Manofa trano manokana any Frantsa
Any Frantsa dia ny fanofana trano manokana no mety ho fomba haingana hitadiavana trano. Hametraka…
Raha tsy dia manam-bola ianao dia afaka mangataka mba hanofa trano atao hoe trano sosialy, na “logement social”, fantatra ihany koa amin’ny hoe “HLM”. Izy ity dia trano izay arahi-maso akaiky ny hofany, ary mora kokoa noho ny trano fonenana manokana. Raha niharan‘ny herisetra ao an-tokantrano ianao, dia azo apetraka ao amin'ny lisitry ny mpangataka atao laharam-pahamehana.
Nohamarinin'i Ouarda Varda Sadoudi tamin'ny 27/11/2022
Ny trano sosialy dia trano amin‘ny vidiny mora kokoa ho an‘ireo olona tsy dia ampy vola. Arahi-maso akaiky ny hofan-trano, ary ambany noho ny vidiny eo amin‘ny tsenam-barotra.
Misy fikambanana fantatra amin’ny anarana hoe “bailleurs sociaux” mitantana azy, ka manome trano ho an’ireo mpangataka atao laharam-pahamehana, izay mahafeno ireo fepetra takiana.
Raha te hahazo trano sosialy ianao dia tsy maintsy
Raha nahazo telefaonina nomen'ny mpitsara, antsoina hoe “Téléphone Grave Danger” ianao, na telefaonina fampiasa amin’ny loza, ary nanao fangatahana hahazo trano sosialy, dia ho azonao ho azy izany.
Afaka miantso ny fikambanana miandraikitra fitantanana ny “Téléphone Grave Danger” ianao, dia zareo no hanampy anao bebe kokoa momba ny dingana arahina amin’ny fangatahana trano sosialy amin'ny toe-javatra misy anao.
Raha niara-nipetraka tamin'ny vadinao ianao, ary nandao ny tokantranonareo noho ny herisetra tao an-tokantrano, dia ho voasokajy ho laharam-pahamehana mba hahazo trano sosialy. Lalàna manan-kery “Code de la construction et de l’habitation”, and. L-441.1.”
Rehefa manao fangatahana ianao dia tsy maintsy mampiseho ny antontan-taratasy ofisialy avy amin’ny mpitsara miadidy ny ankizy antsoina hoe “juge aux affaires familiales (JAF)” mampiseho ny porofo momba ilay herisetra, izany hoe:
Na izany aza, raha ny marina dia ireo fikambanana sasany izay mitantana ny trano sosialy fantatra amin‘ny anarana hoe “bailleurs sociaux” no manaiky ihany koa ny fitoriana napetraka teny amin’ny polisy mba ho porofo fa nisy ny herisetra. Amin’izay fotoana izay, diamila omenao fotsiny ny antontan-taratasy manaporofo fa nandray izay dingana izay ianao, izay fantatra amin’ny anarana hoe “récépissé de plainte”.
Tokony hahazo trano sosialy haingana kokoa noho ny mahazatra ianao. Na izany aza dia miovaova eny ny fotoana fiandrasana,miankina amin‘ny vakim-paritra ipetrahana, ary indraindray aza tena ela be mihitsy.
Rehefa manao fangatahana ianao dia tokony ho hita ao ireto antontan-taratasy manaraka ireto:
Alefa amin‘ny aterineto amin‘izao fotoana izao ny ankamaroan‘ny fangatahana trano sosialy.
Toy izao manaraka izao ny dingana:
Azo atao ihany koa ny mandefa mivantana ny fangatahanao any amin'ny sampana.
Tsy maintsy mameno ity taratasy ity ianao ary mandefa izany miaraka amin’ny antontan-taratasy nangatahana.
Afaka mahita ny lisitr’ireo sampana misy eny amin’ny tanàna na tanan-dehibe misy anao ianao ao amin’ ity tranokala ity:
Raha tsy azonao antoka ny famenoana ny fangatahana nataonao dia azonao atao ny maka fotoana amin’ny matihanina izay hanampy anao hameno izany.
Vantany vao voarakitra ny fangatahanao dia misy fomba maro ahafahanao mahita trano fonenana:
Azonao arahina akaiky ny fizotran’ny raharahanao amin’ny alalan’ny aterineto miaraka amin’ny laharana nanaovanao fangatahana na “numéro unique d’enregistrement”.
Aza adinoina ny manavao ny antsipiriany ifandraisana aminao raha toa niova izany amin‘izay mba ho arakao avokoa ny tolotra mivoaka.
Raha te hanafaingana ny fahazoana trano sosialy dia mety ilaina ny manaraka fomba iray antsoina hoe zo azo ampiharina amin'ny trano na “droit au logement opposable (Dalo)” eny anivon’ny komitin’ny vakim-paritra fantatra amin’ny anarana hoe “commission de médiation”.
Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy mahafeno ny fepetra amin'ny fanomezana trano ara-tsosialy ianao, ary koa farafahakeliny ny iray amin'ireto fepetra manaraka ireto:
Tsara tokoa raha mitady fanohanana avy amin’ny matihanina ianao mba hanao izany.
Ny dingana arahina dia hiankina amin‘ny hoe hipetraka any amin‘ny faritra Ile-de-France ianao sa faritra hafa mihitsy. Voalaza amin’ny antsipiriany izany ao amin’ ity tranokala ity.
Raha tsy mahazo valiny ianao aorian'ny herintaona ary mbola te-hahazo trano sosialy dia tsy maintsy manavao ny fangatahanao.
Azonao avaozina ny fangatahanao:
Ny “bailleur social” dia tsy manan-jo handà ny fangatahanao noho ny fepetra fanavakavahana sasany, toy ny fiavianao, ny fahasalamanao, ny fironana ara-pananahana na ny fivavahanao.
Raha heverinao fa ratsiratsy kokoa ny fandraisana anao noho ny fanavakavahana rehefa nitady trano ianao, diamisy ireo vahaolana hanamafisana ny zonao.
Ny sampandraharaha “ADIL” dia masoivoho eo an-toerana izay mampahafantatra ny olona mikasika ny zony hahazo trano, ary ny vahaolana ho azy ireo.
Ny mpiasa sosialy na “travailleurs sociaux” sy ny “assistants sociaux” dia efa za-draharaha amin‘ny fanohanana ny olona amin'ny fikarakarany taratasy, ary manampy azy ireo hahita vahaolana mifanaraka amin'ny fahasahiranana atrehany.
Ny "PIMMS Médiation" dia fikambanana mampahafantatra, mitarika na manohana ny fikarakarana taratasy amin'ny sehatra maro: fidirana amin'ny tolotra ho an'ny daholobe, fidirana amin'ny fitsaboana, fangatahana fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana, fanambarana hetra, fanambarana ho an'ny “Pôle Emploi”, sns.
Manofa trano manokana any Frantsa
Any Frantsa dia ny fanofana trano manokana no mety ho fomba haingana hitadiavana trano. Hametraka…
Miomana ny hifindra sy hiova adiresy
Mialohan'ny hifindranao amin'ny trano vaovao dia misy dingana maromaro tokony horaisinao manoloana…
Manova ny fifanarahana hanofa niarahana natao tamin‘ny vadinao taloha
Raha nanao sonia fifanarahana hanofa, na “bail”, niaraka amin’ny vadinao taloha ianao, dia tena…