Fantaro no tokony atao rehefa tsy manome fanampiana ara-bola izay nofaritan‘ny mpitsara ilay vadinao taloha.

Raha tsy azonao ilay fanomezana ara-bola napetraky ny mpitsara tao anatin'ny raharaha mahakasika ny fisaraham-panambadianao sy/na ny lamina amin'ny fitazomana ny zaza, dia misy vahaolana hanerena ilay ankilany handoa izany.

Nohamarinin‘i Mpisolovava Elodie Ramos tamin’ny 31/01/2024

Ny fanampiana ara-bola dia mety ho raisin‘ny mpitsara ao anatin‘ny toe-javatra roa:

  • Amin’ny fisaraham-panambadiana dia afaka mangataka amin'ny iray amin'ireo mpivady ny mpitsara mba handoa fanampiana ara-bola ho an'ny vadiny izay antsoina hoe vola fanampiana ho an’ny zaza na “pension alimentaire au titre du devoir de secours” mandritra ny faharetan'ny raharaha,
  • Raha misaraka ny ray aman-dreny, dia azon'ny mpitsara atao ny mangataka ny ray aman-dreny iray mba handoa vola amin'ny ray aman-dreny ankilany, fantatra amin'ny anarana hoe “contribution à l’entretien et à l’éducation des enfants”, na fandraisana anjara amin'ny fikarakarana sy fanabeazana, fantatra ihany koa amin'ny hoe vola fanampiana ho an’ny zaza na “pension alimentaire”.

Raha toa ny vadinao sy/na ny ray aman-dreny ankilany tsy manome anao ny fanampiana ara-bola nofaritan'ny mpitsara na ao anatin'ny fifanarahana nosoniavina niaraka tamin'ny vavolombelona mpahay lalàna atao hoe naotera na “notaire”, dia misy ny vahaolana. Voalohany indrindra dia hiankina amin‘ny firenena ipetrahan‘ilay olona izay anananao vola, fantatra amin'ny anarana hoe “débiteur” ireny.

Débiteur” any Frantsa

Raha monina any Frantsa ilay “débiteur” dia manana vahaolana maromaro ianao mba hamerenany ny vola tsy voaloany.

Raha manan-janaka ianao, dia tsara kokoa ny mandeha amin'ny dingana haingana atolotry ny tahirim-bola ho an'ny fianakaviana, na ny “Caisse d’allocations familiales (Caf)” or the “Mutualité Sociale Agricole (MSA)”.

Na inona na inona dingana fidinao, ny “débiteur” dia mety hanohitra izany amin'ny alalan'ny fampiakarana ny raharaha. Na izany aza dia mbola tsy maintsy mandoa aminao ny vola takianao ihany izy ireo mandra-pandraisan'ny mpitsara fanapahan-kevitra.

Tsara kokoa raha manakarama mpisolovava ianao hanao ireo dingana ireo. Raha tena tsy ampy ny volanao mba handoavana ny karaman’izy ireo, dia azonao atao ny mangataka fanampiana eo anivon‘ny lalàna na “aide juridictionnelle” mba handoavana ny fandaniana.

  • Inona no tafiditra amin'izany?

    Azonao atao ny mangataka ny tahirim-bola ho an'ny fianakaviana izay misy anao, na ny “Caisse d’allocations familiales (Caf)” na ny “Mutualité Sociale Agricole (MSA)”, hanangonana ny vola tsy voaloa tamin'ny alalan'ny birao mpitaky trosa antsoina hoe “Agence de recouvrement et d’intermédiation des pensions alimentaires (Aripa)”.

    Ity fomba fiasa ity izay fantatra amin'ny anarana hoe “recouvrement”, na fitakiana trosa, dia azo ampiasaina raha vao tsy voaloa ny vola, ary ho an'ny vola tsy voaloa nanomboka tamin'ny roa taona farafahatarany.

    Miankina amin'ny toe-javatra misy anao dia mety hanapa-kevitra izy ireo fa:

    • handoa fanampiana ara-bola ho anao, fantatra amin'ny anarana hoe vola fanampiana ny fianakaviana na “allocation de soutien familial”izy ireo, ao anatin’ny toe-javatra sasany
    • maka avy hatrany ny vola tsy voaloa any amin'ilay ray aman-dreny ankilany isam-bolana. Ity fomba ity no antsoina hoe “intermédiation

    Vetivety ve izany?

    Eny, ny fitakiana trosa na ny fanaovana “recouvrement” dia mazàna haingana, eo amin’ny herinandro vitsivitsy eo.

    Amin'ny toe-javatra sasany, ny “Caf” na “MSA” dia mety hanapa-kevitra ny handoa mialoha ny vola tsy voaloa aminao na dia alohan'ny handraisany ny vola avy amin'ny “débiteur” anao aza.

    Misy sarany ve?

    Tsia, maimaimpoana ity zavatra ity.

    Inona no dingana tokony ho raisina?

    Tokony hanao ny fangatahana mivantana amin’ny “Caf” na“MSA” ianao:

    • Manao fangatahana amin’ny aterineto (“Caf” ihany) na mandefa taratasy fangatahana amin’ny alalan’ny paositra. Afaka mahita ny antsipiriany ifandraisana amin’ny Caf ianao ary MSA amin’ny tranokalany.
    • Asio dika mitovy amin'ny antontan-taratasy ofisialy avy amin’ ny fitsarana nanome anao ny fanampiana ara-bola niaraka tamin'ny fangatahanao, fantatra amin'ny anarana hoe “contribution à l’entretien et à l’éducation des enfants”.
    • Alefaso amin’ny paositra voasoratra anarana ny taratasy ary voarakitra fa lasa, na“lettre recommandée avec accusé de réception”. Izay no hany fomba hanaporofoina fa voaray ny taratasinao. Tazony ho toy ny porofon‘ny fandefasana amin‘ny alalan‘ny paositra ny rosia.

    Inona ny manaraka?

    Miovaova be ny fotoam-pikarakarana ny raharaha eo amin‘ny samy vakim-paritra. Afaka mifandray amin'ny “Caf” na “MSA” anao ianao raha tsy mahazo valiny afaka iray volana.

  • Inona no tafiditra amin'izany?

    Izany fomba izany izay fantatra amin’ny hoe “paiement direct” dia ahafahana mahazo ny vola mivantana any amin’ny mpampiasa na ny bankin’ilay olona anananao vola “débiteur”. Ireo antokony ireo dia fantatra amin'ny anarana hoe ankolafy fahatelo na “tiers”.

    Azonao atao ny mampiasa an'io manomboka amin'ny andro voalohan'ny nahatara ny fandoavam-bola sy amin'ny vola tsy voaloa hatramin'ny enim-bolana.

    Vetivety ve izany?

    Mety ho haingana ity dingana ity raha mandoa haingana ny “tiers”. Amin'ity tranga ity dia mety hahazo ny vola tsy voaloa ao anatin'ny iray volana ianao.

    Mety haharitra hatramin‘ny volana maromaro anefa ny fandoavam-bola, arakaraka ny hoe hatraiza no voakasika ny “tiers”.

    Misy sarany ve?

    Eny, fa ny “débiteur” anao no mandoa izany. Tsy mila mandoa mihintsy ianao.

    Inona no dingana tokony horaisina?

    Tsy maintsy miantso mpiasa eo anivon’ny fitsarana ianao, izay antsoina hoe “huissier de justice”. Afaka mahita iray eny akaikinao eny ianao ao amin'ity lahatahiry ity.

    Mila omenao azy ireo:

    • ny antontan-taratasy ofisialy avy amin‘ny fitsarana nanome anao fanampiana ara-bola
    • taratasy fanamarinana ny kaontinao amin'ny banky, na “relevé d’identité bancaire (RIB)
    • ny taratasy nanamarihanao ny vola tsy voaloa. Mila manamarina ianao fa marina ilay izy, ary manao sonia. Mba hanaovana izany dia azonao atao ny mampiasa fianianana, ohatra Mariho azafady fa: Tompon‘antoka eo anatrehan‘ny lalàna ianao, raha sanatria misy diso ny kajikajy ny vola notakiana.

    Ny “huissier” no hangataka anao ny mombamomba ny “débiteur” anao, toy ny anarany feno sy ny daty nahaterahany, ny adiresiny, ny mpampiasa azy, ary na dia ny laharan'ny fiahiana ara-tsosialy ho an'ny rafi-piantohana ara-pahasalamanany aza, fantatra amin'ny anarana hoe “numéro de sécurité sociale”. Raha tsy manana ireo fampahalalana rehetra ireo ianao, dia mety hifandray amin'ireo andrim-panjakana mifandraika amin'izany izy ireo mba hahitana izany mombamomba azy izany.

    Inona ny manaraka?

    Ny “huissier” dia hanana valo andro mba handefa ny fangatahana fandoavam-bola mivantana any amin’ny “tiers”. Ny “tiers” dia hanana valo andro hamaliana ny fangatahana, ary hanamarika raha afaka ny handoa ilay vola takiana izy.

    Raha afaka mandoa izy ireo dia ny “tiers” no handoa ny vola mivantana any amin’ny kaonty bankinao. Mety miovaova arakaraky ny “tiers” ny fe-potoana fandoavam-bola.

  • Inona no tafiditra amin'izany?

    Ny fanaovana “saisie sur compte bancaire” dia ny fakana avy hatrany ny vola tsy voaloa mivantana any amin’ny kaontin‘ny bankin’ny “débiteur” anao.

    Ny fanaovana “saisie-vente” dia ny fanagiazana ny fananan’ilay “débiteur”. Avy eo dia ireny no hamidy mba handoavany ny volanao tsy voaloa.

    Vetivety ve izany?

    Ny fotoana hahazoanao ny vola dia miankina amin’ny fahafahan’ny “débiteur” anao handoa trosa. Raha toa ilay vola tokony aloa ho anao ka feno nandritra ilay fanagiazana voalohany natao, dia tokony ho azonao ao anatin‘ny telo volana ilay vola.

    Indrisy anefa fa mety ho elaela kokoa izany raha toa ka tsy mahaloa trosa ilay “débiteur”.

    Misy sarany aloa ve?

    Tsy maintsy miantoka ny vidin‘asan‘ilay “huissier” ianao, izay isany antony tsy dia mahatsara ireto fomba ireto. Tokony averinao isam-bolana ihany koa ilay fanaovana “saisie” raha tsy misy fandoavam-bola. Na izany aza dia mety ho voaloa ihany ny volany raha toa ka mahazo fanampiana araky ny lalàna ianao “aide juridictionnelle”.

    Inona ny dingana tokony arahina?

    Tsy maintsy miantso mpiasa eo anivon’ny fitsarana izay fantratra amin’ny anarana hoe “huissier de justice” ianao. Afaka mahita iray eny akaikinao eny ianao ao amin'ity lahatahiry ity.

    Ireto no mila omenao azy ireo:

    • ny antontan-taratasy ofisialy avy amin‘ny fitsarana manome anao fanampiana ara-bola
    • taratasy fanamarinana ny kaontinao amin'ny banky, na “relevé d’identité bancaire (RIB)
    • ny taratasy nanamarihanao ny vola tsy voaloa. Mila manamarina ianao fa marina ilay izy, dia manao sonia. Mba hanaovana izany dia azonao atao, ohatra, ny mampiasa fianianana Mariho azafady fa: Tompon‘antoka eo anatrehan‘ny lalàna ianao, raha sanatria misy diso ny kajikajy ny vola notakiana.

    Inona ny manaraka?

    Ao anatin’ny “saisie sur compte bancaire”dia ny “huissier” no handefa ny fangatahana fandoavam-bola, izay fantatra amin’ny anarana hoe “acte de saisie”, mandeha mivantana any amin’ny bankin’ny “débiteur” anao.

    • Ny “huissier” no hampilaza ny “débiteur” anao ao anatin’ny valo andro.
    • Tsy avela hiasa mandritra ny 15 andro fiasana farafahabetsany ny kaonty bankin‘izy ireo, ary mandritra izay fotoana izay ny banky no hamaritra ny tetibola azo giazana, ary avy eo hamerina amin‘ny laoniny ny fidirana amin‘ny kaontin‘ny banky indray.

    Ao anatin’ny “saisie-vente”, ny “huissier” no hanontany ny “débiteur” anao mba handoa ny vola tokony aloha, ka mandefa antontan-taratasy amin’izy ireo mangataka azy mba handoa, izay fantatra amin’ny anarana hoe fibaikoana mba handoa vola na “commandement de payer”.

    • Hanana valo andro izy handoavana ny vola.
    • Raha tsy voaloa ilay vola ao anatin’io fe-potoana io dia hiroso amin’ny fanagiazana ny fananana ny “huissier”. Ny fananana nogiazana dia mety ho zava-tsarobidy, ankoatran‘ny zavatra tena ilainy eo amin’ny fiainany sy ny asany “débiteur” ary ny fianakaviany.
  • Inona no tafiditra amin‘izany?

    Ny dingana fantatra amin’ny anarana hoe “saisie sur salaire” dia ny fakana ny vola tsy voaloa amin’ny karaman’ ny “débiteur” anao.

    Vetivety ve izany?

    Amin‘ny ankapobeny, maharitra kokoa ity dingana ity satria:

    • misy raharaham-pitsarana miaraka amin’ny mpitsara miadidy ny fianakaviana izany, na “Juge aux affaires familiales
    • Miovaova be arakaraka ilay mpampiasa izay tafiditra ao anatin‘ilay dingana amin‘ny fandoavam-bola.

    Amin‘ny ankapobeny dia maharitra 6 ka hatramin‘ny 18 volana vao azo ilay vola tsy voaloa.

    Misy sarany ve?

    Eny fa ny “débiteur” anao no mandoa ny vola amin’izany. Tsy mila mandoa mihintsy ianao

    Inona no dingana tokony horaisina?

    Tsy maintsy mangataka alalana amin‘ny mpitsara miadidy ny fianakaviana izay fantatra amin‘ny anarana hoe “Juge aux affaires familiales (JAF)” amin’ny alalan’ny lmpisolovava aloha ianao. Raha tena tsy ampy ny volanao mba handoavana ny karaman’izy ireo, dia azonao atao ny mangataka fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna na “aide juridictionnelle” mba handoavana ny fandaniana.

    Vantany vao manome alalana ny mpitsara dia tsy maintsy manakarama mpiasa eo anivon’ny fitsarana “huissier de justice” izay hanao fanagiazana ny teti-bola tokony aloa aminao mivantana alaina amin’ny karamany. Afaka mahita iray eny akaikinao eny ianao ao amin'ity lahatahiry ity.

    Ianao dia mila manome azy ireo:

    • ny antontan-taratasy ofisialy avy amin‘ny fitsarana manome anao fanampiana ara-bola
    • taratasy fanamarinana ny kaontinao amin'ny banky, na “relevé d’identité bancaire (RIB)
    • ny taratasy nanamarihanao ny vola tsy voaloa. Mila manamarina ianao fa marina ilay izy ary manao sonia. Mba hanaovana izany dia azonao atao, ohatra, ny mampiasa fianianana Mariho azafady fa: Tompon‘antoka eo anatrehan‘ny lalàna ianao, raha sanatria misy diso ny kajikajy ny vola notakiana.

    Inona ny manaraka?

    Ny “huissier” no hifandray amin’ny mpampiasan’ny “débiteur” anao mba hametraka ny dingana mikasika ny “saisie sur salaire”, ao anatin'ny fetra voafaritry ny lalàna.

  • Inona no tafiditra amin'izany?

    Raha efa nanandrana ny iray amin'ireo dingana teo aloha ianao ka tsy nahomby dia azonao atao ny mangataka amin'ny Tahirim-bolam-panjakana frantsay izay fantatra amin'ny anarana hoe “Trésor public” hitakiana ny vola tsy voaloa.

    Fanamarihana: raha nanomboka ity dingana ity, izay fantatra amin’ny hoe “recouvrement” eny anivon’ny “Trésor public” ianao dia tsy ho afaka handray fepetra intsony ianao hitakiana ireo vola tsy voaloa. Ity izany no tokony ho dingana farany.

    Vetivety ve izany?

    Mety haharitra herinandro na volana maromaro io dingana io, arakaraka ny halavan'ny fotoana tsy maintsy handinihin‘ny fitsarana ny raharahanao.

    Misy sarany ve?

    Tsia, maimaimpoana ity dingana ity. Ny “débiteur” no tsy maintsy mandoa sarany 10% amin’ny vola alaina.

    Inona no dingana tokony ho raisina?

    Tsy maintsy alefanao amin’ny paositra any amin’ny mpampanoa lalàna antsoina hoe “procureur de la République” ny fangatahanao.

    • Azonao atao ny mahita ny antsipirian’ny ifandraisana amin’izy ireo ao amin’ity lahatahiry ity ka ampidiro ny kaody paositranao dia fidio ny “tribunal judiciaire”.
    • Alefaso amin’ny paositra voasoratra anarana ny taratasy ary voarakitra fa lasa na “lettre recommandée avec accusé de réception”. Io no hany fomba hanaporofoana fa voaray ny taratasinao. Tazony ho toy ny porofon‘ny fandefasana amin‘ny alalan‘ny paositra ny rosia.

    Tsy maintsy ahitana ireto antontan-taratasy manaraka ireto ny rakitrao:

    • ny antontan-taratasy ofisialy avy amin‘ny fitsarana manome anao fanampiana ara-bola
    • antontan-taratasy manaporofo fa tsy nahomby ny iray amin'ireo fomba fangatahana fandoavam-bola hafa voalaza etsy ambony
    • ny fampahalalana rehetra azo raisina momba ny “débiteur” anao: anarana feno, adiresy, mpampiasa, laharan’ny fiahiana saosialy na “numéro de sécurité sociale”, banky, lisitry ny fananana sy fidiram-bola, sns.
    • taratasy fangatahana nosoniavina ahitana ny sandan'ny fanampiana ara-bola napetraka sy ny fitambaran'ny vola tsy voaloa.

    Inona ny manaraka?

    Ny “procureur de la République” no handrafitra ny antontan-taratasy antsoina hoe asa fanatanterahana na “état exécutoire” izay halefany any amin’ny sampandraharaham-panjakana mifandraika amin’izany, mba hanatanterahana ny fitakiana vola.

Débiteur” any ivelany

Raha mipetraka any ampitan-dranomasina ilay “débiteur” dia miankina amin’ny firenena misy azy ny dingana arahina.

Hahazo fanohanana avy amin‘ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Frantsay ianao na ny Minisiteran'ny Fitsarana Frantsay mandritra ny dingana arahina.

Omenay anao ny fanazavana mikasika ny fitsipika ankapobeny izay mamaritra hoe iza no hanohana anao, saingy mety halefa any amin'ny birao hafa ianao arakaraka ny antsipiriany manokana momba ny toe-javatra misy anao.

  • Rehefa manomana ny raharaham-pitsaranao ianao dia afaka mahazo fanampiana avy amin'ny mpisolovava. Raha tena tsy ampy ny volanao mba handoavana ny karaman’izy ireo, dia azonao atao ny mangataka fanampiana eo amin’ny sehatry ny lalàna na “aide juridictionnelle” mba handoavana ny fandaniana.

    Raha mpitsara frantsay no nametra ilay fanampiana ara-bola dia tsy maintsy misy ireto ny rakitrao:

    • taratasy manazava ny toe-javatra misy anao: ny fanampiana ara-bola nofaritan‘ny mpitsara sy ny vola tsy voaloa
    • dika mitovy nohamarinin’ny biraom-pitantanana eo amin’ny fitsarana izay fantatra amin’ny hoe “greffe” izay nametra ny fanampiana ara-bola, ohatra hoe didy nivoaka tamin’ny fisaraham-panambadiana
    • ireo antontan-taratasy tany am-boalohany navoakan’ny “greffe” amin'ireo antontan-taratasy fantatra amin'ny anarana hoe “certificat de non appel” sy “certificat de non pourvoi en cassation” (taratasy manamarina fa tsy hampiakatra ny raharaha sy taratasy manamarina fa tsy hampiakatra ny raharaha amin’ny fitsarana tampony)
    • dika mitovy nohamarinin’ny mpiasa eo anivon’ny fiitsarana fantatra amin’ny anarana hoe “huissier de justice” ny fampiantsoan’ny fitsarana sy ny sampandraharahan‘ny fitsarana mifandraika amin’izany
    • ny taratasy fanamarinana ny kaontinao amin'ny banky na “relevé d’identité bancaire (RIB)”.

    Raha toa ka mpitsara tany ampitan-dranomasina no nametra ilay fanampiana ara-bola dia tokony ahitana ireto ny fangatahana ataonao:

    • taratasy manazava ny toe-javatra misy anao: ny fanampiana ara-bola nofaritan‘ny mpitsara sy ny vola tsy voaloa
    • ny antontan-taratasy tany am-boalohany milazalaza ny didim-pitsarana natao tany ampitan-dranomasina
    • dika tany am-boalohany ny fampilazana sy ny dikan‘ilay didim-pitsarana, na izay taratasy misolo izany
    • taratasy fanamarinana avy amin'ny fitsarana mahefa, milaza fa tsy misy fanoherana amin'ny alalan'ny karazana fampiakarana ny raharaha, anisan'izany ny fitsarana tampony na ny fitsarana ambony
    • ny taratasy fanamarinana ny kaontinao amin'ny banky na “relevé d’identité bancaire (RIB)”.

    Mariho azafady fa: izay antontan-taratasy tsy amin'ny teny frantsay dia tsy maintsy ampiarahana amin'ny dikan-teny nataon’ny mpandika teny nahavita fianianana antsoina hoe “traducteur assermenté”.

  • Jereo aloha ny firenena misy ny “débiteur” anao raha any amin’ny firenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana, ny firenena nanao sonia ny fivoriambe tany New York na ny firenena nanao sonia ny fivoriambe tany La Haye.

    Ahoana ny fanaovana fangatahana?

    Raha toa ny firenena misy ny “débiteur” anao dia monina any amin’iray amin’ireto lisitra ireto dia tsy maintsy mandefa ny fangatahanao ianao (jereo ny lisitry ny antontan-taratasy ilaina etsy ambony) any amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny frantsay amin'ny alàlan'ny paositra amin'ity adiresy manaraka ity

    Ministère des Affaires étrangères
    Sous-direction de la protection des droits des personnes / Recouvrement des Créances Alimentaires (RCA)
    27 rue de la Convention
    CS 91533
    75732 Paris Cedex 15

    Alefaso amin’ny paositra voasoratra anarana ny fangatahanao ary voarakitra fa lasa na “lettre recommandée avec accusé de réception”. Io no hany fomba hanaporofoana fa voaray ny taratasinao. Tazony ho toy ny porofon‘ny fandefasana amin‘ny alalan‘ny paositra ny rosia.

    Raha manana fanontaniana momba ny raharaha mahakasika anao ianao dia afaka mifandray amin'ny Ministera amin'ny telefaonina +331 43 17 90 01.

    Misy sarany ve?

    Maimaimpoana ny fangatahana.

    Raha hanomboka raharaham-pitsarana dia mety mila manakarama mpisolovava any ampitan-dranomasina. Raha tena tsy ampy ny vola am-pelatananao handoavana ny saran‘ny tolotra dia azonao atao ny mangataka fanampiana ara-bola miankina amin'ny firenena voakasika. Afaka manampy anao amin’izany ny minisitera.

    Inona ny manaraka?

    Hiezaka ny ministera hahazo ny fandoavana ilay vola tsy voaloa, kanefa tsy voatery hitondra izany eny anivon‘ny fitsarana. Io no antsoina hoe marimaritra iraisana na “procédure amiable”.

    Raha tsy mahomby io dingana io dia miroso amin‘ny dingana ara-pitsarana amin‘izay.

  • Ahoana ny fanaovana fangatahana?

    Tsy maintsy mandefa ny fangatahanao (jereo ny lisitry ny antontan-taratasy ilaina etsy ambony) any amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana frantsay amin'ny alàlan'ny paositra amin'ity adiresy manaraka ity:

    Ministère de la Justice
    Bureau de l’Union et du droit international privé (BDIP)
    13 Place Vendôme
    75042 Paris Cedex 01

    Alefaso amin’ny paositra voasoratra anarana ny taratasy ary voarakitra fa lasa na “lettre recommandée avec accusé de réception”. Izay no hany fomba hanaporofoina fa voaray ny taratasinao. Tazony ho toy ny porofon‘ny fandefasana amin‘ny alalan‘ny paositra ny rosia.

    Azonao atao ihany koa ny mifandray amin'izy ireo amin'ny telefaonina amin'ny +331 44 77 61 05 ary amin'ny mailaka amin'ny [email protected].

    Misy sarany ve?

    Maimaimpoana ny fangatahana.

    Raha hanomboka raharaham-pitsarana dia mety mila manakarama mpisolovava any ampitan-dranomasina. Raha tena tsy ampy ny vola am-pelatananao handoavana ny saran‘ny tolotra dia azonao atao ny mangataka fanampiana ara-bola miankina amin'ny firenena voakasika. Afaka manampy anao amin’izany ny minisitera.

    Vetivety ve izany?

    Miovaova arakaraka ny toe-javatra misy ny fe-potoana. Mety haharitra volana maromaro na taona maromaro vao azo ny vola tsy voaloa.

    Inona ny manaraka?

    Miovaova be ny fotoana fikarakarana ny fangatahana. Hifandray aminao ny minisitera hanazava ny fomba arahina sy ny antontan-taratasy ilaina.

    Raha tsy mahazo valiny ao anatin'ny iray volana ianao dia afaka mifandray amin'izy ireo amin'ny alàlan'ny antso an-tariby na mailaka mba hahalalana ny fivoaran'ny raharahanao.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • Ireo ivon-toerana antsoina hoe “point-justice” dia mamondrona fikambanana isan-karazany izay manome anao torohevitra araka ny lalàna, miankina amin’ny toe-javatra atrehinao, ary indraindray dia manampy anao amin’ny dingana arahina ara-panjakana.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Manana anarana maro ireo ivon-toerana ireo: “Maison de Justice et du Droit (MJD)”, “Point d’accès au droit (PAD)”, "Relais d’accès au droit (RAD)”, “Antenne de justice (AJ)” na “France services (FS)”.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Afaka mahita “point-justice” akaiky anao ianao:
      • ao amin‘ity lahatahiry amin’ny aterineto ity.
      • amin‘ny alalan‘ny fiantsoana ny 3039 avy any Frantsa metropolitana ary ny +33 9 70 82 31 90 avy any ivelany. Hangatahany kaodim-paositra ianao ary hampifandraisiny amin‘ny “point-justice” Teny azo isafidianana: Frantsay no tena ampiasaina.
  • "Femmes Informations Juridiques Internationales Auvergne-Rhône-Alpes (FIJI)" dia fikambanana miompana manokana amin‘ny lalàna iraisam-pirenena momba ny ankohonana.

    • Maimaimpoana io tolotra io.
    • Ny ekipana mpisolovavan‘izy ireo dia ho afaka hamaly ny fanontanianao ary hanome anao torohevitra momba ny fisitahana, fisaraham-panambadiana, ary/na fihazonana ny zanakao. Sampandraharaha fampahafantarana ihany izy io: tsy afaka misolo tena anao eny anivon'ny fitsarana izy ireo. Mila mifandray amina mpisolovava ianao amin'izany.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy.
    • Fifandraisana: amin'ny alàlan'ny mailaka amin'ny adiresy [email protected] na amin'ny telefaonina amin'ny laharana 04 78 03 33 63, ny alatsinainy ka hatramin'ny alarobia, manomboka amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 12 ora atoandro
  • Anjara asan‘ny mpisolovava ny miaro ny zonao mialoha, mandritra ary aorian‘ny raharaha ara-pitsarana.

    • Tandremo tsara mba ho mpisolovava mahay no fidìana.
    • Tsy maintsy aloanao ny karaman'ny mpisolovava.
    • Raha voafetra ny vola eo am-pelatananao, dia mety hahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana ianao handoavana ireo sarany ireo. Izany no antsoina hoe "aide juridictionnelle".
    • Raha tsy mbola nisy olona matihanina na olona atokisanao nanolotra mpisolovava ho anao dia afaka mitady mpisolovava ao anatin'ity lahatahiry ity ianao. Mitanisa ireo mpisolovava rehetra ao Frantsa izy ity. Azonao atao ny mikaroka mpisolovava arakaraky ny tenim-pirenena teneniny na ny sokajin-dalàna manokana ifantohany.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona matihanina mahafeno fepetra.

Mety hahaliana anao koa

Fantaro izay tokony hatao raha toa ka tsy manaja ny fepetran’ny fisaraham-panambadiana ny vadinao taloha

Raha toa ka tsy manaja ny fizaram-pananana tapaka nandritra ny fisaraham-panambadiana ilay vadinao…

Fantaro izay tokony hatao raha tsy manaraka ny fepetra momba ny fitazomana ny zaza ilay ray aman-dreny ankilany

Raha tsy manaraka ny fepetra napetraka momba ny fitazomana ny zaza ilay ray aman-dreny ankilany, na…

Manakarama mpisolovava any Frantsa

Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony