” ampiarahana ny “état liquidatif” any amin’ny “juge aux affaires familiales”, ary mangataka azy ireo hanao sonia izany. Io ilay dingana arahina antsoina hoe “requête”. Azo atao amin'ny fomba roa izany:
Avy eo ny mpitsara no afaka manamarina ny fifanarahanareo ary mankatoa ny fisaraham-panambadianareo. Mazàna dia haingana ity dingana ity ary tsy mila mankany amin‘ny fitsarana ianao hanamarina izany.
Ho fanampin'ny fotoana voatondro hanoratana ny “convention” momba ny fisaraham-panambadiana, dia ilaina matetika ny mamela eo anelanelan'ny roa hatramin’ny enim-bolana hahazoana ny fanamarinana avy amin'ny mpitsara arakaraka ny toerana misy ny fitsarana voakasika.
Mila manomboka fisaraham-panambadiana misy disadisa ianao raha toa ka tsy mifanaraka amin'ny fitsipiky ny fisaraham-panambadiana sy/na ny fepetra ao anatiny ianao sy ny vadinao, izay mety ahitana:
Misy fisaraham-panambadiana misy disadisa telo eto Frantsa, ary izany rehetra izany dia miseho manoloana ny mpitsara miadidy ny fianakaviana, izay fantatra amin’ny hoe “juge aux affaires familiales (JAF)”.
Ny fisaraham-panambadiana antsoina hoe fisaraham-panambadiana nekena na “divorce accepté” dia azo ampiharina raha toa ka samy manaiky ny fitsipiky ny fisaraham-panambadiana ianareo nefa tsy manaiky ny fepetra ao anatiny.
Mialohan’ny hanombohana ny dingana amin’ny fisaraham-panambadiana miaraka amin’ny mpitsara dia tsy maintsy manao sonia taratasy antsoina hoe taratasy fanambarana fanekena na “procès-verbal d’acceptation” izay milaza fa samy manaiky ny fitsipiky ny fisaraham-panambadiana ianao.
Ny dingana fisaraham-panambadiana fantatra amin’ny hoe fisaraham-panambadiana noho ny hadisoana na “divorce pour faute” dia azo ampiasaina, raha misy fitondran-tena tsy mendrika nataon'ny iray amin'ireo mpivady; ohatra amin’ny resaka herisetra ao an-tokantrano na fijangajangana.
Tsy mila ny faneken'ny vadinao ianao vao mangataka an'io fisaraham-panambadiana io.
Ny fisaraham-panambadiana fantatra amin’ny hoe fisaraham-panambadiana ho an'ny fanovana tanteraka ny fifandraisana eo amin’ny mpivady na “divorce pour altération définitive du lien conjugal” dia azo ampiasaina raha toa ka afaka manaporofo ianao fa tsy niara-nipetraka tamin’ny vadinao ianao mandritra ny herintaona farafahakeliny.
Tsy mila ny faneken'ny vadinao ianao vao mangataka an'io fisaraham-panambadiana io.
Raha tsy niara-nipetraka latsaky ny herintaona ianare dia azonao aroso ihany ity dingana ity mba hanombohana ny raharaha.
Noho izany, hanemotra ny raharaha ny mpitsara mandra-pahafahanao manaporofo ny fisarahana tao anatin‘ny 12 volana.
Ireo antontan-taratasy izay afaka manaporofo ny fisarahana tao anatin‘ny 12 volana dia ireo antontan-taratasy izay afaka manamarina ny toeram-ponenanao, toy ny rosian‘ny hofan-trano na faktioran-jiro na gazy misoratra amin'ny anaranao.
Tena sarotra be tokoa ny mamaritra mazava hoe maharitra hafiriana ny fisaraham-panambadiana misy disadisa ao Frantsa. Amin'ny ankapobeny, maharitra aman-taona maromaro izy ireo, ary hatramin'ny folo taona raha toa ka misy ny fampiakarana ambony ataon'ny iray amin'ireo mpivady isaky ny misy didim-pitsarana mivoaka.
Isaky ny mamoaka fanapahan-kevitra ny mpitsara dia manana safidy ny mpivady tsirairay ny mampiakatra ny raharaha na “appel” any amin’ny fitsarana ambony na “cour d’appel”. Amin'ny ankapobeny dia manana fe-potoana iray volana izy ireo hametraka “appel”, na roa volana raha mipetraka any ivelany.
Indrisy anefa fa mety hampiadana be ny dingana arahina izany satria:
Tena ilaina ny miomana mialoha, raha azo atao, mialohan'ny handaozanao ny vadinao, raha mbola afaka mahazo ny antontan-taratasy ianao.
Ireto ambany ireto ny karazana antontan-taratasy mila angonina:
Na inona na inona dingana ho amin’ny fisaraham-panambadiana nofidiana, dia mila manakarama mpisolovava ianao, ary ataovy azo antoka fa tsy mpisolovava mitovy ny anao sy ny an’ny vadinao, ary tsy iray orinasa amin’ny mpisolovava nalain’ny vadinao koa izy ireo.
Raha misy zavatra iray fotsiny amin'ny toe-draharaham-panambadianao ka misy idiran‘ny firenena hafa, dia tsara tokoa raha manam-pahaizana manokana amin'ny lalàna iraisam-pirenena tsy miankina ny mpisolovava alainao.
Ny fitsipika mihatra amin'ny fizaram-pananana raha misy ny fisaraham-panambadiana dia antsoina hoe rafitra fifampitondrana eo amin’ny mpivady na “régime matrimonial”.
Ny mpitsara frantsay dia mety hampihatra ny “régime matrimonial” frantsay na vahiny arakaraka ny toe-javatra misy anao.
Raha nanao sonia fifanarahana ara-panambadiana ianao, dia matetika io no mamaritra ny “régime matrimonial” nofidiana.
Kanefa, amin’ny tranga sasany, ny “régime matrimonial” anao voalohany dia mety niova; ohatra hoe raha niova toeram-ponenana mahazatra ianao folo taona mahery lasa izay.
Mety miankina amin'ny fepetra maro izany, ohatra hoe:
Miovaova arakaraka ny firenena voakasika ireo fitsipika ireo:
Ny mpisolovavanao no afaka manampy anao hahatakatra ny fitsipika mihatra amin'ny toe-javatra misy anao.
Raha izany no izy dia ho tsotra kokoa ny dingana.
Misy karazana “régimes matrimoniaux” maro any Frantsa.
Raha tsy nanao sonia fifanarahana fanambadiana ianao, ny rafitra mihatra izany dia ny ny fananana iombonana ka lasa fananana azo aorian’ny mariazy na “régime de la communauté légale”, fantatra ihany koa amin’ny hoe “communauté réduite aux acquêts”:
Amin'ity tranga ity, raha misy ny fisaraham-panambadiana, ny fananana iombonana dia mizara roa mitovy amin'ny ankapobeny.
Raha vahiny ny “régime matrimonial” ampiharina, dia tsy maintsy mampiseho ny mpitsara frantsay ny fomba ampiharana izany ho amin’ny fizaram-pananana ny mpisolovavanao.
Tsy maintsy maneho ny porofo mikasika ilay “régime matrimonial” izy, ohatra hoe amin'ny fahazoana taratasy avy amin'ny mpisolovava avy amin'ny firenena voakasika, toy ny:
Mety afaka manampy anao hamantatra ny fampahalalana tsy maintsy horaketin'ity antontan-taratasy ity ny mpisolovavanao. Izany dia mety ahitana, ohatra hoe:
Manomboka amin'ny fomba ofisialy ny raharaha mikasika ny fikarakarana ny fisaraham-panambadiana raha toa ny mpisolovavanao na ny mpisolovavan’ny vadinao mandefa fangatahana fisaraham-panambadiana amin'ny mpitsara miadidy ny fianakaviana na “juge aux affaires familiales”. Izany dia fantatra amin’ny hoe mampiditra taratasy fangatahana fisaraham-panambadiana na “assignation en divorce”.
Rehefa mampilaza ny “juge aux affaires familiales” mikasika ny “assignation” ianao, dia afaka misafidy ny hangataka amin'izy ireo, raha heveriny fa ilaina izany:
Aorian’ny “assignation en divorce” dia hametraka ny fakana am-bavany voalohany ny mpitsara na “audience” miaraka amin’ireo mpisolovavan’ny mpivady, matetika ao anatin'ny roa na telo volana.
Raha sendra misy hamehana, ohatra amin'ny herisetra an-tokantrano na ny mety hisian'ny fakana an-keriny zaza, ny mpisolovava dia afaka manomboka dingana iray antsoina hoe “à bref délai” izay ahafahana mahazo ny daty anaovana ny fakana am-bavany haingana kokoa.
Ilay vady mangataka ny fisaraham-panambadiana dia tsy maintsy manakarama matihanina eo amin’ny sehatry ny lalàna antsoina hoe “huissier de justice” mba hampandre ny vadiny mikasika ny “assignation en divorce”. Izany no antsoina hoe “notification”.
Atao amin‘ny alalan‘ny mpisolovava izany.
Tena manan-danja tokoa izy ity mba hanombohana amin‘ny fomba ofisialy ny dingana arahina ho amin‘ny fisaraham-panambadiana.
Vantany vao natomboka ny dingana arahina ho amin‘ny fisaraham-panambadiana, dia hatao an-tsoratra amin‘ny ankapobeny ny adihevitra ifanaovan‘ny andaniny sy ny ankilany.
Hifandimby hamolavola ny antontan-taratasy izay atao hoe “conclusions” ny andaniny sy ny ankilany, ka ampian’ny mpisolovavany izy ireo amin’izany, ary avy eo mandefa izany any amin’ny mpitsara.
“Conclusions” dia mety ilaina amin'ny ambaratonga samihafa amin'ny dingana arahina:
Ireo adihevitra sy fifanakalozana ny “conclusions” dia mety ho sarotra tokoa ny hiainana azy, indrindra ho an'ny olona iray tafavoaka velona taorian’ny herisetra tao an-tokantrano.
Matetika izany no mitranga rehefa mitohy ny herisetra taorian'ny fisarahana ary ireo mpanao herisetra dia manodinkodina ny rafitra amin'ny fanaovana paikady manokana mba hiampangana ilay niharam-boina, anisan'izany ny fahazoana fijoroana vavolombelona avy amin'ny olona manodidina azy.
Azonao atao ny mametraka paikady miaraka amin'ny mpisolovavanao hahitana ny fomba hamaliana ireo fanafihana mety hitranga ireo.
Mifandimby manoratra ny “conclusions” nataony manokana ny mpisolovava tsirairay. Matetika izy ireo manana fe-potoana roa na telo volana hanoratana ireny ary avy eo mandefa azy any amin'ny mpitsara mialohan'ny fe-potoana farany.
Avy eo dia anjaran’ilay mpisolovava iray indray ny manoratra ny “conclusions” nataony manokana, ka mihevitra tsara ireo zavatra rehetra nosoratan’ny ankolafy hafa.
Mety hitohy tahak‘izany mandritra ny volana, na taona eny ireny fifanakalozana ireny.
Ity no hirika hanazavanao ny fomba fahitanao ny zava-misy, ka mangataka ny zavatra tianao ho azo amin’ny andron’ny fisaraham-panambadiana, na mamaly mikasika ny “conclusions” nataon’ny ankilany:
Ity no hirika hanazavana ny fomba fahitany ny zava-misy ka mangataka ny zavatra tiany ho azo amin’ny andron’ny fisaraham-panambadiana, na mamaly mikasika ny “conclusions” nataonao:
Ny fandraisana ny “conclusions” nataon’ny ankilany no mety ho fotoana mampatahotra indrindra rehefa manao dingana fisaraham-panambadiana any Frantsa. Izany indrindra no mitranga raha misafidy paikady manokana izay fanaon’ny mpanao herisetra ny vadinao taloha ka lasa manao fiampangana diso manohitra anao.
Azonao atao ny mangataka fanohanana amin’ny “association” izay miompana manokana amin’ny fanampiana ireo olona iharan’ny herisetra ao an-tokantrano na manatona psikology.
Rehefa mandrafitra ny “conclusions”, ny ankolafy tsirairay dia afaka mangataka amin'ny fomba ofisialy ny antontan-taratasy avy amin'ny ankilany hanohanana ny heviny.
Tanterahina avy eo ny dingana izay antsoina hoe “sommation de communiquer”, ary hita ao ny lisitr’ireo antontan-taratasy nangatahana.
Raha mahazo “sommation de communiquer” ianao dia zava-dehibe tokoa ny mamaly ka manome ny antontan-taratasy anananao, na manazava amin’ny mpisolovavanao ny antony tsy anananao ireny.
Raha toa avy nandray ny “sommation de communiquer” ny vadinao, ka mandà tsy mety manome anao antontan-taratasy mifandraika amina zavatra manan-danja, toy ny porofo maneho ny fidiram-bolany, dia azonao atao ny mangataka ny mpisolovavanao hanao dingana manokana fantatra amin’ny hoe “conclusions d’incident aux fins de communication de pièces”.
Tsy maintsy manana porofo vitsivitsy momba ny fisian'io antontan-taratasy resahina io ianao mialohan'ny hanatanterahana ity dingana ity.
Ity dingana arahina ity dia hanery ny vadinao mba hanome izany antontan-taratasy izany. Raha tsy izany dia mety hiharan'ireto sazy manaraka ireto izy ireo:
Eo am-panoratana ny “conclusions”, ny mpisolovava dia mety hanandrana hifampiraharaha manokana aminareo mivady amin'ny fijerena marimaritra iraisana.
Azo atao amin’ny fotoana rehetra izany mandra-pivoaka ny didim-pitsarana farany ka nohamafisina.
Mandritra ny fisaraham-panambadiana misy disadisa, dia amin’ny ankapobeny misy fifanakalozana “conclusions” maro eo amin’ny mpisolovava mialohan’ny daty famaranana napetraky ny mpitsara.
Afaka manambara ny fiafaran‘ny adihevitra ny mpitsara amin'ny toe-javatra roa:
Fakana am-bavany tsy voatery atao izy ity, saingy atao raha toa ka nangataka izany ny iray amin’ireo mpisolovava amin’ny fotoanan’ny “assignation en divorce”.
Ity fotoana ity matetika dia atao roa na telo volana aorian’ny “assignation en divorce”.
Ity fakana am-bavany ity no ahafahan‘ny mpitsara mba:
Rehefa vita ny “audience d’orientation” dia hanoratra antontan-taratasy antsoina hoe “ordonnance d’orientation” ny mpitsara mba hilazalaza mikasika ny fanapahan-keviny.
Raha tsy manaiky ny fanapahan-kevitra iray na maromaro nataon‘ny mpitsara ianao, dia azonao atao ny manohitra azy ireo amin'ny alàlan'ny fanaovana fampiakarana ao anatin'ny 15 andro fara fahakeliny.
Aorian'ny fanendrena azy ireo, ny mpahay lalàna fantatra amin’ny anarana hoe “notaire” dia manana enim-bolana amin'ny ankapobeny handrafetana tatitra momba ny fananana sy ny trosan'ny mpivady.
Matetika miseho amin‘ireto fomba manaraka ireto ny dingana arahina:
Amin'ny fiafaran'ny fe-potoana voatondro, ny “notaire” no handefa ny tatitra any amin’ny mpitsara, na nifanaraka ireo mpivady na tsia.
Raha tsy nangataka ny hanendrena “notaire” ianao tamin’ny fotoanan’ny “assignation en divorce” dia azo atao ihany koa ity dingana ity rehefa tanteraka tsara ilay fisaraham-panambadiana.
Rehefa azo ny “conclusions”, dia ny mpitsara no hanome daty hanaovana fakana am-bavany, izay antsoina hoe “audience de plaidoirie”, izay ahafahan'ny mpisolovava tsirairay mametraka haingana ny tohan-kevitr'izy ireo.
Tsy mahazo miteny ny mpivady mandritra io fakana am-bavany io ary tsy voatery tonga eo izy amin‘izany.
Rehefa vita ny “audience” dia hamarana amin'ny fomba ofisialy ny adihevitra eo amin'ny andanininy sy ny ankilany ny mpitsara. Izany no antsoina hoe “clôture des débats”. Holazain’ny mpitsara koa ny fe-potoana handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra, izay matetika iray volana.
Afaka manapa-kevitra ny hankato ny fisaraham-panambadiana na handà izany ny mpitsara..
Mety handray fanapahan-kevitra avy amin'ny fangatahana sasany natao tamin'ny andaniny sy ny ankilany koa izy ireo.
Na izany aza, azo atao ny tsy hanapa-kevitra amin'ny teboka sasany mikasika ny fizarana fananana sy trosa natao na“liquidation du régime matrimonial”. Amin'ity tranga ity, dia tsy maintsy atomboka ny dingana vaovao izay antsoina hoe fiantsoana ho amin’ny fizaram- pananana na “assignation en liquidation partage” miaraka amin'ny mpitsara tomponandraikitra amin'ny fizarana fananana. Hazavaina eto ambany eto ity dingana arahina ity.
Haharay ny fanapahan-kevitry ny mpitsara antsoina hoe didim-pitsarana mikasika ny fisaraham-panambadiana na “jugement de divorce” amin’ny alalan’ny taratasy avy amin’ny fitsarana ny mpivady tsirairay.
Raha vao neken'ny mpitsara ny fisaraham-panambadiana, dia tsy maintsy mampandre ny ankilany amin'ny alalan'ny mpiandraikitra ny rafi-pitsarana, fantatra amin'ny anarana hoe “huissier de justice” ny iray amin’ny mpivady.
Tena zava-dehibe io dingana io satria ahafahana manatanteraka an-tery ny didim-pitsarana mikasika ny fisaraham-panambadiana, ohatra hoe tsy mety mandoa ilay fanampiana ara-bola izay fantatra amin'ny hoe “pension alimentaire” ny vadinao taloha, ilay antontam-bola izay fantatra amin’ny anarana hoe “prestation compensatoire”, na amin'ny ny trangan-javatra tsy fanarahan-dalàna momba ny fitazomana ny zaza.
Raha any ivelany ny vadinao dia tsy maintsy manakarama “huissier de justice” any Frantsa ianao, izay handray ny fepetra ilaina mba hampandre azy ny fanapahan-kevitra any amin'ny firenena hafa.
Raha tsy manaiky ny fanapahan-kevitry ny mpitsara ianao, dia azonao atao ny manohitra izany amin'ny alalan'ny fampiakarana ny raharaha amin’ny alalan’ny mpisolovavanao eo anatrehan'ny fitsarana ambony na ny “cour d’appel”.
Amin'ny ankapobeny dia manana fe-potoana iray volana ianao manomboka amin'ny fampahafantarana ny fanapahan-kevitry nataon’ny “huissier de justice”, ary roa volana raha toa any ivelany ianao no mipetraka. Afaka manao “appel” ihany koa ny ankilany ao anatin'ny fe-potoana mitovy.
Na izany aza, raha toa tsy ny “huissier de justice” no mampilaza mikasika ny fanapahan-kevitra dia manatombo roa taona ny fe-potoana.
Vantany vao nankatoavina tanteraka ny fisaraham-panambadiana, dia tompon‘andraikitra amin‘ny fampidirana ny fisaraham-panambadiana ao amin‘ny kopian‘ny soram-piankohonanao sy ny taratasy fanamarinana ny fanambadiana ianao.
Raha teraka sy/na natao mariazy tany ivelany ianao dia tsara tokoa, izany hoe ekena any amin’ny firenena niavianao ny fisaraham-panambadianao.
Kanefa , raha mpitsoa-ponenana ara-politika any Frantsa ianao dia tsy tokony hifandray amin’ny manampahefana any amin’ny tany niavianao. Fa afaka mankany amin’ny fikambanana mpanao asa soa antsoina hoe “association” izay mivoy manokana ny zon’ireo mpitsoa-ponenana.
Raha tsy mbola nanapaka mikasika ny fizarana ny fananana sasantsasany nandritra ny “jugement de divorce” ny mpitsara miadidy ny fianakaviana, dia mila manaraka ireto dingana ireto ianao:
Dingana 1 raha toa ny mpitsara efa nanendry naotera na “notaire” mba hanatontosa ny fizaram-pananana na “liquidation”
Tsy maintsy maka fotoana amin’ny “notaire” nofidiana ny andaniny sy ny ankilany mba hiezahana hikaroka ny marimaritra iraisana.
Ilay dingana arahina dia mitovy amin’izay voafaritra etsy ambony.
Aorian‘ireny fifanakalozana ireny:
Raha mandà tsy handray anjara ny iray amin'ireo ankolafy ireo dia ny “notaire” no hanoratra antontan-taratasy antsoina hoe “procès-verbal de carence” na “PV de carence” izay ahafahanao manontany ny mpitsara hanapa-kevitra mikasika ny fizaram-pananana ka manomboka ny fizaram-pananana voaresaka ao amin’ny Dingana 2.
Dingana 2 (raha tsy mifanaraka): manomboka dingana araky ny lalàna vaovao antsoina hoe fiantsoana hizara fananana na “assignation en liquidation partage”
Raha misy tsy ifanarahana eo amin’ny fizaram-pananana na “liquidation”, ny iray amin’ny mpisolovava dia hanao fangatahana antsoina hoe antso ho amin’ny fizaram-pananana “assignation en liquidation partage”. Io fangatahana io dia ataon’ny mpitsara miandraikitra ny fizarana ny fananana antsoina hoe “juge de la liquidation”. Ahafahan‘ny mpitsara handray fanapahan-kevitra mikasika ny fanananao ity dingana arahina ity.
Toy izao manaraka izao ny dingana amin‘ity:
Rahoviana no azo atomboka io dingana io?
Tsy maintsy miandry ny didim-pitsarana mikasika ny fisaraham-panambadiana farany momba ny fisaraham-panambadiana ianao vao hanomboka ity dingana ity.
Hafiriana no haharetan’ity dingana ity?
Maharitra eo amin‘ny iray hatramin‘ny telo taona ny dingana arahina.
Rehefa vita ny dingana narahina, ka misy iray amin‘ny mpivady nampiakatra ny raharaha na nanao “appel” manoloana ny fanapahan-kevitry ny mpitsara, dia hiampy eo amin’ny iray ka hatramin’ny roa taona eo izany.
Ny “Centres d'Information sur les Droits des Femmes et des Familles (CIDFF)” dia manampy ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny vehivavy, amin'ny sehatra maro toy ny: zo araka ny lalàna, fahasalamana, fitadiavana asa, fanofanana, famoronana orinasa, eny fa na dia fikarakarana ny ankizy aza.
Ireo ivon-toerana antsoina hoe “point-justice” dia mampivondrona fikambanana isan-karazany izay manome anao torohevitra araka ny lalàna, miankina amin’ny toe-javatra atrehinao, ary indraindray dia manampy anao amin’ny dingana arahina ara-panjakana.
"Femmes Informations Juridiques Internationales Auvergne-Rhône-Alpes (FIJI)" dia fikambanana miompana manokana amin‘ny lalàna iraisam-pirenena momba ny ankohonana.
Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha ara-pitsarana.
Mamantatra ny firenena hanaovana fangatahana ho amin‘ny fisaraham-panambadiana.
Miankina amin'ny zom-pirenenao, ny zom-pirenen'ny vadinao, ny firenena nanaovanareo mariazy, ary ny…
Manakarama mpisolovava any Frantsa
Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…
Mangataka “l'aide juridictionnelle” na fanampiana ara-pitsarana mba hanomezana ny volan’ny mpisolovava sy ny sarany ara-pitsarana hafa
Raha tsy ampy vola hanakaramana mpisolovava sy handoavana ny fitsarana, dia afaka mangataka ny…