Amin'ny ankapobeny, ireo fepetra ireo dia tsy mihatra amin'ny olom-pirenena Alzeriana, satria ny satan'ny fifindra-monina any Frantsa dia fehezin'ny fifanarahana teo amin‘ny roa tonta.
Na izany aza, ny tompon-andraikim-panjakana frantsay misahana ny fandinihina ny fangatahana ny “titre de séjour” izay fantatra amin’ny hoe “préfecture” dia mety mbola hanapa-kevitra ny hamela anao hahazo izany raha toa ka manaraka fandaharan’asa hialana amin’ny toe-javatra manodidina ny fivarotan-tena ianao. Noho izany dia tsara tokoa raha toa ianao ka manao fangatahana sy manasongadina fa mahafeno ireo fepetra voalaza eo ambony.